Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ireo mpiaro mahatoky an’ilay Fanjakana

Ireo mpiaro mahatoky an’ilay Fanjakana

Toko Faha-15

Ireo mpiaro mahatoky an’ilay Fanjakana

1. Inona no fisehoan-javatra lehibe nambaran’i Daniela?

ELA BE nialoha, ny faminanian’i Daniela dia nanondro ny taona 29 amin’ny fanisan-taona iraisana ho ny nisehoan’ny Mesia amin’ny maha-olombelona, ary ny 1914 ho ny datin’ny nanendrena azy ho mpanjaka ao amin’ny voninahiny any an-danitra. Afa-tsy izany koa, Daniela dia nanambara ara-paminaniana sy tamin’ny antsipiriany ny fomba handaminana ilay fiadian-kevitra lehibe ny amin’ny fanapahana an’izao tontolo izao.

2. Raharaha inona no tokony hotapahina, ary amin’ny alalan’ny fitsarana inona?

2 Tokony hotapahina tanteraka àry ny raharaha ny amin’ny fanapahana ara-dalàna ny tany. Amin’ny alalan’ny fitsarana inona anefa? Amin’ny alalan’ny Fitsarana tampony eo amin’izao rehetra izao. Nilazalaza izany tamin’izao teny izao i Daniela:

“Mbola nijery ihany aho mandra-pametraka ny seza fiandrianana, ary ny Fahagola no nipetraka teo, ny fitafiany dia fotsy toy ny fanala, ary ny volon-dohany toy ny volon’ondry madio; ny seza fiandrianany dia lelafo, ary ny kodiany dia afo mirehitra. Ony afo no nivoaka sy nandeha avy teo anatrehany; arivoarivo no nanompo Azy, ary alinalina no nitsangana teo anatrehany; nipetraka ny Mpitsara, ary novelarina ny Boky.” — Daniela 7:9, 10.

3. Iza no Mpitsara? b) Mampiseho inona ireo “boky”? d) Ahoana ny didim-pitsarana?

3 Mandray toerana ao amin’ny fitsarana ilay “Mpanjaka mandrakizay”, dia Jehovah Andriamanitra (Apokalypsy 15:3). Fa inona izany “boky” izany izay novelarina teo anatrehany? Ny tarehin-javatra mampalahelo tamin’ny fanapahana ireo firenena tao anatin’ny fotoana nisian’ny Tantara. Tamin’ny fahataperan’ny andron’ny Jentilisa, tamin’ny 1914, dia ara-drariny tokoa ny nanesoran’ny “Mpitsara” tamin’ireny firenena ireny ny zo hampihatra “ny fanapahany” na dia ‘nohalavaina ihany aza ny andro hiainany mandra-pahalanin’ny andro sy ny fotoana’, izany hoe mandra-panatanteraka tokoa ny fitsarana aminy, amin’ny Haramagedona. — Daniela 7:12; Apokalypsy 16:14, 16.

4, 5. a) Iza no nomena ny fanapahana? b) Amin’ny fomba ahoana ihany no azontsika anavahana ny fanatrehan’ny Mpanjaka?

4 Iza àry no homena ny fanapahana? Manampy teny toy izao i Daniela:

“Ary mbola nahita tamin’ny fahitana tamin’ny alina ihany aho, ary, indro, nisy toy ny zanak’olona avy tamin’ny rahon’ny lanitra, ary nankeo amin’ny Fahagola Izy, dia nampanakekeny teo anatrehany. Ary nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoan’ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy; ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany tsy ho rava.” — Daniela 7:13, 14.

5 Iza moa io olona sahala amin’ny “zanak’olona” io? Tsy iza fa Jesosy Kristy Tompo nomem-boninahitra. Koa satria “ny rahon’ny lanitra” mampiseho tsy fahitana, dia amin’ny fijery matsilon’ny finoana no amantarantsika ny “famantarana” any an-danitra ny fanatrehany, ary koa ny “famantarana” hita maso voaforon’ireo fisehoan-javatra nitranga teto an-tany nanomboka tamin’ny “fiandohan’ny fahoriana” tamin’ny 1914. — Matio 24:3, 7, 8, 30; Apokalypsy 1:7.

6. a) Ho fanohanana an’iza koa no nanononana ny fitsarana? b) Inona no azon’izy ireo, ary amin’ny fomba ahoana?

