Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Tonga’ ilay Fanjakana — Nefa avy aiza?

‘Tonga’ ilay Fanjakana — Nefa avy aiza?

Toko Faha-4

‘Tonga’ ilay Fanjakana — Nefa avy aiza?

1. Raha heverina izay vakina ao amin’ny I Timoty 1:17 sy Apokalypsy 15:3, dia fanontaniana lehibe inona avy no mipetraka?

KOA satria ny Baiboly mampahanfatatra an’i Jehovah ho “Mpanjaka mandrakizay”, nahoana no tsy maintsy hisy fanjakana “ho tonga” mba hanamasinana ny anarany (I Timoty 1:17; Apokalypsy 15:3)? Ary avy aiza no iavian’io fanjakana io?

2. Tarehin-javatra inona mifandray amin’ireo fitondram-panjakana no nitondra fanalam-baraka ho an’ny anaran’Andriamanitra, ary tamin’ny fomba ahoana?

2 Aoka holazaintsika avy hatrany fa miharihary ny tena ilàna fanovana lalina mba hiorenan’ny rariny, ny fiadanana ary ny fahasambarana eto an-tany. Tsy nahomby tamin’ny lafiny maro ireo fitondram-panjakan’olombelona raha ny amin’ny fiahiana ny tombontsoan’ireo vahoakany, nefa ambonin’izany, dia mifanipaka tanteraka ireo firenena. Ny fankahalana, ny fifaninanana ary ny fanindrahindrana ny firenen’ny tena dia mampisaratsaraka ireo firenena sy foko. Izany tarehin-javatra izany dia manimba tanteraka ny fikasan’ilay Mpamorona sy manala baraka ny anarany. — Romana 2:24; Ezekiela 9:9.

3. a) Avy aiza ny Fanjakan’Andriamanitra? b) Inona no mampiavaka azy?

3 Mba hanitsiana ny toe-javatra toy izany dia ilaina ny fitondram-panjakana iray tena manokana. Kanefa Jehovah dia nanomana fitondram-panjakana toy izany. Nefa avy aiza no iavian’izy io? Avy amin’ny tenan’i Jehovah, izay monina any an-danitra. Izany dia fanjakana entin’ny mpitondra iray izay mampiseho ny fiandrianana na fanapahan’i Jehovah manerana izao rehetra izao. Ny fahefany dia avy amin’ny fiandrianana ampiharin’i Jehovah hatrany am-piandohana, taloha elan’ny famoronana ny lanitra sy ny tany. Koa satria io fanjakana na fitondram-panjakan’Andriamanitra tena manokana io manam-piandohana avy ao amin’ny fandaminan’Andriamanitra any an-danitra, dia mandova ireo toetra mahagagan’ny fanapahan’i Jehovah hatrizay hatrizay. — Apokalypsy 12:1, 2, 5.

NY FIANDRIANAN’I JEHOVAH MANERANA IZAO REHETRA IZAO

4. Teny inona voatantara ao amin’ny Apokalypsy 4:11 no mamaritra tsara tokoa ny fiandrianan’i Jehovah?

4 Koa satria izy no “nahary ny zavatra rehetra”, Andriamanitra dia manana zo ara-dalàna ho Tompom-piandrianana eo amin’ny zavaboary rehetra. Na dia ireo asandrany ho amin’ny fanjakana any an-danitra aza dia tsy maintsy ‘hiankohoka eo anoloan’Izay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana ka hivavaka amin’Izay velona mandrakizay mandrakizay’. Manaiky amim-panetren-tena ny fiandrianana tampon’ilay “Mpanjaka mandrakizay” izy ireo, araka izay asehon’ny ataon’izy ireo voalazalaza toy izao:

“Dia hanipy ny satroboninahiny eo anoloan’ny seza fiandrianana [izy ireo] ka hanao hoe: Hianao Tomponay [Jehovah, MN] sy Andriamanitray, no miendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; fa Hianao no nahary ny zavatra rehetra, ary noho ny sitraponao no nahanisy sy nahary azy.” Apokalypsy 4:10, 11; Efesiana 3:9.)

