Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ela loatra ve vao “tonga” ilay Fanjakana?

Ela loatra ve vao “tonga” ilay Fanjakana?

Toko Faha-5

Ela loatra ve vao “tonga” ilay Fanjakana?

1. Fanontaniana inona avy no mipetraka momba ny Romana 8:22?

NY APOSTOLY Paoly dia nanoratra hoe: “Fa fantatsika fa izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary toy izay efa hiteraka mandraka ankehitriny.” (Romana 8:22). Fa nahoana no toy izany no izy? Nahoana Andriamanitra no namela ny ady, ny herisetra, ny aretina ary ny fahantrana hisy nandritra ireo 6000 taona lasa? Fa inona avy no nitranga ka nahatonga ny olombelona izay noforonina mba hiaina mifanaraka amin’ny lalàn’Andriamanitra ho ory noho ny tsy fankatoavan-dalàna ankehitriny? Nahoana ny Raintsika any an-danitra no tsy nanarina ny zavatra? Raha toa ka ilay Fanjakana no fanafodin’ny zava-manahirana, nahoana izy io no ela loatra vao “tonga”? Azo atao marina ve ny manantena fa hanova ireo tarehin-javatra mampalahelo ireo Andriamanitra?

2. Nety ho nanjary inona ny tany teo ambany fanapahan’Andriamanitra?

2 Teo ambany fanapahana na fiandrianana tampon’ilay “Mpanjaka mandrakizay”, dia tokony ho nisy toe-piainana tonga lafatra teto an-tany hatramin’ny famoronana tany Edena. Raha vao ho niteraka ny lehilahy sy vehivavy voalohany ka ho nitombo am-polo tapitrisany maro ny fianakavian’olombelona, dia tokony ho nanjary paradisa tsara tarehy aoka izany ny tany izay ho nampanakoako ny hehim-piravoravoan’ny olombelona ary ho nahitan’ny fokom-pirenena rehetra ny fiadanana sy ny fitiavana. — Ampitahao amin’ny Mpitoriteny 2:24.

3. a) Tahaka ny endrik’iza no namoronana ny olombelona? b) Inona no asa nanirahana ny mpivady voalohany? d) Fanontaniana inona àry no tokony hapetratsika?

3 Izany no fikasan’ilay mpamorona ny tany rehefa nanao tamim-pitiavana ny lehilahy hitovy fitondrantena aminy izy ary namorona ny vehivavy avy tamin’ny lehilahy. Izao no lazain’ny fitantarana araka ny Baiboly momba ny famoronana:

“Lahy sy vavy no namoronany azy. Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjakà amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany. Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany.” (Genesisy 1:26-31).

Nefa ahoana àry, nahoana izay noforonin’Andriamanitra teto an-tany no toa tsy hitantsika ho “tsara indrindra” amin’izao fotoana izao?

FIHAIKANA NY FIANDRIANAN’ANDRIAMANITRA

4. a) Lalàn’Andriamanitra inona no nanjaka, ary nahoana? b) Iza no naniry hampihatra lalàna hafa, ary ahoana no nataony?

4 Ny famoronana dia nifototra tamin’ireo lalàn’Andriamanitra, anisan’ny miavaka manokana amin’izany dia ny fitiavana. Andriamanitra mihitsy dia “fitiavana”. (I Jaona 4:8.) Nefa niseho ny olona iray izay naniry hanorina lalàna hafa ho an’ny olombelona. Io “olona” io dia ‘zanak’Andriamanitra’, izany hoe anjely iray tsy hita maso, tsy isalasalana fa anankiray amin’ireo izay “nihoby” raha namorona ny tany sy izay rehetra eo aminy Jehovah (Joba 38:7). Io anjely io dia nanao ny tenany ho satana, izany hoe mpanohitra an’Andriamanitra. Koa satria izy naniry hahaleo tena sy handray fanompoam-pivavahana, dia namafy toe-tsaina tia fikomiana izy (Efesiana 2:1, 2; ampitahao amin’ny Lioka 4:5-7). Nanao tetika izy mba hampiasana ireo ray aman-drenintsika voalohany hanatanterahany ny fikasany feno fitiavan-tena. Ahoana no nataony tamin’izany?

