Hijery ny anatiny

Ho Tafita Velona ve ity Tontolo Ity?

Ho Tafita Velona ve ity Tontolo Ity?

Ho Tafita Velona ve ity Tontolo Ity?

Tsy nisy taranaka hafa teo aloha nahare resaka be dia be toy izao momba ny faran’izao tontolo izao. Maro no matahotra sao hifarana amin’ny loza niokleary ity tontolo ity. Ny hafa mihevitra fa ny fandotoana no mety handringana izao tontolo izao. Ny hafa koa manahy sao hampiady ny olombelona amin’izy samy izy ny fisafotofotoana ara-toe-karena.

Tena mety hifarana tokoa ve ity tontolo ity? Raha eny, hidika ho inona moa izany? Efa nisy tontolo iray nifarana ve taloha?

Nifarana ny tontolo iray — Nisolo toerana azy ny hafa iray

Eny, tena efa nisy tontolo iray nifarana tokoa. Diniho ilay tontolo izay nanjary ratsy aoka izany tamin’ny andron’i Noa. Manazava toy izao ny Baiboly: “Rano (...) no nandravana izao rehetra izao taloha tamin’ny nanasaforany azy”. Milaza toy izao koa ny Baiboly: “Nahatonga ny Safodrano tamin’ny ratsy fanahy teo amin’izao tontolo izao [Andriamanitra].” — 2 Petera 2:5; 3:6.

Mariho hoe nidika ho inona ny faran’izany tontolo izany, ary koa hoe tsy nidika ho inona izany. Izany aloha dia tsy nidika ho ny faran’ny taranak’olombelona. Tafita velona tamin’ilay Safodrano nanerana ny tany i Noa sy ny fianakaviany. Toy izany koa ny planeta Tany sy ny lanitra tsara tarehy feno kintana. “Ny ratsy fanahy teo amin’izao tontolo izao”, izany hoe ny fandehan-javatra ratsy iray, kosa no fongotra.

Tatỳ aoriana, rehefa nitombo ny taranak’i Noa, dia nisy tontolo hafa iray niforona. Izany tontolo, na fandehan-javatra, faharoa izany dia nisy hatramin’izao androntsika izao. Feno ady, heloka bevava ary herisetra ny tantarany. Inona no hanjo io tontolo io? Ho tafita velona ve izy io?

Ny hoavin’ity tontolo ity

Rehefa avy nilaza ny fitantarana ao amin’ny Baiboly fa niharan’ny fandringanana ny tontolo tamin’ny andron’i Noa, dia manohy toy izao: “Izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia hazonin’izany teny izany ho amin’ny afo”. (2 Petera 3:7). Manazava izany toy izao ny mpanoratra Baiboly hafa iray: “Mihalasa ity tontolo [misy ankehitriny] ity”. — 1 Jaona 2:17, NW.

Tsy milaza akory ny Baiboly fa ny tany, na ny lanitra misy kintana, ara-bakiteny no hanjavona, toy ny tsy nanjavonan’izy ireo tamin’ny andron’i Noa. (Salamo 104:5). Ity tontolo ity, voaforon’ny “lanitra” ao aminy, izany hoe ireo mpanapaka eo amin’ireo fitondram-panjakana eo ambany fitaoman’i Satana, sy ny “tany” ao aminy, izany hoe ny fitambaran’olombelona, kosa no horinganina toy ny amin’ny afo. (Jaona 14:30; 2 Korintiana 4:4). Ity tontolo, na fandehan-javatra, ity dia azo antoka fa ho fongotra tsy misy hafa amin’ny naha fongotra ilay tontolo talohan’ny Safodrano. Na i Jesosy Kristy aza dia niresaka momba ny tarehin-javatra tamin’ny “andron’i Noa” ho toy ny ohatra ny amin’izay hitranga alohan’ny faran’ity tontolo ity avy hatrany. — Matio 24:37-39.

Zava-dehibe ny manamarika fa, rehefa niresaka momba ny andron’i Noa i Jesosy, dia mba hamaliana ny fanontanian’ny apostoliny nanao hoe: “Lazao aminay izay (...) ho famantarana ny fihavianao sy ny fahataperan’izao tontolo izao.” (Matio 24:3). Fantatry ny mpanara-dia an’i Jesosy fa hifarana ity tontolo ity. Moa ve nampahatahotra azy ireo izany fahatsinjovan-javatra izany?

Mifanohitra amin’izany fa, rehefa nilazalaza momba ireo fisehoan-javatra hitranga alohan’ny faran’izao tontolo izao i Jesosy, dia nampirisika azy ireo mba hifaly ‘satria nanakaiky ny fanafahana azy’. (Lioka 21:28, NW). Eny, ny fanafahana avy amin’i Satana sy ny fandehan-javany ratsy mba hiditra ao amin’ny tontolo iray vaovao sy feno fiadanana! — 2 Petera 3:13.

Rahoviana anefa no hifarana ity tontolo ity? “Famantarana” inona no nomen’i Jesosy ny amin’ny ‘fiaviany sy ny an’ny faran’izao tontolo izao’?

Ilay “famantarana”

Ny teny grika nadika hoe ‘fiaviana’ eto dia hoe pa·rou·siʹa, ary midika ho “fanatrehana”, izany hoe ny maha eo an-toerana mihitsy. Rehefa hita àry ilay “famantarana”, izany akory tsy hidika hoe ho avy tsy ho ela i Kristy, fa hoe efa niverina kosa izy ka efa manatrika. Izany dia hidika hoe efa nanomboka nanjaka tamin’ny fomba tsy hita maso, amin’ny maha mpanjaka any an-danitra azy, izy ary koa fa tsy ho ela izy dia hanafoana ireo fahavalony. — Apokalypsy 12:7-12; Salamo 110:1, 2.

