Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aoka ianao ho vonona hatrany!

Aoka ianao ho vonona hatrany!

Toko 78

Aoka ianao ho vonona hatrany!

REHEFA avy nampitandrina ireo vahoaka ny amin’ny fitsiriritana sy nananatra ny mpianany momba ny fanomezana fiheverana tafahoatra ny zavatra ara-nofo i Jesosy dia nampahery azy ireo toy izao: “Aza matahotra, ry andian’ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.” Nampiharihary tamin’izany izy fa tsy hisy afa-tsy isa vitsy (fantatra ho 144 000 tatỳ aoriana) monja no ho ao amin’ny Fanjakana any an-danitra. Ny ankamaroan’ireo izay hahazo fiainana mandrakizay dia ho anisan’ny vahoakan’ilay Fanjakana eto an-tany.

Fanomezana mahagaga toy inona moa “ny fanjakana”! Nilazalaza ny amin’ny fihetsika mety tokony hananan’ny mpianatra rehefa handray azy io i Jesosy ka nampirisika azy ireo toy izao: “Amidio ny fanananareo, ka manaova fanomezana fanehoana famindrampo.” Eny tokoa, tokony hampiasa ny fananany sarobidy mba hahasoa ny hafa ara-panahy izy ireo ary amin’izany dia hanangona “harena any an-danitra tsy mety lany”.

Nanaraka izany, i Jesosy dia nananatra ny mpianany mba ho vonona hatrany ho amin’ny fiverenany. Hoy izy hoe: “Aoka hisikina ny valahanareo sy hirehitra ny jironareo, ary aoka ianareo ho tahaka ireo lehilahy miandry ny tompony miverina avy any amin’ny fampakaram-bady, hany ka, rehefa tonga sy mandondòna izy, dia hamoha azy avy hatrany. Sambatra ny mpanompo izay hitan’ny tompony miambina rehefa tonga izy! Milaza aminareo marina tokoa aho: Hisikina izy ka hanasa azy ireo handry ilika ho eo am-pisakafoana ary ho avy ka hitondra ny fanampiany ho azy ireo”.

Tao amin’io fanoharana io, ny naha-vonona ireo mpanompo ho amin’ny fiverenan’ny tompony dia nasehon’ny nanaingany ny akanjony lava sy ny nisikinany tamin’izany ary ny nanohizany nikarakara ny raharahany hatramin’ny alina be tamin’ny fahazavan’ny jiro nirehatra tsara. Nanazava toy izao i Jesosy: ‘Raha tonga amin’ny fiambenana faharoa amin’ny alina [nanomboka tamin’ny sivy alina teo ho eo ka hatramin’ny nisasakalina] ilay tompo, ary na dia amin’ny fiambenana fahatelo [nanomboka tamin’ny nisasakalina ka hatramin’ny telo maraina teo ho eo] aza, ka mahita azy ireo vonona, dia sambatra tokoa izy ireo!’

Namaly soa ireo mpanompony tamin’ny fomba tsy nahazatra ilay tompo. Nasainy handry ilika ho eo am-pisakafoana izy ireo ary nanomboka nanompo azy ireo izy. Tsy nitondra azy ireo ho toy ny mpanompo izy, fa ho toy ny sakaiza nahatoky. Valisoa tsara dia tsara toy inona moa izany noho ny nanohizany niasa ho an’ny tompony nandritra ny alina manontolo teo am-piandrasana ny fiverenany! Namarana ny teniny toy izao i Jesosy: “Ianareo koa, aoka ianareo ho vonona hatrany, satria amin’ny ora izay tsy ampoizinareo dia ho avy ny Zanak’olona.”

Tamin’izay i Petera dia nanontany hoe: “Tompo ô, milaza izany fanoharana izany ho anay ianao sa ho an’ny rehetra koa?”

