‘Nanakaiky ilay Fanjakana’
Toko Faha-8
‘Nanakaiky ilay Fanjakana’
1. Nahoana ireo tenin’i Jaona voarakitra ao amin’ny Matio 3:1-10 no nety tamin’izany fotoana izany?
AOKA hodinihintsika akaiky kokoa ny asan’ny “Mesia Andriana” tamin’ny fahatongavany voalohany. Jaona Mpanao batisa no voalohany nanambara ity vaovao mahatalanjona ity: “Mibebaha hianareo; fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 3:2). Nadiva hiseho ilay Mpanjaka ho avy. Raha nanakaiky ‘ny herinandro fahafitopolo’, “herinandro” izay hahitan’ireo Jiosy ny fanomezana azy tombontsoa manokana, dia fotoana nety tokoa izany ho azy ireo mba hibebahana amin’ny fahotany, izany hoe ireo fandikany ny lalàna marina nomen’i Jehovah Andriamaniny azy ireo. Marina tokoa fa hiditra ao amin’ny andro fitsarana ny Isiraely. Nanampy teny toy izao àry i Jaona ho an’ireo filoha ara-pivavahana mpihatsaravelatsihy teo amin’ilay firenena: “Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy? Koa mamoaza voa mendrika ny fibebahana hianareo. Ary indro, efa mipetraka eo amin’ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.” — Matio 3:7, 8, 10.
2. a) Tamin’ny ahoana no naha-hafa ny batisan’i Jesosy? Inona no tsy maintsy natrehin’i Jesosy “rehefa nanomboka ny raharahany” izy?
2 Avy eo Jesosy dia tonga avy any Galilia mba ho eo amoron’i Jordana hangataka an’i Jaona hanao batisa azy. Fantatr’i Jaona tsara fa tsy nanana ota Jesosy, noho izany dia nanda izy aloha. Nefa ho hafa ny batisan’i Jesosy. Izany dia hanamarika ny fisehoan’ny tenany amin’i Jehovah mba hanatanteraka ny asa manokana nomanin’ny Rainy ho azy eto an-tany. Koa satria nety izany, dia natao batisa tao anaty rano Jesosy.
“Ary Jesosy (...) nivavaka, dia nisokatra ny lanitra; ary ny Fanahy Masina nidina teo amboniny, ka ny endriny dia tahaka ny voromailala; ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako; Hianao no sitrako. Ary tokony ho efa telo-polo taona Jesosy, raha vao nanomboka ny raharahany.”
Koa satria nanomboka teo Jesosy dia Mesia sy Mpanjaka voatendrin’Andriamanitra, dia nanjary nianjadian’ny famelezan’ny Devoly, ilay Menarana ela, ary koa ireo filoha ara-pivavahana jiosy nihambo ho nanompo an’Andriamanitra tamim-pihatsarambelatsihy, izy. — Lioka 3:21-23.
3. Teo anoloan’ny fakam-panahy, tamin’ny ahoana ny fihetsik’i Jesosy no hafa noho ny an’i Adama sy Eva?
3 “Ary Jesosy feno ny Fanahy Masina dia niverina avy tany Jordana, ary nentin’ny Fanahy tany an-efitra efa-polo andro Izy ka nalain’ny devoly fanahy.” (Lioka 4:1, 2). Satana dia niaiky fa Jesosy no ilay “taranaka nampanantenain’Andriamanitra, izay amin’ny fotoana mety dia hanorotoro azy ary koa ny “taranany” ratsy fanahy. Moa ve Satana hahomby amin’ny fanoherana ny fikasan’i Jehovah amin’ny fitaomana an’i Jesosy tsy hankatò ny Rainy? Jesosy izay vao avy nifady hanina nandritra ny 40 andro dia noana. Nasain’ny Devoly àry izy hanova ireo vato tany an’efitra ho mofo. Nanana fahefana hanao fahagagana i Jesosy nefa dia nanonona ara-drariny tokoa ny lalàn’i Jehovah izy tamin’ny filazana hoe:
“Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra [Jehovah, MN].” (Matio 4:1-4; Deoteronomia 8:3).