Tsy nanome fisehoan-javatra iray monja ho an’ilay “famantarana” i Jesosy. Nilazalaza momba ireo fisehoan-javatra sy tarehin-javatra maro haneran-tany izy. Izy rehetra ireo dia hitranga mandritra ny fotoana antsoin’ny mpanoratra ny Baiboly hoe “ny andro farany”. (2 Timoty 3:1-5, NW; 2 Petera 3:3, 4). Diniho ny sasany amin’ireo zavatra izay nolazain’i Jesosy mialoha fa hanamarika “ny andro farany”.

“Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana”. (Matio 24:7). Ady mahafaoka be lavitra noho ny hatramin’izay ny ady amin’ny andro ankehitriny. Nanamarika toy izao ny mpanoratra tantara iray: “Ny Ady Lehibe Voalohany [nanomboka tamin’ny 1914] no ady voalohany ‘amin’ny heviny rehetra’.” Kanefa mbola nandrava lavitra kokoa aza ny Ady Lehibe Faharoa. Ary dia mbola manohy manapotika ny tany ihany ny ady. Eny, tanteraka amin’ny fomba mampivarahontsana ireo tenin’i Jesosy!

“Hisy mosary”. (Matio 24:7). Nanaraka ny Ady Lehibe Voalohany, dia tonga ilay mosary izay ny lehibe indrindra teo amin’ny tantara rehetra angamba. Nisy mosary nahatsiravina koa nanaraka ny Ady Lehibe Faharoa. Misy tena faharatsian-tsakafo mamely ny ampahadimin’ny mponina amin’ny tany ka mamono ankizy eo amin’ny 14 tapitrisa eo ho eo isan-taona. Tena marina fa ‘misy mosary’!

“Hisy horohorontany lehibe”. (Lioka 21:11). Amin’ny ankapobeny, dia avo folo heny noho ny isan’ny maty isan-taona vokatry ny horohoron-tany tamin’ireo taonjato teo aloha ny isan’ny maty isan-taona nanomboka tamin’ny 1914. Diniho fotsiny ny sasantsasany amin’ireo lehibe indrindra: 1920, tany Sina, 200 000 no maty; 1923, tany Japana, 140 000 eo ho eo no maty na tsy hita popòka; 1939, tany Torkia, 32 700 no maty; 1970, tany Peroa, 66 800 no voavono; ary 1976, tany Sina, teo amin’ny 240 000 teo ho eo (na 800 000 mihitsy aza, araka ny filazana sasany) no niharam-pahavoazana. Tena “horohorontany lehibe” tokoa!

“Hisy (...) areti-mandringana any amin’ny tany samy hafa”. (Lioka 21:11). Taorian’ny Ady Lehibe Voalohany avy hatrany, dia nisy olona teo amin’ny 21 tapitrisa teo ho eo maty noho ny gripa espaniola. Nitantara toy izao ny Science Digest: “Teo amin’ny tantara rehetra, dia mbola tsy nisy famelezan’ny fahafatesana mafy kokoa sy haingana kokoa noho izany.” Nanomboka tamin’izay, ny aretim-po, ny homamiadana, ny SIDA ary ny aretina mamely maro hafa, dia namono olona an-jatony tapitrisa maro.

“Haben’ny tsi-fankatoavan-dalàna”. (Matio 24:12). Nanjary fantatra ho tontolon’ny heloka bevava sy ny herisetra ny tontolo misy antsika, nanomboka tamin’ny 1914. Any amin’ny toerana maro, dia tsy misy olona mahatsiaro tena ho voaro eny amin’ny arabe na dia mandritra ny andro aza. Amin’ny alina, ny olona dia mijanona ao an-tranony, ao ambadiky ny varavarana misy hidiny maro, noho ny fahatahorana ny hivoaka any ivelany.

Misy zavatra maro hafa koa nolazaina mialoha fa hitranga mandritra ny andro farany, ary izy rehetra dia samy tanteraka koa. Izany dia midika hoe akaiky ny faran’ity tontolo ity. Soa ihany anefa fa hisy ho tafita velona. Rehefa avy nilaza ny Baiboly fa “mihalasa ity tontolo ity”, dia mampanantena fa “izay manao ny sitrapon’Andriamanitra dia mitoetra mandrakizay”. — 1 Jaona 2:17, NW.

Mila mianatra sy manao ny sitrapon’Andriamanitra àry isika. Amin’izay isika dia afaka ny ho tafita velona amin’ny faran’ity tontolo ity ka hankafy mandrakizay ireo fitahiana ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. Mampanantena ny Baiboly fa amin’izany fotoana izany, dia “hofafany [Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny masony [ny olona], ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana”. — Apokalypsy 21:3, 4.

Raha tsy misy fanamarihana manokana (toy ny hoe NW ho an’ny New World Translation of the Holy Scriptures), ny fakan-teny rehetra avy ao amin’ny Baiboly dia avy amin’ny Fandikan-teny Malagasy.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 6]

Fankasitrahana noho ireo sary: Fiaramanidina: USAF photo. Ankizy: WHO photo by W. Cutting. Horohoron-tany: Ishiyama, Hokkaido University, Japan.