Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny “andro farany” sy ilay Fanjakana

Ny “andro farany” sy ilay Fanjakana

Toko Faha-12

Ny “andro farany” sy ilay Fanjakana

1. a) Fanontaniana lehibe inona avy no mipetraka? b) Inona no lazain’ny Soratra masina momba ny andro farany raha ny amin’ny [I] tany, ary [II] ireo izay manimba azy?

MOA VE miaina amin’ny “andro farany” isika izao? Milaza inona izany “andro farany” izany? Soa ihany fa tsy ny “andro farany” ho an’ny tany akory izany, satria manome toky antsika toy izao ny Baiboly: “Nanorina ny tany (...) Izy, mba tsy hihetsehany mandrakizay doria.” Mifanaraka amin’ny fikasan’i Jehovah tamin’ny voalohany, dia haharitra mandrakizay ny fiainan’ny olona sy ny biby (Salamo 104:5-24; 119:89, 90; Genesisy 1:27, 28; 8:21, 22). Tena hisy “andro farany” tokoa anefa ho an’ireo firenena sy olona ratsy fanahy manimba ny tany fananan’Andriamanitra. Ny ‘fahatongavan’ilay Fanjakana’ no hiteraka fandringanana azy ireo. — II Petera 3:3-7; Jakoba 5:1-4; Apokalypsy 11:15-18.

2. Inona moa no nambaran’i Paoly momba ny andro “sarotra” iainantsika ankehitriny?

2 Mety ho miaina ao anatin’izany “andro farany” izany ve isika ankehitriny? Raiso izay rehetra mety ho fandikan-tenin’ny Baiboly ary vakio izay nambaran’ny apostoly Paoly nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra ny amin’ny “andro farany” ao amin’ny taratasiny faharoa ho an’i Timoty, toko faha-3, andininy voalohany ka hatramin’ny faha-5. Avy eo dia manontania tena raha tsy tena mifanitsy amin’io filazalazana io izao tontolo izaon’ny olombelona ankehitriny. Rehefa avy nanambara “fotoan-tsarotra” ilay apostoly, dia izao no teny nanampiny:

“Ny olona tokoa dia ho tia tena, tia tombony, mpandoka tena, mpiavonavona, mpiteny ratsy, mpikomy amin’ny ray aman-dreny, tsy mahay mankasitraka, tsy manaja izay masina, tsy manam-pitiavana, tsy mifaditrovana, mpifosa, tsy misy fifehezana, lozabe, tsy tia ny tsara, mpamadika, saro-po, hajambain’ny fieboeboana, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavana an’Andriamanitra; hiseho ho tia fivavahana foana izy ireo, nefa ho nanda ny herin’izany. Mialà amin’ireny olona ireny.” — Fandikan-teny Eokomenikan’ny Baiboly.

3. Nahoana moa i Paoly no tsy maintsy niresaka ny amin’ny “andro farany” lehibe lavitra noho ny an’ny fandehan-javatra jiosy?

3 Tsy ny “andro farany” ho an’ny fandehan-javatra jiosy akory no noresahin’i Paoly eo. Tsy nety ho izany no izy, satria tany amin’ny taona 65 no nanoratany ireo teny ireo, izany hoe 30 taona mahery taorian’ny nanombohan’ny “andro farany” ho an’ny fandehan-javatra jiosy ary dimy taona monja talohan’ny nandravana an’i Jerosalema. Ambonin’izany, dia mbola tsy nitombo io fivadiham-pinoana io teo amin’ireo izay nilaza tena ho kristiana. Sarotsarotra ihany ny “andro farany” ho an’ny fandehan-javatra jiosy, nefa tsy dia nanao ahoana izany raha oharina amin’izay hitranga mandritra ny “andro farany” ho an’ny fandehan-javatr’i Satana maneran-tany manontolo, rehefa hiverina i Jesosy mba hanorina ny Fanjakany.

