Miady ao Haramagedona ilay Mpanjaka
Toko Faha-17
Miady ao Haramagedona ilay Mpanjaka
1, 2. Inona no nambaran’ny olona sasany ny amin’ny Haramagedona?
REHEFA nadiva hifarana ny Ady Lehibe Faharoa, dia nanambara toy izao ilay jeneraly amerikana atao hoe Douglas McArthur: “Hatramin’ny fotoana ela indrindra, dia naniry fandriampahalemana ny olona. (...) Ireo fifanarahana ara-tafika, ny fifandanjan’ny hery sy ireo fandaminana iraisam-pirenena dia nisesy tsy nahomby, ka tsy namela afa-tsy fanafodiny tokana: ny memin’ny ady. Ny hery mandravan’ny ady amin’ny andro ankehitriny dia manilika amin’izao andro izao an’io zavatra mety hitranga io. Nanana ny anjara tsarantsika farany isika. Raha tsy afaka mahita fomba iray mandaitra kokoa sy araka ny rariny kokoa isika, dia ho eo am-baravarantsika Haramagedona.”
2 Tokony ho 35 taona taty aoriana, moa ve ireo firenena nanararaotra an’io ‘anjara tsara farany’ io? Teo ambanin’ny lohateny hoe “Matahotra ny Haramagedona ny Alemana any Andrefana”, dia izao no nolazain’ny Times any Londres: “Manelingelina an’i Alemaina Andrefana indray ny zava-mahatahotra amin’ny ady satria toa mikorotsaka tsy azo sakanana ho amin’ny fikorontanana lehibe ny tarehin-javatra iraisam-pirenena.” Tao amin’ny lahatsoratra iray nitondra ny lohateny hoe “Mikorotsaka ao anatin’ny maizina izao tontolo izao”, ilay lehiben’ny mpanoratra ao amin’ny Herald any Miami (Etazonia) dia nanontany an’ireo mpamaky azy raha tsapan’izy ireo fa “tsy fanoharana araka ny Baiboly fotsiny Haramagedona, fa zavatra tena misy”. Avy eo, dia izao no teny nanampiny: “Izay rehetra manana fahaiza-mampifandrindra hevitra kely dia afaka mampifandray
ireo fisehoan-javatra nampivarahontsana tao anatin’izao taona faramparany izao ka mahatsapa fa eo amin’ny fiolahana ara-tantara izao tontolo izao. (...) Hanova tanteraka ny fomba fiainantsika izany.”3, 4. Amin’ny ahoana moa ny fampianaran’ny Baiboly ny amin’ny Haramagedona no hafa noho izany?
3 Marina fa madiva hahita fikorontanana lehibe ny olombelona, nefa moa ve akaiky Haramagedona? Ary inona no atao hoe Haramagedona?
4 Mahagaga fa hafa lavitra noho izay eritreretin’ny olona amin’ny ankapobeny ny dikany. Ny Baiboly tokoa dia tsy mampiseho ny Haramagedona ho toy ny ady fandravana ifanaovan’ireo firenena na antokom-pirenena, fa ho toy ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”. Adin’Andriamanitra amin’ny “mpanjakan’izao tontolo izao”, raha lazaina amin’ny teny hafa dia amin’ireo filoha ara-politika izay tsy hety hanaiky rehefa “ho tonga” ny Fanjakan’Andriamanitra mba hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra etỳ an-tany (Salamo 2:6-12; Daniela 2:44). Izany dia asa mahagagan’Andriamanitra izay handringanany an’ireo firenena sy ireo olona ratsy fanahy, ka hamohany lalana ho an’ny fanjakam-piadanana arivo taonan’ny Mesia. — Apokalypsy 16:14, 16; Salamo 46:8, 9; 145:20; Joela 4:9-17; Nahoma 1:7-9.
