Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nikatsaka ilay Fanjakana izy ireo

Nikatsaka ilay Fanjakana izy ireo

Toko Faha-6

Nikatsaka ilay Fanjakana izy ireo

1. a) Raha ny amin’ny fitondram-panjakana, ary mifanohitra amin’izay natolotry ny olombelona, inona moa no atolotr’i Jehovah antsika? b) Nahoana moa no azontsika atao tsy misy fananana ahiahy tanteraka ny mamela ny Tenin’Andriamanitra hitarika ny fiainantsika?

MANAO ahoana ny fihetsikao rehefa tolorana zavatra faniry ianao? Moa ve ianao tsy manatona mba handray azy? Eny, Jehovah Andriamanitra dia manolotra fahafahana anao hahazo ny fiainana mandrakizay eo ambany fanapahan’ny fitondram-panjakana tonga lafatra iray. Marina fa amin’izao andro izao dia olona mpanao politika maro no mandray kolikoly ary ny fampanantenany dia matetika tsy mendri-pitokisana. Ary na dia tsara fikasa aza izy ireo, ny olombelona dia hita fa tsy afaka manorina fitondram-panjakana tsara iray, tsy fehezin’ny fanapahan’Andriamanitra (Ohabolana 20:24). Mifanohitra amin’izany kosa, vao teo am-piandohana Andriamanitra dia nandray miandalana ireo fandaharana nilaina mba hahatongavana ho amin’ny fanorenana ny Fanjakany na Fitondram-panjakana tonga lafatra, ary nanasa ireo rehetra tia ny rariny izy handray ireo soa hoentin’io Fanjakana io. Azontsika atao ny mino sy mitoky amin’ny fikasan’Andriamanitra voambara, satria tsy mahay mandainga izy. Amin’ny tsy fananana ahiahy tanteraka àry no ahazoantsika mamela ny Teniny hitarika ny fiainantsika. — Apokalypsy 21:1-5; Titosy 1:2.

2. a) Oviana sy tamin’ny fomba ahoana moa no nampihariharian’Andriamanitra ny fikasany hanorina fanjakana ara-drariny iray? b) Inona no ampahafantarin’ny Hebreo 11:4-7 antsika ny amin’ireo izay naniry fatratra ilay Fanjakana?

2 Ny fikasan’Andriamanitra hanorina Fanjakana iray ara-drariny dia tsy vaovao. Nampahafantatra izany izy tany Edena, rehefa nolavina voalohany ny fanapahany; nasehony tamin’izay fa hampipoitra “taranaka” izay ‘hanorotoro’ an’i Satana sy ny tarana-dratsiny izy (Genesisy 3:15; Romana 16:20). Teo anivon’ny herisetra nampiavaka an’izao tontolo izao fahizay, Abela, Enoka ary Noa dia nanaporofo ny finoany ny fampanantenan’i Jehovah. Noho ny fitokisany fa Andriamanitra dia hamaly soa an’izay “mazoto mitady Azy”, izy ireo dia niaritra ny fanalam-baraka, tamin’ny fifidianana ny ‘hiara-mandeha amin’Andriamanitra’ sy hitory ny fahamarinana (Hebreo 11:4-7). Ireo dia ohatra tsara dia tsara ho an’izay rehetra manam-pinoana ny ‘fahatongavan’ny’ Fanjakan’Andriamanitra amin’izao andro izao.

TARANAKA MIAVAKA

3. Araka ny Genesisy 12:1-7, ahoana no nahatongavan’i Abrahama ho ohatra tsara ho antsika?

3 Maherin’ny 400 taona taorian’ny safodrano, Andriamanitra dia nanambara mazava fa ilay ‘taranaky ny mpanjaka’ nampanantenainy dia ho avy amin’ny taranak’i Abrahama. Fa nahoana no i Abrahama? Satria Andriamanitra nahita ny finoany mahagaga. Namoaka an’i Abrahama avy tao amin’ny tany nahaterahany izy, dia Ora any Kaldea, ary nandefa azy tany amin’ny tany hafa, dia Kanana, tamin’ny filazana taminy hoe:

“Aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany. (...) Ny taranakao no homeko ity tany ity.” (Genesisy 12:3, 7; Asan’ny apostoly 7:4).

