Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanampin’ny Toko Faha-14

Fanampin’ny Toko Faha-14

Fanampin’ny Toko Faha-14

Araka ny filazan’ireo mpanoratra tantara, Babylona dia nianjera teo anoloan’ny tafik’i Kyrosy tamin’ny oktobra 539 alohan’ny fanisan-taona iraisana. Mpanjaka i Nabonida tamin’izay, nefa niara-nitondra fanjakana taminy tao Babylona i Belsazara zanany lahy. Nisy manam-pahaizana nanorina lisitr’ireo mpanjaka babyloniana vaovao sy ny halavan’ny andro nanjakan’izy ireo, tamin’ny fanombohana tamin’ny taona farany nanjakan’i Nabonida ka hatreo amin’i Nabopolasara, rain’i Nebokadnezara.

Araka izany fandaharan-taona izany, Nebokadnezara, zanakalahin’ny mpanjaka mpandova tamin’izany, dia nandresy ny Egyptiana tamin’ny ady tany Karkemisy tamin’ny 605 alohan’ny fanisan-taona iraisana (Jeremia 46:1, 2). Maty Nabopolasara tamin’izay, ary niverina nankany Babylona i Nebokadnezara mba hiakatra teo amin’ny seza fiandrianana. Ny taona voalohany nanjakany dia nanomboka tamin’ny lohataonan’ny taona nanaraka (604 al. fan. ir.).

Tantarain’ny Baiboly fa ireo Babyloniana notarihin’i Nebokadnezara dia nandrava an’i Jerosalema tao anatin’ny faha-18 taona nanjakany (ny faha-19 raha ampidirina ny taona niakarany teo amin’ny seza fiandrianana). (Jeremia 52:5, 12, 13, 29) Raha ekena ny fandaharan-taona babyloniana vaovao resahina eo ambony, ny fandravana an’i Jerosalema dia hitranga tamin’ny 587/586 alohan’ny fanisan-taona iraisana. Miorina amin’inona anefa izany fandaharan-taona izany ary inona no azo lazaina ny amin’izany raha oharina amin’ny Baiboly?

Ireto ny sasantsasany amin’ny toe-javatra nisy lehibe indrindra aroso mba hanamarinana an’io fandaharan-taona tsy ara-pivavahana io:

Ny Fitsipik’i Ptolémée: Claude Ptolémée dia astronoma grika tamin’ny taonjato faharoa amin’ny fanisan-taona iraisana. Ny fitsipiny na lisitr’ireo mpanjaka dia nifamatotra tamin’ny boky momba ny astronomia nosoratany. Ny ankamaroan’ireo mpanoratra tantara amin’ny andro ankehitriny dia manaiky ireo fanazavana omen’i Ptolémée ny amin’ireo mpanjaka babyloniana vaovao sy ny halavan’ny andro nanjakany (na dia tsy nasian’i Ptolémée fitenenana aza ny andro nanjakan’i Labasi-Mardoka). Ireo loharanom-panazavana ara-tantara nomen’i Ptolémée dia azo inoana fa tamin’ny andron’ny “Séleucides”, izay nanomboka 250 taona taorian’ny nandresen’i Kyrosy an’i Babylona. Tsy mahagaga àry raha toa ny tarehi-marika omen’i Ptolémée ka mifanaraka amin’ny an’i Bérose, mpisorona babyloniana tamin’ny andron’ny “Séleucides”.

Tsangambaton’i Nabonida any Harana (Nabon H 1, B): Tamin’ny 1956 no nahitana an’io tsangambato na andry tamin’ny andron’i Nabonida io. Izy io dia nahitana soratra milaza ny andro nanjakan’ireo mpanjaka babyloniana vaovao, dia Nebokadnezara, Evila Merodaka sy Neriglisara. Ny daty voatondro eo dia mifanitsy amin’ireo omen’ny fitsipik’i Ptolémée.

Vat 4956: Izany dia ny fanamarihana eo amin’ny vato fisaka misy soratra manan-drirana izay manome fanazavana be dia be ny amin’ny taona iray azo ferana ho tamin’ny 568 alohan’ny fanisan-taona iraisana. Izany dia mampiseho fa ireny fanamarihana ireny dia natao tamin’ny taona faha-37 nanjakan’i Nebokadnezara. Izany àry dia hifanitsy amin’ny fandaharan-taona izay mametra ny taona faha-18 nanjakan’io mpanjaka io ho tamin’ny 587/586. Ekena anefa fa io vato fisaka io dia kopia natao tamin’ny taonjato fahatelo alohan’ny fanisan-taona iraisana. Ireo fanazavana ara-tantara omeny àry dia mety ho izay nekena tamin’ny andron’ireo “Séleucides”.