Endrey izany fahasamihafana amin’i Eva sy Adama vadiny, izay tsy nankatò tamin’ny fihinanana ilay voankazo voarara, nefa dia nanana sakafo tondraka!
4. Fianarana inona no azontsika tsoahina avy amin’ny fomba nanoheran’i Jesosy ny fakam-panahy faharoa?
4 Nanaporofo ny fanetren-tenany sy ny fanekeny tanteraka ny Rainy i Jesosy tamin’ny fomba fihetsiny tamin’ilay fakam-panahy nanaraka. Nanandrana nitarika an’i Jesosy hihevitra i Satana fa izy izay Zanak’Andriamanitra dia olona ambony sy nalaza. Aoka àry izy hitsambikina avy eny
amin’ny arofanin’ny tempoly, na dia tsy manana antony tokony hanaovana izany aza, ka ireo anjelin’Andriamanitra dia handray azy marina tokoa mba tsy hisy hampaninona azy! Nefa nanilika io hevitra feno hadalana io i Jesosy ary nanonona indray ny lalàn’i Jehovah tamin’ny fitenenana hoe:“Voasoratra hoe koa: Aza maka fanahy an’i Jehovah Andriamanitrao.” (Matio 4:5-7; Deoteronomia 6:16).
Misy lesona azo tsoahina eo ho an’ireo rehetra nanamafy na manamafy ankehitriny fa mpanompon’Andriamanitra: Aoka tsy hisy na iza na iza hanararaotra loatra ny fifandraisany tsara amin’i Jehovah! Mitahy antsika Jehovah, tsy noho ny toerantsika na ny asantsika tamin’ny lasa, fa raha mankatò azy hatrany amim-panetren-tena tanteraka isika, amin’ny fanehoana fanajana lalina ireo fandaharany sy zavatra takiny. — Filipiana 2:5-7.
5. a) Raharaha lehibe inona no tafiditra tao amin’ilay fakam-panahy fahatelo? b) Nanao ahoana indray ny fihetsik’i Jesosy tamin’ny fakana teny avy amin’ny lalàn’Andriamanitra? d) Amin’ny ahoana izany no ohatra tsara ho antsika amin’izao andro izao?
5 Avy eo dia tonga ilay farany sy lehibe indrindra tamin’ireo fakam-panahy telo izay niaretan’i Jesosy tamin’io toe-javatra niseho io. Raha mba mahomby fotsiny mantsy aho, hoy Satana anakampo, amin’ny fandavoana an’i Jesosy momba ny raharaha lehibe indrindra, dia ny an’ilay Fanjakana! Noho izany, “ny devoly [dia] nitondra Azy indray nankany an-tendrombohitra avo dia avo ka naneho Azy ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao mbamin’ny voninahiny, dia nanao taminy hoe: Izao rehetra izao dia homeko Anao, raha hiankohoka eto anatrehako Hianao.” Nety ho azon’i Jesosy teo no ho eo ny fanapahana izao tontolo izaon’ny olombelona tsy nila niandry taonjato maro ny fotoana nomanin’i Jehovah, raha ohatra ka manaiky fotsiny io fanekena lembenana tsotra aoka izany io izy. Izany no fanjohin-kevitr’i Satana. Nefa teo indray koa i Jesosy dia nanonona ny lalàn’i Jehovah ary namaly hoe:
“Mandehana hianao, ry Satana: fa voasoratra hoe: Jehovah Matio 4:8-10; Deoteronomia 6:13).
Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao.” (Izany koa dia ohatra tsara dia tsara ho an’ireo rehetra manompo an’i Jehovah amin’izao fotoana izao. Na dia toa mbola lavitra aza ny lalana, aoka izay rehetra manompo an’i Jehovah amin’ny fanompoana masina tsy hiala mihitsy amin’ny fametrahana ny Fanjakan’Andriamanitra eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainany! Aoka kosa aza izy ireo hamoy ny fanorenana ny ‘fanjakana’ kelin’izy ireo eo amin’ny fitambaran’olona fatra-pitia ny zavatra hita mason’izao tontolo izaon’i Satana!
“TSY NAMAN’IZAO TONTOLO IZAO IZY IREO”
6. a) Tamin’ny heviny ahoana ny Fanjakana no nanakaiky? b) Mifanaraka amin’ny I Petera 2:21, amin’ny lafiny inona no tokony hanarahan’ireo kristiana ny ohatr’i Jesosy?
6 Inona no nataon’i Jesosy rehefa avy nanosika ny fakam-panahin’ny Devoly izy? Lazain’ny Baiboly amintsika izany:
“Nanomboka nitori-teny Jesosy ka nanao hoe: Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.”
Amin’ny heviny ahoana no nanakaiky ilay Fanjakana? Amin’ny heviny hoe ilay nohosorana mba ho Mpanjakan’izany, ny tenan’i Jesosy Kristy, dia teo tamin’izay “nampianatra (...) sy nitory ny filazantsaran’ny fanjakana”. Nisy vahoaka maro be nanaraka azy hatraiza hatraiza (Matio 4:17, 23-25). Nohazavain’i Jesosy tsara tokoa fa ireo nanaiky ny fampianarany dia tsy maintsy ho ‘tsy naman’izao tontolo izao, tahaka azy tsy naman’izao tontolo izao’. Tsy maintsy nihataka tamin’izao tontolo izao sy ny lalany feno herisetra sy maloto izy ireo. Na iza na iza maniry hanaraka an’i Jesosy ankehitriny dia tokony hanao toy izany. — Jaona 17:14, 16; I Petera 2:21; jereo koa Matio 5:27, 28; 26:52.
7. Mifanaraka amin’ny tenin’i Jesosy voarakitra ao amin’ny Jaona 8:44, nahoana no zava-dehibe ny hampitahantsika ny fampianaran’ireo filoha ara-pivavahana amin’ny Baiboly?
7 Momba ny fanompoam-pivavahan-diso, Jesosy dia nilaza tamin’ireo filoha ara-pivavahana tamin’ny androny hoe: “Hianareo avy tamin’ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia mpamono olona hatramin’ny Jaona 8:44). Tamin’izany fotoana izany dia zava-dehibe loatra ny hialan’ny vahoaka amin’ny fomban-drazana diso izay nitombo teo amin’ny fanompoam-pivavahana jiosy ary nahaforona taty aoriana ny Talimoda. Amin’izao androntsika izao, dia tena mbola zava-dehibe koa ho an’ireo rehetra nanaraka ny fivavahan-drazany nandritra ny androm-piainany tahaka ny Jiosy, ny hanontaniany tena raha toa ireo mpitarika azy ara-pivavahana tsy ‘nanafoana’ ny tenin’Andriamanitra mba hampianarana didin’olombelona fotsiny ihany. — Marka 7:9-13.
taloha, ary tsy nitoetra tamin’ny marina, satria tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy, satria mpandainga izy sady rain’ny lainga.” (8, 9. a) Nahoana Jesosy no nanambara fa ny Fanjakany “tsy avy amin’izao tontolo izao”? b) Nahoana àry ireo tena kristiana no enjehina? d) Nahoana izy ireo no tokony ho be herim-po?
8 Raha notsaraina izy ka notandindomin-doza ny ainy dia nanambara toy izao Jesosy momba ireo fitondrana ara-politika tamin’ny androny:
“Ny fanjakako tsy avy amin’izao tontolo izao; fa raha mba avy amin’izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin’ny Jiosy Aho; nefa ankehitriny tsy avy amin’izany ny fanjakako.”
