Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny famantarana ny Mesia, ilay Mpanjaka

Ny famantarana ny Mesia, ilay Mpanjaka

Toko Faha-7

Ny famantarana ny Mesia, ilay Mpanjaka

1. Nahoana no nety ny nampiasan’i Jehovah an’i Daniela mba hanambara araka ny fandaharan-taona ny zavatra hiseho amin’ny ho avy?

NY MPAMINANY Daniela dia ho anisan’ireo hatsangana hiaina eto an-tany, eo ambany fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Teo amin’ny faran’ny androm-piainany lava natokana ho amin’ny fanompoana an’i Jehovah, dia nilaza taminy Jehovah hoe: “Hitsahatra hianao ka hitsangana ho ao amin’ny anjaranao amin’ny andro farany.” Tahaka antsika amin’izao fotoana izao, Daniela dia liana mafy ny amin’ny “andro farany” ary koa ny amin’ireo “fahagagana” izay hitranga amin’izay. Nety tokoa àry ny nanaovan’i Jehovah Andriamanitra, ilay Tompon’ny fotoana, an’i Daniela ho mpaminany mba hiresaka ny amin’ny fotoana voatendriny ho an’ny ‘fahatongavan’ilay’ Fanjakana. — Daniela 12:4, 6, 13; 11:27, 35; ampitahao amin’ny Amosa 3:7; Isaia 46:9-11.

“NY FAHAFOANAN’I JEROSALEMA”

2. a) Faminanian’Isaia inona no tanteraka tampoka tamin’ny 539, ary tamin’ny fomba ahoana? b) Fahagagana inona no nilaina mba hahatanterahan’ny Jeremia 25:11, 12 ara-potoana?

2 Mifanaraka amin’ny faminaniana nomen’i Jehovah taonjato maro nialoha, ny Empira babyloniana dia naongan’ny tafik’i Kyrosy Persiana sy Dariosa Mediana (Isaia 44:24, 27, 28; 45:1, 2). Nanjary mpanjakan’ilay fanjakana babyloniana teo aloha i Dariosa. Tamin’ny 539 talohan’ny fanisan-taona iraisana izany, ary 68 taona no lasa hatramin’ny nanafoanan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, an’i Jerosalema sy ny tempoliny, nandravany ny tanin’ny Joda sy nitondrany ho babo ireo Jiosy sisa velona tany Babylona. Daniela izay efa tena zokiolona tamin’izay àry dia niandry tamim-pitebitebena ireo fisehoan-javatra rehefa nanoratra tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Dariosa hoe: “Izaho Daniela nahalala tamin’ny boky ny isan’ny taona nampahafantarin’ny tenin’i Jehovah an’i Jeremia mpaminany, izay hahataperan’ny fito-polo taona amin’ny hahafoanan’i Jerosalema.” (Daniela 9:2; Jeremia 25:11, 12). Tamin’ny fahagagana manao ahoana no hahafahan’ireo Jiosy babo, ao anatin’ny roa taona latsaka, hiverina any Jerosalema sy hanorina any indray ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah?

3. Vavaka tamin-kafanam-po inona àry no nataon’i Daniela tamin’Andriamanitra?

3 Nanao hataka tamin’i Jehovah tamin-kafanam-po i Daniela ho an’ny vahoakany. Niaiky izy fa nanota tokoa izy io, nefa dia nangataka ny famindrampon’Andriamanitra izy. Ambonin’ny zavatra rehetra dia nivavaka tamin’i Jehovah izy hampanjavonany ny fahafaham-baraka natototr’ireo firenena nanodidina ny Isiraely ny anarany be voninahitra. Nitalaho tamin’ny Andriamaniny tamin’ireto teny ireto izy: “Tompo [Jehovah, MN] ô, mandrenesa; Tompo [Jehovah, MN] ô, mamelà heloka; Tompo [Jehovah, MN] ô, mihainoa ka miasà; aza ela Hianao, ry Andriamanitro ô, noho ny aminao; fa ny tanànanao sy ny olonao dia nantsoina amin’ny anaranao.” — Daniela 9:4-19.