IZAY HITRANGA ALOHAN’NY ADY
5. Ahoana no azo amantarana an’ilay “vehivavy janga lehibe” voalaza ao amin’ny Apokalypsy toko faha-17?
5 Ny toko faha-16 ka hatramin’ny faha-18 amin’ny Apokalypsy dia manome antsika antsipiriany maro ny amin’ny fisehoan-javatra tsy maintsy hialoha avy hatrany ny adin’i Haramagedona. Mamaky izao fanasana izao isika ao amin’io faminaniana io: “Avia atỳ; dia hasehoko anao ny fitsarana ilay vehivavy janga lehibe, izay mipetraka eny ambonin’ny rano maro.” Io “vehivavy janga lehibe” io dia tondroina atỳ aoriana hoe “Babylona lehibe, renin’ny mpijangajanga sy ny zava-betaveta amin’ny tany”. Tsy misy hafa amin’ilay Babylona fahiny, nipetraka teo amin’ny ranon’i Eofrata, nanjary ‘renin’ny’ fandehan-javatra ara-pivavahana feno Apokalypsy 17:1, 5, 15). Izy io dia mahafaoka ireo fandaminana ara-pivavahana, lehibe sy kely, an’arivony maro, “kristiana” sy tsy kristiana, izay tsy manaiky na manompo an’i Jehovah Andriamanitra marina.
zava-miafina izay nitatra nanerana ny tany avy ao amin’io tanàna io, dia toy izany koa fa amin’izao andro izao “Babylona lehibe” dia mampiseho ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso izay mampihatra fanapahana ara-panahy eo amin’ny “olona sy vahoaka betsaka sy firenena maro ary samy hafa fiteny”, ary izany dia nitondra fahoriana ho an’ireo (6. Fisehoan-javatra inona voatonona ao amin’ny Apokalypsy toko faha-16 no mampahatsiahy antsika an’i Babylona fahiny?
6 Mialoha ny adin’i Haramagedona, ny Apokalypsy dia mampiseho amintsika anjely iray eo am-pandrarahana ny tao amin’ny lovian’ny “fahatezeran’Andriamanitra”. Teo amin’inona? “Tamin’i Eofrata, ony lehibe; dia ritra ny ranony hanamboarana ny làlan’ireny mpanjaka avy any amin’ny fiposahan’ny masoandro.” (Apokalypsy 16:1, 12). 600 taona mahery talohan’ny nanoratan’ny apostoly Jaona an’io faminaniana io, ny mpanjaka roa, Dariosa Mediana sy Kyrosy Persiana, dia nanafika an’i Babylonia avy any atsinanana. Tamin’ny alina, dia navilin’i Kyrosy tamin’ny alalan’ny lakan-drano Eofrata ka, rehefa ampy ny haivan’ny rano, dia notarihiny hanatona ny tanàna tamin’ny fanambanin’ny ony ny tafiny. Indray alina, raha mbola niteny ratsy an’i Jehovah ireo filoha sy andrianan’i Babylona tao anatin’ny filalaovan-dratsy, dia azo ilay tanàna lehibe. — Daniela 5:1-4, 30; 6:1.
7. Inona no ifanitsian’izany amin’izay hitantsika amin’izao andro izao?
7 Azo atao ve ny mampitaha an’io fisehoan-javatra io sy izay mitranga amin’izao andro izao? Azo atao tokoa. Tonga ny fotoana hampiharan’Andriamanitra ny fanamelohany an’i “Babylona lehibe”, indrindra fa ny ‘zanakavavin’io’, dia ireo Fiangonana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Safononoka ankehitriny ny fialana amin’ny finoana marina sy ny trosan-dran’ny fivavahana lazaina fa kristiana (Apokalypsy 18:24; Jeremia 51:12, 13). Tao anatin’izao fotoana faramparany izao, ny “rano”, izany hoe ny “olona” izay nanohana ny fivavahana dia nanomboka nihena. Mihamalemy ny fanohanana ny fivavahana, satria olona be dia be no nitodika any amin’ny fampianaran’i Darwin, Marx, Lénine sy Mao. Afa-tsy izany koa, araka ny faminaniana ny amin’ny “andro farany”, dia manjary “tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra” ny olona. — II Timoty 3:1, 4.