Toy izany ve ny fihetsikao eo anoloan’ny fiandrianan’Andriamanitra? Tokony ho izany no izy.

5. Raha ampitahaina amin’ny fitondram-panjakan’olombelona, fahefana inona no tanan’ny Fanjakan’i Jehovah?

5 Ireo fanjakan’olombelona dia manapaka amin’ny fanajana ny lalàna. Ilaina izany mba hitandroana ny filaminana. Ao amin’ireny fanjakana ireny amin’ny ankapobeny dia ahitana fahefana ara-pitsarana, misy mpitsara izay mamotopototra ny ady ara-pitsarana, fahefana iray momba ny lalàna miandraikitra ny famolavolana ireo lalàna ary mpanjaka iray na prezidà manatanteraka ny lalàna. Eo amin’izao rehetra izao noforoniny, dia mampihatra indray miaraka ireo fahefana telo ireo Jehovah Andriamanitra araka izay asehon’Isaia mpaminany tamin’ny filazana hoe: “Jehovah no mpitsara antsika; Jehovah no mpanome lalàna antsika; Jehovah no Mpanjakantsika.” (Isaia 33:22). Raha niteny tamin’io Mpanjaka io Davida dia nanampy hoe: “Jehovah efa nampitoetra ny seza fiandrianany any an-danitra; ary ny fanjakany manapaka izao tontolo izao.” (Salamo 103:19). Aoka àry hojerentsika ny toetra sasany mampiavaka ny fanjakan’Andriamanitra.

IREO LALÀN’ANDRIAMANITRA MANERANA IZAO REHETRA IZAO

6. Inona no manaporofo ny fahambonian’ireo lalàn’Andriamanitra?

6 Ireo fitondram-panjakan’olombelona dia miezaka hanapaka ny ataon’ireo vahoakany, nefa tsy afaka mifehy ny herin’ny natiora izay misy vokany be dia be eo amin’ny fiainan’ny olombelona. Mifanohitra amin’izany, Jehovah, ilay Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao; izay manana fahefana eo aminy, dia mahafehy izany. Ireo manam-pahaizana dia matetika no talanjona noho ny fahamarinan’ireo lalàna ankatoavin’izao rehetra izao hita maso. Ireny lalàna ireny dia avy amin’Andriamanitra. Noho izy ireny tsy miova velively no nahafahan’ny olombelona nandeha tany amin’ny volana, nifandray tamin’ny alalan’ny zanabolana, nilaza mialoha ireo fanakona-masoandro ary namorona zavatra maro be kojakojany. Ny masoandro sy ny orana dia mankato ihany koa ireo lalàn’Andriamanitra izay mety hanan-kery eo amin’izy ireo mba hitahiana ireo izay mankato azy. — Salamo 89:8, 11-13; Joba 38:33, 34; Zakaria 14:17.

7. a) Amin’ny ahoana ny lalàn’i Jehovah no manaporofo ny maha-Andriamanitra azy? b) Tahaka an’i Joba, ahoana no tokony hiheverantsika ireo lalàn’Andriamanitra?

7 Raha ny momba ireo tenan-javatra eny amin’ny lanitra, izay mahatalanjona ny isany, ny mpaminanin’Andriamanitra iray dia nihiaka hoe: “Asandrato ny masonareo, ka mijere; Iza no nahary ireny? Izy no mamoaka ny antokony araka ny isany sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy noho ny haben’ny fahatanjahany sy ny heriny tsy toha, ka tsy misy diso ireny na dia iray akory aza. Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah, Izay mamorona ny faran’ny tany?” (Isaia 40:26, 28). Nandritra ireo taona an-davitrisany maro lasa, Jehovah dia nanapaka izao rehetra izao azy midadasika tamin’ny lalàna lazainy hoe an’ny “natiora”. Nanandrana tokoa namantatra ny zava-miafin’ireny lalàna ireny ny olombelona, nefa maro loatra izany ka be dia be no mbola tokony hianaran’izy ireo. Nanao fandrosoana vitsivitsy izy ireo hatramin’ny 3500 taona izao, fotoana izay nanambaran’ny lehilahy iray tsy nivadika hoe: “Indro, ireny dia vao ny sisintsisin’ny alehany ihany aza, ny siosion-teny mamelovelo no andrenesantsika Azy; fa raha ny fikotrokotroky ny heriny, iza moa no mahatakatra izany? — Joba 26:14.