4. Ahoana no namalian’i Jehovah ny vavaka nataony?

4 Namaly io vavaka io ve Jehovah? Eny, ary raha nanao izany izy dia nanatanteraka ihany koa ny faminaniany. Nitarika an’i Kyrosy Persiana, mpandimby an’i Dariosa izy hamoaka ny lalàna izay namela ny sisa tamin’ny Isiraelita hiverina any Jerosalema sy hanorina indray ny tempolin’i Jehovah tao. Tamin’ny 537 talohan’ny fanisan-taona iraisana, raha nifarana ireo “fito-polo taona”, ireny Jiosy ireny dia nanomboka indray nanolotra fanatitra ho an’i Jehovah teo amin’ny alitara izay namboarin’izy ireo indray tao Jerosalema. — II Tantara 36:17-23; Ezra 3:1; Isaia 44:28; 45:1.

NY FOTOANA VOATONDRO HAHATONGAVAN’NY MESIA VOALOHANY

5. a) Inona no nitranga avy hatrany taorian’ny vavaka nataon’i Daniela? b) Fe-potoana inona no aharihary ao amin’ny Daniela 9:24-27?

5 Io vavak’i Daniela io dia nisy vokany hafa nivantana kokoa. Niseho vatana ny anjely Gabriela tamin’ny nakana endrik’olombelona ary dia niseho tamin’i Daniela izay nanombohany niresahana. Raha niresaka an’ilay mpaminany ho toy ny “malala indrindra [teo imason’i Jehovah]” izy dia nanome azy bebe kokoa ‘fahazavan-tsaina’. (Daniela 9:20-23.) Tena zava-baovao tanteraka izay holazainy aminy; izany dia fanambarana tsy mbola navoaka ho an’i Daniela. Izany dia faminaniana nahazendana momba ireo fisehoan-javatra izay haharitra vanim-potoana, tsy “fito-polo taona”, fa “fito-polo herinandro”. Azonao atao ny mamaky io faminaniana manontolo io ao amin’ny Daniela 9:24-27. Nefa inona no dikan’izy io?

6. Maharitra hafiriana ny “fito-polo herinandro”?

6 Milaza izy io fa ireo “fito-polo herinandro” dia nofaritana mifandray amin’ny fisehoan’ny “Mesia Andriana”, izany hoe ilay Mpanjaka nampanantenaina tsy maintsy ho avy amin’ny taranak’i Davida. Herinandro ara-bakiteny ve izany? Tsia, satria ireo zavatra rehetra nambara ara-paminaniana dia tsy afaka velively ny ho tanteraka tao anatin’ny herintaona sy tapany. Ireo “herinandro” ireo dia hita fa herinandron-taona (ampitahao amin’ny Levitikosy 25:8). Raha ny tena izy, dia fandikan-tenin’ny Baiboly maro no mampiasa fitenenana toy ny hoe “fitopolo herinandron-taona” ao amin’ny Daniela 9:24 (An American Translation, Moffatt; jereo koa ny fanamarihana ambany pejy ao amin’ny Jérusalem, Dhorme sy Segond). Ny “fito-polo herinandron-taona” àry dia miharihary fa mifanitsy amin’ny 490 taona.

7, 8. a) Nahoana no tsy tokony hisaina manomboka eo amin’ny didin’i Kyrosy ireo “fito-polo herinandro”? b) Ahoana no namaliana ny vavaka nataon’i Nehemia? d) Nanao ahoana ny fihetsiky ny Jiosy tamin’ny ‘didin’ny’ mpanjaka? e) Oviana izany no nitranga?

7 Nefa manomboka hatraiza no tokony hanisana ireo “fitopolo herinandron-taona”? Mamaly ny Daniela 9:25 hoe: “Hatramin’ny hivoahan’ny didy hanavaozana sy hanamboarana an’i Jerosalema”. Kanefa ny didin’i Kyrosy dia tsy nisy “didy” karazan’izany. Nahakasika fotsiny ny fanamboarana indray ny “tranon’i Jehovah” izany, anisan’izany ny alitara fanaovana sorona (Ezra 1:1-4). Maherin’ny 80 taona taty aoriana, ilay tanàna dia mbola “foana” ihany, ary ny mandany rava. Tamin’izany fotoana izany Nehemia, Jiosy iray nahatoky, dia mpitondra kapoakan’i Artaksersesy, mpanjakan’i Persia, tany an-dapan’i Sosana. Rehefa fantany ny tarehin-javatra nampalahelo hitan’ny Jiosy tany Jerosalema, dia nivavaka tamin’i Jehovah izy mba hampanjavonany ny “latsa” teo amin’ny anarany. — Nehemia 1:3, 11; 2:17.