FAHATANTERAHANY ROA SOSONA

4. Inona no nitarika ny mpianatra hametraka tamin’i Jesosy ny fanontaniana voalaza ao amin’ny Matio 24:3?

4 Tao amin’ireo fanoharana nataony i Jesosy dia niresaka ny amin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”. (Matio 13:39, 40, 49.) Mazava ho azy fa izany dia nanaitra ny fahalianan’ny mpianany, indrindra satria ny vahoaka efa nijaly mafy noho ny fanapahana tamin-kalozana nampiharin’i Roma sy ireo filoha ara-pivavahana jiosy. Nanantena izy ireo fa hanafaka azy ireo amin’izany ny Fanjakan’Andriamanitra. Noho izany antony izany, telo andro talohan’ny namonoana an’i Jesosy, dia nanatona azy ny efatra tamin’ireo mpianany raha mbola nipetraka teo an-tendrombohitra Oliva izy ka nijery an’i Jerosalema, ary dia nametraka taminy izao fanontaniana izao izy ireo: “Lazao aminay: Rahoviana no hitranga izany zavatra izany, ary inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra?” — Matio 24:3, MN; Marka 13:3, 4.

5. Rahoviana ny tenin’i Jesosy nomena ho valin’ny an’ny apostoly no ho tanteraka?

5 Tsy nieritreritra afa-tsy ny ho avy akaiky ireo mpianatr’i Jesosy, nefa ny valiny nomeny azy ireo tamin’io fotoana io dia tokony hisy fahatanterahany roa sosona, voalohany indrindra dia nandritra ny “andro farany” ho an’ny fandehan-javatra jiosy, avy eo, taty aoriana lavitra, mandritra ireo “andro farany” ho an’ny fandehan-javatr’i Satana maneran-tany izay manapaka ny tany manontolo.

6, 7. a) Ahoana no nahatanterahan’ny tenin’i Jesosy voalaza ao amin’ny Matio 24:7-22 tamin’ny taonjato voalohany? b) Fanambarana manjombona inona no mbola misy amin’izao andro izao?

6 Ny valintenin’i Jesosy, araka ny voatantara ao amin’ny Matio 24, andininy faha-7 ka hatramin’ny faha-22, dia milazalaza ny zavatra hiseho hisesy ho azon’ny sasany amin’ny mpianatra dinihina eo amin’ny ambaratonga kely ao anatin’ireo 37 taona hialoha ny taona 70. Ho an’ireo Jiosy tao amin’ny taranaka nisy an’i Jesosy, dia hisamboaravoara aoka izany ireo taona ireo, ary hisy ady, mosary sy horohorontany; hankahalaina ny kristiana ary hiseho ny mesia sandoka. Nefa hotorina eo amin’ny zavatra noforonina rehetra “ity vaovao tsaran’ny fanjakana” ity ho vavolombelona eo amin’ireo firenena. Farany, dia hanafika ny “fitoerana masina”, dia ny tempolin’i Jerosalema, ny “fahavetavetana”, izany hoe ny tafik’i Roma mpanompo sampy. Taorian’ny fahatoniana vetivety nahafahan’ireo mpianatra nanaraka ny baiko ara-paminanian’i Jesosy handositra any an-tendrombohitra mba tsy hanana ahiahy any, dia niverina ny Romana, notarihin’ny jeneraly Titus. Nanorotoro an’i Jerosalema sy ny zanany izy ireo ary nandrava ny tempoliny, ka tsy namela hisy vato hifanongoa. — Jereo koa Lioka 19:43, 44; Kolosiana 1:23.

7 Ho fahatanterahan’ny “famantarana” nomen’i Jesosy, dia niharan’izany loza nisesy izany ny Jiosy, ka ny fara heriny dia ny fandravana an’i Jerosalema tamin’ny afo tamin’ny taona 70. Jiosy maherin’ny iray tapitrisa no ringana, ary nentina ho babo ireo sisa velona. Ny andohalambom-pandresena natsangana ho fanomezam-boninahitra an’i Titus izay mbola hita any Roma dia fahatsiarovana manjombona ny fahatanterahan’ny faminanian’i Jesosy. Nefa moa ve ny “famantarana” nomen’i Jesosy nosoratana sy notehirizina mba ho fampiomanana ny olona velona tamin’ny taonjato voalohany fotsiny? Moa ve izany tantara tranainy fotsiny? Tsy mety afa-tsy ho tsia ny valiny.

