Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Fanjakana mpandresy!

Ilay Fanjakana mpandresy!

Toko Faha-18

Ilay Fanjakana mpandresy!

1. a) Nahoana moa isika no manantena fa hihatsara ny zavatra raha ny amin’ny ho avin’ny olombelona? b) Hilaza inona moa Haramagedona ho an’ireo izay manimba ny tany?

HANJAVONA amin’ny tany ve ny taranak’olombelona? Tsia, ary izany dia noho ilay Fanjakana. Rehefa ho ‘tonga’ tokoa io, ilay “Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo”, Jesosy efa nandray fiandrianana, dia hiasa mba handrava ny fandaminan’i Satana eto an-tany miaraka amin’ny fandehan-javany lozabe isan-karazany. Ao Haramagedona, izay rehetra ho nanimba ny tany amin’ny farany dia hosimbana. — Apokalypsy 11:15, 18; 14:19, 20; 19:11-16.

2, 3. a) Inona no fampitandremana omen’ny faminanian’i Zefania? b) Inona no ilaina mba hahatafita velona?

2 Mampiomana antsika Jehovah Andriamanitsika, mba hifohazantsika tsara hatrany raha ny amin’izay madiva hotanterahiny ao Haramagedona.

“Koa miandrasa Ahy hianareo, hoy Jehovah, ambara-pihavin’ny andro hitsanganako haka babo; fa izao no kasaiko hatao: Hamory firenena sy hanangona fanjakana Aho, hanidinako ny fahatezerako amin’ireo, dia firehetan’ny fahatezerako rehetra, ka ho levon’ny afon’ny fahasaro-piaroko ny tany rehetra.’ ”

Hisy ho tafita velona anefa, tafita velona betsaka. Efa eo am-panomanana azy ireny tokoa Jehovah, araka ny asehon’izao teny manaraka izao ao amin’io faminaniana io ihany:

“Fa amin’izany dia hovako ho madio ny molotry [fitenin’ny, MN] ny firenena, hiantsoan’izy rehetra ny anaran’i Jehovah, hanompoany Azy amin’ny firaisan-kina.” — Zefania 3:8, 9.

3 Ho anisan’ireo ho tafita velona ve ianao? Azo antoka fa izany no ho izy raha ‘miantso ny anaran’i Jehovah’ ianao. Fa ahoana no hetezan’izany? Amin’ny fananana ‘fiteny madio’, izany hoe amin’ny fampidirana ao am-ponao ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, izay manana vokany manadio, sy amin’ny fanaovan-javatra mifanaraka amin’izany (Marka 13:10). Raha inoanao ireo fandaharana nataon’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Kristy, dia tokony hanao zavatra mifanaraka amin’izao fananarana nataon’i Petera ho an’ny fireneny, taonjato 19 lasa izay, izao ianao: “Koa mibebaha hianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin’ny fanatrehan’ny Tompo [Jehovah, MN] — Asan’ny apostoly 3:19.

4, 5. a) Ahoana no azo amatorana fifandraisana akaiky amin’i Jehovah? b) Ahoana no azonao andraisana ny “fiteny madio”?

4 Sahala amin’ny nataon’i Jesosy, dia tokony hasehonao fa tsy anisan’izao tontolo izaon’i Satana ianao (Jaona 17:14, 16). Raha manolo-tena ho an’i Jehovah Andriamanitra amin’ny alalan’i Kristy ianao ka atao batisa amin’ny rano ho marik’izany voady izany, dia ho afaka hampifamatotra fifandraisana akaiky dia akaiky amin’i Jehovah (I Petera 3:21). Tokony hovelominao hatrany izany fifankazarana izany, raha mbola hanompo an’Andriamanitra “amin’ny firaisan-kina” miaraka amin’ny anisan’ny vahoakany voalamina eto an-tany rehetra ianao. Ho tianao ny hiaraka amin’izy ireo mba hampahafantatra, araka izay rehetra azonao atao, ity “vaovao tsaran’ny fanjakana” ity an’izay rehetra ho vonona ny hihaino izany. — Matio 24:14; Romana 10:10-18; Hebreo 13:15.

5 Moa ve ianao anisan’ireo izay manaiky ny “fiteny madio”, izany hoe ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly? Raha izany no izy, dia matokia tanteraka an’i Jehovah. “Mahery izy ka hamonjy.” — Zefania 3:17; Isaia 12:2-5.

