Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Ho tonga anie ny Fanjakanao”!

“Ho tonga anie ny Fanjakanao”!

Toko Voalohany

“Ho tonga anie ny Fanjakanao”!

1. Hidika inona ho anao ny Fanjakan’Andriamanitra raha hotanterahiny tsy ho ela ireo tarehin-javatra voalazalaza eto?

VITSY ny vavaka naverimberina matetika tahaka an’io. Angamba efa nanonona ireo teny ireo mihitsy aza ny tenanao. Ary mazava ho azy koa fa mila ny Fanjakan’Andriamanitra avokoa isika rehetra. Fahasambarana toy inona moa izany hoe ho velona ao anatin’ny toe-javatra araka izay asehon’ireo pejin’ity boky ity! Fa fampanantenana inona àry anefa no atolotry ny Fanjakan’Andriamanitra ho antsika? Ny fiadanana sy ny fifanarahana manerana ny tany rehetra; ny firaisan-tsain’ny olona avy amin’ny firazanana rehetra noho ny fifamatorana voamariky ny fitiavana amim-pahatsorana; asa mahavokatra sy mahafaly izay ho azo ankamamina ny vokatra avy aminy; rivo-piainana hanakoakoan’ny feo mozikan’ny zavatra noforonina rehetra ary koa hira sy hehy feno haravoan’ny olombelona; fianakavian’olombelona manerana izao rehetra izao hifaly amin’ny fahasalamana tonga lafatra sy tsy hahitana na marary na antitra; fifandraisana milamina amin’ireo biby; ny hanitry ny voninkazo; ny hasoan’ny toerana taza-maso mahafinaritra miloko ary ny fitsingerenana ara-dalànan’ireo fizaran-taona. Araka ny ho hitantsika, ireo zavatra rehetra ireo sy ny maro hafa koa, izay ampanantenaina ho an’ny tany, dia hanjary tena izy aorian’ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra.

2, 3. Fiovana inona nitranga tato anatin’izao taona faramparany izao no mampiseho fa mila ny fanjakan’Andriamanitra isika?

2 Tsy mifaly velively amin’ny tarehin-javatra toy izany anefa isika ankehitriny. Raha ny marina, isika dia miaina amin’ny fotoana lazain’ny Baiboly hoe “sarotra”. (II Timoty 3:1, MN) Araka ny efa fantatrao tsara tokoa, izany fotoana fanapahan-javatra izany dia mahakasika ny fiainanao. Araka izany dia tsy isalasalana fa namoy olo-malala ny ankamaroan’ny mpamaky ity boky ity nandritra ireo ady na ireo fisehoan-javatra mahery vaika nanamarika ny taonjato iainantsika. Kanefa amin’izany ireo firenena dia tsy mampihena akory ny fifaninanana manao fitaovam-piadiana tsy voafehy indrindra teo amin’ny fotoana rehetra. Efa manana fitaovam-piadiana be dia be tsy misy toy izany ampy hahatonga ny fanafoanana ny taranak’olombelona iray manontolo anefa izy ireo.

3 Mbola misy zava-manahirana hafa koa mahakasika antsika akaiky kokoa ihany. Noho ny fahamaroan’ny isan’ny filana ady, ny vonoana olona sy ny fisavihana, dia manjary mampidi-doza ireo arabe. Moa ve tsy resahina koa ny fisondrotan’ny isan’ny fisaraham-panambadiana sy ny tokantrano rava, ary koa ny fitomboan’ny ditra? Ao anatin’ny fitambaran’olona misy antsika faran’izay milefitra loatra, indrindra raha ny amin’ny fanao momba ny lahy sy ny vavy ary ny fampiasana zavatra mahadomelina, dia maro no matahotra na dia ny mandefa ny zanany hianatra any amin’ny sekolim-bahoaka aza. Raha toa ianao ka mipetraka ao amin’ny faritany anankiray na tany mbola tsy ahitana ireo zava-manahirana ireo, dia afaka mihevi-tena marina ho sambatra ianao.

