Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Bevohoka nefa tsy nanambady

Bevohoka nefa tsy nanambady

Toko 4

Bevohoka, nefa tsy nanambady

BEVOHOKA telo volana izao i Maria. Tadidinao angamba fa nandany ny tapany voalohany tamin’ny fotoana naha-bevohoka azy tamin’ny fitsidihana an’i Elizabeta izy, fa izao dia efa tafaverina tany an-tranony tany Nazareta izy. Tsy ho ela dia ho fantatry ny rehetra teo amin’ny tanàna nonenany ny toe-tenany. Tarehin-javatra nampahory tokoa no nisy azy io!

Ny naha-sarotra kokoa ilay tarehin-javatra dia izy efa fofombadin’i Josefa mpandrafitra. Ary fantatsika fa, teo ambanin’ny lalàn’Andriamanitra ho an’ny Isiraely, ny vehivavy iray efa fofombadin’ny lehilahy iray nefa nanaiky hanana firaisana tamin’olon-kafa dia tsy maintsy notoraham-bato ho faty. Ahoana no hanazavany ny naha-bevohoka azy tamin’i Josefa?

Koa satria telo volana izay no nahalasanan’i Maria, dia azontsika antoka fa tsy andrin’i Josefa izay hahitana azy indray. Rehefa nifankahita izy ireo, dia azo inoana fa avy hatrany dia nanambara ilay vaovao taminy i Maria. Tsy maintsy nanao araka izay farany azony natao izy mba hanazavana taminy fa noho ny asan’ny fanahy masin’Andriamanitra no naha-bevohoka azy. Kanefa, araka ny azonao alaina sary an-tsaina, dia tena sarotra tamin’i Josefa ny nino izany.

Fantatr’i Josefa ny laza tsaran’i Maria. Ary toa tena tia azy tokoa i Josefa. Kanefa, na dia teo aza izay rehetra nety ho nolazainy, dia toa tena bevohoka tamin’olon-kafa izy. Na dia izany aza, dia tsy tian’i Josefa ny hitoraham-bato azy ho faty na hahafa-baraka azy ampahibemaso. Nanapa-kevitra ny hisara-panambadiana taminy mangingina àry izy. Tamin’izany fotoana izany, ny mpifamofo dia noheverina ho toy ny mpivady, ka nilaina ny fisaraham-panambadiana mba hanapahana ny fifamafoana.

Tatỳ aoriana, raha mbola nandinika izany rehetra izany i Josefa, dia lasa natory. Niseho taminy tao amin’ny nofy ny anjelin’i Jehovah ka nilaza taminy hoe: “Aza matahotra haka an’i Maria vadinao ao an-tranonao, fa ny zaza ao an-kibony dia avy amin’ny fanahy masina. Hiteraka zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe Jesosy, fa hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany izy.”

Rehefa nifoha i Josefa, dia velom-pankasitrahana tokoa! Tsy niandry izy fa avy hatrany dia nanao izay nandidian’ilay anjely azy hataony. Naka an’i Maria vadiny ho ao an-tranony izy. Io fanaovan-javatra ampahibemaso io, raha ny tena izy, dia toy ny fankalazana fampakaram-bady, satria nampahafantatra ny rehetra fa mpivady ara-dalàna izao i Josefa sy i Maria. Tsy nanana firaisana tamin’i Maria anefa i Josefa raha mbola bevohoka an’i Jesosy i Maria.

Indro! Bevohoka be i Maria, nefa nampitaingenan’i Josefa ampondra. Ho aiza izy ireo? Nahoana no hiainga hanao dia izy ireo, kanefa efa nadiva hiteraka i Maria? Lioka 1:39-41, 56; Matio 1:18-25, MN; Deoteronomia 22:23, 24.

▪ Inona avy no tao an-tsain’i Josefa rehefa reny fa bevohoka i Maria, ary nahoana?

▪ Ahoana no ho nahafahan’i Josefa hisara-panambadiana tamin’i Maria kanefa mbola tsy mpivady akory izy?

▪ Fanaovan-javatra ampahibemaso inona no toy ny fankalazana ny fampakaram-badin’i Josefa sy i Maria?