6 Ao amin’ny faminanian’i Daniela dia voamaritsika fa natao nanaraka izany ny fitsarana “ny olo-masin’ny Avo Indrindra” ary izy ireo koa dia mandray “ny fanjakana sy ny fanapahana ary ny fahalehibeazan’ny fanjakana eny ambanin’ny lanitra rehetra”. (Daniela 7:22, 27.) Iza moa izany ‘olo-masina’ izany? Miharihary tokoa fa izy ireny dia mifanohitra amin’ireo mpitondra tia tena sy mpandray kolikoly ao amin’ny fitondram-panjakan’olombelona izay mampahory ny vahoaka hatramin’ny ela be tokoa. Raha ny marina, izany dia ny ‘olona masina’ 144 000 mitafy hosotra, olona “tsy manan-tsiny” raha ny amin’ny tsy fivadihany ary “navotana avy tamin’ny olona” mba hampiarahina ao amin’ny fiandrianan’ny “Zanak’olona” ao amin’ny Fanjakany any an-danitra. Atsangana amin’ny maty izy ireny mba hiaraka aminy “amin’ny andro farany”. (Apokalypsy 14:3-5; Matio 24:30; Jaona 6:40.) Amin’ny fotoana ahatongavan’i Jesosy ao amin’ny Fanjakany, dia mbola misy sisa amin’ireny ‘olo-masina’ ireny eto an-tany. Ary manana asa hotontosaina izy ireo.

MIARO NY TENIN’ANDRIAMANITRA IZY IREO

7, 8. a) Antokon’olona iza no nanomboka asa fanomanana ary oviana? b) Inona no nolaviny? d) Inona no narovany? e) Ho amin’ny daty ho avy inona no nanintonany ny saina? f) Fiasana inona no nampiasainy mba hanambarana ny Fanjakan’Andriamanitra?

7 Rehefa nanakaiky ny fotoana voafetra mba handraisan’ny “Zanak’olona” ny Fanjakana, dia toa sitrapon’Andriamanitra ny hanaovana asa fanomanana teto an-tany. Tao anatin’ireo taona 1870, tany Pittsburgh (Etazonia), Charles Russell dia nandamina antokon’olom-bitsy kristiana voatokana ho an’Andriamanitra. Tsy ela ireo dia nahatsapa fa tsy niankina tamin’ny Tenin’Andriamanitra ireo fivavahana ao amin’ny finoana lazaina fa kristiana, fa tamin’ny fampianarana sy ny fombafomba babyloniana ary ny filozofian’i Platon izay nampianatra ny tsy fahafatesan’ny fanahy. Nanary ny fivavahan-diso ireo anisan’izany antokon’olom-bitsy izany ka tonga mpiaro nafana fo an’ireo fampianarana ao amin’ny Baiboly, toy ny avotra nomen’i Jesosy, ny fananganana amin’ny maty sy ny Fanjakan’Andriamanitra, fanantenan’ny olombelona ory.

8 Tamin’ny alalan’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana izay niseho tsy nisy fahatapahany nanomboka tamin’ny volana jolay 1879, dia nifidy ny fitantarana araka ny Baiboly ny amin’ny famoronana i Russell sy ireo namany ka nanda ny tsangan-kevitr’i Darwin ny amin’ny evaolisiona. ‘Namono ny afon’ny afobe’ izy tamin’ny fampisehoana tamin’ny alalan’ny Baiboly fa tsy nisy mihitsy toerana mivaivay fampijaliana lazaina fa alehan’ny ‘fanahin’ny maty’, fa ny “afobe” voalazan’ny Baiboly dia ny fasana fotsiny (Salamo 16:10; Asa. 2:29-32). Nambarany fa ny 1914 dia daty voamarika mifandray amin’ny ‘fahatongavan’ny’ Fanjakan’Andriamanitra. Hatramin’izao andro izao Ny Tilikambo Fiambenana manambara ny Fanjakan’i Jehovah, avoaka amin’ny fiteny maherin’ny 100 ary an-tapitrisany maro ny indray mivoaka, dia miaro amim-pahatokiana ny Fanjakan’Andriamanitra sy Kristy ho hany fanantenana ho an’ny olombelona. — Matio 12:21; Salamo 145:10-12.