4, 5. a) Zava-manahirana hafa inona koa no mahakasika ny fiainantsika? b) Fahatsinjovan-javatra ho an’izao tontolo izao inona no mampiseho fa tokony ho maika dia maika ny ‘hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra’?

4 Ohatrinona no vidin’ny sakafo apetrakao eo ambonin’ny latabatrao na ny lasantsy ho an’ny fiarakodianao? Toy ny tsy itsaharan’ny vidin-kanina sy ny solitany mbamin’ny karazany misondrotra, dia toy izany koa fa ny toe-javatra maneran-tany tena tsy azo ianteherana dia manorina amin’ny ho avy, aloka iray mihamampitebiteby hatrany ihany. Eny, mizotra ho aiza izao tontolo izao misy antsika? Ny lahatsoratra iray nivoaka tao amin’ny gazety amerikana anankiray (ny U.S. News & World Report tamin’ny 4 aogositra 1980) dia nanipika ny hamafin’ny fahasahiranana tamin’ireto teny ireto: “Raha tsy misy fepetra vaovao sy lehibe raisina, ato anatin’ny 20 taona izao tontolo izao misy antsika dia tsy ho inona sisa fa ho planeta iray tsy azo antoka loatra sy hitoeran’ny loto mahadikidiky izay hifandrombahan’ireo olo-mahantra an’arivo tapitrisa maro fivelomana kely sy tena lafo. Tamin’ny 24 jolay io fampandrenesana io no nalefa, tamin’ny faran’ny fanadihadiana telo taona nataon’ny masoivoho iray mpandini-javatra izay notendren’ny mpitari-draharaha.” Araka io fanadihadiana io, amin’ny taona 2000 dia hahatratra 6300 tapitrisa ny isan’ny mponina, ho tonga avy roa heny ny vidin-kanina (tsy resahina intsony ny fisondrotam-bidim-piainana), hitombo ny efitra, hanjavona ny ala ary ho lany sasaka ny tahirin-tsolitany maneran-tany. Raha toa anefa ka mbola ho velona hatramin’izany ny fandehan-javatra maneran-tany ankehitriny!

5 Fa inona anefa no mba nataon’ireo firenena sy ny O.N.U. mba hampitsaharana ny fahasahiranana? Zavatra kely dia kely monja. Mampiseho izany rehetra izany fa mila mafy ny Fanjakan’Andriamanitra isika.

INONA MOA ILAY FANJAKANA?

6. Nahoana moa isika no ho diso fanantenana raha toa ny Fanjakan’Andriamanitra ka ny toe-po ao anatin’ny olona fotsiny ihany?

6 Moa ve izy io ny toe-pon’ireo mpino fotsiny? Raha lazaina amin’ny teny hafa, ho ‘tonga’ ve ny Fanjakan’Andriamanitra rehefa ampy isa ny olona voaova ho amin’ny kristianisma? Izany no eritreretin’ny olona sasany. Miankina amin’ny Lioka 17:21 izy ireny, izay amakiana toy izao ao amin’ny fandikan-teny sasany (Segond, Synodale): “Ny fanjakan’Andriamanitra dia ao anatinareo”? Kanefa raha ny fanatsoahan-kevitr’izy ireny no marina, dia vao mainka manalavitra aza ny Fanjakan’Andriamanitra. Nahoana? Satria ny ara-kevin’ireo izay lazaina fa kristiana eo amin’izao tontolo izao dia latsaka ny 25 isan-jato, ary tsy mitsahatra ny mihena izy io. Fanampin’izany, dia mpivavaka an-jato tapitrisany maro no tsy mankany am-piangonana raha tsy mahalana dia mahalana.

7, 8. Ahoana no anampian’ny fandinihana ny Soratra masina antsika hamantatra ny tena hevitry ny Lioka 17:21 marina?