Avy any an-danitra ny Fanjakan’i Jesosy. Avy amin’ny Tompom-piandrianana Tampony, dia Jehovah Andriamanitra, ny fahefany fa tsy avy amin’i Satana. Izany no antony nampiasan’i Satana ny ‘taranany’ teto an-tany mba hanenjika an’i Jesosy sy ireo mpianany. — Jaona 18:36.
9 Nanambara tamin’ireo mpianany àry Jesosy hoe: “Izany no andidiako anareo, mba hifankatiavanareo. Raha halan’izao tontolo izao hianareo, dia aoka ho fantatrareo fa Izaho efa halany talohanareo. Raha naman’izao tontolo izao hianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao; fa satria tsy naman’izao tontolo izao hianareo, fa Izaho efa nifidy anareo tamin’izao tontolo izao, dia halan’izao tontolo izao hianareo.” (Jaona 15:17-19). Hatramin’izay ireo mpivavaka amin’i Jehovah dia tsy nitsahatra ny ho fototry ny fankahalana mivaivay sy fanenjehana feno halozana satria mihataka amin’ny politika ratsy sy ny herisetra manjaka ankehitriny izy ireo. Kanefa, izay rehetra handresy izao tontolo izao amin’ny farany dia handray valisoa kanto. Nanome izao antoka izao ho an’ny mpianany Jesosy: “Atỳ amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.” — Jaona 16:33.
IREO TOETRY NY MPANJAKA
10, 11. a) Inona no mampiseho fa tsy manjaka noho ny fahefana araka an’Andriamanitra ireo filoha eo amin’izao tontolo izao? b) Mifanohitra amin’izany kosa, ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa nanana toetra takina mba hanjakana izy?
10 Toetra inona avy no antenainao ho hita eo amin’ireo mpitondra eo amin’izao tontolo izao ankehitriny? Ny ankamaroan’ireo filoha teo amin’ny tantara dia “lehilahy natanjaka”, nianjonanjona sy feno fiavonavonana. Mandrakariva izy ireny dia nampandefitra ny zavatra nilain’ny vahoaka noho ny tombontsoany manokana. Ny sasany dia nirehareha noho ny nanorenany empira lehibe, izay nanjavona daholo arakaraka ny fandehan’ny fotoana, ka izany dia manaporofo ny fahamarinan’ireto tenin’i Solomona mpanjaka ireto: “Raha tsy Jehovah no manao ny trano, dia miasa foana ny mpanao azy.” (Salamo 127:1). Ireny “mpanjaka” ireny raha ny tena marina dia nanaporofo fa tsy nanjaka noho ny fahefana araka an’Andriamanitra izy ireny. Tsy avy tamin’i Jehovah Andriamanitra ny fiandrianany.
11 Mifanohitra amin’izany kosa, Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka voahosotr’Andriamanitra dia voalazalaza ara-paminaniana ho mitaingin-tsoavaly hamely ireo fahavalony “noho ny teny marina sy ny fahalemem-panahim-pahamarinana”. Izao no voalaza momba azy: “Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka, koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa nanoso-diloilo fifaliana anao mihoatra noho ny namanao”, izany hoe mihoatra noho ireo mpanjaka avy tamin’ny taranak’i Davida nialoha azy (Salamo 45:4, 7). Noho ny fankahalany an’izay rehetra manala baraka ny anarana masin’i Jehovah ary mandika ny fotopoto-pitsipik’Andriamanitra ara-drariny, ilay Mpanjaka any an-danitra dia hanaisotra amin’ny tany amin’ny fotoana ilàna izany, ny faharatsiana rehetra, alohan’ny hanombohana fitondram-panjakana hiavaka noho ny fahamarinana. Moa ve Jesosy nampiseho fa nanana ireo toetra takina mba hahatongavana ho filoha toy izany? Izany tokoa.