8 Nalahelo Nehemia rehefa nitondra divay ho an’i Artaksersesy mpanjaka. Nanontany azy àry io hoe: “Nahoana no malahelo tarehy hianao, kanefa tsy marary tsinona? Tsy zavatra hafa izao, fa alahelom-po mihitsy.” Rehefa nahafantatra ny anton’ny alahelon’i Nehemia ny mpanjaka dia nanome toromarika azy avy hatrany mba hiverenany any Jerosalema, hanamboatra ny “manda” sy ny “vavahadin’ny” tanàna. Rehefa tonga tany an-toerana i Nehemia mba hilaza amin’ireo Jiosy tany ny fankasitrahana nasehon’Andriamanitra tamin’izy ireo sy mba hampita aminy avy amin’ny mpanjaka, “ny didy hanavaozana sy hanamboarana an’i Jerosalema”, nanao ahoana ny fihetsik’izy ireo? “Ary hoy izy: Eny, aoka ary isika hitsangana ka handrafitra azy. Koa dia nampahery ny tànany hanao izany soa izany izy.” Izany rehetra izany dia nitranga “tamin’ny taona faharoa-polo nanjakan’i Artaksersesy, mpanjaka”. — Nehemia 2:1-18.

9. Ahoana no ahafahantsika manondro ny faharoapolo taonan’i Artaksersesy?

9 Nefa nifanitsy tamin’ny taona inona izany? Ny zava-nitranga dia manondro fa io Artaksersesy io (antsoina koa hoe “Lava tanana” satria lava be ny tanany ankavanana) dia niakatra teo amin’ny seza fiandrianana persiana tamin’ny nahafatesan’i Ksersesy rainy. Ny taona voalohany nanjakan’i Artaksersesy dia mifanitsy amin’ny 474 talohan’ny fanisan-taona iraisana, ary ny faharoapolo dia amin’ny 455. *

10. Ahoana no nahatanterahan’ny faminaniana momba ireo “fito herinandro [voalohany]”?

10 Tsy maintsy isaina manomboka amin’io taona 455 io àry ny “herinandro” resahin’ny Daniela 9:25. Izao no vakintsika:

“Koa aoka ho fantatrao sy ho azonao fa hatramin’ny hivoahan’ny didy hanavaozana sy hanamboarana an’i Jerosalema ka hatramin’i Mesia Andriana dia ho fito herinandro sy roa amby enim-polo herinandro; hamboarina indray ny làlana sy ny hady, dia amin’izay andro mampahory.”

Ireo “fito herinandro” [voalohany], izany hoe 49 taona, dia tsy isalasalana fa mahafaoka ny vanim-potoana nanorenana indray ny tanàna, ka izany dia mitondra antsika ho amin’ny taona 406 talohan’ny fanisan-taona iraisana. Ny “andro mampahory” dia mifandray amin’ny fanoherana mahery vaika napoitran’io asa fanorenana indray io teo amin’ireo firenena nanodidina (Nehemia 4:6-20). Kanefa, araka ny hamafisin’ny Tantara, Jerosalema dia tanàn-dehibe niroborobo teo amin’ny faran’ny taonjato fahadimy talohan’ny fanisan-taona iraisana *.