7 Aoka anefa hapetratsika amin’ny tenantsika ity fanontaniana ity: Tamin’iza moa Jesosy no niresaka fony izy nilaza hoe: “Ny fanjakan’Andriamanitra dia ao anatinareo.” Tamin’ireo Fariseo mpihatsaravelatsihy izay taminy no nampiharany ireto teny notononin’Andriamanitra tamin’ny alalan’Isaia mpaminany ireto: “Fa ny fony [ny an’ity firenena ity] kosa lavitra aoka izany Ahy.” (Matio 15:1, 8, Segond; Isaia 29:13). Ahoana no nahafahan’ny Fanjakan’Andriamanitra niditra tao anatin’ireny fo mafy ireny? Ary koa, inona no hevitry ny tenin’i Jesosy? Omena antsika ny valiny amin’ny alalan’ny fanamarihana ambany pejy hita ao anatin’ny fanontana sasany amin’ny Baibolin’i Segond. Lazainy amintsika fa azo atao koa ny mandika io andalan-teny io amin’ireto teny ireto: “Ny fanjakan’Andriamanitra dia eo afovoanareo.” Toy izany tokoa no andikan’ny fandikan-tenin’ny Baiboly maro hafa (ny fandikan-teny katolikan’i Jerosalema ohatra) an’io andalan-tenin’ny Soratra masina io.

8 Niresaka ny tenany àry Jesosy, ilay Mpanjaka voatendrin’Andriamanitra, izay teo afovoan’ireo Jiosy. Ilay Mpanjaka, olona tena nisy mihitsy, no teo anivon’izy ireo. Izany dia tokony hahatonga antsika hahatakatra fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia fanjakana na fitondram-panjakana iray tena izy, tsy misy hafa amin’ny maha-tena olona marina tokoa ny Mpanjakany.

NY ZAVA-MISY ANKEHITRINY

9, 10. Inona no atao hoe fanjakana, ary ahoana no ahafahany mitondra soa ho an’ny vahoakany?

9 Amin’izao androntsika izao, dia tsy misy afa-tsy fanjakana vitsy sisa etỳ ambonin’ny tany. Aoka hotononintsika amin’izany Norvège, ny Fanjakana Mitambatra, Jordanie ary Népal. Any amin’ireo tany ireo, ny fahefana dia ampiharina amin’ny alalan’ny fitondram-panjakana iray tena izy. Miaraka amin’ny mpanjaka (na ny mpanjakavavy) dia misy koa mpitondra hafa mahaforona parlemanta iray, filan-kevi-pirenena iray na fikambanana voatendry hafa iray. Eo ambany fitarihan’izany antokon’olona azo lazaina ho tsy dia lehibe loatra izany ny mponina no manao ny asa aman-draharahany andavanandro. Mahaforona ny vahoakan’ilay fanjakana izy ireny.

10 Afaka mitondra soa maro ho an’ny vahoaka ny fanjakana anankiray rehefa miahy amim-pahatsorana ny tombontsoany ny mpanjaka sy ireo mpiara-miasa aminy. Izany no nitranga tao amin’ny fanjakan’i Solomona fahiny izay ny vahoakany dia “maro, tahaka ny fasika amoron-dranomasina ny hamarony, sady mihinana sy misotro ary mifaly”. — I Mpanjaka 4:20; 10:1-9 *.

11. Amin’ny lafiny inona avy ny Fanjakan’Andriamanitra no azo ampitahaina amin’ireo fanjakana eto an-tany?

11 Tsy dia azo antoka loatra ve ny tena fisian’ny Fanjakan’Andriamanitra noho izy io mampihatra ny fahefany avy any an-danitra? Tsy izany velively. Voalohany indrindra aloha, izy io dia manana Mpanjaka iray tena velona tokoa ary tena miasa. Io Mpanjaka voatendrin’Andriamanitra io dia Jesosy Kristy Tompo izay ny aminy no ilazan’ny Baiboly hoe: “Izy no hitokian’ny jentilisa.” (Romana 15:12). Sahala amin’ireo fitondram-panjakana eto an-tany, ny Fanjakan’ny lanitra koa dia manana fikambanan’ny mpitondra, dia ireo mpanjaka mpiara-miasa amin’i Jesosy Kristy ka aharihary ao amin’ny Baiboly ny isany voafetra. Naneho ny fahatokiany teo anatrehan’Andriamanitra ireny mpanjaka ireny fony izy mbola lehilahy sy vehivavy teto an-tany. Amin’izy ireny no nanambaran’i Jesosy hoe: “Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.” (Lioka 12:32; Apokalypsy 5:9, 10; 20:4). Avy any an-danitra ilay Fanjakana no mampihatra ny fahefany. Eo amin’izany toerana ahitan-tombontsoa izany, izy io dia afaka mampita ny didiny any amin’ny faritra hatraiza hatraiza eto an-tany amin’ny alalan’ny fomba hafa mahery lavitra noho ny radiao na ny “laser”.