9. Ahoana no nahatanterahan’ny faminaniana ao amin’ny Apokalypsy 11:7-12 tamin’ireny “vavolombelona” ireny?

9 Rehefa avy nanompo nandritra ny 30 taona mahery tamin’ny naha-prezidà voalohan’ny Fikambanana Watch Tower i C. Russell dia maty tamin’ny 31 oktobra 1916. Nandimby azy i J. Rutherford. Nanararaotra ny toe-piainana tamin’ny ady ny mpitondra fivavahana sasany ka nanamafy ny fanoherana ny hafatra momba ilay Fanjakana. Nisy fivoriana kristiana notapahina ary, tany amin’ny tany sasany dia nisy mpanompo mahatokin’Andriamanitra natao an-tranomaizina. Rutherford sy mpitory fito hafa tompon’andraikitra tao amin’ny foiben’ny Fikambanana Watch Tower, tany Brooklyn (Etazonia), dia nomelohina an-tranomaizina taona maro. Tsy very hevitra anefa ireo mpanompon’Andriamanitra noho ireny fanenjehana ireny, satria efa voambaran’ny Baiboly izany. Araka izany, ao amin’ny Apokalypsy 11:7-12, ireo firenena eo amin’izao tontolo izao ankehitriny dia lazalazaina ara-panoharana amin’ny endriky ny “bibi-dia” izay miady amin’ireo ‘vavolombelon’Andriamanitra’. Voalaza fa “haharesy sy hahafaty azy” izy io. Hatsahatra ny asan’ny “vavolombelona” natao hilazana faminaniana, ary amin’ny heviny ara-panoharana, izy ireny dia ho toy ny faty haseho elaela ao ‘an-dalamben’ny’ fivavahana lazaina fa kristiana mba ho tonga zavatra maimbo. Izany tokoa no nitranga rehefa naseho naneran-tany ho fihomehezan’ny vahoaka ireo mpanompon’Andriamanitra. Rehefa nitony anefa ny hadalana tamin’ny ady ka nalefa ireo kristiana tany an-tranomaizina, nafahana tanteraka tamin’ny fiampangana lainga rehetra natao taminy, dia “nisy fanahin’aina avy tamin’Andriamanitra niditra tao anatin’ireo”. Nasandratra ho ao anatin’ny fankasitrahan’Andriamanitra izy ireo, ary nanomboka tamin’ny 1919 izy dia niditra tao anatin’ny vanim-potoana nanaovana asa tamin-jotom-po ho an’ilay Fanjakana. — Isaia 52:7, 8; Romana 10:15.

NIANJERA “BABYLONA LEHIBE”

10. Nanjary meloka ny amin’inona ireo fivavahana ao amin’ny finoana lazaina fa kristiana, ary tamin’ny fomba ahoana?

10 Nandritra izany taona nisian’ny ady izany, ny klerjy ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana dia tsy vitan’ny hoe nitarika ny fanenjehana ireo kristiana marina, fa nolaviny koa ireo porofon’ny hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra tsy ho ela. Nanana ny ‘fanjakany’ ara-pivavahana manokana izy, dia ny an’i “Babylona Lehibe”. (Apokalypsy 17:5, 6, 18.) Tao andaniny roa amin’ny manda tehezana dia nitory tamin’ireo tanora tany amin’ny toerana fiadiana ireo mpitondra fivavahana ka nanohana mafy izany fandripahana olona lehibe nahatsiravina izany. Noho ny nanaovana izany, dia mbola mivesatra trosan-dra lehibe ihany ankehitriny ny klerjy ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, tsy misy hafa amin’ireo mpitondra fivavahana tany Jerosalema fahiny nanambaran’ny mpaminanin’i Jehovah hoe: “Eo an-tsisin-dambanao no ahitana ny ran’ny olona malahelo izay tsy manan-tsiny.” — Jeremia 2:34; 19:3, 4; jereo koa Matio 23:34, 35.