11. Ahoana no nisehoan’ilay “Mesia Andriana” tamin’ny fotoana voatondro?

11 Nefa tsy maintsy nisy “roa amby enim-polo herinandro” rehefa avy eo, ka izany dia ahitana fitambarany 69 herinandron-taona na 483 taona, izay isaina manomboka eo amin’ny 455 talohan’ny fanisan-taona iraisana ka tsy maintsy mitondra “hatramin’i Mesia Andriana”. Ireo 483 taona ireo izay tsy mahafaoka afa-tsy tapany fotsiny amin’ny taona 455 sy ny taona farany amin’io vanim-potoana io dia mifarana amin’ny taona 29 amin’ny fanisan-taona iraisana. Moa ve niseho tamin’io taona io ny Mesia? Ao amin’ny Lioka 3:13, dia vakintsika fa “tamin’ny taona fahadimy ambin’ny folo nanjakan’i Tiberio Kaisara”, Jaona Mpanao batisa dia “nankany amin’ny tany rehetra any amoron’i Jordana (...) nitory ny batisa”. Koa satria, araka ny filazan’ireo mpanao tantara, Tiberio dia nanjary emperora romana ny 17 aogositra tamin’ny taona 14 amin’ny fanisan-taona iraisana (araka ny fanisanandro gregoriana), dia azo tsoahina avy amin’izany fa nanomboka nitory sy nanao batisa i Jaona tamin’ny lohataonan’ny taona 29. Tamin’ny fararanon’io taona io ihany, tamin’ny 29, dia natao batisa Jesosy, ary dia nidina avy any an-danitra ny fanahy masina mba hanosotra azy ho toy ny Mesia. Io faminaniana avy amin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra io dia tanteraka tokoa tamin’ny fotoana voatondro. — Lioka 3:21, 22.

12. a) Inona no nandrasan’ny Jiosy maro tamin’izany fotoana izany? b) Nahoana izy ireo no tsy nahatratra ny zava-kendren’ilay faminaniana? d) Inona no fianarana azontsika tsoahina avy amin’izany?

12 Tamin’izany fotoana izany dia Jiosy maro no niandry ny fahatongavan’ny Mesia, anisan’ny anton’izany dia satria nahalala ny faminaniana ny amin’ireo “fitopolo herinandro” izy ireo. (Lioka 3:15; Jaona 1:19, 20.) Nefa noho izy ireo nanamafy ny fony, ny ankamaroan’izy ireo dia tsy nahatratra ny zava-nokendren’io faminaniana io (Matio 15:7-9). Mifanohitra amin’izany kosa, dia azontsika atao ankehitriny ny mampiorina ny finoantsika amin’ny fitandremana fatratra ireny lafiny rehetra amin’ny “teny faminaniana” ireny. (II Petera 1:19-21.) Tsy hoe mampahafantatra mazava ny Mesia fotsiny io “teny” io (araka ny asehon’ny tabilao eo amin’ny pejy faha-67), fa mampahafantatra antsika koa ireo fitahiana kanto ho azontsika andraisan-tsoa eo ambanin’ny Fanjakan’ny Mesia Andriana”. — Isaia 9:5, 6.

“NOVONOINA” NY MESIA MPANJAKA

13, 14. Tamin’ny ahoana ny fahatongavana sy ny asan’ny Mesia no hafa noho izay nantenain’ny Jiosy?

13 Moa ve ny fahatongavan’ny “Mesia Andriana” narahin’ny fanafahana ny Jiosy avy hatrany? Nampoizin’izy ireo ho mpiady mahery ny Mesia, ho mpanjaka iray hanafaka azy ireo amin’ny fampijalian’ny Romana (Jaona 6:14, 15). Nefa Jehovah Rainy dia nanomana fanafahana hafa karazana.

14 Ao amin’ny faminaniana momba ny “herinandro fitopolo”, Gabriela dia nampiseho mazava fa tsy ho tonga filoha ara-politika lehibe velively akory ny Mesia fa “hovonoina (...) ka tsy hanana”. Tsy maintsy hahita fahafatesana mahafa-baraka izy, tsy hamela anarana na harena ara-nofo ho an’ny taranany. Endrey izany fahatanterahana mahagagan’io faminaniana io! Rehefa avy nanala ny akanjon’i Jesosy mba hamonoana azy ireo miaramila dia niloka mihitsy mba hizarana izay rehetra tavela teny aminy: ny akanjony ivelany. — Daniela 9:26a; Matio 27:35.

15. a) Oviana ny Mesia no ‘novonoina’? b) Ahoana no azo anamafisana ny fahamarinan’ilay faminaniana?

15 Oviana Jesosy no novonoina? Nilaza i Gabriela fa ho amin’ny ‘antsasaky ny herinandron-taona [farany]’, ka izany dia mifanitsy amin’ny lohataonan’ny taona 33, telo taona sy tapany taorian’ny batisa sy ny fanosorana an’i Jesosy. Ho porofo fa tanteraka marina ilay faminaniana, ny filazantsaran’i Jaona dia milaza fa vao avy nanatrika ny Paska fahefatra hatramin’ny batisany i Jesosy. — Daniela 9:27b; Jaona 2:13; 5:1; 6:4; 13:1.