5, 6. a) Didy tena tsotra inona no nomen’Andriamanitra an’i Adama? b) Ahoana no nataon’i Satana tamin’izany, ary nahoana no tena ara-drariny ny nanomezana azy ny anarana hoe “Devoly”?

5 Tao amin’ny saha na paradisan’i Edena, Adama sy Eva dia nifaly tamin’ireo soa nentin’ny fanapahan’i Jehovah izay niahy ny amin’ny zavatra rehetra nilain’izy ireo ara-panahy sy ara-batana. Nefa mba hiarovana io fahasambarana io dia tsy maintsy nanaiky an’i Jehovah ho Mpanjaka Tompony sy nankato azy izy ireo. Izany no antony nanomezan’i Jehovah an’i Adama didy iray tena tsotra, dia ny tsy hihinana amin’ny “hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy”, didy nahakasika koa an’i Eva rehefa noforonina izy. Tsy nampihafy azy ireo mihitsy Andriamanitra satria ireo hazo hafa tao amin’ny saha dia nanome voankazo tsara dia tsara sy nahavelona maro karazana aoka izany. Noho izany, raha sanatria ka tsy nankato an’Andriamanitra izy ireo tamin’ny fihinanana tamin’io voankazo io dia “ho faty tokoa”. Nanao hafetsena Satana, ilay mpikomy ka nampiasa menarana iray mba hiresaka amin’i Eva aloha, izay nilazany hoe: “Tsy ho faty tsy akory ianareo; fa fantatr’Andriamanitra fa amin’izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an’Andriamanitra hianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy.” — Genesisy 2:17; 3:1-5.

6 Nilaza an’Andriamanitra ho mpandainga àry Satana, nefa raha ny tena marina dia izy no mpandainga. Ilay “rain’ny lainga” àry dia nahazo koa anarana tena nifanentana hoe Devoly, izay ny dikany dia hoe “Mpanendrikendrika”. (Jaona 8:44). Tamin’izany dia nihaika tsotra fotsiny izao ny fiandrianan’i Jehovah izy, izany hoe ny fanjakany teo amin’ireo zavaboariny. Namela hino izy fa Andriamanitra dia nisakana azy ireo tsy hanana fahalalana iray nananan’izy ireo zo, fa tsy azo natao ny nitoky tamin’ny fanapahany ary tsara kokoa ho azy ireo ny manao zavatra amim-pahaleovan-tena, amin’ny fanorenana fitsipiky ny tenan’izy ireo manokana raha ny amin’izay “tsara sy ny ratsy”.

7. Ahoana no nahadiso an’ireo mpivady voalohany tamin’ny fisedrana?

7 Nanao ahoana no fandraisan’ilay vehivavy izany fanendrikendrehana izany? Tsy niaro ny fony izy fa namela ny fanirian-dratsy hamaka tao. Nanjary torontoronina io faniriana io rehefa avy eo hany ka nanaiky ho voafitaka izy ary nanota an-tsitrapo tamin’ny tsy fankatoavana an’Andriamanitra. Tamin’ny fihetsiny dia naniratsira ny fahefan’ny vadiny izay tokony ho nilany hevitra izy. Nefa nanao ahoana ny fihetsik’ilay lehilahy? Tsy voafitaka i Adama, nefa nifidy ny hiombona anjara amin’i Eva izy tamin’ny fanarahana azy an-tsitrapo tamin’ny fihetsiny feno fikomiana. Andro nanjombona tokoa izany ho an’ireo ray aman-drenintsika voalohany sy ho an’ny taranak’olombelona manontolo. — Genesisy 3:6, 7; I Timoty 2:14; ampitahao amin’ny Jakoba 1:14, 15.