FAHATANTERAHANA AMIN’NY AMBARATONGA MANERAN-TANY

8. a) Inona no tokony ho vokatry ny fahatanterahan’ny tenin’i Jesosy amin’ny ambaratonga kely eo amintsika amin’izao andro izao? b) Ohatra ara-paminaniana ny amin’inona moa izany fahatanterahana izany?

8 Ny fahatanterahana kelin’ny tenin’i Jesosy tao anatin’ny “andro farany” ho an’ny fandehan-javatra jiosy dia tokony hanatanjaka ny finoantsika an’ireo faminanian’Andriamanitra. Nefa izany zava-niseho tamin’ny taonjato voalohany izany dia mahaforona koa, ohatra ara-paminaniana mampihetsi-po ny amin’izay tsy maintsy hitranga amin’ny ambaratonga lehibe lavitra mifandray amin’ny fandehan-javatra maneran-tanin’i Satana. Tokony ho izany no ho izy, satria ny fampiharana ny fanamelohan’Andriamanitra an’i Jerosalema tamin’ny taona 70 dia tsy ny fahoriana lehibe indrindra nisy hatreo, sady tsy ny farany koa. Mbola miandry fahatanterahany amin’ny ambaratonga maneran-tany ireto tenin’i Jesosy voatantara ao amin’ny Matio 24:21, 22 ireto:

“Fa amin’izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony. Ary raha tsy nohafohezina izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy dia hohafohezina izany andro izany.”

9. Ahoana no ahafantarantsika fa ny tenin’i Jesosy dia nanambara andro fitsarana mahakasika an’izao tontolo izao?

9 Ny tohin’ny teny ara-paminanian’i Jesosy azo vakina ao amin’ny Matio 24:23 ka hatramin’ny 25:46 dia manamarina fa tokony hisy heviny iraisam-pirenena ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”. Araka ireo teny ireo tokoa, eo amin’ny fara herin’izany vanim-potoam-pahoriana izany, rehefa hampihatra ny fanamelohan’Andriamanitra an’izao tontolo izaon’i Satana ny “Zanak’olona”, izany hoe ilay Mpanjaka voatendrin’Andriamanitra, “dia hitomany ny firenena rehetra ambonin’ny tany”. Io fitenenana io dia mahafaoka ny olona rehetra izay mandà ny fiandrianan’i Jesosy. Tsy fitsarana mahafaoka firenena iray sy ny renivohiny fotsiny izany, fa andro fitsarana ho an’izao tontolo izao manontolo. — Matio 24:30.

10. a) Araka ny asehon’ny faminanian’i Jesosy, amin’ny ahoana ny hanjo an’ireo izay miahy alohan’ny zavatra rehetra ny tombontsoany manokana no ho hafa noho ny an’ny olona izay ‘mikatsaka ny fanjakan’Andriamanitra aloha’? b) Nahoana no tokony hahakasika ny tany manontolo izany?

10 Mbola nampiseho ihany fa mahafaoka an’izao tontolo izao ny fitsaran’Andriamanitra i Jesosy, ka nampitaha nony avy eo ny “fifaranan’ny fandehan-javatra” tamin’ny fotoana izay nialoha avy hatrany ny safodrano tamin’ny andron’i Noa. Izao no nolazainy:

“Fa tahaka ny tamin’ny andro fony tsy mbola tonga ny Safo-drano, ka nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina, mandra-pihavin’ny andro izay nidiran’i Noa tao amin’ny sambo-fiara, ary tsy fantany mandra-pihavin’ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra, dia ho tahaka izany ny fihavian’ny Zanak’olona.”

Toy ny nampanjavonan’ny safodrano tamin’izany fotoana izany ny izao tontolo izaon’ny ratsy fanahy iray manontolo, dia toy izany koa fa ny fahoriana hivaivay hanamarika ny fara herin’ny ‘fanatrehan’ny’ Mesia, dia hanaisotra amin’ny gilaobintsika izay rehetra tsy miraharaha ilay Fanjakana mba hanaovana araka izay tiany. Soa ihany fa hisy olona maro izay ‘mikatsaka ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany aloha’, ho tafita velona amin’io fahoriana io ka handova ny fiainana mandrakizay eo amin’ny tany tonga paradisa indray. Ho anisan’izy ireny ve ianao? — Matio 6:33; 24:37-39; 25:31-46.