16, 17. a) Ahoana no nahatanterahan’ny tenin’i Daniela nanaraka (9:26) tamin’ny fomba nampangitakitaka? b) Ohatra inona no nomen’ireo tena mpianatr’i Kristy antsika tamin’izany fotoana izany?

16 Tena ‘novonoina’ tokoa ny “Mesia Andriana”. Loza toy inona moa izany ho an’ireo Jiosy tsy nahafantatra ny mpanjakany! Nefa mbola ho avy ny ratsiratsy kokoa. Marina tokoa fa tsy maintsy hofoanana indray Jerosalema. Nilaza ny faminanian’i Daniela hoe:

“Ary ny vahoaky ny mpanjaka izay ho avy dia handrava ny tanàna sy ny fitoerana masina; ary farany dia hisy safotra, ary hatramin’ny farany dia hisy ady sy fandravana voatendry.” — Daniela 9:26b.

17 Araka ny nambaran’ilay faminaniana, ny vanim-potoana nanaraka ny ‘famonoana’ ny Mesia dia voamariky ny “ady” hatramin’ny farany. Farany, tamin’ny 70, ireo miaramila romana dia niditra toy ny alon-drano tao Jerosalema natao fahirano. ‘Rava’ ny tanàna sy ny tempoliny. Araka ny filazan’i Josèphe mpanoratra tantara, dia Jiosy 1 100 000 no maty tao amin’io fandringanana io. Soa ihany fa nihevitra ilay “famantarana” fampiomanana ireo tena mpianatry ny Mesia ary nandeha nandositra mba hitady fialofana tany an-tendrombohitra, tany ampitan’i Jordana (Matio 24:3-16). Izany dia manipika, ho antsika amin’izao andro izao, ny ilàna hitandremana ny “famantarana” ara-paminaniana nomen’Andriamanitra alohan’ny ‘hahatongavan’ilay’ Fanjakana hampihatra ny didim-pitsaran’Andriamanitra eo amin’ny fandehan-javatra maneran-tany ratsy ankehitriny. — Lioka 21:34-36.

SOA AZO NOHO NY MESIA

18. Soa inona no nentin’ny fahatongavan’ny Mesia voalohany?

18 Nefa inona no tsy maintsy tanteraka tamin’ny fahatongavan’ny Mesia voalohany? Nolazain’i Gabriela tamin’i Daniela izany:

“Fito-polo herinandro no voatendry ho an’ny firenenao sy ny tanànanao masina, hahatapaka ny fahadisoana sy hanampina ny fahotana, ary hanao fanavotana noho ny heloka sy hampiditra fahamarinana mandrakizay.” (Daniela 9:24a).

Ny “Mesia Andriana” dia hanatanteraka izany rehetra izany aloha sy amin’ny fahafatesany. Tsy fanafahana amin’ny endriny ara-politika akory izany fa fanafahana mahagaga ara-panahy. Noho ny hery manavotra avy amin’ny ain’olombelona tanteraka nananany natolotra ho sorona, Jesosy dia hanala ny loto, izany hoe ny ota sy ny fandikan-dalàna, amin’izay rehetra hanaiky azy ho Mesia ka hanjary ho “Isiraelin’Andriamanitra”, ilay Isiraely ara-panahy. — Galatiana 6:16; Jeremia 31:31, 33, 34.

19. Ahoana no nampitsaharan’ny Mesia “ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra hafa”?

19 Araka izany àry, izay tsy azon’ny faneken’ny lalàna nanana an’i Mosesy ho mpanalalana, natao tamin’ny alalan’ny sorona biby, dia hotanterahin’ny fanekena vaovao, ka ny Mesia no mpanalalana, ary izany dia noho ny soron’olombelona tanteraka tokana, ny an’i Jesosy, izay natolotra tamin’ny “antsasaky ny herinandro”. Tamin’izay izy dia ‘nampitsahatra ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra hafa’, amin’ny heviny hoe ireo fanatitra nomanin’ny Lalàna dia tsy hisy vidiny intsony manomboka hatreo (Daniela 9:27). Izany no nohazavain’ny apostoly Paoly taty aoriana tamin’ireto teny ireto: “Efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo. Fa izany rehetra izany dia avy amin’Andriamanitra, Izay nampihavana antsika taminy amin’ny alalan’i Kristy sady nanome anay ny fanompoana fampihavanana.” — II Korintiana 5:17, 18.