8. a) Antso inona no narahin’ireo olona tia ny rariny? b) Inona no fifanoheran-javatra hita amin’ny toetry ny fivavahan-diso ankehitriny sy ny an’ny fanompoam-pivavahana marina?
8 Mihena koa ny “rano” satria misy olona tia ny rariny nanapa-kevitra ny hanaraka izao antson’Andriamanitra ny amin’i “Babylona Lehibe” izao:
“Mialà aminy hianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy.”
Ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, indrindra fa ny fivavahana lazaina fa kristiana, dia mitoloko rehefa mahatsapa ny fikatonan’ireo fiangonana, ny fihenan’ny famonjena fotoam-pivavahana sy ny isan’ny pretra aman-drelijiozy. Nefa, ireo izay milahatra ankehitriny eo anilan’ilay Dariosa Lehibe, dia Jehovah Andriamanitra, sy ilay Kyrosy Lehibe, Jesosy Kristy, dia mahita fanambinana ara-panahy kanto. Anisan’izy ireny ve ianao?
VEHIVAVY JANGA IRAY
9, 10. a) ‘Biby’ mahatahotra inona no miseho amin’izao “andro farany” izao? b) Ahoana no nampahafantaran’ny lahateny ampahibemaso natao tamin’ny 1942 izany, ary inona no nambaran’ny mpandahateny ny amin’ny ho aviny?
9 Na dia milaza ho an’Andriamanitra aza “Babylona lehibe” dia nitana fifandraisana foana tamin’ny politika. Tamin’izany heviny izany no ‘nijangajanganan’ny mpanjakan’ny tany’ taminy. Ankehitriny anefa, ao anatin’ny “andro farany”, dia misy fahafahana mahafinaritra atolotra azy. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fidirana an-tsehatry ny “bibi-dia mivolon-jaky” iray. Fa mampiseho inona io “bibi-dia” io? Azo antoka fa izy io dia tokony hanana fifandraisana amin’ireo firenena ara-politika amin’ny tany, satria, ao amin’ny Baiboly dia matetika no oharina amin’ny Apokalypsy 13:1-4, 11-15; Daniela 7:3-8, 17-25; 8:5-8, 20-22.) Nefa io ‘biby io’, izay maharaiki-tahotra, dia fitambarana biby maromaro, satria manana “loha fito sy tandroka folo”. — Apokalypsy 17:3.
‘biby’ ireo. (10 “Biby” fitambaran-javatra maro loha inona no niseho tamin’izao “andro farany” izao, ary inona no anjara noraisiny teo amin’ny sehatra maneran-tany? Tamin’ny fivoriambe niraisam-pirenena iray nalamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1942, ilay lahateny nitondra ny lohateny hoe “Haharitra ve ny fandriampahalemana ho avy?” dia nanintona ny saina ho amin’ny faminaniana ao amin’ny Apokalypsy 17:7, 8. Ny mpandahateny, N. Knorr, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower, dia nampahafantatra fa “ny bibi-dia [izay] (...) teo” dia ny Fikambanam-pirenena izay teraka tamin’ny 1920. Tamin’io taona 1942 nisy ady io, dia nanambara toy izao nanaraka izany N. Knorr: “Marina tokoa fa tsy nanana aina vetivety ny Fikambanam-pirenena ary tsy maintsy novelomina indray raha mbola tia ny handray anjara asa ihany. Tafalentika tao anatin’ny lavaka tsy hita noanoan’ny tsy fanaovana na inona na inona sy ny tsy fananan-kery izy io. ‘Tsy eo’ izy.” Avy eo dia nanohy ny teniny izy tamin’ny fampisehoana fa “ny bibi-dia [izay] (...) teo ihany ary tsy eo izao [dia] efa hiakatra avy amin’ny lavaka tsy hita noanoa (...) ka ho lasa ho amin’ny fandringanana”. Mifanaraka amin’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly, io “bibi-dia” io dia novelomina indray tamin’ny 1945 tamin’ny anarana hoe Fandaminan’ny Firenena mikambana.