Tsy nifikitra tamin’ny tany nahaterahany Abrahama; nandao izany izy ka tsy niverina tao mandrakizay. Vonona ny hanova tanteraka ny fomba fiainany izy mba hanolorana fankatoavana tsy misy fepetra an’i Jehovah, Mpanjaka Tompo. Tsy isalasalana fa ohatra tsara izy ho an’ireo rehetra mampiseho amin’izao fotoana izao amin’ny fomba fiainany fa nanolo-tena ho an’i Jehovah izy.

4. Ahoana no nitahiana an’i Saraha noho ny finoany (Hebreo 11:11, 12)?

4 Na dia tsy niteraka aza Saraha, vadin’i Abrahama, ary nandroso fahalehibeazana, Jehovah dia nanome antoka vaovao an’ilay patriarka tamin’ny filazana taminy hoe: “Hitahy azy Aho, ka ho tonga firenena maro izy; ary hisy mpanjakan’ny firenena maro avy aminy.” (Genesisy 17:16). Teo amin’ny faha-90 taonany dia notahina ilay Saraha nahatoky ary dia nanome zazalahy an’i Abrahama tamin’ny fomba mahagaga: Isaka, izay razamben’ny mpanjaka maro. — Matio 1:2, 6-11, 16; Apokalypsy 17:14.

5. Tamin’ny fomba ahoana no namalian-tsoa ny fankatoavan’i Abrahama sy Isaka?

5 Taty aoriana, Jehovah dia nampihatra tamin’i Abrahama sady tamin’Isaka, fisedrana henjana. Nodidiany Abrahama hitondra hatrany amin’ny tendrombohitr’i Moria, any amin’ny lalana hateloana, ilay zanakalahy tokana nomen’i Saraha azy ary dia hanolotra azy ho fanatitra. Azo inoana fa teo amin’ny 25 taona teo ho eo Isaka tamin’izay; ampy fahatanjahana koa izy mba hitondra antontan-kitay mavesatra hatreo an-tampon’ilay tendrombohitra, noho izany dia ampy hery mba hanoherana ny rainy, 125 taona, raha naniry hanao izany. Nefa tao amin’io tantara nampivarahontsana io, ilay ray sy ilay zanaka dia nitazona ny anjarany tamim-pankatoavana tanteraka mandra-pahatongan’ny fotoana nampiatoan’ilay anjelin’i Jehovah ny fihetsehan’i Abrahama, izay nanainga ny antsy mba hamonoana ny zanany. Nisy ondrilahy natao sorona ho solon’Isaka. — Genesisy 22:1-14.

6. a) Fanoharana ara-paminaniana inona no nandraisan’izy ireo anjara? b) Nahoana moa ny fampanantenana voasoratra ao amin’ny Genesisy 22:18 no mahaliana antsika indrindra?

6 Tamin’io tarehin-javatra io, Andriamanitra dia nanome sary ara-paminaniana ny amin’ny fomba hanaovany sorona ny Zanany mihitsy, mba hanalana ny fahotan’izao tontolo izaon’ny olombelona (Jaona 1:29; Galatiana 3:16). Marina tokoa fa nilaza tamin’i Abrahama Andriamanitra tamin’izay hoe:

“Amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany, — satria nanaiky ny teniko hianao.” — Genesisy 22:15-18.

7. Fitsipi-pitondrantena inona no hahatonga antsika hahazo valisoa avy amin’i Jehovah?

7 Abrahama sy Isaka dia ohatra miavaka ny amin’ny fankatoavana. Angamba Andriamanitra tsy hangataka amintsika na oviana na oviana hanao sorona toy izany, nefa dia tena zava-dehibe na dia izany aza ny hanekentsika azy toy ny nataon’ireo patriarka roa ireo, ary izany dia satria tia azy amim-pahatsorana isika (Jakoba 4:7; II Korintiana 9:13). Ankehitriny, toy ny taloha, Jehovah dia mankasitraka sy mamaly soa an’izay vonona hanao sorona ny tenany sy ny tombontsoany feno fitiavan-tena mba hahatrarana ‘ilay Fanjakana ho avy’. — Matio 6:33.

8. a) Tamin’ny ahoana moa ny fihetsik’i Jakoba no hafa noho ny an’i Esao? b) Inona moa no tsodrano notononin’Isaka ho an’i Jakoba?