6. Inona no torohevitra tsara dia tsara nomen’i Jaona, ary mamporisika antsika hanao inona izy?

6 Sady mampitombo ny fitiavanao an’i Jehovah sy ny rariny ianao no tokony hiaina mifanaraka amin’ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly koa. Nanome izao torohevitra tsara dia tsara izao ny apostoly Jaona:

“Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray. Fa ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao, dia ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao ihany. Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” — (I Jaona 2:15-17).

“Mandrakizay”! Moa ve tsy rariny raha hisahirana hanao ny sitrapon’Andriamanitra amin-jotom-po isika mandritra ireo andro faran’ny fandehan-javatra ratsin’i Satana ankehitriny? Moa ve izany tsy mamporisika antsika, amin’izao “andro farany” izao, mba hifikitra mafy hatrany amin’ny fandaminan’i Jehovah izay asehon’ny “mpanompo mahatoky sy malina” eto an-tany? — Matio 24:45-47.

ASA GOAVANA

7. Inona no hijanona eto an-tany aorian’ny Haramagedona?

7 Rehefa hisava ny setroky ny adin’i Haramagedona, dia ho eo foana ny fandaminan’i Jehovah hita maso, vonona ny hanompo araka izay hoheveriny fa tsara. Enga anie isika koa mba hoheverina fa mendrika ny mbola ho eo! — Zefania 2:3; Salamo 25:8, 9, 20.

8. a) Inona no hilaina mba hanatanterahana ny asan’Andriamanitra? b) Ahoana no hahavoaomana ireo mpanompon’Andriamanitra ho amin’izany?

8 Hila ny ho voalamina hatrany ny vahoakan’Andriamanitra eo ambany fanapahan’ilay Fanjakana, mba hanatontosana ny asa goavana hatao hanatsarana ny tany voadio sy hanovana azy ho “sahan’Andriamanitra”. (Ampitahao amin’ny Ezekiela 31:8.) Irinao ve ny handray anjara amin’io asa io? Amin’izany, dia hila zotom-po sy ny hery avy amin’Andriamanitra ianao, ny karazan-jotom-po sahala amin’ny asehon’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny amin’ny ‘fitoriana ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity amin’ny tany manontolo’. Ny rehetra dia tokony ho mpiasa be zotom-po, sahala amin’ilay Mpanjaka izay nanambara hoe: “Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa.” — Jaona 5:17; 4:34.

9. a) Karazana asa inona no tokony hatao? b) Inona no mampiseho fa tsy ho asa tsy mahafinaritra akory izany?

9 Tsy isalasalana mihitsy fa hisy volavolan-kevitra momba ny fanorenana hitombo haneran-tany — tsy hoe mba hananganana fitambaran-trano mifanakaiky kely mahatsiravina, fa mba hanorenana fonenam-pianakaviana tsara tarehy ao anatin’ny faritra paradisa. Eny, hisy asa lehibe hotontosaina, nefa hahafaly sy hahavariana izany. Izany dia ho asa hampandroso nahatonga an’i Solomona mpanjaka hanambara hoe: “Tsy misy tsara amin’ny olombelona afa-tsy ny (...) mihinana sy misotro ary finaritra amin’ny fisasarany [asany mafy, MN] rehetra.” — Mpitoriteny 3:12, 13; ampitahao amin’ny Isaia 65:17, 21-25.