8. Toetra hafa inona koa no nahariharin’Andriamanitra ka nampiseho tamin’izany fa Izy no nanome antsika izay rehetra ilaintsika?

8 Kanefa, rehefa namorona ny tany Jehovah, dia tsy nianina tamin’ny fampiharana ny lalàny araka ny tena toetry ny zavatra. Raha nanambatra ny fahendreny tsy hita lany sy ny fitiavany tsy manam-petra tamin’ny heriny sy ny lalàny izy, dia nanamboatra izany tamin’ny fomba mahavariana ho an’ireo ho mponina eo aminy. Endrey izany fiahiana feno fahamoram-panahy sy hakingana mahatalanjona rehefa dinihina ny zavaboarin’Andriamanitra rehetra eto an-tany (I Jaona 4:8; Salamo 104:24; 145:3-5, 13)! Araka izay nasainay nomarihina tao amin’ny toko iray teo aloha, Jehovah dia manome amin’ny fomba mahatalanjona izay rehetra ilaintsika.

9. Inona no sasantsasany amin’ireo zavatra tokony hisaorantsika an’Andriamanitra?

9 Tokony ho velom-pankasitrahana an’Andriamanitra isika noho ireny fanomezana kanto rehetra ireny, nefa koa noho ny fomba nanaovany antsika, miaraka amin’ny fahaizantsika ara-batana sy ara-tsaina amin’ireo vavahadin-tsaintsika izay ahafahantsika mahita fahafinaretana amin’ireny zavaboary rehetra ireny. Eny, tokony ho vonona haneho aminy ny fankasitrahantsika isika, toy ny mpanao Salamo tamin’ireto teny ireto: “Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovanao ahy; mahagaga ny asanao; ary fantatry ny fanahiko marimarina izany. Ny tenako tsy miafina taminao, fony natao tao amin’ny miafina aho, ka noforoninao hisy endrika tany ambanin’ny tany. Ny masonao efa nahita ahy na dia fony tsy mbola ary fady aza aho; voasoratra teo amin’ny bokinao [na drafitrao] avokoa ny andro voatendry, fony tsy mbola nisy na dia iray akory aza.” — Salamo 139:14-16.

10. Inona no milaza fa Jehovah dia afaka manarina tanteraka ny zavatra eto ambonin’ny tany?

10 Jehovah Mpanjaka Tompo, izay namorona izao rehetra izao sy ny zavatra rehetra eo aminy, izay nandamina ny zavatra rehetra tamim-pitiavana sy fahendrena nifanaraka tamin’ny lalàny marina, dia izy ihany koa no hany anambaran’ny Baiboly hoe: “Rariny sy fahendrena no fanorenan’ny seza fiandriananao; famindrampo sy fahamarinana no mialoha ny tavanao.” (Salamo 89:14). Jehovah dia tsy isalasalana fa afaka manorina fanjakana iray na fitondram-panjakana mahay manarina ny zavatra rehetra eto an-tany. (Salamo 40:4, 5). Nefa ahoana no anaovany izany?

NAMBARA NY ZAVA-MIAFINA IRAY

11. a) Nahoana isika no tokony ho sambatra afaka mandray soa amin’ny fahalalana marina? b) Ahoana no ahafahantsika mamantatra an’i “Mikaela”, ary inona no hevitry ny anarany?

11 Ao amin’ny Baiboly dia misy faminaniana maro momba ny fanorenan’Andriamanitra fanjakana iray hanamasina ny anarany ary hamela ny fahatanterahan’ny sitrapony eto an-tany. Ny anankiray amin’izy ireny, ny faminanian’i Daniela, dia miresaka ny amin’ny “andro farany” izay ‘hitomboan’ny fahalalana’. Afaka ny ho sambatra isika mahazo io fahalalana io amin’izao andro izao satria nilaza koa Daniela hoe:

“Ary hisy andro fahoriana, izay tsy nisy tahaka azy hatrizay nisian’ny firenena ka hatramin’izany andro izany; ary amin’izany dia ho afaka ny firenenao.”