20. Soa inona, izay hitatra amin’ny taranak’olombelona manontolo no mety hahasambatra anao?

20 Tamin’ny fotoana nety, ny soa azo avy amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy dia hitarina amin’ny olon-kafa ankoatra ireo anisan’ny Isiraely ara-panahy tahaka an’i Paoly. Nanampy teny tokoa ilay apostoly fa amin’ny alalan’i Kristy, Andriamanitra dia mampihavana ‘izao tontolo izao aminy ka tsy manisa ny fahadisoany’. (II Korintiana 5:19.) Ianao izay anisan’izao tontolo izaon’ny olombelona, moa ve ianao tsy faly mahafantatra fa ireo fahadisoana ataonao noho ny tsy fahatanterahanao dia mety ho voavela noho ny soron’ilay mampihavana anao amin’Andriamanitra?

21, 22. a) Amin’ny heviny ahoana ny herinandro fahafitopolo no nanisy “tombo-kase ny fahitana sy ny faminaniana”? (Daniela 9:24). b) Amin’ny heviny ahoana ny “masina indrindra” no voahosotra?

21 Kanefa ilay ‘herinandro fahafitopolo’ dia tsy “hampiditra fahamarinana mandrakizay” fotsiny fa “hanisy tombo-kase ny fahitana sy ny faminaniana” koa. Araka ny Apokalypsy 19:10, dia “ny filazana an’i Jesosy no fanahin’ny faminaniana”. Marina tokoa fa tamin’ny fahatongavany voalohany tamin’ny naha-Mesia, Jesosy dia nanatanteraka ara-bakiteny, tamin’ny asany sy ny teniny, fanambarana ara-paminaniana an-jatony maro. Toy ny hoe nisy tombo-kase tsy azo kosehina natao teo amin’ireny faminaniana ireny mba hilazana fa marina tanteraka izy ireny, ka Jehovah Mpanjaka Tompo no loharanon’izany. Tamin’ny alalan’ny Mesia, Andriamanitra dia hitana ny teny nataony rehetra nifandray tamin’ny fitahiana ny vahoakany. “Fa na firy na firy ny teny fikasan’Andriamanitra, dia ao aminy ny ‘eny’ ”, noho Jesosy Mesia. — Daniela 9:24b; II Korintiana 1:20.

22 Mandritra io ‘herinandro fahafitopolo’ io dia tsy maintsy hisy koa ny fanosorana ny “masina indrindra”. Ny “fitoerana masina nataon-tànana”, tao amin’ny tempolin’i Jerosalema, dia tsy afaka niasa intsony ho an’ny fikasan’Andriamanitra hamela ny fahotan’ny olona hatreo. Tsy inona izy io fa sarin’ny zavatra tena misy ao amin’ny tempoly lehibe ara-panahy izay nanomboka nisy tamin’ny taona 29, rehefa nohosorana ny Mesia. Teo, tany an-danitra, taorian’ny nahafatesany sy nitsanganany, no nidiran’i Kristy mba hampiseho “indray mandeha” ny vidin’ny sorony olombelona teo anatrehan’ny tenan’Andriamanitra (Hebreo 9:23-26). Nitafy endriny vaovao àry ilay fonenan’Andriamanitra any an-danitra. Voahosotra mba ho “masina indrindra” izy, ny tena izy ara-panahy izay nasehon’ny Masina Indrindra tao amin’ny tempolin’i Jerosalema ho sary tandindona fotsiny. Teo anelanelan’ny andro Pentekosta taona 33 sy ny faran’ny ‘herinandro fahafitopolo’, ireo Jiosy nanaiky io fandaharan’Andriamanitra io dia nanana tombontsoa niavaka. Noho ny soron’i Kristy naseho tao amin’io “masina indrindra” io, izy ireo koa dia nandray ny hosotra mba hanompo amin’ny maha-mpisorona lefitra ao amin’ny tempolin’Andriamanitra ara-panahy.