10. Araka ny Apokalypsy 21:1-4, toe-piainana hanao ahoana no hisy amin’izay eto an-tany?

10 Ao anatin’ny toe-javatra hanao ahoana no hanatanterahan’ireo ‘ondry hafan’ny Tompo’ ny asany (Jaona 10:16)? Ny toko faha-21 amin’ny Apokalypsy dia milaza amintsika izay azontsika antenaina. Lazalazainy ny amin’ny “lanitra vaovao sy tany vaovao”. Tsy hotapahin’ny fitondram-panjakan’olombelona tia kolikoly intsony ny fitambaran’olona, satria tsy hisy intsony “ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany”. Ho efa nanjavona koa ny Devoly sy ny fitaomany ankolaka, mbamin’ny “ranomasina”, izany hoe ny fitambaran’olona misamboaravoara sy mihevingevina etsy sy eroa ao anatin’ny faharatsiany. Izany dia hosoloana ny “tany vaovao”, dia fitambaran’olona tsy mihilangilana, izay hahaforona fototra mafy ho an’ny fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra. Ho azonao atao amin’izany ny hanaraka amim-pahatokiana ireo toromariky ny “lanitra vaovao”, raha lazaina amin’ny teny hafa dia ny Mpanjaka sy ny ‘ampakariny’ misy mpikambana 144 000. ‘Hidina avy any an-danitra’ izany “ampakarina” mpanjaka izany, “ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao”, amin’ny heviny hoe hampitodika ny sainy ho amin’ny asa fanorenana indray tokony hatao eto an-tany izy. Hisy vokany tsara izany. Izao tokoa no nosoratan’i Jaona:

“Indro, ny tabernakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.” — Apokalypsy 21:1-4.

11. a) Fahatsinjovan-javatra mahafinaritra inona no hatolotra an’ireo ho tafita velona an-tapitrisany maro? b) Ahoana no hamenoan’Andriamanitra ny tany?

11 Mariho fa io fampanantenana io dia mahatonga antsika hanantena, ankoatra ny zavatra mahatalanjona hafa, fa “tsy hisy fahafatesana intsony”. Azo atao ny manampo fa olona an-tapitrisany maro no hamakivaky soa aman-tsara ny “fahoriana lehibe” mba hiditra ao amin’ny “tany vaovao” ka hifaly amin’ny fitahiana hoentin’izany (Apokalypsy 7:9, 14). Amin’ny farany anefa, dia lehilahy sy vehivavy an-davitrisany maro no hanana fiainana sambatra eo ambany fanapahan’ilay Fanjakana. Nahoana no hoe “an-davitrisany maro”? Taorian’ny safodrano tamin’ny andron’i Noa, dia nanankina asa nanendrena tamin’ny olona marina izay tafita velona Jehovah; hoy izy tamin’ireo: “Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany.” Izany dia mampahafantatra fa hanandrana fahasambarana amin’ny fanambadiana ny olombelona ka hiteraka zanaka ao anatin’ny fahamarinana, fara faharatsiny mandritra ny fotoana kelikely aorian’ny Haramagedona (Genesisy 9:1, 7; 10:1-32; Matio 24:37). Nefa tsy ho izany no ho fomba lehibe indrindra, amin’izay fotoana izay, hampiasain’Andriamanitra mba ‘hamenoana ny tany’ amin’ny olona. Fa ahoana no hamenoan’Andriamanitra ny gilaoby amin’ny mponina ho fanatanterahana ny fikasany tamin’ny voalohany (Genesisy 1:28; Isaia 45:18)? Amin’ny famerimberenana inarivo tapitrisany maro ny fahagagana hafa dia hafa, dia ny fananganana ny maty.

“ANDRIAMANITRA (...) AN’NY VELONA”

12. Fampianaran’i Jesosy inona no nahatalanjona ny vahoaka?

12 Indray mandeha, dia nanambara toy izao tamin’ireo mpanohitra azy i Jesosy:

“Fa ny amin’ny fitsanganan’ny maty, moa tsy mbola novakinareo va ny teny nataon’Andriamanitra taminareo manao hoe: ‘Izaho no Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba’? Andriamanitra tsy an’ny maty, fa an’ny velona.”

Araka ny fiheveran’Andriamanitra, ny olona mahatoky dia toy ny velona, ary hatsangana amin’ny maty izy ireny. Talanjona noho izany fampianarana izany ny vahoaka. — Matio 22:31-33; Lioka 20:37, 38.

13. Inona no azo antenaina ho an’ny “ondry hafa” mahatoky izay maty alohan’ny Haramagedona?

13 Ara-dalàna ny hanampoizana fa hatsangana aloha be ao amin’ny “tany vaovao” ireo olo-nahatoky niaritra fanenjehana “mba hahazoany fitsanganana tsara lavitra”, mbamin’ireo kristiana anisan’ny “ondry hafa” mety ho faty tsy hivadika alohan’ny Haramagedona. Angamba ny tenanao namoy olon-tsy foy izay mpanompo nahatokin’Andriamanitra. Ho toy inona moa ny fahasambarana ho afaka handray azy ireny rehefa hatsangana amin’ny maty izy ka hitantara aminy ny hoe tamin’ny fomba mahagaga ahoana no ho nanamarinan’i Jehovah ny tenany! — Hebreo 11:35.