8 Jakoba, zanak’Isaka, dia lehilahy iray hafa koa nikatsaka ny Fanjakana. Mifanohitra amin’izany, Esao, rahalahiny kambana taminy, dia nanamavo ny zavatra masina, raiki-pitia tamin’ny vehivavy kananita ary nanaiky ho voataonan’ny fitiavana fatratra ny zavatra hita maso mampiseho fitiavan-tena. Nivarotra tamin’i Jakoba ny fizokiany sarobidy izy ho takalon’ny laoka tsotra fotsiny (Hebreo 12:16). Jakoba izay lehilahy araka ny fanahy dia nihevitra ho zava-dehibe tokoa ny fizokiana. Izany no antony nitarihan’Andriamanitra ny tarehin-javatra mba hahafahan’i Jakoba mahazo io tombontsoa sarobidy io ary handray ny tsodranon’Isaka efa tena be taona tamin’izay. Raha nanambady vehivavy nivavaka tamin’ny demonia i Esao, dia nanao dia lavitra hatrany Mesopotamia kosa i Jakoba mba hifidy vady tamin’ireo mpivavaka amin’i Jehovah. Nanamafy ny fampanantenany tamin’i Jakoba tamin’ny filazana taminy toy izao Isaka:

“Andriamanitra Tsitoha anie hitahy anao ka hahamaro fara anao sy hampitombo anao, mba ho tonga firenena [kongregasionan’ny vahoaka, MN] maro hianao.” — Genesisy 25:27-34; 26:34, 35; 27:1-23; 28:1-4.

9. a) Nahoana moa ny anaran’i Jakoba no novana hoe Isiraely? b) Soa inona no azontsika raisina avy amin’ny ohatra nomeny?

9 Taty aoriana, rehefa tokony ho teo amin’ny 100 taona teo Jakoba dia nampiseho indray ny fiheverany ho zava-dehibe tokoa ny zavatra ara-panahy. Nitolona nandritra ny alina manontolo tamin’ny anjely iray izy mba hahazoana fitahiana. Ho mariky ny fankasitrahany, Jehovah dia nanova ny anaran’i Jakoba hoe Isiraely, izay midika hoe “nitolona tamin’Andriamanitra”. (Genesisy 32:24-30.) Hovalian-tsoa koa ny tenantsika raha mikatsaka hatrany ireo harena ara-panahy isika sady manary ny toe-tsain’izao tontolo izao ratsy manodidina antsika. — Matio 6:19-21.

10. a) Ahoana no nahatanterahan’ny faminaniana voasoratra ao amin’ny Genesisy 28:3? b) Ohatra mampiseho finoana mampahery tokoa inona avy no hitantsika ao amin’ny Hebreo 11:1 ka hatramin’ny 12:1?

10 Jehovah dia nandamina tokoa ireo taranak’i Jakoba ho “kongregasionan’ny vahoaka” ary, tamin’ny alalan’ny mpanalalany, dia i Mosesy izay nampiasainy koa mba hanomboka fanoratana ny Baiboly, Andriamanitra dia nanambara tamin’ny firenen’Isiraely hoe:

“Raha hihaino ny feoko tokoa hianareo (...) dia ho fanjakà-mpisorona sy ho firenena masina ho Ahy hianareo.” (Eksodosy 19:5, 6).

Indrisy anefa fa noho ny tsy nankatoavany ny feon’Andriamanitra, ilay Isiraely araka ny nofo dia tsy nanjary io fanjakana ara-panahy io. Kanefa, olona maro, anisan’io firenena io na nitambatra taminy, no nanaporofo ny tsy fivadihany tamin’Andriamanitra. Aoka hotanisaintsika ireo mpitsara teo amin’ny Isiraely, ireo mpaminany ary vehivavy janga teo aloha iray koa aza, dia Rahaba. Misy firesahana ny amin’ireny “vavolombelona” nahatoky ireny ao amin’ny Hebreo 11:1 ka hatramin’ny 12:1, ary izany andinin-teny ao amin’ny Soratra masina izany dia fampaherezana mahery ho an’izay rehetra miandry ankehitriny ny ‘hahatongavan’ny fanjakan’Andriamanitra’.

11. Ahoana no azonao anahafana ireny vavolombelona nahatoky ireny?

11 Irinao ve ny hanjary hatanjaka amin’ny finoana? Ho tianao ve ny hanahaka ireny lehilahy sy vehivavy nanam-pinoana ireny amin’ny ‘fanantenana toerana tsara lavitra, izany hoe toerana an’ny lanitra’, eny, amin’ny fiandrasana “ny tanàna misy fanorenana marina izay Andriamanitra no mpanorina sy mpanao azy”? (Hebreo 11:10, 16, MN.) Nefa manontany tena angamba ianao hoe inona io “tanàna” io?