8. a) Teny fanamelohana inona no notononin’Andriamanitra ara-drariny tokoa tamin’i Adama sy Eva? b) Moa ve ny tsirairay avy taminy nanana fanahy handeha any an-danitra na any amin’ny afobe eo amin’ny fahafatesany? d) Inona no nanjary nanjaka teo amintsika ary nahoana?

8 Naneho fanamavoana lalina ny fiandrianan’Andriamanitra i Adama sy Eva. Izany no antony nifanaraka tamin’ny lalàny, namoronan’Andriamanitra ny fanamelohana ho faty ary nilazany tamin’i Adama hoe:

“Fa vovoka hianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray hianao.” (Genesisy 3:19).

Tsy te-hilaza akory Andriamanitra tamin’ireo teny ireo fa ny vatan’i Adama ihany no ho faty ary hisy izany hoe “fanahy” (âme) na “fanahy” (esprit) hiala amin’ny vatany izany mba hanohy ho velona any amin’ny lanitra iray na afobe iray. Tsia, satria Adama mihitsy dia “fanahy”. Marina tokoa fa ny fitantaran’ny famoronana dia milaza amintsika, araka ny Genesisy 2:7 (MN) hoe: “Ary vovo-tany no namoronan’i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga “fanahy” velona ny olona.” Taty aoriana, Adama sy Eva izay fanahy àry dia samy maty daholo. Koa satria ny olombelona rehetra taranak’i Adama, izay simban’ny ota, dia nandova ny ota sy ny fahafatesana daholo isika rehetra. “Ny fanahy izay manota no ho faty.” (Ezekiela 18:4, 20). Amin’ny maha-fanahy olombelona antsika, dia maty daholo isika amin’ny farany. Tamin’izany no nahatonga ny fahafatesana hanjaka eo amintsika. — Romana 5:12, 14; 6:12; Mpitoriteny 3:19, 20; 9:5, 10.

TAFIDITRA NY TSY FIVADIHAN’NY OLOMBELONA

9. Fanontaniana hafa inona no napoitra tany Edena?

9 Kanefa ny fikomiana tao Edena dia tsy hoe nitarika ho amin’ny fandavana fotsiny ny fiandrianan’Andriamanitra. Nisy fanontaniana iray hafa koa napoitra. Koa satria ireo olombelona voalohany indrindra napetrak’Andriamanitra teto an-tany tsy nijanona ho nahatoky tao anatin’ny fisedrana, moa ve izany milaza fa nisy zavatra tsy nety tamin’ny famoronan’Andriamanitra? Azo natao tokoa ve ny nilaza fa “tanteraka” ny asan’Andriamanitra rehetra?

10. a) Nisy tsininy ve ny famoronan’Andriamanitra? Nahoana ianao no mamaly toy izany? b) Ahoana no ahafahan’ny olombelona mampiseho fa tahaka ny ‘endrik’Andriamanitra’ izy ireo?

10 Ho azon’Andriamanitra natao avy hatrany ny nandringana an’i Adama sy Eva ary namorona mpivady iray hafa. Nefa moa va tsy ho namela hino izy tamin’izany fa nisy tsininy ny famoronany voalohany? Kanefa tsy izany no izy. Ireo ray aman-drenintsika voalohany dia nifidy tamim-piniavana ny hampiasa amin’ny fomba ratsy ny safidiny malalaka, fahaizana ara-pitondrantena nomen’Andriamanitra azy ireo. Raha tahiny izy ireo ka “robot” voatery hanao ny tsara amin’ny toe-javatra rehetra, dia ho nisy zavatra tsy ampy tamin’izy ireo teo amin’ny lafiny ara-pitondrantena. Tsy ho ‘tahaka ny endrik’Andriamanitra’ izy ireo. Nefa Jehovah izay fitiavana, dia manao ny zavatra amin’ny fomba tanteraka foana, araka izay ilana azy, ary iriny ny hanaovan’ireo zavaboariny manan-tsaina koa izay tsara, satria atosiky ny fitiavana. — Genesisy 1:26, 27; I Jaona 5:3.