11. a) Nahoana moa no voasoratra fa “feno anarana fitenenan-dratsy” io ‘biby’ io? b) Fitsarana inona no miandry an’ilay ‘biby’?
11 Io “bibi-dia” iraisam-pirenena io, noforonina mba hitandroana “ny fandriampahalemana sy ny filaminana” teo amin’ireo firenena, raha ny marina dia “feno anarana fitenenan-dratsy”, satria mihambo ho afaka manatanteraka izay ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no afaka manao azy amin’ny alalan’i Jesosy Kristy (Apokalypsy 17:3). Nanambara ny apostoly Paoly fa ho avy ny fotoana izay hireharehan’ireo filoha ara-politikan’izao tontolo izaon’i Satana sy hankalazany tena ho mpitondra filaminana. Izao no nambarany:
“Ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’ny Tompo. Raha misy olona manao hoe: Miadana sy mandry fahizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian’ny vehivavy raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy.” (I Tesaloniana 5:2, 3).
Araka ny filazan’ny Tenin’Andriamanitra, ny ‘bibi-dian’ny fiadanana sy filaminana’ dia hiharan’ny fanatanterahana haingana sy raikitry ny fanamelohan’i Jehovah.
‘ENDREY NY FAHAVOAZAN’NY’ VEHIVAVY JANGA!
12. Filazalazana inona ny amin’ilay “vehivavy janga” no nahagaga an’i Jaona?
12 Na dia nampahafantarin’Andriamanitra aza fa nomelohiny ny Fandaminan’ny Firenena mikambana, dia tadiavin’i “Babylona Lehibe” izay hananana fifandraisam-pifankatiavana amin’io biby feno fitenenan-dratsy io. Ny Baiboly tokoa dia mampiseho azy ho mitaingina ny “bibi-dia” toy ny mpanjakavavy; izao no vakintsika: “Ary ravehivavy dia nitafy lamba volomparasy sy jaky ary niravaka volamena sy vato soa ary pèrila sady nitana kapoaka volamena teny an-tànany, feno zava-betaveta, dia ny zava-maloto momba ny fijangajangany.” Ara-dalàna tokoa raha niaiky toy izao i Jaona teo anoloan’izany: “Koa raha nahita azy aho, dia gaga indrindra.” — Apokalypsy 17:4, 6.
13, 14. a) Fiafarana mampahonena inona no miandry ny fivavahan-diso? b) Ahoana no hitrangan’izany? d) Olona iza avy no hitomany an’i Babylona Lehibe, nefa nahoana no ho eny lavidavitra izy no hitoloko?
13 Ny fifandraisana misy eo amin’ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso babyloniana sy ny O.N.U., ‘bibin’ny fandriampahalemana sy ny filaminana’, dia hahita fiafarana hampangitakitaka. Na dia mihevitra foana ho mahazo sitraka amin’io fandaminana iraisam-pirenena io aza i “Babylona”, vehivavy janga, dia ambaran’ny Tenin’Andriamanitra fa hisy fiovana hitranga:
“Ary ny tandroka folo sy ny bibi-dia izay efa hitanao, dia ireo Apokalypsy 17:16).
no hankahala ilay vehivavy janga ka hahatsinontsinona azy sy hampitanjaka azy sy hihinana ny nofony ary handevona ny tenany amin’ny afo.” (Endrey izany fiafarana hampahonena ho an’ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso!
14 Ho haingana ny fandravana an’i “Babylona Lehibe”.
“Ho tonga indray andro monja izao loza hanjo azy izao, dia fahafatesana sy fisaonana ary mosary, ary ho levon’ny afo izy; fa mahery ny Tompo [Jehovah, MN] Andriamanitra, Izay nitsara azy.” (Apokalypsy 18:8).