14. Inona no fanantenana kanto voalazalaza ao amin’ny Jaona 5:28, 29 sy Apokalypsy 20:11-13?

14 Fa ahoana ny amin’ny olon-kafa rehetra maty hatramin’ny nahafatesan’ilay lehilahy voalohany, 6000 taona eo ho eo izay? Mamaly toy izao i Jesosy: “Aza gaga amin’izany; fa avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana [am-pasana fahatsiarovana, MN] ny feony; dia hivoaka izy”. (Jaona 5:28, 29). “Ny maty (...), na ny lehibe na ny kely” dia hivoaka avy ao am-pasana mba hitsangana eo anoloan’ny seza fiandrianan’ny fitsaran’Andriamanitra. — Apokalypsy 20:11-13.

15. Nahoana ny fotoam-pitsarana no tsy haharaiki-tahotra?

15 Haharaiki-tahotra an’ireo hatsangana amin’ny maty ve izany? Mifanohitra amin’ny zavatra inoana noho ireo sary ara-pivavahana mampiseho ny Fitsarana farany, izany dia ho fotoana faran’izay hahafaly. Ireo hatsangana amin’ny maty tokoa dia tsy hotsaraina araka ny asa ratsy nataony talohan’ny nahafatesany, fa ho araka ny faniriany hanaraka ireo fepetra takina araka ny rariny mba hiainana eo amin’ny faritany tapahin’ny Fanjakan’Andriamanitra (ampitahao amin’ny Romana 6:7). Hisy fiezahana lehibe hatao koa mba hanampiana azy ireny hanaraka ny lalan’ny fihavanana tanteraka amin’Andriamanitra. Hatsangana eo ambany fitondran’io Fanjakana io ny fandaharam-pampianarana lehibe indrindra hatramin’izay.

16. a) Inona moa ireo “boky”? b) Nahoana ny fampianarana homena ao amin’ny “tany vaovao” no ho karazany ambony?

16 Hisy “boky” hovelarina. Izany dia ho toromarika havoaka noho ny fikendrena ny hanampy an’ireo ho tafita velona hanatanteraka ny ‘asa’ izay hahatonga azy ireo hahazo ny fiainana mandrakizay (Apokalypsy 20:12). Koa satria izany fandaharam-pampianarana omanina ho an’ny “tany vaovao” izany hotarihin’i Jehovah sy ilay Mpanjaka mesianikany, dia ho ambony lavitra noho ny fandaharana rehetra nety ho natolotra teo amin’izao tontolo izaon’i Satana izany.

FITAHIANA HO AN’NY “OLONA BETSAKA”

17. Hila inona ireo ho tafita velona izay hiditra ao amin’ny “tany vaovao”?

17 Nefa raha anisan’ny “olona betsaka” amin’ireo ho tafita velona amin’ny Haramagedona ianao, aiza no ho toeranao ao amin’izany sary izany? Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy.” (I Korintiana 15:22). Ianao koa dia hila ny avotr’i Kristy izay hanondrotany ny olombelona ho amin’ny fahatanterahana. Ianao koa dia tokony handray soa amin’ny fampianarana horaketin’ireo “boky” hovelarina mandritra izany arivo taona izany, mba hahafahana manatanteraka amim-pahatokiana ireo ‘asa’ izay hahatonga anao ho afaka hanana ny anaranao voasoratra ao amin’ny “bokin’ny fiainana”.