11. Fanazavana inona no omen’ny Deoteronomia 32:4, 5 ny amin’ny tarehin-javatra nisy tamin’izany?

11 Izao no voasoratra momba an’i Jehovah: “Ny amin’ny Vatolampy, tanteraka ny asany; fa ny lalany rehetra dia amin’ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy. Marina sy mahitsy Izy.” Ireo olombelona, noforoniny koa dia afaka miseho ho tsy mivadika, marina sy mahitsy. Izany no antony namelan’Andriamanitra an’i Adama sy Eva hanan-janaka. Izy ireo dia nandova ny toetra maha-mpanotan’ny ray aman-dreniny. Kanefa, ny sasany amin’izy ireo dia hanaporofo ny fitiavany sy ny tsy fivadihany tsy azo ravana amin’ilay Mpamorona ary izany dia na dia eo aza ny tsy fahatanterahana ara-nofo na ny fisedrana sy fanenjehana faran’izay lehibe mety hihatra amin’izy ireo. Mifanohitra amin’izany, ny olombelona sasany dia ‘nanisy ratsy’, nampiseho tamin’izany fa tsy zanak’Andriamanitra izy ireo. Kanefa dia ho safidy an-tsitrapo avy amin’izy ireo izany; tsy ho avy amin’Andriamanitra ny tsiny, fa an’ireny olona ireny ihany. — Deoteronomia 32:4, 5.

12, 13. a) Ahoana no nihantsian’i Satana an’Andriamanitra momba an’i Joba? b) Valiny inona no nomen’i Joba ary nanao ahoana no vokatr’izany taminy?

12 Ny bokin’i Joba araka ny Baiboly dia mampiseho fa Satana Devoly dia nampipoitra tokoa ny raharaha momba ny tsy fivadihan’ny olombelona eo anatrehan’Andriamanitra. Joba izay velona tokony ho 2500 taona taorian’ny fikomian’i Adama dia ‘olona marina sy nahitsy (...) sady natahotra an’Andriamanitra ka nifady ny ratsy’. Nihantsy an’Andriamanitra i Satana tamin’ny filazana fa ny fahitsian’i Joba dia tsy vokatry ny fo, fa nanompo azy fotsiny izy satria nandray tombontsoa avy tamin’izany. Niaritra famoizana mafy izy io: matin’ny loza lehibe ny zanany folo; taty aoriana dia voan’ny aretina maharikoriko koa aza ny tenany ary na dia ny vadiny aza dia naneso azy tamin’ny filazana hoe: “Mbola mitana ny fahamarinanao ihany va hianao? Mahafoiza an’Andriamanitra hianao, dia aoka ho faty.” Nony avy teo Joba dia tsy maintsy niaritra ny fanomezan-tsiny feno fanarabian’ireo lehilahy telo izay nilaza ho nampionona azy. — Joba 1:6 ka hatramin’ny 2:13.

13 Na dia teo aza ireo fisedrana rehetra ireo, dia tsy nivadika hatrany tamin’ny fanapahan-keviny i Joba:

“Mandra-pialan’ny aiko dia tsy hanaiky ho manan-tsiny aho [tsy hiala amin’ny tsy fivadihako aho MN].”

Nanaporofo ny tsy fivadihany tamin’Andriamanitra izy ka nanome tamin’izany, valiny mahery tamin’ny fiampangan’i Satana. Namaly soa an’i Joba àry Jehovah tamin’ny fanomezana azy indroa toraka izay rehetra nananany fahiny. Notahiny koa izy tamin’ny famelana azy hanan-janaka lahy fito sy vavy telo, ny tsara tarehy indrindra teo amin’ny tany rehetra. — Joba 27:5; 42:10-15.

14. Ahoana no nanahafan’ny olombelona hafa an’i Joba mba hamaliana ny fihaikan’i Satana, ary inona no ohatra tsara indrindra ananantsika momba izany?