Hitomany azy anefa ny sasany. Tsy ireo “tandroka folo” tia ady ho niantoraka namely azy tamim-pitaka anefa izany, fa filoha ara-politika hafa izay zatra ny nifanaraka tamin’ny klerjy mba hanaovana izay tsy hahafa-baraka ny tenany sy mba hanafenana kokoa ny asany tsy marina. Hitoloko noho ny aminy izy, nefa eny lavidavitra eny, noho ny fahatahorana sao voatery hitovy fiafarana aminy. Hilaza toy izao izy ireny:
“Indrisy! indrisy [Endrey ny fahavoazana, endrey ny fahavoazana, MN]! Babylona, ilay tanàna lehibe! ry ilay tanàna mafy! fa tamin’ny ora iray monja dia tonga ny fitsarana anao.” — Apokalypsy 18:9, 10.
15. Iza koa no hamerina izany teny izany, ary nahoana?
15 Ho ao koa ireo mpanao raharaham-barotra manan-karena, ireo jiolahy sy ireo mpirenireny hafa izay nampiasa ny fifandraisany tamin’ny klerjy mba hanaronana amin’ny “fahamasinana” ny asany mampiseho fitiavam-bola sy mba hampitonena ny fieritreretany ratsy. Ireo koa dia handray izao teny averimberina izao:
“Endrey ny fahavoazana, endrey ny fahavoazana! (...) fa tao anatin’ny ora iray no nahafoana azy!” (Apokalypsy 18:11-19, MN).
Ireo katedraly nandaniam-bola be, ireo harena sy tany nangonina, ireo tahirim-bola be any amin’ny banky sy ireo fampiasana renivola ataon’ny fivavahana eo amin’izao tontolo izao, izany zavatra rehetra izany dia ho efa foana.
16. Inona avy moa ireo fizarana telo amin’ny fandaminan’i Satana izay voatokana ho amin’ny fandringanana?
16 Ny fandehan-javatra ara-pivavahana feno fihatsarambelatsihy, ny varotra mampiseho fitiavan-karena mihoa-pampana sy ny politika tia kolikoly, ireo fizarana telo amin’ny fandaminan’i Satana eto an-tany, dia madiva hiharan’ny fanamelohan’i Jehovah. Fa inona no hitranga aorian’ny fandravana ny fivavahan-diso?
MANDRAY AN-TANANA NY RAHARAHA NY MPANJAKA
17, 18. a) Inona no hanaraka ny fandravana an’i “Babylona lehibe”, ary nahoana? b) Iza no hahazo ny fandresena farany? d) Ain’iza no ho voavonjy? d) Ahoana no mety hahatonga anao ho anisan’ny ho tafita velona?
17 Ireo hery ara-politika mirehitra fatratra izay handrava ny fivavahan-diso maneran-tany dia tsy manana fahaiza-manavaka ara-panahy mihitsy. Tsy ekeny ny Fanjakana mesianika izay naorina tamin’ny 1914. Mifanohitra lavitra amin’izany, fa toheriny mafy ireo izay mitory io Fanjakana io ka maneho ny fialanalanany kristiana eo anoloan’ny politika sy ny ady ataon’ireo ‘fanjakana’ eo amin’izao tontolo izao. — Apokalypsy 12:17; Jaona 17:14, 16.
18 Azo ampoizina fa rehefa avy nanaisotra an’i “Babylona lehibe” ny ‘tandroky’ ny biby ara-panoharana, dia handefa fanafihana farany ny vavolombelona kristian’i Jehovah, dia ireo mpianatry ny Zanak’ondry toa tsy manam-piarovana eto an-tany (Ezekiela 38:14-16; Jeremia 1:19). Hanao ahoana ny ho fiafaran’ny ady ho an’ireny fahavalon’Andriamanitra ireny? Mamaly toy izao ny faminaniana:
“Ireo dia hiady amin’ny Zanak’ondry, ary ny Zanak’ondry haharesy azy, satria Tompon’ny Tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka Izy, ary haharesy azy koa izay momba Azy, dia olona voantso sy voafidy ary mahatoky.” (Apokalypsy 17:14)
Ny sisa amin’ireo mpianatr’i Jesosy voahosotra mbola eto an-tany, sy ireo namany izay namaly ny antso tamin’ny fiasana ho an’Andriamanitra tamin’ny “fanompoana masina”, dia tsy handray anjara amin’io ady io, nefa ho voavonjy ny ainy. Moa ve ianao anisan’ireo izay mivavaka dieny izao Romana 12:1, 2, MN; ampitahao amin’ny II Tantara 20:5, 6, 12-17.
mba ‘hahatongavan’ny’ Fanjakan’Andriamanitra ao Haramagedona? —19. Mety ho vavolombelona hahita maso inona ianao ka ho tafita velona amin’izany? b) Zava-tsarobidy inona avy no tsy hahavonjy mihitsy intsony amin’izany?
