Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Dia fitoriana hafa indray nanerana an’i Galilia

Dia fitoriana hafa indray nanerana an’i Galilia

Toko 49

Dia fitoriana hafa indray nanerana an’i Galilia

REHEFA avy nitory be dia be nandritra ny roa taona teo ho eo i Jesosy, moa ve hampihena ny asany amin’izay izy izao ka hampiadan-tena? Nifanohitra tamin’izany kosa, fa nampitombo ny asa fitoriany izy tamin’ny fanombohana dia hafa iray, dia ny dia fanintelony nanerana an’i Galilia. Nitsidika ny tanàn-dehibe sy ny tanàna kely rehetra teo amin’ilay faritany izy, nampianatra tao amin’ireo synagoga ary nitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Izay hitany tamin’io dia io dia vao mainka nampiaiky azy ny amin’ny nilàna hampitomboana ny asa fitoriana.

Na taiza na taiza nalehan’i Jesosy, dia nahita vahoaka nila fanasitranana ara-panahy sy fampiononana izy. Toy ny ondry tsy nisy mpiandry izy ireo, nambakaina sy natsipitsipy, hany ka onena azy ireo izy. Hoy izy tamin’ny mpianany: “Eny, be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy. Noho izany, dia mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra mba handefasany mpiasa hamory ny vokatra.”

Nanana tetik’asa iray i Jesosy. Niantso ny apostoliny 12 izy, izay nofidiny efa ho herintaona izao. Nakambany handeha tsiroaroa avy izy ireo, mba hahaforona andiana mpitory enina, ary nomeny toromarika. Hoy ny fanazavany: “Aza mandeha any amin’ny lalan’ireo firenena, ary aza miditra amin’izay tanàna samaritana; fa mandehana hatrany kosa any amin’ireo ondry verin’ny tranon’ny Isiraely. Ary raha mandeha ianareo, dia mitoria hoe: ‘Efa nanakaiky ny fanjakan’ny lanitra’.”

Izany Fanjakana tokony hotoriny izany dia ilay nampianarin’i Jesosy azy mba hivavahany tao amin’ilay vavaka fakan-tahaka. Efa nanakaiky ilay Fanjakana satria teo ilay Mpanjaka notendren’Andriamanitra, dia i Jesosy Kristy. Mba hanolorana “taratasy fanamarinana” fa solontenan’izany fitondram-panjakana mahery noho ny an’ny olombelona izany ireo mpianany, dia nanome azy ireo fahefana hanasitrana ny marary ary hanangana ny maty mihitsy aza i Jesosy. Nandidy azy ireo mba hanao ireo asa ireo maimaimpoana izy.

Nanaraka izany izy dia nilaza tamin’ireo mpianany mba tsy hanao fanomanana teo amin’ny lafiny ara-nofo ho an’io dia fitoriana io. “Aza mitady volamena, na volafotsy, na varahina ho ao anatin’ny fehin-kibonareo, na kitapom-batsy ho amin’ny dia hataonareo, na akanjo anatiny roa, na kapa na tehina; fa ny mpiasa dia mendrika hahazo ny haniny.” Ireo izay nankasitraka ilay hafatra dia hanao zavatra nifanaraka tamin’izany ka hanome azy ireo sakafo sy toerana hipetrahana. Nilaza izany toy izao i Jesosy: “Izay tanàn-dehibe na tanàna kely hidiranareo, dia tadiavo izay mendrika ao, ka mitoera ao aminy mandra-pialanareo.”

Avy eo i Jesosy dia nanome toromarika ny amin’ny fomba hanatonana ny tompontrano tamin’ny alalan’ny hafatra momba ilay Fanjakana. “Raha vao miditra ao amin’ny trano ianareo”, hoy ny toromariny, “dia arahabao ilay ankohonana; ary raha mendrika ny ao an-trano, dia aoka ho ao aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy mendrika kosa izy, dia aoka hiverina aminareo ny fiadanana avy aminareo. Na aiza na aiza misy tsy mampandroso anareo na tsy mihaino ny teninareo, raha miala amin’izany trano na tanàna izany ianareo, dia ahintsano ny vovoka amin’ny tongotrareo.”

Momba ny tanàna izay nanda ny hafatr’izy ireo, dia nanambara i Jesosy fa ho mafy tokoa ny fitsarana hanjo azy. Hoy ny fanazavany: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa ho moramora kokoa ny ho amin’ny tanin’i Sodoma sy i Gomora amin’ny Andro Fitsarana noho ny ho amin’izany tanàna izany.” Matio 9:35–10:15, MN; Marka 6:6-12, MN; Lioka 9:1-5, MN.

▪ Oviana i Jesosy no nanomboka ny dia fitoriana fahatelo nataony nanerana an’i Galilia, ary nampiaiky azy ny amin’ny inona izany?

▪ Rehefa nandefa ny apostoliny 12 hitory izy, dia inona avy no toromarika nomeny azy ireo?

▪ Nahoana no nety ny nampianaran’ireo mpianatra fa efa nanakaiky ilay Fanjakana?