12, 13. Karazana a) lalàna inona, b) fandaharam-pampianarana inona ary d) fandaharam-pitsaboana inona no atolotry ny Fanjakan’Andriamanitra?

12 Manana lalàna ve io Fanjakana io? Eny, ary izany dia ny tsara indrindra noho ny hafa rehetra noho izy ireny navoakan’Andriamanitra hahasambatra ny olombelona. Hampahafantatra anao ireny lalàna ireny ny famakiana ny Baiboly (Deoteronomia 6:4-9; Marka 12:28-31). Manana fandaharam-pampianarana ve ilay Fanjakana? Izany tokoa. Dieny izao, ny olona tso-po maro avy amin’ny firenena rehetra, ny mponina rehetra ary ny fiteny rehetra dia afaka mandray soa amin’izany fandaharana izany izay hanampy sy hanomana azy hiaina mandrakizay eo ambany fitondrana marina sy mahitsin’ilay Fanjakana. Na aiza na aiza toerana onenanao, dia azonao atao ny manararaotra manokana ny fampianarana omen’ilay Fanjakana. — Matio 24:14; Apokalypsy 7:9, 10; Isaia 54:13.

13 Manana fandaharam-pitsaboana ve ilay Fanjakana? Eny, ary azo antoka fa ny mahomby indrindra amin’ny rehetra izany, satria miorina amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy Tompo. Izany fandaharana izany dia hamela ny olombelona ho afaka amin’ny fanaintainany sy ny aretiny, mba hahafahany, tsy ho velona mandrakizay fotsiny, fa ambonin’izany dia hifaly koa amin’ny fahasalamana tonga lafatra. (Isaia 25:8; Jaona 10:10). Fony izy tetỳ an-tany, Jesosy dia nanao fahagagana maro be, mba hampisehoana tamin’izany fa hananany ny fahefana sy ny hery ilaina hanasitranana ny marary, hanome fahiratana ho an’ny jamba, hampitsangana ny mandringa ary hanangana ny maty koa aza (Lioka 7:20-23). Marina aloha fa mbola ho avy ny hahatanterahan’izany fandaharan’ilay Fanjakana izany, nefa ireo izay tonga amin’ny fahalalana azy dia mianatra koa dieny izao hanana fiainana madio ara-pitondrantena sy hifaly amin’ny fahasalamana ara-panahy mamirapiratra. Tena ho tanteraka tokoa ny fanantenan’izy ireo. — Isaia 65:14; Romana 10:11.

14. Inona no nampianarin’i Jesosy ny olona fony izy tetỳ an-tany?

14 Tetỳ ambonin’ny tany, Jesosy olona dia nampianatra zavatra maro be ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ary navelany ny mpihaino azy haka sary an-tsaina izay ho toetry ny fiainana eo ambany fitondrany (Lioka 4:43; Matio 12:22-28). Nampahafantatra an’Andriamanitra tamin’ireo mpianany izy, mba hahafahan’ireo mamatotra fifandraisana akaiky aminy, dia izay mampiray ny zanaka amin’ny ray anankiray be fitiavana. Nanome torohevitra tsara dia tsara betsaka ho azy ireny Jesosy, hahafahany hisetra ireo zava-manahirana eo amin’ny fiainana. — Jaona 1:18; 14:6.

