Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Dia nangingina nankany Jerosalema

Dia nangingina nankany Jerosalema

Toko 65

Dia nangingina nankany Jerosalema

FARARANO taona 32 am.fan.ir. izao, ary akaiky ny Andro Firavoravoana ny amin’ny Tabernakely. Nampifantoka ny ankabeazan’ny asany tao Galilia i Jesosy nanomboka tamin’ny Paska taona 31 am.fan.ir., rehefa nanandrana ny hamono azy ny Jiosy. Azo inoana fa hatramin’io i Jesosy dia tsy nitsidika an’i Jerosalema raha tsy mba hanatrehana ireo andro firavoravoana telo nankalazain’ny Jiosy isan-taona.

Nampirisika an’i Jesosy izao ny rahalahiny ka nanao hoe: “Avy eto ianao dia mandehana ho any Jodia.” Ny tanàna lehibe indrindra tany Jodia i Jerosalema sady ny foibe ara-pivavahan’ilay tany manontolo. Nanjohy hevitra toy izao ireo rahalahiny: “Tsy misy manao zavatra mangingina sady mitady ny ho fantatra ampahibemaso.”

Na dia tsy nino aza ry Jakoba, Simona, Josefa ary Jodasy fa tena ny Mesia tokoa i Jesosy zokiny lahy, dia tian’izy ireo ny hampisehoany ny heriny hanao fahagagana tamin’ireo rehetra ho tafangona tao amin’ilay andro firavoravoana. Tsapan’i Jesosy anefa ilay loza. “Tsy manana antony hankahalana anareo izao tontolo izao”, hoy izy, “fa mankahala ahy kosa izy, satria manambara aho fa ratsy ny asany.” Nilaza tamin’ny rahalahiny àry i Jesosy hoe: “Miakara ho any amin’ny andro firavoravoana ianareo; izaho mbola tsy hiakatra ho any amin’ity andro firavoravoana ity.”

Fankalazana naharitra hafitoana ny Andro Firavoravoana ny amin’ny Tabernakely. Tamin’ny andro fahavalo dia nofaranana tamin’ny fanaovan-javatra nalaza izy io. Nanamarika ny faran’ny taom-pambolena io andro firavoravoana io, sady fotoam-pifaliana sy fisaorana lehibe. Andro maromaro taorian’ny nandehanan’ireo rahalahin’i Jesosy mba hanatrika izany niaraka tamin’ny ankamaroan’ireo mpandeha, dia nandeha nangingina izy sy ny mpianany, ka nanao izay tsy hahitan’ny olona azy. Nanaraka ny lalana namakivaky an’i Samaria izy ireo, fa tsy ilay teo akaikin’ny onin’i Jordana narahin’ny ankabeazan’ny olona.

Koa satria ho nila toerana hilasiana tao amin’ny tanàna kely samaritana i Jesosy sy ireo niaraka taminy, dia naniraka mpitondra hafatra nialoha azy izy mba hanomana izany. Nanda ny hanao zavatra na inona na inona ho an’i Jesosy anefa ny olona rehefa fantany fa ho any Jerosalema izy. Tezitra i Jakoba sy i Jaona ka nanontany hoe: “Tompo ô, tianao ve raha hiteny izahay mba hisy afo hilatsaka avy any an-danitra ka hanafoana azy?” Niteny mafy azy ireo i Jesosy noho izy nanipy hevitra ny hanao zavatra toy izany, ary nanohy ny dia ho any amin’ny tanàna kely hafa iray izy ireo.

Teny an-dalana, dia nisy mpanora-dalàna niteny tamin’i Jesosy hoe: “Mpampianatra ô, hanaraka anao aho na aiza na aiza halehanao.”

“Ny fosa manan-davaka ary ny voromanidina manana fialofana”, hoy ny navalin’i Jesosy, “fa ny Zanak’olona kosa tsy manana izay hametrahana ny lohany.” Nanazava i Jesosy fa tsy maintsy hiaritra zava-tsarotra io mpanora-dalàna io raha tonga mpanara-dia azy. Ary toa ny tiany holazaina tamin’izany dia hoe niavonavona loatra ilay mpanora-dalàna ka tsy hanaiky izany karazam-piainana izany.

Tamin’ny lehilahy hafa iray, dia hoy i Jesosy hoe: “Tongava mpanara-dia ahy.”

“Avelao aho aloha handeha handevina ny raiko”, hoy ny navalin’ilay lehilahy.

“Aoka ny maty handevina ny maty ao aminy”, hoy i Jesosy namaly azy, “fa ianao kosa mandehana ka mitoria ny fanjakan’Andriamanitra.” Niharihary fa mbola tsy maty ny rain’io lehilahy io, satria, raha izany no izy, dia azo inoana fa tsy ho nihaino an’i Jesosy teo io zanany lahy io. Toa nangataka fotoana mba hiandrasana ny hahafatesan’ny rainy izy. Tsy vonona ny hametraka ny Fanjakan’Andriamanitra teo amin’ny toerana voalohany teo amin’ny fiainany izy.

Teo am-panohizan’izy ireo ny diany nankany Jerosalema, dia nilaza tamin’i Jesosy ny lehilahy hafa iray koa hoe: “Hanaraka anao aho, Tompo ô; fa avelao aho aloha hanao veloma ny ao an-tranoko.”

Ho valiny, dia hoy i Jesosy: “Tsy misy olona mitana ny fangady tarihina ary miherika hijery ny zavatra ao aoriany ka ho mendrika ny fanjakan’Andriamanitra.” Izay maniry ho tonga mpianatr’i Jesosy dia tsy maintsy mampifantoka ny masony amin’ny fanompoana ilay Fanjakana. Toy ny soribainga eny amin’ny tanimbary izay hanjary hiolakolaka raha mitsahatra tsy mijery mahitsy eo anoloany ny mpamboly iray, dia toy izany koa, izay rehetra hiherika hijery ity fandehan-javatra tranainy ity dia mety hiala mora foana amin’ny lalana mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay. Jaona 7:2-10, MN; Lioka 9:51-62, MN; Matio 8:19-22, MN.

▪ Iza avy moa no rahalahin’i Jesosy, ary ahoana no fihevitr’izy ireo momba azy?

▪ Nahoana no tsy nahalala fomba aoka izany ireo Samaritana, ary inona no tian’i Jakoba sy i Jaona hatao?

▪ Resaka inona avy no nifanaovan’i Jesosy tamin’ny olona telo samy hafa teny an-dalana, ary ahoana no nanasongadinany ny nilàna hanao fanompoana feno fahafoizan-tena?