19 Afaka ny ho vavolombelon’io ady handrava ao Haramagedona io ianao ka ho tafita velona amin’izany. Ho hitanao koa ny “Mpanjakan’ny mpanjaka” sy ny miaramila anjeliny hitarika ady mba hanamarinana ny fiandrianan’i Jehovah. Hatrehinao ny ady farany hatao amin’ny ratsy fanahy, amin’ireo firenena miavonavona sy ny tafiny mahery, ary amin’ny “mpandranto” izay manohana azy ireo. Ireo tahirim-piadiany noklehera izay nandaniany an-davitrisany maro, dia tsy hahavonjy azy ireny mihitsy amin’io ady io. Ireo mpanararaotra fatra-pitia harena izay hivarotra solitany sy zava-pihinana dia hahatsapa fa zava-poana ny tombombarony tsy ara-dalàna rehefa hitranga ny fikororosiana maneran-tanin’ny fandehan’ny Vola ka ho tsapan’izy ireo fa tsy haharo azy ny volamenany. “Izao no lazain’i Jehovah Tompo: Injao! avy ny loza, dia loza izay tsy misy toa azy! Ny volafotsiny dia hariany eny an-dàlambe, ary ny volamenany hataony ho maharikoriko — ny volafotsiny sy ny volamenany tsy hahavonjy azy amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah, (...) ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.’ ” — Ezekiela 7:5, 19, 27.
20. Aiza no mety hahitanao ny tena tsy fananana ahiahy?
20 Amin’ny andron’ny Haramagedona, ny tsy fanananao ahiahy dia tsy hiankina amin’ny fanananao ara-nofo, fa amin’ny ho niandanianao mafy tamin’i Jehovah sy ny “Mpanjakan’ny mpanjaka” voatendriny. Ho tafita velona ianao raha manaraka izao tenin’ny mpaminany izao:
“Mitadiava an’i Jehovah, hianareo mpandefitra rehetra amin’ny tany, Izay efa nanaraka ny fitsipiny: Tadiavo ny fahamarinana, tadiavo ny fandeferana; angamba ho voafina hianareo amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.” (Zefania 2:3; jereo koa Isaia 26:20, 21; Daniela 12:1).
Ao Haramagedona, ilay Mpanjaka mitaingina ny soavaly Apokalypsy 19:11-16; 7:9, 14, 17.
fotsy ara-panoharana dia ‘mitsara sy miady araka ny fahamarinana’. Raha manapaka eo amin’ireo firenena “amin’ny tehim-by” izy mba handringanana azy, dia ampiany kosa ireo anisan’ny “olona betsaka” miakanjo fotsy hamakivaky ny “fahoriana lehibe”. Andrasany amim-pitiavana izy ireny ka ‘entiny ho amin’ny loharanon’ny ranon’aina’. Enga anie ho anankiray amin’ireny ianao! —21. Iza no hiangona amin’ny Haramagedona? Nahoana no tsy hisy antony izany?
21 Loza ho an’ny Fandaminan’ny Firenena mikambana mbamin’ireo fitondram-panjakana sy ny tafiny izay manohana azy! Aoka hiangona izy ireo ao Haramagedona “mba hiady amin’Ilay mitaingina ny soavaly [fotsy] sy amin’ny miaramilany [any an-danitra]”! Herim-po very maina izany. Hanipy azy any amin’ny “farihy afo” ara-panoharana ny “Mpanjakan’ny mpanjaka, ka izany dia milaza fanafoanana azy ireo. Hofoanana koa ny tapany sisa amin’ny fandaminan’i Satana eto an-tany, satria ny sabatra lavan’ny Mpanjaka dia azo antoka fa manana fahefana hahita sy handringana ny fahavalony rehetra. — Apokalypsy 19:17-21.