Vato fisaka momba ny raharaham-barotra: Nisy famongarana vato fisaka misy soratra manan-drirana an’arivony maro tamin’ny andro babyloniana vaovao nanoratana fifanarahana ara-barotra fotsiny niaraka tamin’ny taona nanjakan’ilay mpanjaka babyloniana vaovao izay nanaovana ny fifanarahana. Nisy vato fisaka karazan’izany hita momba ny taona rehetra nanjakan’ireo mpanjaka babyloniana vaovao fantatra izay hita tao amin’ny fandaharan-taona nekena tamin’ny ankapobeny tamin’izany vanim-potoana izany.

Araka ny fiheverana tsy ara-pivavahana ranofotsiny, ny toe-javatra toy izany dia mety ho toa manamarina ny fandaharan-taonan’ny vanim-potoana babyloniana vaovao ilazana fa ny taona faha-18 nanjakan’i Nebokadnezara (sy ny fandravana an’i Jerosalema) dia hifanitsy amin’ny 587/586 alohan’ny fanisan-taona iraisana. Kanefa tsy misy mihitsy handa fa mety ho diso ny fakana sary an-tsaina ny tantara babyloniana amin’izao andro izao. Fantatra, ohatra, fa ireo mpisorona sy mpanjaka fahizay dia nanova ny tantara voalahatra indraindray noho ny antony mahakasika ny tenany manokana. Na koa, na dia marina aza ireo fanazavana hita, dia mety ho diso fandray ny heviny ireo manam-pahaizana na mety tsy ho feno izany, hany ka ny sisan-javatra tavela hafa mbola tsy hita dia tena mety hanova be dia be ny fandaharan-taona momba an’io vanim-potoana io.

Azo inoana fa noho ny fahatsapana izany no nanoratan’ny profesora Edward Campbell zanany izao fampitandremana izao tao amin’ny soratra iray izay nampiditra tabilao iray nahitana indrindra fandaharan-taona tamin’ny andro babyloniana vaovao: “Mazava ho azy fa izany lisitra izany dia mbola mety hahitsy. Arakaraka ny handinihana ireo zava-manahirana faran’izay sarotra ny amin’ny fandaharan-taona momba ny tantaran’ny Atsinanana akaiky, no tsy mampirona firy hihevitra ho raikitra ireo fanatsoahan-kevitra atao. Noho izany antony izany, ny teny hoe ‘eo ho eo’ dia tokony hampiasaina malalaka kokoa tsy araka ny fahita.” — “The Bible and the Ancient Near East”, 1965, p. 281.

Ireo kristiana mino ny Baiboly dia nahatsapa imbetsaka dia imbetsaka fa mandresy amin’ny fisedran’ny fanakianana azy izy io ka miharihary fa marina sy mendrika inoana. Inoan’izy ireo fa ny Baiboly, izay Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra, dia azo ampiasaina mba hanondroana ny datin’ireo fisehoan-javatra ara-tantara sy hanombanana ny hevitr’izany (II Timoty 3:16, 17). Ohatra, raha niresaka an’i Belsazara ho mpanjakan’i Babylona ny Baiboly, nandritra ny taonjato maro ireo manam-pahaizana dia very hevitra aoka izany ny aminy, satria izy ireo tsy nanana filazana voatahiry tsy ara-pivavahana mihitsy mba hanamarinana ny fisiany, ny naha-izy azy na ny raharahany. Tamin’ny farany anefa ireo arikeology dia nahita soratra nanamarina ny Baiboly. Araka izany, ny fifandrindrana anatin’ny Baiboly sy ny fitandremana fatratra tamin’ny fanoratana azy, indrindra fa raha ny amin’ireo fanazavana araka ny fandaharan-taona, dia lehibe aoka izany, hany ka heverin’ny kristiana ho manam-pahefana lehibe kokoa ny Baiboly noho ny hevitra miovaovan’ireo mpanoratra tantara.

Fa ahoana no anampian’ny Baiboly antsika hametra ny datin’ny nandravana an’i Jerosalema, ary ahoana raha ampitahaina amin’ny fandaharan-taona tsy ara-pivavahana io daty io?