Araka ny voalazan’i Daniela, izany dia ho ny fotoana hitsanganan’i Mikaela, ilay andrian-dehibe, mba hiaro ny vahoakan’Andriamanitra. Ny Baiboly dia manondro an’i Mikaela ho Jesosy Kristy izay miady amin’ireo fahavalon’Andriamanitra, mba hanamasinana ny anaran’i Jehovah. Ny anarana hoe “Mikaela”, izay ny dikany dia hoe “Iza no tahaka an’Andriamanitra?” dia mifanentana tanteraka, satria Mikaela no manaporofo fa tsy misy na iza na iza afaka mihantsy amim-pahombiazana ny fiandrianana na fanapahan’i Jehovah. — Daniela 12:1, 4; Apokalypsy 12:7-10.

12. Karazana nofy inona no voalazalaza ao amin’ny Daniela 2:31-33, ary nahoana izany no mahaliana antsika ankehitriny?

12 Ny faminanian’i Daniela dia mitantara ihany koa nofy azon’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, ary nahitany fifandimbiasam-panjakana. Nanadino vetivety ny voarakitry ny nofiny io mpanjaka io nefa tsy hoe tsy nampikorontan-tsaina be azy akory izany. Tamin’ny farany, ilay “Mampiseho zava-miafina”, izany hoe Jehovah Andriamanitra, dia nampiasa an’i Daniela mba hampahafantatra an’ilay mpanjaka, tsy ny nofy fotsiny, fa ny heviny ihany koa (Daniela 2:29). Koa satria ny fahatanterahan’io nofy ara-paminaniana io mitohy hatramin’izao androntsika izao ary mihoatra izany, ny heviny dia tokony hahaliana antsika fatratra. Io nofy io dia momba ny “sariolona lehibe” izay mahatahotra ny endriny. Azonao vakina ao amin’ny Daniela 2:31-33 ny filazalazana azy. Nefa inona no asehon’io sary io?

13. Mampiseho inona ireo tapany isan-karazany amin’ilay sary?

13 Nambaran’i Daniela tamin’i Nebokadnezara fa ny loha volamenan’ilay sary dia mampiseho ny ‘mpanjakan’i Babylona’ ary ireo tapany hafa amin’ilay sary vongana dia nampiseho fanjakana hafa hitranga aorian’i Babylona. Ankehitriny dia fantatsika fa izany dia ireo herim-panjakana matanjaka mediana sy persiana, grika ary romana ka ny ‘ranjon’ilay’ sary dia mitohy amin’ny Herim-panjakana roa sosona anglisy-amerikana amin’izao androntsika ankehitriny izao. Nefa inona no asehon’ireo tongotra izay “ny tapany tanimangan’ny mpanefy tanimanga, ary ny tapany vy”? Tao anatin’ireo taona faramparany dia nisy fihetsiketseham-bahoaka sy sosialista nanalefaka be dia be ny fahefana, azo ampitahaina amin’ny vy, tao anatin’ny Herim-panjakana maneran-tany anglisy-amerikana, tahaka ny nandemena ireo tongotr’ilay sary makadiry satria ‘ny vy tsy mety miharo amin’ny tanimanga’. Araka izany, io sary manana endrika mahatahotra io dia mampiseho ireo “mpanjaka” olombelona na herim-panjakana maneran-tany nifandimby, fifandimbiasana izay mifarana amin’ny fotoana handravan’ny Fanjakan’Andriamanitra azy ireo. — Daniela 2:36-44.

14, 15. Inona no ataon’ilay “vato” niendaka avy tamin’ny tendrombohitra, ary ahoana no ahafahantsika mamantatra azy?