12. Ohatra faka tahaka inona no navelan’i Jesosy ho antsika raha ny amin’ny fanompoana masina?
12 Fony izy olombelona lavorary, Jesosy dia naneho fitiavana faka tahaka an’Andriamanitra sy ny namany. Amin’ny maha-mpikambana azy amin’ny firenen’Isiraely, izay nanolo-tena ho an’i Jehovah, dia nanome ohatra izy tamin’ny fankatoavana ireo didy roa lehibe indrindra. Nilaza izy hoe: “Ny [didy] voalohany dia izao: ‘Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany; koa tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra’. Ary ny faharoa dia izao: ‘Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.’ ” (Marka 12:29-31; Deoteronomia 6:4, 5). Jesosy dia nanome tamim-pahalalahan-tanana avy tamin’ny tenany rehefa nanompo an’i Jehovah sy nampianatra ny Jiosy, mpiara-belona taminy. Rehefa nanandrana nitana azy ireo mba hianaran’izy ireo bebe kokoa, dia nilaza tamin’izy ireo izy hoe:
“Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra any amin’ny tanàna hafa koa Aho, satria izany no nanirahana Ahy.” (Lioka 4:43).
Niseho ho mpiasa be zotom-po Jesosy tamin’ny fiasana ho an’i Jehovah tamin’ny fanompoana masina ka nanome tamin’izany, ohatra faka tahaka ho an’ny tena kristiana rehetra. — Ampitahao amin’ny Jaona 5:17.
13, 14. a) Nanao ahoana ny fihetsik’i Jesosy teo anatrehan’ny vahoaka? b) Nahoana izy no nitory, ary nahoana no nandefa ireo mpianany hitory izy? d) Karazana fiandrasana inona moa no azon’ny olombelona antenaina handraisan-tsoa eo ambanin’ilay Fanjakana?
13 Niseho ho be fitiavana sy fangorahana i Jesosy. Tao am-pony dia naniry mafy hahita ny fireneny ho afaka amin’ny enta-mavesatra naneren’ireo mpampahory ara-pivavahana azy izy. Niresaka taminy ny amin’ilay Fanjakana
àry izy, avy eo dia nandefa ireo mpianany tamin’ny fanankinana taminy ity asa nanirahana ity:“Ary raha mandeha hianareo, dia mitoria hoe: Efa mby akaiky ny fanjakan’ny lanitra.” — Matio 9:35 ka hatramin’ny 10:7.
14 Io Mpanjaka voatendrin’Andriamanitra io dia nanao izao fanasana manaraka izao ho an’ny vahoaka: “Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo. Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.” (Matio 11:28-30). Amin’ny maha-Mpanjaka any an-danitra azy notendren’Andriamanitra eo amin’ny fianakavian’olombelona manontolo, Jesosy dia haneho fangorahana sahala amin’izany ihany ary, toy ny nataony tetỳ an-tany dia hiahy izy ny handaminana ireo mpandray anjara amin’ny fanjakany mba hitondra ho an’ny olona ny fanamaivanana sy ny fitarihana feno fitiavana izay ilain’izy ireo fatratra. Ireo rehetra hiaina eto an-tany, eo ambany fanapahan’ny Fanjakan’i Jesosy dia hahita marina tokoa fampiononana ho an’ny fanahiny.