18. Fandaharana nomanin’ilay Fanjakana inona no tokony hitondra fifaliana manokana?

18 Amin’izao andro izao, noho ny tsy fahatanterahan’olombelona, dia tsy afaka mampiasa afa-tsy ampahany amin’ny mety ho vitan’ny atidohanao ianao raha ny amin’ny fahazoana sy fitadidiana fahalalana sasany. Angamba ianao efa nihiaka hoe: “Raha mba afaka nitadidy izany mantsy aho!” Tokony ho velom-pankasitrahana aoka izany ianao noho ny soron’i Kristy! Ny fandaharan’ilay Fanjakana nokendrena hanondrotana ny olombelona tokoa dia tsy mitsinjo fotsiny ny hanafoanana ny fanaintainana ara-batana, fa ny fiverenan’ny sain’ny olombelona, zavatra noforonina mahatalanjona, ho amin’ny fahatanterahana koa, mba hahafahanao hianatra sy hitadidy izao karazam-pahalalana rehetra izao, hamakafaka ny amin’izany ary, ambonin’ny zavatra rehetra, hanompo an’i Jehovah Andriamanitsika sady hankamamy ireo toetrany mahatalanjona. Ireo fefy ara-piteny izay vokatry ny nanorokoroana ny fiteny tamin’ny nanorenana ny tilikambon’i Babela, dia hesorina, ka hianatra fiteny tokana ny olombelona rehetra, ary izany dia hahatonga ho afaka hanompo an’i Jehovah ao anatin’ny firaisan-tsaina, araka ny ambaran’ny Zefania 3:9.

19. Fifaliana inona no hananan’ireo vahoakan’ny Fanjakana?

19 Ny fon’ny olombelona hanjary tanteraka, dia hohetsehin’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namany. Tsy mahagaga àry raha nandefa izao teny izao ho an’ny vahoakany feno fankasitrahana Jehovah Mpanjaka Tompo:

“Fa, indro, Izaho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao, ka dia tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza. Fa mifalia kosa sy miravoravoa mandrakizay, satria mahary izany Aho; fa, indro, mahary an’i Jerosalema ho fifaliana Aho ary ny olony ho firavoravoana. Dia ho faly amin’i Jerosalema Aho; ary ny feo mitomany tsy ho re any intsony, na ny feo mitaraina.” (Isaia 65:17-19).

Ny fifaliana sy ny firavoravoan’ny mpanjaka 144 000 hiaraka amin’i Kristy ao amin’ny Fanjakany dia ho hita taratra eo amin’ireo vahoakan’io Fanjakana io an-davitrisany maro izay handroso ho amin’ny fahatanterahan’olombelona.

HOHAMASININA MANDRAKIZAY NY ANARAN’I JEHOVAH

20. a) Nahoana no handalo haingana ireo 1000 taona? b) Ahoana no teny nisaoran’i Davida an’i Jehovah? d) Moa ve ianao voatosika hanao fiderana sahala amin’izany ho an’Andriamanitra?

20 Rehefa ho tapitra ny arivo taona, dia ho toy ny indray andro monja eo imason’i Jehovah izany, nefa koa ho vanim-potoana fohy dia fohy ho an’ny olombelona variana aoka izany amin’ny asany fanorenana (II Petera 3:8). Azontsika atao koa ny maka sary an-tsaina fa hisy fotoam-pialan-tsasatra hahafahana hifaly amin’ny fiarahana mahafinaritra, hanao fampiasan-tena mahasoa, hankamamy ny mozika na handray anjara amin’ny fanaovana zava-kanto mety, mbamin’ny fotoana hafa atokana ho amin’ny fanompoam-pivavahana amin’ilay Mpamorona antsika lehibe. Ny olona rehetra dia haniry hisaotra an’i Jehovah sahala amin’i Davida fony izy nanao fanomanana ho amin’ny fanompoam-pivavahana tao amin’ny tempoly; izao no nambarany:

“Anao, Jehovah ô, ny fahalehibiazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao ny fanjakana, Jehovah ô, ary Anao ny fisandratana ho Lohany ambonin’izy rehetra. Avy aminao ny harena sy ny voninahitra, ary Hianao no manjaka amin’izao rehetra izao; eo an-tànanao ny hery sy ny tanjaka, ka eo an-tànanao koa ny mampahalehibe sy ny mampahatanjaka izao rehetra izao. Koa ankehitriny misaotra Anao izahay, ry Andriamanitray ô, sy midera ny anaranao be voninahitra.” — I Tantara 29:11-13.

21. a) Ahoana no hamitan’i Jesosy Kristy ny fanjakana arivo taona? b) Inona no ho notanterahin’ilay Fanjakana?

