Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Antomotra ny Paska farany hankalazain’i Jesosy

Antomotra ny Paska farany hankalazain’i Jesosy

Toko 112

Antomotra ny Paska farany hankalazain’i Jesosy

NADIVA hifarana ny talata 11 Nisana rehefa vitan’i Jesosy ny fampianarana ny apostoliny teo amin’ny Tendrombohitra Oliva. Andro feno zavatra natao sady nandreraka re izany! Izao, angamba teny am-piverenana ho any Betania, dia nilaza tamin’ny apostoliny izy hoe: “Fantatrareo fa rehefa afaka roa andro, dia ho tonga ny Paska, ary hatolotra hohomboana amin’ny hazo fijaliana ny Zanak’olona.”

Ny ampitson’iny, ny alarobia 12 Nisana, dia toa nitokana tamin’ny toerana nilamina niaraka tamin’ny apostoliny i Jesosy. Ny omalin’io, dia niteny mafy ampahibemaso ireo filoha ara-pivavahana izy, ary takany fa nitady hamono azy izy ireo. Noho izany, dia tsy niseho niharihary izy ny alarobia, satria tsy tiany hisy hanembantsembana ny fankalazany ny Paska niaraka tamin’ny apostoliny ny hariva nanaraka izay.

Nandritra izany fotoana izany, dia nivory teo an-kianjan’ny tranon’i Kaiafa mpisoronabe ireo lohan’ny mpisorona sy loholona. Nijalijaly noho ny famelezan’i Jesosy azy ny omalin’iny izy ireo ka nanao tetika hisamborana azy tamin-kafetsen-dratsy ary hampamonoana azy ho faty. Tsy nitsahatra nilaza toy izao anefa izy ireo: “Tsy amin’ny andro firavoravoana, fandrao hisy fikorontanam-be eo amin’ny olona.” Natahotra ny olona izay nankasitraka an’i Jesosy izy ireo.

Fony izy ireo niray tetika tamin-karatsiam-panahy hamono an’i Jesosy, dia naharay mpitsidika iray ireo filoha ara-pivavahana. Akory ny hagagany, fa ny iray tamin’ireo apostolin’i Jesosy izany, dia i Jodasy Iskariota, ilay nampidiran’i Satana ny sain-dratsy hamadika ny Tompony! Endrey ny hafaliany rehefa nanontany azy i Jodasy hoe: “Homenareo hoatrinona aho hanolorako azy aminareo?” Nanaiky tamin-kafaliana ny handoa sekely volafotsy 30 taminy izy ireo, izay vidin’andevo iray araka ny faneken’ny Lalàn’i Mosesy. Nanomboka tamin’izay, dia niandry kendry tohina i Jodasy mba hanolorana an’i Jesosy tamin’izy ireo, rehefa tsy nisy vahoaka nanodidina.

Nanomboka ny alarobia tamin’ny filentehan’ny masoandro ny 13 Nisana. Tonga avy tany Jeriko ny zoma talohan’io i Jesosy, noho izany dia io no alina fahenina sady farany nolaniny tao Betania. Ny ampitson’io, ny alakamisy, dia nisy fiomanana farany tsy maintsy natao ho an’ny Paska, izay hanomboka tamin’ny filentehan’ny masoandro. Tamin’izay no tsy maintsy novonoina sy natsatsika manontolo ny zanak’ondrin’ny Paska. Aiza no hanaovany ilay fankalazana, ary iza no hanao ireo fanomanana?

Mbola tsy nanome ireo tsipirian-javatra ireo i Jesosy, angamba mba tsy hampandrenesan’i Jodasy ireo lohan’ny mpisorona izay nety hisambotra azy nandritra ny fankalazana ny Paska. Izao anefa, azo inoana fa ny alakamisy, teo am-piandohan’ny tolakandro, dia naniraka an’i Petera sy i Jaona avy tany Betania i Jesosy tamin’ny filazana hoe: “Mandehana, ka omano ny Paska hohanintsika.”

“Aiza no tianao hanomananay azy?”, hoy izy ireo.

“Rehefa miditra ao an-tanàna ianareo”, hoy i Jesosy nanazava, “dia hisy lehilahy mitondra siny tany fitondrana rano hifanena aminareo. Manaraha azy ao amin’ny trano izay hidirany. Dia lazao amin’ny tompon-trano hoe: ‘Hoy ny Mpampianatra aminao hoe: “Aiza ny efitrano fandraisam-bahiny hiarahako mihinana ny Paska amin’ny mpianatro?’ ” Ary izany lehilahy izany hampiseho aminareo efitrano malalaka ambony rihana, izay efa misy fanaka. Omano ao izany.”

Tsy isalasalana fa mpianatr’i Jesosy ilay tompon-trano izay angamba efa nanampo ny fangatahan’i Jesosy hampiasa ny tranony ho amin’io fisehoan-javatra manokana io. Na ahoana na ahoana, rehefa tonga tany Jerosalema i Petera sy i Jaona, dia nahita ny zavatra rehetra araka izay nanambaran’i Jesosy azy mialoha. Noho izany dia nataon’izy roa lahy izay hahavonona ny zanak’ondry sy hahavita ny fandaminana hafa rehetra mba hanomezana izay ilain’ireo 13 hankalaza ny Paska, dia i Jesosy sy ny apostoliny 12. Matio 26:1-5, 14-19, MN; Marka 14:1, 2, 10-16, MN; Lioka 22:1-13, MN; Eksodosy 21:32.

▪ Inona no toa nataon’i Jesosy ny alarobia, ary nahoana?

▪ Fivoriana inona no natao tany an-tranon’ny mpisoronabe, ary noho ny antony inona no nitsidihan’i Jodasy ireo filoha ara-pivavahana?

▪ Iza no nirahin’i Jesosy ho any Jerosalema ny alakamisy, ary noho ny zava-nokendrena inona?

▪ Inona no hitan’ireo nirahina ireo ka mbola nampiseho indray ny hery hanao fahagagana nananan’i Jesosy?