11. Fanontaniana hafa inona no mampiseho fa voakasika ny firenena rehetra ary hisy ho tafita velona?

11 Faminaniana maro ao amin’ny Baiboly no mampiseho fa ny “fahoriana lehibe” efa antomotra dia hahakasika “ny firenena rehetra” amin’ny tany (Salamo 2:2-9; Isaia 34:1, 2; Jeremia 25:31-33; Ezekiela 38:23; Joela 4:12-16; Mika 5:14; Habakoka 3:1, 12, 13). Hisy ho tafita velona anefa. — Isaia 26:20, 21; Daniela 12:1; Joela 3:4, 5.

NY FANATREHAN’ILAY MPANJAKA AO AMIN’NY VONINAHITRA ANY AN-DANITRA

12. a) Nahoana moa no ilaina ny “famantarana” ny fanatrehan’i Jesosy? b) Nahoana moa Jesosy no tsy tokony hiverina indray ao amin’ny tena ara-nofo.

12 Ilay faminaniana lehibe nolazain’i Jesosy momba ny “famantarana” ny fanatrehany dia milaza amintsika fa “raha tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny, arahin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy”. (Matio 25:31.) Koa satria hanimba ny mason’olombelona ny fanjelanjelatr’izany voninahitra izany, dia tokony tsy ho hitan’ny mason’ny olombelona hatrany ilay Mpanjaka (ampitahao amin’ny Eksodosy 33:17-20; Hebreo 12:2). Noho izany antony izany dia ilaina ny ‘famantarana ny fanatrehany’. Amin’ny fanatrehany faharoa, ny Mesia dia tsy mila intsony ny hamoy ny fiainany ara-panahy any an-danitra mba hisehoana eto an-tany ao amin’ny tena ara-nofo izay hatolotra ho “fanatitra noho ny ota”. Rehefa nanao sorona ny ain’olombelona nananany “indray mandeha” izy, dia tonga “fanindroany, tsy amin’ny ota”, amin’ny maha-Mpanjaka any an-danitra tsy hita maso. — Hebreo 7:26, 27; 9:27, 28; 10:8-10; I Petera 3:18.

13. Inona no asehon’ny Lioka 19:11-27 raha ny amin’ny fotoana fiverenan’i Jesosy sy ny fomba handraisan’ireo firenena azy?

13 Ny alina nialoha ny nahafatesany, rehefa niaraka tamin’ireo mpianany akaiky azy indrindra i Jesosy dia hoy izy tamin’ireo: “Handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko.” (Jaona 14:2, 3). Mitovitovy amin’izany, tao amin’ilay fanoharana voasoratra ao amin’ny Lioka 19:11-27, Jesosy dia nampitaha ny tenany tamin’ny “andriandahy anankiray nandeha nankany an-tany lavitra mba handray fahefana hanjaka, dia hiverina. Hitaky fotoana be dia be izany. “Fa ny vahoakany nankahala azy, dia nampitondra teny nanaraka azy nanao hoe: Tsy manaiky hanjakan’iny lehilahy iny izahay.” Toy izany koa, amin’izao andro izao dia misy olona izay, na dia mihambo ho kristiana aza, dia mandà ny “Mpanjakan’ny mpanjaka”, mba hahafahana manalava ny fanapahan’izy olombelona tsy tanteraka (Apokalypsy 19:16). Sahala amin’ny ‘vahoaka’ voalazan’ny fanoharana nataon’i Jesosy, dia hosazina mafy izy ireny.

“FIANDOHAN’NY FAHORIANA”