Tsy namaly azy nivantana i Jesosy, fa nanome fanoharana hafa iray kosa. “Iza marina tokoa moa no mpitandrin-draharaha mahatoky”, hoy izy nanontany, “izay hotendren’ny tompony hifehy ny fitambaran’ireo mpanompony mba tsy hitsaharany hanome azy ny anjara haniny amin’ny fotoana mety? Sambatra izany mpanompo izany, raha hitan’ny tompony manao izany rehefa tonga izy! Lazaiko aminareo marina tokoa: Hanendry azy hifehy ireo fananany manontolo izy.”

Miharihary fa ny “tompo” dia i Jesosy Kristy. Ny “mpitandrin-draharaha” dia sary mampiseho ny “andian’ondry vitsy” misy ireo mpianatra raisina amin’ny fitambarany, ary ny ‘fitambaran’ireo mpanompo’ dia manondro io antokon’ireo 144 000, izay handray ny Fanjakana any an-danitra, io ihany, saingy mampisongadina ny asa ataon’ny isam-batan’olona ao aminy io fitenenana io. Ireo ‘fananana’ anendrena ilay mpitandrin-draharaha mahatoky hokarakarainy dia ireo tombontsoam-piandrianan’ilay tompo eto an-tany, anisan’izany ireo ho vahoakan’ilay Fanjakana eto an-tany.

Nanohy nilaza ilay fanoharana i Jesosy ary nanondro fa mety tsy hahatoky avokoa ny mpikambana rehetra ao amin’io kilasin’ny mpitandrin-draharaha, na mpanompo, io, tamin’ny fanazavana toy izao: “Raha toa ka manao anakampo izany mpanompo izany hoe: ‘Mitaredretra ny tompoko vao ho avy’, ka hanomboka hikapoka ireo mpanompolahy sy mpanompovavy, ary hihinana sy hisotro ka himamo, dia ho tonga amin’ny andro izay tsy hiandrasany azy (...) ny tompon’izany mpanompo izany, ary dia hanafay azy amin’ny fomba mafy indrindra.”

Nanamarika i Jesosy fa ny fiaviany dia nitondra toy ny firehetan’ny afo teo amin’ny Jiosy, satria nisy nanaiky ny fampianarany fa ny hafa kosa nanda izany. Telo taona mahery talohan’izay, dia natao batisa tao anaty rano izy, nefa izao dia nihananakaiky hatrany ny hanaovana batisa azy ao amin’ny fahafatesana, ary nilaza izany toy izao izy: “Ao anatin’ny fanaintainana aho mandra-pahatanterany!”

Rehefa avy nanao ireo fanamarihana ireo nivantana tamin’ny mpianany i Jesosy dia niresaka tamin’ny vahoaka indray. Nilaza ny alahelony izy noho ny fikirizan’izy ireo handa ny porofo mazava ny amin’ny hoe iza izy sy ny hevitr’izany. “Rehefa mahita rahona miposaka any andrefana ianareo”, hoy ny fanamarihana nataony, “avy hatrany ianareo dia milaza hoe: ‘Ho avy ny tafiodrivotra’, ary dia tonga tokoa izany. Ary rehefa misy rivotra avy any atsimo mitsoka, dia milaza ianareo hoe: ‘Hisy hafanam-be’, dia mitranga izany. Ry mpihatsaravelatsihy, hainareo ny mandinika ny fisehoana ivelan’ny tany sy ny lanitra, fa ahoana kosa no tsy ahaizanareo mandinika izao andro manokana izao?” Lioka 12:32-59, MN.

▪ Firy no mahaforona ny “andian’ondry vitsy”, ary inona no raisin’izy ireo?

▪ Ahoana no nampisongadinan’i Jesosy ny nilàn’ny mpanompony ny ho vonona?

▪ Tao amin’ny fanoharana nataon’i Jesosy, iza moa ny “tompo”, ny “mpitandrin-draharaha”, ny “fitambaran’ny mpanompony” ary ireo “fananana”?