23. a) Ahoana no nandraisan’ny Jiosy tombontsoa manokana nandritra ny herinandro fahafitopolo? b) Ahoana no nanitarana io tombontsoa io tamin’ny olon-kafa taorian’ny fahataperan’ireo “fito-polo herinandro”?

23 Momba ireny Jiosy hampidirina ao amin’ny Isiraely ara-panahy ireny dia nilaza ny faminaniana hoe: “Hanorina fanekena ho herinandro amin’ny maro izy.” Izany dia ilay “herinandro” nanomboka tamin’ny taona 29 ka hatramin’ny 36 ary nanolorana ho an’ireo Jiosy ara-nofo, tombontsoa manokana, dia ny horaisina ho anisan’ny ‘taranak’i Abrahama ara-panahy’. (Daniela 9:27a.) Avy eo, rehefa nitory tamin’i Kornelio Jentilisa tsy voafora i Petera dia nisokatra ny lalana mba hahafahan’ny olona avy amin’ireo firenena, ireo tsy voafora, hiditra ao amin’ny faneken’i Abrahama. Nanoratra toy izao i Paoly momba izany: “Fa hianareo rehetra dia zanak’Andriamanitra amin’ny finoana an’i Kristy Jesosy. Fa na iza na iza hianareo no natao batisa ho an’i Kristy dia nitafy an’i Kristy. Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy na vavy; fa iray ihany hianareo rehetra ao amin’i Kristy Jesosy. Fa raha an’i Kristy hianareo, dia taranak’i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana.” — Galatiana 3:26-29; Asan’ny apostoly 10:30-35, 44-48.

24. a) Antoka mahatalanjona inona no omen’ny fampanantenana natao tamin’i Abrahama ho an’ny olombelona hafa rehetra? b) Araka ny Lioka 9:23, ahoana no ahafahanao mandray soa amin’io fampanantenana io?

24 Fa ahoana ny amin’ny sisa amin’ny taranak’olombelona, dia olona an-davitrisany maro, izay tsy mba nangonina ho anisan’ny “ondry vitsy” manana lova any an-danitra? Ny fampanantenana nomen’Andriamanitra an’i Abrahama dia nanome ho azy ireo koa, antoka mahatalanjona, satria Jehovah nanambara hoe: “Amin’ny taranakao [ny an’i Abrahama] no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.” (Genesisy 22:18). Irinao ve ny handray io fitahiana io? Azo atao izany, nefa tsy maintsy mivavaka ianao mba ‘hahatongavan’ilay Fanjakana’. Ankoatr’izany, amin’ny fanohizanao mandinika ny Tenin’Andriamanitra, dia ho fantatrao ny fomba hahafahanao ‘mandà tena’, mba hanoloranao tena ho an’Andriamanitra sy hanarahana hatrany ilay “Mesia Andriana”. — Lioka 9:23.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana (frantsay) tamin’ny 1 aogositra 1966, pejy faha-472-475; Bulletin intérieur tamin’ny septambra 1966, pejy faha-29-35; Aid to Bible Understanding, pejy faha-1473.

^ feh. 10 Ao amin’ny Contre Apion, Boky I, faha-22, Josèphe dia manonona an’i Hécatée d’Abdère, mpanoratra tantara tamin’ny taonjato fahefatra talohan’ny fanisan-taona iraisana, izay nanoratra hoe: “Ny Jiosy dia manana tanàna fiarovana maro sy vohitra betsaka miparitadritaka eo amin’ilay tany, nefa tsy manana afa-tsy tanàn-dehibe iray mimanda, dimampolo stadio [tokony ho 10 000 metatra] ny refimparibolany; misy mponina eo amin’ny 120 000 ao ary antsoin’izy ireo hoe Jerosalema izy io.”