14. Na inona na inona lazain’ny sasany, inona no mampiseho fa ny taona 1914 dia tena datin’ny fiverenan’i Kristy?

14 Oviana moa io Mpanjaka mahery io, heverin’ireo firenena fa tsy ilaina, no nanomboka nanjaka tamin’ny tany. Ny zava-misy rehetra dia manondro ny taona 1914. Hanohitra anefa ny sasany amin’ny filazana hoe: “Tsy nanokatra velively ny fanjakam-piadanan’i Kristy io taona io fa nanamarika fanombohan’ny vanim-potoam-pahoriana ho an’ny olombelona!” Izany indrindra no izy. Araka ny faminanian’ny Baiboly tokoa, rehefa ‘tonga fanjakan’i Jehovah Tompontsika sy ny Kristiny ny fanjakana amin’izao tontolo izao, dia tamin’izay no ‘tezitra’ ireo firenena amin’ny tany. (Apokalypsy 11:15, 18.) Tamin’izay fotoana izay koa Jehovah no naniraka ilay Mpanjaka nampiarahiny tamin’ny fiandrianany, tamin’ny filazana taminy hoe: “Manapaha eo amin’ny fahavalonao Hianao.” (Salamo 110:1, 2). Tsy ringana teo no ho eo anefa ireny fahavalo ireny.

15. Ahoana no ilazalazan’ny Apokalypsy 12 amin’ny fomba mety ny nahaterahan’ilay Fanjakana?

15 Ny toko faha-12 amin’ny Apokalypsy dia milazalaza fahitana mahavàka iray, nahitan’ny apostoly Jaona, tamin’ny fomba ara-panoharana, ny nahaterahan’ny Fanjakana mesianikan’Andriamanitra oharina amin’ny zaza vao nateraky ny ‘vadin’Andriamanitra’, izany hoe ny fandaminany any an-danitra voaforon’ny anjely noharìna. “Nakarina ho any amin’Andriamanitra, dia ho any amin’ny seza fiandrianany”, io Fanjakana vao teraka io, satria mba hampiharana ny raharahany, dia tokony hanaiky an’i Jehovah sy ny fanapahany izy. — Apokalypsy 12:1-5.

16, 17. a) Inona moa no nahatonga ny fahorian’ny tany nanomboka tamin’ny 1914? b) Ahoana moa no teny nilazalazan’i Matio sy Lioka ny fanombohan’izany?

16 Taorian’izany avy hatrany, dia nisy ady nipoaka tany an-danitra. Niady tamin’i Satana sy ireo demonia tafiny ilay Mpanjaka nandray fiandrianana sy ireo anjeliny ka nanjera azy ireny ho any ivelan’ny lanitr’i Jehovah, atỳ akaikin’ny tany. Koa “loza ho an’ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny”. (Apokalypsy 12:7-12.) Mandritra izany ‘andro azo lazaina hoe kely sisa’ izany, dia angonin’ny Mpanjaka ireo olona tia ny rariny, mba hamonjena azy ireny, ary ataony manakoako ny fampiomanana hoe akaiky ny fampiharana ny fanamelohan’Andriamanitra ny fandehan-javatra maneran-tanin’i Satana. — Matio 24:31-41; 25:31-33.

17 Amin’izao andro izao isika dia vavolombelon’ny fahatanterahan’ny “famantarana” nomen’i Jesosy ka voalazalaza amin’ny antsipiriany ao amin’ny Matio 24 sy 25, Marka 13 sy Lioka 21. Mariho fa eo i Jesosy dia milazalaza ny “fiandohan’ny fahoriana” amin’izao teny izao:

“Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy horohorontany lehibe ary mosary sy areti-mandringana any amin’ny tany samy hafa, ary hisy zava-mahatahotra sy famantarana lehibe avy any an-danitra.” (Matio 24:3, 7, 8; Lioka 21:10, 11).

Nampahory ny olombelona ve izany “fahoriana” izany nanomboka tamin’ny 1914?

18. Tamin’ny ahoana moa ny ady no nanjary nahatsiravina indrindra nanomboka tamin’ny 1914?

18 Tamin’ny 1914 no nipoaka ny Ady Lehibe (nantsoina taty aoriana hoe “Ady Lehibe Voalohany”) izay narahin’ny areti-mandringana sy ny mosary. Ho an’ny mpanoratra maro, dia sarotra ny nilazalaza ny zavatra nahatsiravina nihoapampana teny an-tany fiadiana nahafatesan’olona an-tapitrisany maro tamin’ny ady an-davaka tamin’ny fandripahana lehiben’ny 1914-1918. Toa hoe nanambara toy izao i Paul Nash (voatonona ao amin’ilay boky hoe Eye Deep in Hell) ny amin’ny saha fiadiana eoropeana: “Na ny penina na ny sary dia tsy afaka milazalaza ny niafaran’io faritra io, toerana fahitana ady izay atao andro aman’alina, isam-bolana isam-bolana. Ilay Ratsy na ny Demonia mitafy nofo ihany no mety ho tompon’izany ady izany. Tsy misy soritry ny tanan’Andriamanitra mihitsy. (...) Tsy mitsahatra miraraka ny karazam-baomba kely (...) mamono, manapa-tongotra na tanana sy mahalasa adala; izany dia milentika ao amin’ny tany tonga fasana, fasana midadasika; ary atsipiny ao ireo maty mampalahelo. Fisehoan-javatra tsy misy anarana, ratsy sy tsy ahitam-panantenana.”