14 Nefa indro fa nisy “vato” niendaka avy tamin’ny tendrombohitra, “tsy nendahan-tànana”, fa tamin’ny fomba mahagaga. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia tsy misy fiasan’olombelona sy hita maso mihitsy nahatonga io asa io. Jehovah irery ihany no manapoaka izany, mifanaraka amin’ny sitrapony masina. Raha nikodiadia teo amin’ny tendrombohitra nanitsy ilay sary lehibe ilay vato dia namely azy tamin’ny tongotra. Nanorotoro ilay sary manontolo izy, izany hoe ny fanapahan’olombelona, hany ka naelin’ny rivotra toy ny akofa ny potiny. Ilay vato dia nanjary tendrombohitra lehibe nameno ny tany manontolo. — Daniela 2:34, 35.

15 Nefa mety ho inona io “vato” io? Mampanjavona izay rehetra mety ho fisalasalana ilay faminaniana raha nanampy hoe:

“Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo [ny Herim-panjakana anglisy-amerikana sy sy ny sisa tavela tamin’ireo herim-panjakana nialoha azy], Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’olon-kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.” — Daniela 2:44.

16. Rehefa mivavaka isika hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao”, inona no angatahintsika raha ny tena izy?

16 Inona no hevitr’izany ho antsika amin’izao andro izao? Fa rehefa mivavaka isika mba ‘hahatongavan’ny’ Fanjakan’Andriamanitra, dia mangataka isika, raha ny tena izy, ny hampiasan’ny Fanjakan’Andriamanitra ny fahefany handrava mba hamongorana ny fitondram-panjakan’olombelona rehetra, izay tsy nahomby velively raha ny amin’ny fanorenana fiadanana sy fanambinana. Soa ihany fa rehefa avy nahavita ny asa fandravana nanendrena azy ilay “vato” dia hihalehibe mba ho tonga vatom-panapahana hameno ny tany manontolo. Io fitondram-panjakana io dia hanorina fiadanana izay tsy mbola hitan’ny olombelona mihitsy hatramin’ny andron’i Solomona mpanjaka. Amin’izay dia ho tanteraka ireto teny ireto: “Ny marina hitrebona amin’ny androny, ary ho be ny fiadanana mandra-paha-tsy hisy volana intsony”, izany hoe mandrakizay. — Salamo 72:7.

17. a) Nahoana ny fatorana mampiray ny “vato” amin’ny “tendrombohitra” no tokony hahatonga antsika hanana toky? b) Inona no hataon’ilay Fanjakana avy eo? d) Araka ny Salamo 85:8-12, toky inona no tokony hananantsika?

17 Nefa inona no holazaina ny amin’ilay “tendrombohitra” niendahan’ilay ‘vatom-panjakana’ (na Fanjakana) (Daniela 2:45)? Ilay “vato” dia tsy maintsy eo ambany fiandraiketan’ilay tendrombohitra ary anisan’ny tenany. Izany tokoa no izy. Io fanapaham-panjakana io dia “nendahana” avy amin’ny fanapahana manerana izao rehetra izaon’ilay Mpanjaka mandrakizay, dia Jehovah Andriamanitra. Toy ny anomezan’ny fanapahan’i Jehovah manerana izao rehetra izao taratry ny toetrany mahatalanjona rehetra, dia toy izany koa ny fanapaham-panjakana (na Fanjakana) izay voaendaka tamin’ny fanapahan’Andriamanitra dia tsy maintsy manandratra an’i Jehovah Andriamanitra sy ny fikasany be voninahitra. Izy io dia tsy maintsy hanamasina ny anarany amin’ny fandringanana ireo fahavalony, amin’ny fampisehoana amin’izany fa tsy mankasitraka ny asany ratsy izy. Avy eo ny Fanjakana na fanapahan’i Jesosy dia tsy maintsy hameno ny tany manontolo amin’ny fampanjakana ao ny lalàna sy ny filaminana, ny fitiavana sy ny fifaliana. Hanova izany ho toeran’ny fiadanana sy ny rariny izy, mifanaraka amin’ny fikasan’i Jehovah Andriamanitra tany am-boalohany. Tokony hivavaka tokoa isika mba ‘hahatongavan’ilay fanjakana’. — Salamo 85:8-12.

[Fanontaniana]