Nambaran’i Jeremia fa handrava an’i Jerosalema ny Babyloniana ka hahafoana an’io tanàna io sy ilay tany (Jeremia 25:8, 9). Nanampy teny toy izao izy: “Ary ity tany rehetra ity dia ho foana sy lao, ary ireto firenena rehetra ireto hanompo ny mpanjakan’i Babylona fito-polo taona” (Jeremia 25:11). Tapitra ny 70 taona rehefa nanafaka ny Jiosy i Kyrosy Lehibe tamin’ny taona voalohany nanjakany ka namela azy ireo tamin’izany hiverina tany amin’ny taniny (II Tantara 36:17-23). Inoanay fa araka ny famakiana ara-bakiteny indrindra ny Jeremia 25:11 sy ny soratra hafa, ireo 70 taona dia tokony hisaina nanomboka tamin’ny fotoana nandravan’ny Babyloniana an’i Jerosalema sy nanolorany ny tanin’ny Joda ho amin’ny fahafoanana. — Jeremia 52:12-15, 24-27; 36:29-31.

Ireo izay mifototra indrindra amin’ny fanazavana tsy ara-pivavahana mba hanondroana ny datin’io vanim-potoana io dia mahatsapa fa raha rava tamin’ny 587/586 Jerosalema, dia tsy ho 70 taona no lasa nanomboka tamin’io fisehoan-javatra io ka hatramin’ny fanafihana an’i Babylona sy ny fiverenan’ny Jiosy tany amin’ny taniny noho ny didin’i Kyrosy. Mba hanandramana mampifandrindra ny zava-nitranga, ireny mpanoratra tantara ireny dia milaza fa ny faminanian’i Jeremia dia nanomboka tanteraka tamin’ny 605. Araka ny filazan’ireo mpanoratra izay naka ny tenin’i Bérose, dia toa hoe nitantara izy io fa taorian’ny adin’i Karkemisy, Nebokadnezara dia nanitatra ny fanapahana babyloniana hatrany Syria-Palestina ary tamin’ny fiverenany tany Babylona (tamin’ny 605, taona niakarany ho eo amin’ny seza fiandrianana), dia nitondra mpigadra jiosy ho any amin’ny fahababoana izy. Tamin’ireny mpanoratra tantara ireny, ny 70 taona dia vanim-potoam-panompoana teo ambany fanapahan’i Babylona, dia vanim-potoana nanomboka tamin’ny 605. Raha izany no izy, dia ho nifarana tamin’ny 535 io vanim-potoana io.

Ny filazana hevitry ny teny toy izany anefa dia miteraka zava-manahirana lehibe sasany:

Na dia manizingizina aza i Bérose fa nitondra mpigadra jiosy ho any amin’ny fahababoana i Nebokadnezara tamin’ny taona niakarany ho eo amin’ny seza fiandrianana, dia tsy misy filazana vita an-tsoratra manan-drirana mihitsy manamarina izany. Mbola zava-dehibe kokoa ihany, ny Jeremia 52:28-30 dia mampiseho amin’ny fomba hentitra aoka izany fa nitondra mpigadra jiosy i Nebokadnezara tamin’ny taona faha-7 sy faha-18 ary faha-23 nanjakany, fa tsy tamin’ny taona niakarany teo amin’ny seza fiandrianana. Tetsy andaniny koa, ilay mpanoratra tantara jiosy atao hoe Josèphe dia nanoratra fa tamin’ny taona nanaovana ny ady tany Karkemisy, dia naka an’i Syria-Palestina manontolo i Nebokadnezara, nefa “tsy niditra tany Jodia tamin’izay”. Io filazana io dia manohitra ny voalazan’i Bérose sy ilay ilazana fa ireo 70 taona nanandevozana dia nanomboka tamin’ny taona niakaran’i Nebokadnezara teo amin’ny seza fiandrianana. — “Histoire ancienne des Juifs”, X, viii, 1.

Eo aoriana kokoa i Josèphe dia milazalaza ny nandravan’ny Babyloniana an’i Jerosalema, taorian’izany dia nolazainy fa “Nitoetra ho foana nandritra ny fitopolo taona Jodia sy Jerosalema ary ny Tempoly”. (“Histoire ancienne des Juifs”, X, xi, 9.) Nilaza koa i Josèphe fa “nitoetra tsy nisy mponina ilay tanàna nandritra ny fitopolo taona hatreo amin’ny andron’i Kyrosy”. (“Contre Appion”, I, xix, 132.) Izany dia mifanitsy amin’ny II Tantara 36:21 sy Daniela 9:2, izany hoe ny 70 taona nambara dia vanim-potoana nahafoanan’ilay tany tanteraka. Théophile avy any Antiokia, mpanoratra tamin’ny taonjato faharoa amin’ny fanisan-taona iraisana, dia mampiseho koa fa ny vanim-potoana nisy 70 taona dia nanomboka tamin’ny fandravana ny tempoly, rehefa avy nanjaka nandritra ny 11 taona i Zedekia — Jereo koa II Mpanjaka 24:18 ka hatramin’ny 25:21.