11. Amin’ny ahoana ny Ezekiela 22:3, 4, 16 no mihatra amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana?

11 Efa meloka ho manaraka fanompoan-tsampy sy manao fampianaran-diso babyloniana ny fivavahana lazaina fa kristiana, nefa dia nampiany an’io fivesarana trosan-dra io tamin’izay. Koa mihatra tsara amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana niala tamin’ny marina izao tenin’i Ezekiela mpaminany manaraka izao:

“Izao no lazain’i Jehovah Tompo: Tanàna mpandatsa-dra ao ampovoany hahatonga ny fotoany sady manao sampy ao aminy hahaloto azy. Ny ra izay nalatsakao no nahameloka anao, ary ny sampy izay nataonao no nahaloto anao; ary efa nampanakaiky ny andronao hianao ka efa tonga amin’ny taonanao, koa izany no nanaovako anao ho fandàtsan’ny jentilisa sy ho fanakòran’ny tany rehetra. Ary dia ho hitan’ny jentilisa fa ny nataonao ihany no nahaloto anao; ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.” — Ezekiela 22:3, 4, 16.

12. a) Fisehoan-javatra manan-tantara inona no nitranga tamin’ny 1919? b) Tamin’ny ahoana izany no nandraisan’ny olon’Andriamanitra teto an-tany soa?

12 Ny fivavahana lazaina fa kristiana izay nivesatra trosan-dra àry dia nolavin’ilay Andriamanitra marina atao hoe Jehovah izay lazainy fa ivavahana, nefa tsy tiany hotononina anarana intsony. Tamin’ny 1919, dia niharan’ny fianjerana lehibe izy sy ireo fivavahana babyloniana rehetra eo amin’izao tontolo izao. Tsy afaka nitsangana intsony teo anatrehan’ny Avo Indrindra izy na nanapaka an’ireo mpivavaka marina tamin’i Jehovah. Toy izany no izy hatreo ho an’ny tapany hafa rehetra amin’i Babylona Lehibe, empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso. Tamin’izay tokoa “Jehovah Tompo” dia nampanakoako izao antso izao, natao ho an’ireo ‘olo-masina’ nahatoky teto an-tany:

“Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no nampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ny làlana tokony halehanao. Mivoaha hiala any Babylona; (...) torio amin’ny feo mahafaly, ary ambarao, ka aelezo”. (Isaia 48:16, 17, 20).

Inona moa izany “feo mahafaly” izany, ary taiza no re izany?

NY FANOMBOHAN’NY FANAMBARANA MANERAN-TANY

13. a) Lafiny inona amin’ny “feo mahafaly” no nanjary niavaka? b) Inona no antso nanakoako re hatramin’izay?

13 Ny “Zanak’olona” dia nampahafantatra lafiny iray lehibe tokoa tamin’izany “feo mahafaly” izany tao amin’ny faminaniany ny amin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”. Hoy izy:

“Ary hotorina amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra; dia vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:3, 14, 37, MN.)

Tsy maintsy nanao fandaminana anefa ny ‘olona masina’ mba hahafahana manatanteraka an’io asa io. Tetsy andaniny koa, dia tsy hain’izy ireo ny nanao izany tamin’ny herin’olombelona nananany fotsiny. Soa ihany fa, tamin’ny fivoriambe niraisam-pirenena roa natao tany Cedar Point (Etazonia) tamin’ny 1919 sy tamin’ny 1922, dia nalatsaka teo amin’izy ireo tamin’ny fomba nahagaga ny fanahin’i Jehovah. Nandamina azy ireo izy ary nanome azy ireo ny hery nilaina mba ‘hanambarana, hanambarana, hanambarana ilay Mpanjaka sy ny fanjakany’ (Matio 24:31.) Nisy asa lehibe niandry an’ireny “olom-boafidy” ireny izay nitana mafy ny fanantenana ny ho any an-danitra.

14. Ahoana moa amin’izao andro izao no ahitan’ny faminanian’i Joela ny fahatanterahany lehibe indrindra?

14 Toy ny nahatanterahan’ny faminanian’i Joela tamin’ny Pentekosta taona 33, nandritra ireo “andro farany” ho an’ny fandehan-javatra jiosy, dia toy izany koa fa nanomboka nahita ny fahatanterahany lehibe indrindra izy mandritra ny “andro farany” ho an’ny fandehan-javatra maneran-tanin’i Satana. Nohazavaina sy natosiky ny asan’ny fanahin’Andriamanitra ireo ‘zanakalahy sy zanakavavin’i Jehovah’ nandray hosotra ka ‘naminany’ tamin’ny heviny hoe tamin-jotom-po dia nanomboka nampiomana an’izao tontolo izaon’ny olombelona izy ny amin’ny fahantomoran’ny “andron’i Jehovah, dia ilay sady lehibe no malaza”, sy ny ilàna maika dia maika ‘hiantso ny anaran’i Jehovah’ mba hahazoana famonjena. — Asan’ny apostoly 2:16-21; Joela 3:1-5.