NY LOHARANON’NY TENA FAHASAMBARANA

15. Nahoana moa ireo mpiara-belona tamin’i Jesosy no nila fampaherezana tahaka antsika koa amin’izao fotoana izao?

15 Anisan’ny Toriteny teo an-tendrombohitra izay notononin’i Jesosy teo amin’ny tendrombohitra iray mikisolasola sy manerinerina teo ambonin’ny ranomasin’i Galilia ilay vavaka izay ao anatiny no angatahantsika ny ‘hahatongavan’ny fanjakan’Andriamanitra’. Ireo mpianatra nofidiny ho an’ny tenany sy vahoaka maro ‘nampahantraina sy nafoin’ny’ olona tia tena no mpihaino azy (Matio 9:36). Ireo teniny izay nanome tanjaka ny mpihaino azy dia fampaherezana ho antsika koa amin’izao andro izao.

16. Karazan’olona manao ahoana no mahita ny tena fahasambarana, ary amin’ny fomba ahoana?

16 Nanomboka ny lahateniny tamin’ny filazana ny loharanon’ny fahasambarana i Jesosy. Moa ve izany hita ao anatin’ny fananana ara-nofo, ny fialam-boly na amin’ny fikatsahana fahafinaretana sy fahataitairan’ny nofo tafahoatra? Tsia, satria nosoritan’i Jesosy ny zavatra ara-panahy. Nasehony fa ireo izay “malahelo am-panahy [mahatsapa fa mila ny zavatra ara-panahy, MN] sy “noana sy mangetaheta ny fahamarinana”, ireo no hahita ny fahasambarana mandrakizay noho ny Fanjakan’Andriamanitra (Matio 5:3, 6; Lioka 8:1, 4-15). Liana amin’ny zavatra ara-panahy ve ianao?

17, 18. a) Inona no tsy maintsy hataontsika mba hahatonga antsika hankasitrahan’Andriamanitra? b) Fanomezan-toky inona no omen’ny tenin’i Jesosy voasoratra ao amin’ny Matio 6:26-30 antsika?

17 Nasehon’i Jesosy mazava tsara nandritra ny toriteniny fa mba hahatongavana ho olona ankasitrahan’Andriamanitra dia tsy maintsy mianatra hanahaka ny Raintsika any an-danitra isika. Tokony haneho taratr’ireo toetrany sy hitondra tena mifanaraka amin’ireo fotopoto-pitsipiny isika (Matio 5:43-48; Efesiana 5:1, 2). Mba hankasitrahana eo imasony, ny fanompoam-pivavahantsika dia tsy tokony ho voafetra fotsiny amin’ny fandehanana ara-pomba any amin’ny trano fiangonana iray indray mandeha na indroa isan-kerinandro. Tokony ho velona sy hiasa kosa aza izy io, hiseho eo amin’ny fiainantsika isan’andro sy amin’ny fitiavana asehontsika amin’ny mpiara-belona amintsika.

18 Kanefa, raha manome ho an’ny harena ara-panahy ny toerana voalohany eo amin’ny fiainantsika isika, moa ve tsy hatahorana hafointsika ny zavatra tena ilaina sasany ato anatin’ny fitambaran’olona misy antsika feno fitsiriritana sy tia tena? Tsy izany mihitsy. Raha ‘mikatsaka aloha ny fanjakana sy ny fahamarinana’ isika, dia hanampy ho antsika ny zavatra rehetra ilaina eo amin’ny fiainana. Izany no hazavain’i Jesosy amin’ny fomba mahafinaritra ao amin’ny Matio 6:26-33, andalan-tenin’ny Soratra masina tokony hovakinao.

19, 20. a) Nahoana moa no zava-dehibe ny hahafantarana ny fomba fiheveran’Andriamanitra ny fanompoam-pivavahantsika? b) Inona no mety hanampy antsika hanome ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra ny toerana voalohany eo amin’ny fiainantsika? d) Nahoana no hilaina ny handinihana ny “Rainay Izay any an-danitra”?