22. Ahoana no ilazalazan’ireo mpaminanin’Andriamanitra ny ady Haramagedona?
22 Amin’ny alalan’ny zavatra atoraka sy ny loza halefa avy any an-danitra, ‘no hamelezan’i Jehovah ny firenena rehetra’ izay miady amin’ny Fanjakany ary, ao anatin’ny fisafotofotoana hamely azy, ireo dia hampiasa ny fiadiany fandringanana hifamelezana, satria “samy hanainga tànana hifamely” izy ireo. Raha anisan’ireo izay miantso ny anaran’i Jehovah anefa ianao, dia ‘tsy haninon-tsy haninona amin’izany’ — Joela 3:4, 5; Zakaria 14:3, 12, 13; Ezekiela 38:21-23; Jeremia 25:31-33.
23. a) Ho fara herin’ny inona moa io ady io? b) Tenin’i Jesosy inona no tokony hahafaly antsika?
23 Izany dia ho ny fara tampon’ny “famantarana” ara-paminaniana nambaran’i Jesosy: “fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony.” Afaka mifaly isika noho ny fahafantarana fa ‘hohafohezina’ izany andro Matio 24:21, 22; 25:33, 34.
izany noho ny “olom-boafidy”. Ianao koa dia ho afaka ny ho tafita velona raha anisan’ny “ondry” asain’i Jesosy ‘handova ny fanjakana’. —24. a) Fandaharana inona avy amin’izay no hatao amin’i Satana, ary nahoana? b) Inona no hitranga hanaraka izany?
24 Rehefa ho vita ny adin’i Haramagedona, dia hosamborina koa ny tenan’i Satana, ilay ratsy fanahy fototry ny fanapahana manimban’ny olona eto an-tany, hofatorana sy hatsipy any amin’ny lavaka tsy hita noanoa “arivo taona”. Nahoana? “Mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony.” (Apokalypsy 20:2, 3). Amin’izay no hanomboka ny fotoana halaza indrindra amin’ny tantaran’olombelona rehetra. Hitondra inona ny Fanjakana arivo taona ho an’ireo olo-mahatoky izay niasa sy nivavaka mba ‘hahatongavan’io’ Fanjakana io? Azo antoka fa ho tianao ny hahafantatra izany.
[Fanontaniana]
[Efajoro, pejy 169]
NY “VEHIVAVY JANGA” SY NY “BIBI-DIA”
Inona no fifandraisana misy eo amin’ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso sy ny ‘bibi-dian’ny fandriampahalemana sy filaminana’? Moa ve “Babylona lehibe” nitady izay hananan-kery teo amin’ny Fikambanam-pirenena ary taty aoriana, teo amin’ny Fandaminan’ny Firenena mikambana? Aoka havelantsika hamaly ny zava-nisy:
Rehefa avy naposaka ny hevitra hoe hamorona ny Fikambanam-pirenena tamin’ny 1918, dia tonga hatramin’ny filazana toy izao ny “Bulletin” an’ny Filan-kevitra federalin’ny Fiangonan’i Kristy tany Amerika: “Amin’ny maha-kristiana anay, dia mamporisika izahay ny hamoronana fikambanana iray misy firenena afaka amin’ny dinika momba ny fandriampahalemana ho avy. Ny Fikambanana toy izany dia tsy fomba ampiasaina ara-politika fotsiny, fa endrika ara-politikan’ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany kosa. (...) Ho zava-poana ny fahafatesan’ireo maty be herim-po raha tsy teraka avy amin’ny fandresena ny tany vaovao anjakan’ny rariny.”
