Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy teo amin’i Pilato nankany amin’i Heroda ary tany amin’i Pilato indray

Avy teo amin’i Pilato nankany amin’i Heroda ary tany amin’i Pilato indray

Toko 122

Avy teo amin’i Pilato nankany amin’i Heroda ary tany amin’i Pilato indray

NA DIA tsy nanandrana nanafina tamin’i Pilato aza i Jesosy fa mpanjaka ny tenany, dia nanazava izy fa tsy hampidi-doza an’i Roma ny Fanjakany. “Ny fanjakako tsy anisan’izao tontolo izao”, hoy izy. “Raha toa ka anisan’izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin’ny Jiosy aho. Kanefa, araka ny tena izy, tsy avy amin’izany ny fanjakako.” Nanaiky intelo araka izany i Jesosy fa nanana Fanjakana izy, na dia tsy avy eto an-tany aza ny niavian’izy io.

Kanefa dia mbola nanery azy toy izao i Pilato: “Mpanjaka ve àry ianao?”, izany hoe, moa ve ianao mpanjaka na dia tsy anisan’izao tontolo izao aza ny Fanjakanao.

Nampahafantatra an’i Pilato i Jesosy fa marina ny fanatsoahan-kevitra nataony tamin’ny famaliana hoe: “Ianao ihany dia nilaza fa mpanjaka aho. Izao no nahaterahako, ary izao no niaviako amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra miandany amin’ny marina dia mihaino ny feoko.”

Eny, ny tena anton’ny fiainan’i Jesosy teto an-tany dia ny hanambara “ny marina”, indrindra fa ny marina momba ny Fanjakany. Vonona ny hitoetra ho mahatoky teo anatrehan’izany marina izany i Jesosy na dia hamoizany ny ainy aza izany. Na dia nanontany aza i Pilato hoe: “Inona no marina?”, dia tsy niandry fanazavana fanampiny izy. Efa ampy izay reny mba hamoahana ny fitsarany.

Niverina nankany amin’ny vahoaka izay niandry teny ivelan’ny lapa i Pilato. Niharihary fa teo anilany i Jesosy rehefa nilaza toy izao tamin’ny lohan’ny mpisorona sy ireo niaraka taminy izy: “Tsy hitako izay helok’ity lehilahy ity.”

Tezitra noho izany fanapahan-kevitra izany ireo vahoaka ka nanomboka nanizingizina hoe: “Nanakorontana ny olona izy tamin’ny fanaovana fampianarana eran’i Jodia rehetra, nanomboka hatrany Galilia ka hatratỳ.”

Tsy maintsy ho nahavariana an’i Pilato ny hafanam-po tafahoatra sady tsy nisy fisainana loatra nasehon’ireo Jiosy. Koa, raha nanohy nikiakiaka ny lohan’ny mpisorona mbamin’ny loholona, dia nitodika tany amin’i Jesosy i Pilato ary nanontany hoe: “Tsy renao ve izany zavatra maro iampangany anao izany?” Kanefa tsy nanandrana namaly akory i Jesosy. Nampitolagaga an’i Pilato ny fahatoniany teo anoloan’ireo fiampangana feno herisetra tsy voafehy.

Raha vao nahafantatra i Pilato fa Galiliana i Jesosy, dia nahita fomba hialana tamin’ny andraikitra momba azy izy. Tao Jerosalema noho ny Paska ny mpanapaka an’i Galilia, i Heroda Antipasy (zanakalahin’i Heroda Lehibe), koa nalefan’i Pilato tany aminy àry i Jesosy. Taloha kokoa, i Heroda Antipasy dia naniraka hanapaka ny lohan’i Jaona, ary natahotra izy izao rehefa nahare ny amin’ireo asa mahagaga nataon’i Jesosy satria nanahy izy sao dia i Jaona natsangana tamin’ny maty marina tokoa i Jesosy.

Izao dia diboky ny hafaliana i Heroda noho ny fanantenana ny hahita an’i Jesosy. Izany akory tsy noho izy niahy ny amin’izay hahasoa an’i Jesosy na koa hoe noho izy naniry hanao fiezahana tokoa mba hahafantatra raha marina na tsia ireo fiampangana natao tamin’i Jesosy. Tsia, fa liana ta hahalala fotsiny izy sady nanantena ny hahita an’i Jesosy hanao fahagagana.

Nanda anefa i Jesosy ny hanome fahafahampo ny fahalianan’i Heroda ta hahita zavatra. Raha ny tena izy, raha nanontany azy i Heroda, dia tsy niteny na dia indraim-bava akory aza izy. Diso fanantenana i Heroda sy ireo miaramilany ka nanao an’i Jesosy ho fihomehezana. Nampitafy azy akanjo namirapiratra izy ireo sady naneso azy. Avy eo dia namerina azy tany amin’i Pilato izy ireo. Ho vokatr’izany, dia tonga mpisakaiza i Heroda sy i Pilato, izay nifandrafy teo aloha.

Rehefa tafaverina i Jesosy, dia nasain’i Pilato novorina ny lohan’ny mpisorona sy ny mpanapaka jiosy ary ny olona ka hoy izy: “Nentinareo tatỳ amiko ity lehilahy ity toy ny nampiodina ny olona, ary, indro! nanadina azy teto anatrehanareo aho, nefa tsy nahita izay helok’ity lehilahy ity amin’izay iampanganareo azy. Raha ny tena izy, dia toy izany koa i Heroda, satria namerina azy ho atỳ amintsika izy; ary, indro! tsy nisy zavatra nataony izay tokony hahafaty azy. Noho izany, dia hofaizako izy, ary hafahako.”

Araka izany, dia nanambara indroa i Pilato fa tsy meloka i Jesosy. May ny hanafaka azy izy, satria fantany fa tsy nisy afa-tsy ny fialonana ihany no nanoloran’ireo mpisorona azy. Teo am-piezahana hanafaka an’i Jesosy i Pilato dia naharay antony iray mahery kokoa hanaovana izany. Nipetraka teo amin’ny seza fitsarana izy rehefa nandefa hafatra ny vadiny nampirisika azy toy izao: “Aza manana iraharahana amin’izany lehilahy marina izany ianao, fa nampahory ahy be ny nofiko [niharihary fa avy tamin’Andriamanitra] momba azy androany.”

Kanefa, amin’ny fomba ahoana no hahafahan’i Pilato hanafaka io lehilahy tsy meloka io, araka ny fantany fa tokony hataony? Jaona 18:36-38, MN; Lioka 23:4-16, MN; Matio 27:12-14, 18, 19, MN; Mt 14:1, 2; Marka 15:2-5, MN.

▪ Ahoana no namalian’i Jesosy ny fanontaniana momba ny naha-mpanjaka azy?

▪ Inona “ny marina” izay nandanian’i Jesosy ny fiainany teto an-tany ny fanambarana azy?

▪ Inona no fitsarana navoakan’i Pilato, nanao ahoana ny fihetsiky ny olona teo anoloan’izany, ary inona no nataon’i Pilato tamin’i Jesosy?

▪ Iza moa i Heroda Antipasy, nahoana izy no diboky ny hafaliana nahita an’i Jesosy, ary inona no nataony tamin’i Jesosy?

▪ Nahoana i Pilato no may ny hanafaka an’i Jesosy?