21 Mifanaraka amin’izany fiderana tsara dia tsara izany, Jesosy Kristy, ilay Davida lehibe kokoa, dia hamita ny fanjakany arivo taom-piadanana sy fanorenana indray amin’ny fanaovana izay nambaran’ny apostoly Paoly tamin’izao teny izao:

“Ary rehefa afaka izany, dia avy ny farany, ka amin’izay dia hatolony ho an’Andriamanitra Ray ny fanjakana, rehefa nofoanany ny fanapahana rehetra ary ny hery rehetra [nanohitra azy].”

Ho naseho indray mandeha fa ny fanapahan’Andriamanitra no hany karazam-pitondram-panjakana marina sy ampy hery mba hitondra soa mandrakizay ho an’ireo mpivavaka amin’i Jehovah. Eo ambany fanapahana feno fahamoram-panahin’ilay Fanjakana dia ho efa nanjavona ny fahafatesana nolovana tamin’i Adama, ary ny olona rehetra dia hovelomina indray “ao amin’i Kristy”. Amin’izany, ny olona an-davitrisany maro hiaina eto an-tany amin’izay dia ho ‘novotsorana tamin’ny fahandevozana, dia ny fahalòvana, ho amin’ny fahafahana izay momba ny voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra’. — Romana 8:21; I Korintiana 15:22-28.

22. a) Vanim-potoam-pitsapana fohy inona no hanaraka amin’izay? b) Asa fanamarinana farany inona no hotanterahin’i Jesosy?

22 Hafahana kelikely avy ao amin’ny lavaka tsy hita noanoa Satana mba hitsapana ny tsy fivadihan’ny taranak’olombelona tonga tanteraka amin’ny fiandrianan’i Jehovah. Angamba hisy olona tsy voafetra ny isany hanaraka ny Devoly, nefa hotsaraina haingana sy haringana izy ireny. Ny ‘taranaky’ ny ‘vadin’Andriamanitra’, izany hoe Jesosy Kristy, dia hanatanteraka ny asa fanamarinany farany amin’ny fanorotoroana ny lohan’ilay Menarana ela, amin’ny fanafoanana azy mbamin’ny iray karazana aminy, amin’ny fomba feno toy ny amin’ny afo izay hirehitra “andro aman-alina mandrakizay”. Ho voalamina tanteraka ilay raharaha lehibe ny amin’ny maha-ara-drariny ny fanapahan’Andriamanitra, dia raharaha nipoitra tany Edena. — Apokalypsy 20:7-10; Genesisy 3:15.

23. a) Tokony hanosika antsika hanao inona ireo fampanantenan’Andriamanitra? b) Nahoana moa isika no tokony haniry ny ‘hahatongavan’ny fanjakan’Andriamanitra’?

23 Rehefa mieritreritra an’ireo fampanantenana kanto omen’ilay “Mpanjaka mandrakizay”, ilay Mpamorona antsika lehibe, Jehovah Mpanjaka Tompo, moa ve isika tsy voatosika hidera ny anarany mba haneho aminy ny fankasitrahantsika? Moa ve isika tsy voatosika, sahala amin’ny sasany tamin’ny andro Pentekosta, hiresaka “ny asa lehibe ataon’Andriamanitra” sy ny amin’ilay “Mpanjakan’ny mpanjaka” voatendriny ary ny amin’ny Fanjakana mesianika (Asan’ny apostoly 2:11; Apokalypsy 15:3; 19:16)? Moa ve tsy irintsika ny hanao izao vavaka izao amin’ny Raintsika any an-danitra: “HO TONGA ANIE NY FANJAKANAO!” (Matio 6:9, 10). Eny, “HO TONGA” anie izy io mba hanafoana ny fandaminana sy ny asan’i Satana eto an-tany! “HO TONGA” anie izy mba hanome ho an’ny olombelona rehetra ny hany fitondram-panjakana tsara! “HO TONGA” anie izany mba hanomboka fanjakana arivo taona halaza izay hahatonga ho afaka hanorina indray ny paradisa, hanangana ny maty sy hampiverina ho amin’ny fahatanterahana ny olona rehetra izay maniry izany! Eny, “HO TONGA” anie izy io, mba hohamasinina mandrakizay ny anarana tsy manam-paharoan’i Jehovah!

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 180, 181]

Ao amin’ny tany vaovao, ireo zanaka hotezaina ao anatin’ny rariny dia tsy hahita intsony ny loza mitambesatra amin’ireo fianakaviana ankehitriny.