14 Kanefa Joba dia tsy inona fa iray monja amin’ireo mpanompon’Andriamanitra mahatoky izay, ana hetsiny maro dia nampifaly ny fony tamin’ny fanomezana valinteny ho an’ny filazana feno laingan’i Satana, izay nihambo fa ireo milaza hoe tia an’i Jehovah dia tsy mankato ary tsy manompo azy afa-tsy noho ny zava-kendrena feno fitiavan-tena. Ny ohatry ny tsy fivadihana tsara indrindra dia ny an’i Jesosy, ilay Zanak’Andriamanitra, izay, fony tety an-tany, dia “naharitra ny hazo fijaliana, fa tsy nitandro henatra”, izany rehetra izany dia noho ny fifaliana hanatanteraka hatrany amin’ny fomba tsy mitady tombony ny asa nanirahana nankinin’Andriamanitra taminy. — Hebreo 12:2.

NY VALIN’NY FIHAIKAN’ILAY MPIHANTSY

15. Nahoana no azo atao ny milaza fa tao amin’io ady hevitra io dia Jehovah no nohamarinina?

15 Saika efa tapitra ankehitriny ny fotoana noferan’Andriamanitra. Nandritra ireo 6 000 taona lasa teo ho eo, Jehovah dia namaly tamim-pahombiazana ny fihaikan’i Satana. Noporofoiny fa nisy lehilahy sy vehivavy afaka nijanona tsy nivadika taminy, ary nampiseho izany tokoa izy ireo, na nanao ahoana na nanao ahoana fanenjehana na fisedrana hafa tamin-kalozana nentin’i Satana ho azy ireo. Nampiasa ny teti-dratsy takatry ny saina rehetra ny Devoly mba handresena azy ireny, nefa dia tsy nahavoa. Ireo mpanompon’Andriamanitra mahatoky dia nampifaly ny fon’ny Rainy any an-danitra, satria izy ireo namela azy hamaly an’ilay “niteny ratsy” azy, izany hoe Satana, ilay fahavalo lehibe. — Ohabolana 27:11.

16. a) Fandresena inona no efa nandraisan’ireo mpanompon’Andriamanitra mahatoky anjara sahady? b) Nahoana ireo vahoakan’ilay Fanjakana no afaka mitoky amin’ireo filohany?

16 Tao anatin’izany fotoana izany ihany koa, ary mifanaraka amin’ny fomba nanomanany hitondrana ny zavatra, Jehovah dia nifidy tamin’ireo olony mahatoky, ireo izay hanjaka hiaraka amin’i Kristy any amin’ny Fanjakan’ny lanitra. Satana dia niampanga azy ireny teo “anatrehan’Andriamanitsika andro aman-alina”, nefa naharesy azy izy ireo noho “ny teny filazana Azy, ary tsy nankamamy ny ainy intsony izy, na dia ho faty aza”. Tahaka ilay ohatra tahafiny, Jesosy Kristy, dia vonona ny hanaporofo ny toetra ambonin’ny fitiavany an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona aminy izy ireo, ka mety ho tonga hatramin’ny fanomezana ho azy ireo ny ainy. Ny fianakavian’olombelona dia afaka mitoky tanteraka amin’io Fanjakana any an-danitra voaforon’i Kristy sy ireo miara-manjaka aminy 144 000 io, satria izy rehetra dia nanaporofo ny tsy fivadihany tao anatin’ny fisedrana. — Apokalypsy 12:10, 11; 14:1-5; 20:4; Jaona 15:13.