Tamin’ny 1965, tamin’ny faha-20 taonan’ny Fandaminan’ny Firenena mikambana, ny filazam-baovaon’ny Associated Press avy any San Francisco, dia nanambara toy izao: “Filoha fito iraisam-pirenena avy amin’ny finoana ara-pivavahana manana mpanaraka maherin’ny roa lavitrisa maneran-tany no niray saina tao amin’ny vavaka sy tao amin’ny toerana iray ihany mba hanohana ireo fiezahan’ny Fandaminan’ny Firenena mikambana nokendrena hanorenana fandriampahalemana eo amin’izao tontolo izao. Avy any Roma, dia nandefa ny tsodranony ny papa Paul VI (...) ho an’ny fivoriambe nahavory katolika, protestanta jiosy, hindoa, bodista, silamo sy kristiana ortodoksa any Atsinanana (grika). (...) Ilay raby atao hoe Louis Jacobs (...) dia niresaka ‘ny Fandaminan’ny Firenena mikambana ho ny hany fanantenana fandriampahalemana maharitra eo amin’izao tontolo izao izay mila izany fandriampahalemana izany mba hitohizan’ny fahavelomany’.”
Tamin’ny oktobra 1965, ny papa Paul VI dia niresaka ny Fandaminan’ny Firenena mikambana ho “ny lehibe indrindra tamin’ireo fandaminana niraisam-pirenena”, avy eo dia hoy ny teny nanampiny: “Mitodika any amin’ny Firenena mikambana ny vahoaka, toy ny any amin’ny fara fanantenana fifanarahana sy fandriampahalemana.”
Ny 2 oktobra 1979, raha niteny tamin’ny Fivoriamben’ny O.N.U. ny papa Jean-Paul II dia nanambara toy izao: “Ny antony lalina andraisako anjara androany dia tsy isalasalana mihitsy fa ny fatoram-piaraha-miasa manokana izay mampiray ny Foibe apostolika amin’ny Fandaminan’ny Firenena Mikambana (...). Maniry ny Fandamin’ny Firenena mikambana aho mba hitoetra foana ho ny toerana voatokana ambony indrindra ho an’ny fandriampahalemana sy ny rariny, tena toeran’ny fahafahan’ny vahoaka sy ny olona eo amin’ny faniriany fatratra ho avy tsaratsara kokoa.” Tao amin’ny lahateniny naharitra 62 minitra, dia tsy nanonona na dia indray mandeha monja aza an’i Jesosy Kristy na ilay Fanjakana ny papa.
Tamin’ny fanekena olona haka ny toeran’ny Fanjakan’Andriamanitra, ny fivavahan-diso dia mitodika any amin’ny fanantenana poakaty. Ao amin’ny Salamo 146:3-6, dia mampitandrina antsika ny Baiboly mba tsy hametraka ny fitokisantsika amin’ireo filoha olombelona, avy eo dia nanampy teny toy izao izy: “Sambatra izay (...) manantena an’i Jehovah Andriamaniny, izay nanao ny lanitra sy ny tany.” Ary ao amin’ny Lioka 2:10-14, dia “Kristy Tompo” no aseho ho Mpamonjy ny olombelona.
[Efajoro, pejy 173]
FISEHOAN-JAVATRA HISESY ALOHAN’NY HARAMAGEDONA
● Apetraka ny raharaha ny amin’ny fanapahana maneran-tany, mampitombo ny fitaovam-piadiana ireo firenena.
● Manaisotra ny fanohanany ny fivavahana iraisam-pirenena ny vahoaka.
● Mandefa antso miavaka ireo firenena hoe: “Fiadanana sy filaminana!”
● Mandrava ny fivavahana maneran-tany ny “tandroka folo” manana fitaovam-piadiana mahery ao amin’ny O.N.U.
● Mamely farany an’ireo mpianatry “ny Zanak’ondry” ny ‘tandroky’ ny bibi-dia.
● Mandringana an’ireo firenena sy ny tafiny ao Haramagedona ny “Mpanjakan’ny mpanjaka”.
ATSIPY ANY AMIN’NY LAVAKA TSY HITA NOANOA SATANA SY IREO DEMONIANY; AMIN’IZAY NO MANOMBOKA NY FANJAKANA ARIVO TAONA BE VONINAHITR’I KRISTY.