ILAY TANÀNA NAORIN’ANDRIAMANITRA

12. “Tanàna” inona moa no nirin’ireny mpanompon’Andriamanitra taloha ireny fatratra (jereo koa Hebreo 11:22-32; Rota 1:8, 16, 17)?

12 Io “tanàna” io dia ilay Fanjakana nampanantenain’Andriamanitra. Nahoana isika no manamafy izany? Satria, tamin’ny andro fahiny, ny tanàna iray dia matetika no fanjakana nanana mpanjaka iray ho filohany. Ny mpanjaka voalohany notononina tamim-pankasitrahana ao amin’ny Baiboly dia “Melkizedeka, mpanjakan’i [mpanjakan’ny tanànan’i] Salema, (...) mpisoron’Andriamanitra Avo Indrindra”. Taonjato maro taty aoriana, ny tanànan’i Jerosalema dia naorina teo amin’io toerana io ihany ary, tahaka an’i Salema, izy io dia nanjary sary mampiseho ny Fanjakana any an-danitra, an’ilay Mpanjaka lehibe sady Mpisoronabe, Jesosy Kristy (Genesisy 14:1-20; Hebreo 7:1, 2, 15-17; 12:22, 28). Abrahama sy Saraha, ary koa Isaka sy Jakoba, dia tsy nanana fahalalana hentitra ny amin’ireo zavatra ireo, nefa dia nikatsaka marina ilay tanàna izay hanjakan’ny Mesia izy ireo. Abrahama dia “ravoravo” tamin’ny fanantenana hahita izany zavatra izany. Ianao koa dia afaka ny ho ravoravo raha miandry amim-pinoana ny hiaina eo ambany fanapahan’io Fanjakana io. — Hebreo 11:14-16; Jaona 8:56.

13, 14. Tamin’ny fomba ahoana no nanomboka tanteraka ny faminaniana notononin’i Jakoba teo amin’ny farafara hahafatesany?

13 Jakoba dia niteraka 12 lahy izay nanjary filohan’ireo foko 12 teo amin’ny Isiraely taty aoriana. Teo am-pandriany nialany aina izy dia nanambara nialoha hoe iza amin’ireo foko 12 no hamoaka ilay filoha izay homen’Andriamanitra ny fahefan’ilay Fanjakana; hoy izy hoe:

“Zana-diona, Joda (...)! Ny tehim-panjakana tsy hiala amin’i Joda (...) mandra-pahatongan’i Silo [izay midika hoe: Izay manana]; ka hanoa Azy ny firenena.” (Genesisy 49:9, 10).

Avy tamin’i Joda tokoa ve no niavian’i Silo? Eny.

14 Ny faminanian’i Jakoba dia nanomboka tanteraka 600 taona mahery taty aoriana rehefa nifidy, tao amin’ny fokon’i Joda, “lehilahy araka ny fony” i Jehovah. Davida no anarany. Nanao an’io ‘lion’i Joda’ tena nahery fo io ho mpitondra sy mpanjakan’ny vahoakany, dia ny Isiraely, Andriamanitra (I Samoela 13:14; 16:7, 12, 13; I Tantara 14:17). Nampanantena fanjakana mandrakizay an’i Davida mpanjaka Jehovah. — Salamo 89:20, 27-29.

15. Nahoana moa Jehovah no nanongana ny fanjakan’ny Joda, ary naharitra toy inona izany?

15 Davida izay nanomboka nanjaka tamin’ny 1077 talohan’ny fanisan-taona iraisana, no voalohany amin’ny tarana-mpanjaka jodiana nanapaka teo amin’ny tanànan’i Jerosalema. Niroborobo ny firenena raha mbola nankatò an-tsitrapo an’i Jehovah koa ny mpanjakany. Nefa rehefa nanjary ratsy fanahy ny mpanjaka iray ary nikomy tamin’ireo lalàna ara-drarin’i Jehovah, dia nijaly ny vahoaka (Ohabolana 29:2). Zedekia, ilay mpanjaka farany tao Joda, dia tena ratsy fanahy. Nanambara toy izao taminy ny mpaminanin’Andriamanitra: “Halàna ny satroboninahitra (...). Havadiko, havadiko, havadiko izany (...) mandra-pahatongan’izay tena tompony tokoa, ka homeko azy izany.” Nandrava io fanjakana io Jehovah Mpanjaka Tompo mandra-pipoitran’ny mpanjaka iray izay “tena tompony tokoa”. — Ezekiela 21:31, 32.