19. Inona no asehon’ny filazalazana isan-javatra raha ny amin’ny fitomboan’ny isan’ny horohorontany nanomboka tamin’ny 1914?

19 Tafiditra ao anatin’ny “famantarana” koa ny “horohorontany”. Moa ve tena nitombo tokoa ny isan’ny horohorontany nanomboka tamin’ny 1914? Mety ho hita fa mahagaga izany nefa mbola vao mainka mahagaga kokoa ihany ny filazalazana isan-javatra. Nanao izao fanazavana izao i Geo Malagoli tao amin’ny gazety Il Piccolo: “Ho an’ny vanim-potoana misy 1059 taona (856 ka hatreo amin’ny 1914), ny loharanom-panazavana azo antoka dia manondro horohorontany lehibe 24 monja.” Ireo tarehi-marika ireo dia mampiharihary fa tao anatin’io vanim-potoana io, dia olona 1800 tamin’ny ara-keviny no maty isan-taona tamin’ny horohorontany. Nanomboka tamin’ny 1915 anefa, dia nisy horohorontany lehibe 43 izay niteraka fahafatesan’olona 25 300 isan-taona tamin’ny ara-keviny.

“FAMANTARANA LEHIBE AVY ANY AN-DANITRA”

20, 21. a) “Zava-mahatahotra” inona no nanjary hita maso nanomboka tamin’ny 1914, ary nahoana? b) Ahoana no ahatanterahan’ny Lioka 21:25, 26 amin’izao andro izao? d) Ahoana moa amin’izao andro izao no ahitana maso indrindra “famantarana lehibe avy any an-danitra”?

20 Izao koa no nambaran’i Jesosy: “Ary hisy zava-mahatahotra sy famantarana lehibe avy any an-danitra.” (Lioka 21:11). Nandritra ny Ady Lehibe Voalohany, ny tifi-basy aman-tafondro tsy ankijanona dia nanome heviny vaovao ho an’ny ady: izany dia ady nandraisan’ny ankapoben’olona anjara. Vao voalohany tamin’izay no nanatrehana ady ana habakabaka niaraka tamin’ny balaonina misy familiana ary indrindra fa ireo fiaramanidina voalohany. Marina fa vao fiandohana fotsiny izany tamin’ny 1914-1918, nefa izany dia hitarika ho amin’ny tarehin-javatra nolazalazain’i Jesosy nanaraka izany tao amin’ny faminaniany, raha nilaza izy hoe:

“Ary hisy famantarana eo amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary etỳ ambonin’ny tany dia hisy fahorian’ny firenena amin’ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon’ny ranomasina sy ny fanonjany, ka ho reraka ny fon’ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany; fa ny herin’ny lanitra dia hohozongozonina.” — Lioka 21:25, 26.

21 Izay nantsoin’ny olombelona hoe fanafihana ny habakabaka dia nampifantoka indrindra ny saina ho amin’ny “masoandro sy ny volana ary ny kintana”, ary famantarana mampanahy maro no mampiseho fa ireo fanjakana lehibe dia mikasa ny hampiasa zanabolana ho amin’ny antony ara-tafika. Efa hain’ny olona sahady ny mandatsaka bala afomanga avy any amin’ny kontinanta iray mankany amin’ny kontinanta hafa avy any amin’ny habakabaka ho eo amin’izay rehetra mety hofidiny hasiana. Nanao tahirim-piadiana noklehera ampy izy ireo mba handringanana ny olombelona imbetsaka, ary tombanana fa eo amin’ny faramparan’ny taonjato eo dia firenena 35 no hanana fiadiana fandringanana maro be indray miaraka toy izany.