19 Inona anefa no tiana holazaina amin’ny hoe “mikatsaka aloha ny fanjakana”? Midika ve izany fa raha mankany amin’ny fiangonana izay nofidin’ny tenantsika manokana isika dia azo antoka fa hahazo ny fitahian’Andriamanitra? Sa kosa, tokony hikatsaka ny karazam-panompoam-pivavahana nomanin’Andriamanitra ho antsika isika? Mariho izay nolazain’i Jesosy ny amin’izany: “Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko Izay any an-danitra.” Nasehony mazava tsara fa ny olona sasany izay hanantitrantitra fa ‘naminany tamin’ny anarany sy nanao asa lehibe maro tamin’ny anarany’, raha ny marina dia olona “mpanao meloka [olona mpandika lalàna, MN],” eo imason’Andriamanitra (Matio 7:21-23; jereo koa 7:13, 14). Ahoana anefa no ahafahantsika mamantatra marina ny fomba fiheveran’Andriamanitra ny fanompoam-pivavahantsika? Izany dia amin’ny fandraisana fahalalana tsara ny Teniny, dia ny Baiboly.

20 Ny fandinihina ny Baiboly dia hanampy antsika hanome ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra ny toerana mendrika azy eo amin’ny fiainantsika, izany hoe ny voalohany, ary izany dia arakaraka ny toerana misy antsika manokana. Ny fandinihana toy izany dia hanosika antsika hihevitra ny fiainana araka ny fomba fijery vaovao sy hamantatra hoe inona no zavatra tena lehibe indrindra. Andeha hojerentsika àry ankehitriny ny tapany anankiray hafa amin’ilay Toriteny teo an-tendrombohitra, dia ilay vavaka fantatra amin’ny anarana hoe “Rainay Izay any an-danitra”. (Matio 6:9-13). Ny fandinihana io vavaka faka tahaka io dia hanampy antsika hanana ny fomba fijery marina ny amin’izay takin’Andriamanitra amintsika mba hahatratrarantsika ny tena fahasambarana. Hasehony antsika fa ny foto-kevitra manaitran’ny Baiboly dia ny fanamasinana ny anaran’Andriamanitra noho ny Fanjakany nankininy tamin’i Jesosy.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Raha tsy misy filazana, ireo andinin-tenin’ny Baiboly nalaina dia avy amin’ny Fandikan-teny malagasy. Ny fanafohezana hoe MN dia ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao, navoakan’ny mpampanonta ity boky ity.

[Fanontaniana]

[Efajoro, pejy 7]

MILA ILAY FANJAKANA VE NY OLOMBELONA?

“Nisy antoko-mpitsabo sy fizisiana noklehera nanambara omaly fa ny fipoahan’ny baomba atomika anankiray iray megataonina eo ambonin’i New York dia azo ampoizina fa hiteraka fahafatesan’olona 2 250 000 avy hatrany sy handratra mafy 3 600 000 hafa avy aminy (...). Mino izy ireo fa hahita ady toy izany izao tontolo izao alohan’ny faran’ity taonjato ity, ka izany dia hahatonga ny tsy fetezan’ny fahatafitana velona ho an’ny taranak’olombelona intsony.” — “Times” any New York, 27 septambra 1980.

[Efajoro, pejy 11]

NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA — ZAVATRA TENA MISY IRAY

NY MPANJAKA: Jesosy, nomena ny fahefan’ny mpanjaka mandritra ny 1000 taona.

MPIARA-MANJAKA ANY AN-DANITRA: Nofidin’Andriamanitra tamin’ireo olombelona mahatoky.

NY Faritany ANJAKANY: Ny tany voaova ho paradisa.

VAHOAKA MAHATOKY: Olombelona an’arivo tapitrisany maro, anisan’izany ireo hatsangana amin’ny maty.

LALÀNA ARAHINA: Miorina amin’ny fahamarinan’Andriamanitra; ny lalàm-panjakan’ny fitiavana.

FANDAHARAM-PAMPIANARANA IRAY: Manampy olona avy amin’ny fokom-pirenena rehetra hanana fiainana sambatra dieny izao izy io ary manomana azy ireny ho amin’ny fiainana mandrakizay ao anatin’ny paradisa eto an-tany.

[Sary, pejy 4]