ILAY MPANJAKA IZAY “TENA TOMPONY TOKOA”

16. Ahoana no amelan’ny Soratra Masina antsika hamantatra an’ilay mpandova maharitra ny Fanjakana?

16 Iza àry no “tena tompony tokoa” handova ny fanjakan’i Davida? Ireo andininy 17 voalohany ao amin’ny bokin’i Matio ao amin’ny Baiboly no manome antsika ny valiny. Izy ireo dia milazalaza ny firazanan’ilay “taranaka” nampanantenaina hatramin’i Abrahama, avy eo dia hatramin’i Josefa izay, tamin’ny fotoana voatendry dia nanjary vadin’i Maria. Ilay zanak’i Maria lahimatoa àry no hanjary ‘tena tompon’ilay’ Fanjakana. Teo am-piandohan’ny taona 2 talohan’ny fanisan-taona iraisana, ny anjely Gabriela àry dia afaka nanambara tamin’i Maria, momba ilay zazalahy hananany amin’ny fomba mahagaga hoe:

“Ny anarany dia hataonao hoe Jesosy. Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan’i Davida rainy; ary hanjaka amin’ny taranak’i Jakoba mandrakizay Izy; ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana.” (Lioka 1:26-33).

Tamin’ny fomba mahatalanjona toy izany no niasan’i Jehovah nandritra ny taonjato maro ho amin’ny fahatanterahan’ny fikasany, dia ny hampitranga io mpandova maharitra ny fanjakan’i Davida io. Moa ve ny fandinihana ireo zava-nitranga ireo tsy mampiorina ny finoantsika ny fampanantenan’Andriamanitra ‘hampahatonga ny fanjakany’?

17, 18. a) Moa ve ny kristiana rehetra handova ny Fanjakan’ny lanitra? b) Iza moa no sasantsasany amin’ireo olo-nahatoky taloha izay hatsangana ho eto an-tany? d) Mamporisika antsika hanao inona izany?

17 Tsy milaza akory izany fa isika rehetra dia afaka manampo ny ho anisan’ilay Fanjakana any an-danitra miaraka amin’i Jesosy, satria io fahafahana io dia tsy atokana afa-tsy ho an’ny mpianany voafetra, ny “ondry vitsy”. (Lioka 12:32.) Na dia ny tenan’i Davida aza dia tsy nanana io fanantenana io. Izao no vakintsika: “Fa tsy Davida no niakatra tany an-danitra.” (Asan’ny apostoly 2:34). Jaona Mpanao batisa ary lehilahy sy vehivavy hafa nahatoky tamin’ny andro fahiny no tsy niditra koa ao amin’ny “fanjakan’ny lanitra”. — Matio 11:11; Hebreo 11:39, 40.

18 Nefa ireny lehilahy sy vehivavy ireny, izay nijanona ho nahatoky sy tsy nivadika dia hatsangana ho eto ambonin’ny tany, ary maro be amin’izy ireo no ho tonga “mpanapaka” ao amin’ny fandaminana voaoman’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Salamo 45:16). Tsy ho tianao ve ny handray ireny olona mahatoky ireny hivoaka ny fasana ary hiravoravo amin’ny fiarahana aminy? Tsy isalasalana mihitsy ny amin’izany. Amin’izany àry dia aoka koa ianao ho vonona hikatsaka io “tanàna” io amin’ny fahatongavana ho ‘mpiara-miasa hampandroso ny fanjakan’Andriamanitra’ miaraka amin’ireo rehetra mankamamy ankehitriny io tombontsoa kanto io. — Kolosiana 4:11.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 52, 53]

NIKATSAKA NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA IZY IREO

ABELA tany amin’ny 3900 t.f.i.

NOA 2970—2020 t.f.i.

ABRAHAMA, SARAHA, ISAKA, JAKOBA 2018—1711 t.f.i.

JOSEFA 1767—1657 t.f.i.

MOSESY 1593—1473 t.f.i.

RAHABA 1473 t.f.i.

IREO MPITSARA 1473—1117 t.f.i.

ROTA, NAOMY tany amin’ny 1300 t.f.i.

DAVIDA 1107—1037 t.f.i.

IREO MPAMINANY 1117—442 t.f.i.

JAONA MPANAO BATISA 2 t.f.i.—31 a.f.i.