22. a) Ahoana moa no nandraisan’ny “ranomasina” ara-bakiteny refiny vaovao nanomboka tamin’ny 1914? b) Inona moa no fampiomanana alefan’ireo olona mahafanta-javatra tsara momba ny fandrahonana mitambesatra amin’ny tanintsika?

22 Mety ho mbola lehibe kokoa ihany anefa ny fanahiana rehefa heverina ny endriky ny “ranomasina” vaovao hatramin’ny nanombohana ny ady ambany ranomasina tao anatin’ny ady lehibe voalohany, ka izany dia nanosika an’i Etazonia hiditra hiady. Mahazo fanairana foana ireo sambo mpisitrika noklehera. Tsy misy mihitsy tanàna tsy mety ho tratran’ny bala afomangany noklehera. Araka ny filazan’ny New York Times tamin’ny 30 aogositra 1980, Marshall Shulman, olo-mahay tao amin’ny antokon-draharaham-panjakana, dia toa hoe nanambara fa ny mety hisian’ny ady noklehera dia “tsy hihena velively fa azo inoana ny hitomboany”. Lehilahy sy vehivavy maherin’ny 600, voakasika noho ny asany, no nandoa vola mba hampiasana pejy iray manontolo tao amin’ny New York Times tamin’ny 2 martsa 1980, mba hilazana, ankoatra ny zavatra hafa hoe: “Ny ady noklehera iray, na dia ‘voafetra’ aza, dia hiteraka fahafatesana, fahatongavana ho kilemaina sy aretina amin’ny ambaratonga tsy mbola nisy toy izany teo amin’ny tantaran’ny olombelona.” Nanampy teny izy ireo fa ny “fifampitifirana noklehera iray dia nety hifarana tao anatin’ny ora iray monja ka hanafoana izay rehetra mety ho fiainana any amin’ny ila bolan-tany avaratra”. Nanambara toy izao ny ambasadaoron’i Etazonia any Moscou tamin’ny 1981: “Tsapako fa izao tontolo izao dia mampidi-doza kokoa noho ny tamin’ny fotoana hafa rehetra teo amin’ny tantarany.” Tsy mitsahatra ny miakatra be anefa ny fandaniana nekena hatao mba hitehirizana ireny fiadiana fandripahana olona maro indray miaraka ireny.

23. Mifanaraka amin’ny faminanian’i Jesosy, toa tonga eo amin’ny ambaratonga inona amin’ny tantarany ny olombelona?

23 Ny olombelona dia toa tonga eo amin’ny faritra nambaran’i Harold Urey, nahazo ny loka Nobel, izay nilaza toy izao, taona vitsivitsy lasa izay: “Hihinana ao anatin’ny tahotra isika, hatory ao anatin’ny tahotra, hiaina ao anatin’ny tahotra ary ho faty ao anatin’ny tahotra.” Tena misy tokoa àry ny ‘fahorian’ny firenena amin’ny fahaverezan-kevitra (...) ka reraka ny fon’ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany’.

24. Iza no mahalala ny fanafodiny, ary nahoana isika no tokony hivavaka amim-pahatsorana ho an’ny ‘fahatongavan’ilay Fanjakana’?

24 Soa ihany fa Jehovah Mpanjaka Tompo, izay namorona ny tany mba hanatanterahana ny fikasany tsara dia tsara, dia mahalala ny fanafodiny ka hitondra izany amin’ny alalan’ny Fanjakan’ny Zanany. Nefa alohan’ny hiresahana amin’ny antsipiriany ny amin’io fanafodiny io, dia aoka hodihihintsika ihany ny faminanian’i Jesosy ka hojerentsika hoe tamin’ny fomba ahoana ny teniny mahakasika ny ady lehibe, ny mosary sy ny areti-mandringana, samy anisan’ny “famantarana” no mifanitsy amin’ny fomba mahagaga amin’ny faminaniana mampitolagaga iray ao amin’ny Apokalypsy. Aoka anefa tsy hohadinointsika fa ny hany fanafodin’izany loza rehetra izany dia ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny Mesia, dia Fanjakana izay nangatahintsika tamim-pahatsorana tamin’ny vavaka ny ‘hahatongavany’.