“MPANOMPO” MAHATOKY

15. a) Inona moa no atao hoe “mpanompo mahatoky sy malina”? b) Ahoana no azo amantarana azy amin’izao androntsika izao?

15 Tao amin’ny faminaniany lehibe ny amin’ny “famantarana”, dia nametraka izao fanontaniana izao i Jesosy:

“Iza moa no mpanompo mahatoky sy manan-tsaina [malina, MN], izay notendren’ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy hanina amin’ny fotoana?”

Nisy “mpanompo” nahatoky, izany hoe kilasin’olona kristiana nahatoky, niasa teo amin’ireo kristiana voalohany mandra-piorin’ny fivadiham-pinoana lehibe. Moa ve isika amin’izao andro izao mahita indray fandaminana iray sahala amin’izany, “mpanompo” sahala amin’izany izay mizara ny sakafo ara-panahy rehefa tonga ao amin’ny Fanjakany Jesosy Tompo? Izany tokoa. Ireo “Mpianatra ny Baiboly”, araka ny niantsoana azy ireny tamin’izany fotoana izany, dia nanatanteraka asa fanomanana tamin’ny ambaratonga naneran-tany. Nanampy teny toy izao i Jesosy:

“Sambatra izany mpanompo izany, raha avy ny tompony ka hahita azy manao izany. Lazaiko aminareo marina tokoa: Hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy.” — Matio 24:45-47.

16. a) Tamin’ny fomba ahoana no nikarakaran’ny “mpanompo” ny ‘fananan’ny’ Tompo? b) Anarana araka ny Baiboly inona no noraisin’ny “mpanompo” tamim-pifaliana?

16 Noho ny fahatsapany fa voatendrin’ny Tompo izy, ny kilasin’ny “mpanompo” mitafy hosotra dia tena nikarakara tokoa ny tombontsoan’ilay Fanjakana eto an-tany tamin’ny fiahiana mba ho voambara ny “vaovao tsara”. Nandritra ireo taona 1920, dia nisy hafatra fanamelohana mahery nambara ho fanoherana an’i Satana sy ny fandaminany, ary indrindra ho fanoherana ny fivavahana babyloniana. Tamin’ny 1931, izany “mpanompo” izany dia nanaiky tamim-pifaliana ny anarana hoe “Vavolombelon’i Jehovah”, dia anarana izay nampiavaka azy mazava tamin’ny fivavahan-diso rehetra, mbamin’ny andraikitra sy ny tombontsoa avy amin’izany izay nambaran’Isaia mpaminany tamin’izao teny izao:

“Hianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, sady mpanompoko izay efa nofidiko (...). Izaho dia Izaho ihany no Jehovah, ary tsy misy Mpamonjy afa-tsy Izaho. (...) Hianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, ary Izaho no Andriamanitra.” — Isaia 43:10-12.

17. Fanontaniana inona no mitaky valiny?

17 Fa amin’ny fomba ahoana no hanaovan’ny “mpanompo” voaforon’ny kristiana voahosotra an’aliny vitsivitsy monja izay ‘hahavoatory ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity amin’ny tany onenana manontolo ho vavolombelona’? Tsy ho ela Jehovah dia hanome ny valiny.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 148, 149]

ILAY FANJAKANA FOTO-KEVITRA AO AMIN’NY BAIBOLY

NY “TARANAKA” AO AMIN’ILAY FANJAKANA NAMPANANTENAINA TANY EDENA

NY “TARANAKA” NAMBARA TAMIN’I ABRAHAMA SY TAMIN’I DAVIDA

NY FITORIANA ILAY FANJAKANA — NY SORO-PANAVOTAN’NY MPANJAKA

TAFAORINA ILAY FANJAKANA — NY “ANDRO FARANY” NANOMBOKA TAMIN’NY 1914

‘TONGA’ NY FANJAKANA MBA HANAFOANA NY FANAPAHAN’OLOMBELONA REHETRA

MANORINA INDRAY NY PARADISA NY FANJAKANA ARIVO TAONA