17. Iza no handova ny faritry ny Fanjakana eto an-tany?

17 Ny olombelona hafa, tahaka an’i Joba, izay maty tsy nivadika tamin’Andriamanitra tamin’ny andro talohan’ny kristianisma dia mahazo antoka fa handray soa amin’ny “fitsanganana tsara lavitra” eo amin’ny “tany vaovao”. (Hebreo 11:35; II Petera 3:13.) Izy ireo dia anisan’ny “ondry hafa” an’ilay “Mpiandry tsara”, Jesosy Kristy, ka manana fanantenana hiaina mandrakizay eo amin’ny tany lasa paradisa. Toy izany koa, ireo “ondry” maneho hatsaram-po amin’ireo ‘rahalahin’i Kristy’ nitafy hosotra mandritra ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”, dia asaina hanana anjara amin’ny faritry ny Fanjakana eto an-tany (Jaona 10:11, 16; Matio 24:3; 25:31-46). Ho voavonjy ny ain’izy ireo rehefa handefa ny rivotry ny “fahoriana lehibe” eo amin’ny tany ireo anjelin’ny lanitra. Maniry ho anisan’ny “olona betsaka” ho tafita velona ve ianao rehefa ‘ho tonga’ hanorotoro ireo firenena ratsy fanahy ny Fanjakan’Andriamanitra? Azo atao tanteraka izany. Marina tokoa fa amin’ny fijanonana ho tsy mivadika, dia azonao atao koa ny manaporofo fa ny lalan’Andriamanitra irery ihany no hany mitondra ho amin’ny fahasambarana maharitra. — Apokalypsy 7:1-3, 9, 13, 14.

18. a) Nahoana no tsy hilaina intsony mihitsy ny hanamarinana ny fanapahan’i Jehovah? b) Iza àry no tolorana fanantenana kanto (Salamo 37:11, 29)?

18 Rehefa ho avy nanorotoro an’i Satana sy ny fandehan-javatra ratsiny ny Fanjakan’Andriamanitra, dia tsy hilaina velively intsony ny hiarovana sy hanamarinana ny fiandrianan’Andriamanitra. Ireo fanontaniana napoitran’i Satana, ilay mpikomy, dia ho efa nahazo valiny indray mandeha tsy miverina (Nahoma 1:9). Ho efa noporofoina teto an-tany fa ny fanapahana mifototra amin’ny lalan’Andriamanitra, ny lalam-pitiavana, dia ara-dalàna, marina ary tsara dia tsara, ka ilay Fanjakana dia ho ‘tonga’ mba hanamasina ny anarana lehiben’i Jehovah Mpanjaka Tompo. Ny Fanjakan’Andriamanitra dia mampiseho marina fanantenana kanto ho an’ireo rehetra anisan’ny ‘miara-misento’ izay, ankehitriny dia manompo an’Andriamanitra amim-pahatokiana. Moa ve ianao mivavaka amin-kafanam-po ho an’ny ‘fahatongavany’? — Romana 8:22-25.

[Fanontaniana]

[Efajoro, pejy 44]

NAHOANA ANDRIAMANITRA NO NAMELA NY RATSY HISY HAHARITRA ELA BE TOY IZAO?

● Mba hanaporofoana ny fahamarinana, ny fahitsiana, ny fahatsarana ary ny faharetan’ny fanapahany manerana izao rehetra izao.

● Mba hanaporofoana indray mandeha tsy miverina fa na inona na inona karazam-panapahan’olombelona tsy manaiky azy dia tsy hitondra afa-tsy ho amin’ny fahoriana sy ny fandravana.

● Mba hamelana ny fahatanterahan’ireo fampanantenana mifamatotra amin’ny Fanjakany, ary koa ny fifidianana sy fisedrana ireo mpandova ilay Fanjakana.

● Mba hanomezana an’ireo mpanompony ny fotoana hanaporofoana toy ny eo anoloan’ny fitsarana, fa azon’izy ireo atao ny tsy mivadika aminy na inona na inona fisedrana apoitran’i Satana.

● Mba hanaporofoana fa ny fankatoavana mifototra amin’ny lalàm-pitiavan’Andriamanitra no hany lalana mitondra ho amin’ny fahasambarana mandrakizay.

● Mba hamaliana tanteraka ny fihantsian’i Satana sy hanorenana fitsarana hatao ohatra, hany ka tsy hilaina intsony mihitsy ny hanamarinana ny anarana sy ny fanapahan’i Jehovah.