[Fanontaniana]

[Efajoro, pejy 115]

IZAY NOLAZAINA NA NOSORATANA NY AMIN’NY 1914

Na dia taorian’ny Ady Lehibe Faharoa aza, dia olona be dia be no nanondro ny 1914 ho ny taona niavaka indrindra teo amin’ny tantara rehetra amin’ny andro ankehitriny:

“Raha ny marina, mihoatra noho ny an’i Hiroshima, ny taona 1914 dia nanamarika fiolahana amin’ny androntsika.” — René Albrecht-Carrie, “The Scientific Monthly”, jolay 1951.

“Nanomboka tamin’ny 1914, izay rehetra mahatsapa ny fiovana eo amin’izao tontolo izao dia manahy aoka izany ny amin’izay toa fandrosoana tsy azo sakanana sy voalahatra mialoha ho amin’ny loza aman’antambo mbola lehibe kokoa ihany. Olona tsy manao vazivazy be dia be no tonga amin’ny fanatsoahan-kevitra fa tsy misy na inona na inona tokony hatao mba hanalavirana ny firobohana hanatona ny loza aman’antambo. Eo imason’izy ireo, ny taranak’olombelona, sahala amin’ny olo-malaza voalazan’ny tantara grika iray, dia atosik’ireo andriamanitra tezitra; tsy tompon’ny anjarany intsony izy.” — Bertrand Russell, “Times Magazine” tany New York, 27 septambra 1953.

“Ny andro ankehitriny (...) dia nanomboka tamin’ny 1914, ary tsy misy mihitsy olona mahalala hoe rahoviana sy amin’ny fomba ahoana no hifarana izany. (...) Mety hiafara amin’ny fandripahana olona maro indray miaraka izany.” — “The Seattle Times”, 1 janoary 1959.

“Tamin’ny 1914 no nifarana izao tontolo izao araka ny nahalalana sy nanekena azy tamin’izay.” — James Cameron, “1914”, navoaka tamin’ny 1959.

“Ny Ady Lehibe Voalohany no anankiray tamin’ireo fikorontanana lehibe indrindra teo amin’ny Tantara.” — Barbara Tuchman, “The Guns of August”, 1962.

“Misy sary sy fahatsiarovana tonga ao an-tsaiko, (...) fahatsiarovana talohan’ny 1914, fony mbola nisy fandriampahalemana sy fahatoniana ary tena filaminana, fotoana tsy nahalalantsika tahotra (...). Nanjavona teo amin’ny fiainan’ny olona ny tsy fananana ahiahy sy ny filaminana nanomboka tamin’ny 1914.” — Konrad Adenauer, mpanao raharaham-panjakana alemana, 1965.

“Tena nipoaka izao tontolo izao manontolo tamin’ny Ady Lehibe Voalohany, ary tsy fantatsika foana ny antony (...) Tsinjo taloha ny fomba tsara fitondram-panjakana. Nisy fiadanana sy fanambinana. Avy eo dia nipoaka ny zavatra rehetra. Hatramin’izay isika dia ao anatin’ny fahatoranana.” — Walker Percy, “American Medical News”, 21 novambra 1977.

“Tamin’ny 1914, dia verin’izao tontolo izao ny tsy fisaratsarahany, ary tsy hainy ny nahita izany indray hatramin’izay (...). Nitranga ny fotoam-pikorontanana sy herisetra hafa dia hafa, na ao anatiny na any ivelan’ireo sisin-tany.” — “The Economist”, Londres, 4 aogositra 1979.

“Tamin’ny 1914, ny sivilizasiona dia niditra tao amin’ny areti-mandoza sy mahafaty mihitsy aza.” — Frank Peters, “Post-Dispatch” any Saint Louis, 27 janoary 1980.

“Nihatsara ny zavatra rehetra. Toy izany izao tontolo izay nahaterahako. (...) Avy eo, indray marainan’ny 1914, tsitapitapitr’izay sy tamin’ny fomba tsy nampoizina, dia tonga ny faran’ny zavatra rehetra.” — Harold Macmillan, mpanao raharaham-panjakana anglisy, “Times” any New York, 23 novambra 1980.