Ny Baiboly anefa dia mampiseho toe-javatra hafa koa mbola manamarina kokoa ihany izay manohitra ny filazana hoe nanomboka tamin’ny 605 ireo 70 taona ka rava tamin’ny 587/586 Jerosalema. Araka ny efa nolazainay, raha nisaina nanomboka tamin’ny 605 ny 70 taona dia ho nifarana tamin’ny 535. Araka ny filazan’i Ezra, mpanoratra ao amin’ny Baiboly nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra anefa, ireo 70 taona dia naharitra hatreo amin’ny “taona voalohany nanjakan’i Kyrosy, mpanjakan’i Persia”, izay namoaka didy namela ny Jiosy hiverina tany amin’ny taniny (Ezra 1:1-4; II Tantara 36:21-23). Eken’ireo mpanoratra tantara fa nandresy an’i Babylona i Kyrosy tamin’ny oktobra 539 ary ny taona voalohany nanjakany dia nanomboka tamin’ny lohataonan’ny 538. Raha toa ny didin’i Kyrosy ka navoaka tamin’ny faran’ny taona voalohany nanjakany, dia tena nety ho tafaverina tany amin’ny taniny ny Jiosy tamin’ny volana fahafito (Tisry), araka ny voalazan’ny Ezra 3:1. Izany dia hifanitsy amin’ny oktobra 537.

Tsy misy mihitsy antony tokony hampaharetana ny taona voalohany nanjakan’i Kyrosy ho tamin’ny 538 ka hatramin’ny 535. Ireo izay nanandrana nandamina an’io zava-manahirana io dia lasa hatramin’ny fihamboana fa rehefa nilaza Ezra sy Daniela hoe “ny taona voalohany nanjakan’i Kyrosy”, dia nilaza hevitra tamin’ny fomban’ny Jiosy manokana izy ary hafa noho ny fomba nanisana tamin’ny fomba ofisialy ireo taona nanjakan’i Kyrosy. Tsy azo arovana anefa izany fiheverana izany, satria ny governora tsy jiosy iray sy ny filazana voatahiry ao amin’ny antontan-taratasy persiana dia samy manamarina ny hoe tamin’ny taona voalohany nanjakany tokoa no navoaka ny didin’i Kyrosy, araka ny notantarain’ireo mpanoratra ao amin’ny Baiboly tamim-pitandremana sy tamin’ny fomba hentitra. — Ezra 5:6, 13; 6:1-3; Daniela 1:21; 9:1-3.

Mifamatotra amin’io vanim-potoana nisy 70 taona io ny ‘teny tsaran’i Jehovah’ nambaran’ireo mpaminany, satria izao no nambaran’Andriamanitra:

“Fa izao no lazain’i Jehovah: Rehefa tapitra ny fito-polo taona ny amin’i Babylona, dia hamangy anareo Aho, fa hotanterahiko aminareo ny teniko tsara, ka hampodiko ho amin’ity tany ity hianareo.” (Jeremia 29:10).

Natoky an’io teny io i Daniela ary nino mafy fa ny 70 taona dia tsy ‘isa noboriborina’ akory fa isa marina azo nifotorana (Daniela 9:1, 2) Ary tena izany tokoa no izy.

Toy izany koa, tiantsika ny hanaiky hotarihin’ny Tenin’Andriamanitra alohan’ny zavatra rehetra fa tsy ny fandaharan-taona mifototra indrindra amin’ny zava-nisy tsy ara-pivavahana na tsy mifanaraka amin’ny Soratra masina. Toa miharihary fa ny filazana tsotra indrindra sy mivantana indrindra, hevitr’ireo fanambarana ao amin’ny Baiboly momba ny 70 taona dia ilay manondro ny fanombohan’io vanim-potoana io ho niaraka tamin’ny fahafoanan’i Joda tanteraka taorian’ny nandravana an’i Jerosalema (Jeremia 25:8-11; II Tantara 36:20-23; Daniela 9:2). Koa raha nifarana tamin’ny 537 ireo 70 taona ireo, fony ny Jiosy niverina tany amin’ny taniny, dia nanomboka tamin’ny 607 izany, tamin’ny taona faha-18 nanjakan’i Nebokadnezara, taona nandravan’izy io an’i Jerosalema, nanesorany an’i Zedekia tsy ho eo amin’ny seza fiandrianana sy nanafoanany ny tarana-mpanjaka jodiana izay nanjaka teo amin’ny seza fiandrianana tany Jerosalema teto an-tany. — Ezekiela 21:23-32.