TSY FIVADIHANA TANTERAKA
15. Ahoana no nanomezan’i Jesosy valin-teny feno tamin’ny fihaikan’i Satana?
15 Ambonin’ny zavatra rehetra, ilay Mpanjakan’ny taranak’olombelona dia naneho tsy fivadihana sy fankatoavana tanteraka ny Rainy any an-danitra, hatramin’ny fiaretana fahafatesana tsy nifaditrovana teo amin’ny hazo fijaliana. Raha nanakaiky ny fotoana hahafatesany dia nanao izao vavaka izao tamin’i Jehovah izy: “Ray ô, mankalazà ny anaranao.” Avy tany an-danitra ny feon’i Jehovah no namaly azy hoe: “Efa nankalaza azy Aho, ary hankalaza azy indray.” Tamin’ny fanamasinany ny anaran’ny Rainy, Jesosy dia nanome valiny tanteraka ny fihantsian’i Satana. Noporofoiny fa ny olona tanteraka iray dia afaka mampiseho ny tsy fivadihany amin’Andriamanitra na dia eo aza ny fisedrana rehetra mety hapoitran’ilay fahavalo ho azy. Afaka nanambara Genesisy 3:15; Jaona 12:27-31.
àry Jesosy hoe: “Tonga ankehitriny ny fitsarana izao tontolo izao; ankehitriny ny andrianan’izao tontolo izao [Satana] no horoahina.” Raha lazaina amin’ny teny hafa, Satana dia ho afa-baraka sy voaporofo fa mpandainga. Ireo mpitondra ara-pivavahana jiosy, ‘taranaky ny menarana’, dia nitondra ratra nanaintaina tamin’ny ‘ombelahin-tongotry’ ny ‘taranaka’ avy amin’ny fandaminan’Andriamanitra, ampitahaina amin’ny vehivavy iray, nefa Jehovah dia nanangana ho amin’ny fiainana ny Zanany izay niseho ho mendrika izany. —16, 17. a) Nahoana isika no afaka mitoky tanteraka amin’ilay ho Mpanjakan’ny tany? b) Ahoana no ampisehoan’ny Soratra masina fa ny fanantenana hiaina eo amin’ny tany tonga paradisa dia ho tanteraka marina tokoa? d) Moa ve ny fomba fiainanao hatramin’izay mandrara anao tsy hanana io fanantenana io?
16 Ny fitiavan’i Jesosy ny fahamarinana, ny fankahalany ny tsy firaharahan-dalàna, ny fitiavany lalina ny olombelona ary, ambonin’ny zavatra rehetra, ny fankatoavana tsy nety levona nasehony mba hanatanterahana ny sitrapon’ny Rainy ho voninahitry ny anaran’i Jehovah, ireo zavatra rehetra ireo dia manaporofo fa io Zanaka mahatoky io dia maneho tsara indrindra ireo toetra takina mba hahatongavana ho Mpanjakan’ny tany amin’ny ho avy. Tsy ho tianao ve ny hiaina mandrakizay eo anivon’ireo vahoaka sambatry ny Mpanjaka toy izany?
17 Na nanao ahoana na nanao ahoana ny fiainanao, tsara na ratsy, dia misokatra eo anoloanao ity fanantenana ity: fiainana tsy hanam-pahataperana eo amin’ny tany voaova ho paradisa. Na dia ny mpangalatra nibebaka iray aza, izay niaraka novonoina tamin’i Jesosy, dia notolorana fanantenana ny hatsangana ho eto an-tany. Marina tokoa fa rehefa nangataka tamin’i Jesosy izy hoe: “Tsarovy aho, rehefa avy amin’ny fanjakanao Hianao”, dia namaly azy io hoe: “Lazaiko aminao marina tokoa anio: hiaraka amiko any amin’ny Paradisa ianao.” (Lioka 23:42, 43, MN). Ho tena zavatra hisy io Paradisa io tsy ho ela. Moa ve ny vavaka ataonao mampiseho fa miandry ny ‘fahatongavan’ilay’ Fanjakana sy ny fitahiany ianao?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 77]
NY LEHILAHY NALAZA INDRINDRA NISEHO TETO AN-TANY
Mpanjaka voatendrin’Andriamanitra izy, nijanona ho nahatoky hatramin’ny fahafatesana ary tamin’ny ra nalatsany dia nanavotra ny taranak’olombelona tamin’ny ota sy ny fahafatesana izy.