[Fanontaniana]

[Tabilao, pejy 67]

FAMINANIANA TANTERAKA MIFANDRAY AMIN’NY “MESIA ANDRIANA” TAMIN’NY FIFARANAN’IREO “FITO-POLO HERINANDRO”

FAMINANIANA VOTOATIN’ILAY FAMINANIANA FAHATANTERAHANA

Isaia 40:3 Manomana ny lalana i Jaona Mpanao batisa Matio 3:1-3

Mika 5:1 Teraka tany Betlehema i Jesosy Matio 2:1-6

Genesisy 49:10 Avy amin’ny fokon’i Joda Lioka 3:23-33

Isaia 7:14 Nateraky ny virijina iray Matio 1:23-25

Isaia 9:6 Taranaka sy mpandova an’i Davida Matio 1:1, 6-17

Jeremia 31:15 Famonoana ireo zaza vao teraka taorian’ny nahaterahany Matio 2:16-18

Hosea 11:1 Nantsoina avy tany Egypta (fialofana) Matio 2:14, 15

Daniela 9:25 Niseho tamin’ny faran’ireo 69 “herinandro” Lioka 3:1, 21, 22

Salamo 40:7, 8 Niseho mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra Matio 3:13-15

Isaia 61:1, 2 Voahosotry ny fanahy mba hitory Lioka 4:16-21

Salamo 2:7 Nambaran’i Jehovah fa Jesosy dia ‘Zanany’ Matio 3:17

Isaia 9:1, 2 Fahazavana tany amin’ny faritr’i Galilia Matio 4:13-16

Salamo 40:9 Nitory tamim-pahasahiana ny “vaovao tsara” Matio 4:17, 23

Salamo 69:9 Be zotom-po ho an’ny tranon’i Jehovah Jaona 2:13-17

Isaia 53:1, 2 Tsy nino azy ireo Jiosy Jaona 12:37, 38

Salamo 78:2 Niresaka tamin’ny alalan’ny fanoharana izy Matio 13:34, 35

Zakaria 9:9 Niditra tao an-tanàna nitaingina zana-boriky izy Matio 21:1-9

Salamo 69:4 Nankahalaina tsy nisy antony Jaona 15:24, 25

Isaia 42:1-4 Fanantenan’ireo firenana; tsy niady Matio 12:14-21

Salamo 41:9 Namadika azy ny apostoly iray nivadika Jaona 13:18, 21-30

Zakaria 11:12 Tamin’ny sekely volafotsy telopolo Matio 26:14-16

Salamo 2:1, 2 Namely ny voahosotra ireo filoha Matio 27:1, 2

Salamo 118:22 Nolavina nefa azo antoka ny fototra Matio 21:42, 43

Isaia 8:14, 15 Nanjary vato fahatafintohinana izy Lioka 20:18

Salamo 27:12 Niampanga azy ny vavolombelona mandainga Matio 26:59-61

Isaia 53:7 Nangina teo anatrehan’ireo mpiampanga azy Matio 27:11-14

Salamo 22:16 Nofantsihina teo amin’ny hazo tamin’ny tanana sy tongotra Jaona 20:25

Isaia 53:12 Nisaina ho anisan’ireo mpandika lalàna Lioka 22:36, 37

Salamo 22:7, 8 Notenenin-dratsy raha teo amin’ny hazo Matio 27:39-43

Salamo 69:21 Nomena divay miharo miora izy Marka 15:23, 36

Zakaria 12:10 Notrobahina fony nohomboana teo amin’ny hazo Jaona 19:34

Salamo 22:18 Nilokana ny akanjony Matio 27:35

Salamo 34:20 Tsy nisy tapaka ny taolany na dia iray aza Jaona 19:33, 36

Salamo 22:1 Navelan’Andriamanitra ho an’ny fahavalony izy Matio 27:46

Daniela 9:26, 27 Novonoina rehefa afaka telo taona sy tapany * Jaona 19:14-16

Zakaria 13:7 Nasiana ny mpiandry, nihahaka ny ondry Matio 26:31, 56

Jeremia 31:31 Fanekena vaovao iray; nesorina ny ota Lioka 22:20

Isaia 53:11 Nitondra ny heloky ny maro izy Matio 20:28

Isaia 53:4 Nivesatra ny aretin’ny olombelona izy Matio 8:16, 17

Isaia 53:9 Teo amin’ny mpanan-karena ny fasany Matio 27:57-60

Salamo 16:10 Nitsangana talohan’ny fahalovana Asan’ny apostoly 2:24, 27

Jona 1:17 Natsangana tamin’ny andro fahatelo Matio 12:40

Salamo 110:1 Nasandratra eo ankavanan’Andriamanitra Asan’ny apostoly 7:56

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 97 Jereo pejy 61, 62