Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Eo an-tanana ankavanan’Andriamanitra

Eo an-tanana ankavanan’Andriamanitra

Toko 132

Eo an-tanana ankavanan’Andriamanitra

NY NANDATSAHANA ny fanahy masina tamin’ny Pentekosta dia porofo fa tafaverina tany an-danitra i Jesosy. Ilay fahitana nomeny an’i Stefana mpianatra, fotoana fohy tatỳ aoriana, dia nanaporofo koa fa tonga any Izy. Taloha kelin’ny nitoraham-bato azy noho ny fanaovany fanambarana tamim-pahatokiana, dia nihiaka i Stefana hoe: “Indro! Hitako ny lanitra misokatra ary ny Zanak’olona mitsangana eo an-tanana ankavanan’Andriamanitra.”

Teo an-tanana ankavanan’Andriamanitra i Jesosy niandry ny baiko avy any amin’ny Rainy manao hoe: “Andeha manapaka eo afovoan’ireo fahavalonao.” Mandra-pahatongan’izany anefa, mandra-panaovany zavatra hanoherana ireo fahavalony, dia inona no nataon’i Jesosy? Nanapaka, na nanjaka, teo amin’ireo mpianany voahosotra izy, ka nitarika azy ireo teo amin’ny asa fitoriana ary nanomana azy ireo ho tonga mpiara-manjaka aminy ao amin’ny Fanjakan’ny Rainy amin’ny fitsanganana amin’ny maty.

Ohatra, nifidy an’i Saoly (izay fantatra tsara kokoa tatỳ aoriana tamin’ny anarany romana hoe Paoly) izy mba hanokatra ny asa fanaovana mpianatra tany amin’ny tany hafa. Nazoto ho an’ny Lalàn’Andriamanitra i Saoly, nefa notarihin’ireo mpitondra fivavahana jiosy tamin’ny fomba diso. Ho vokatr’izany, dia tsy nankasitraka ny famonoana an’i Stefana fotsiny i Saoly fa nankany Damaskosy koa, nitondra taratasy avy tany amin’i Kaiafa mpisoronabe nanome lalana azy hitondra izay lehilahy sy vehivavy rehetra hitany fa mpanara-dia an’i Jesosy ho any Jerosalema ho toy ny mpifatotra. Kanefa, raha teny an-dalana i Saoly, dia nisy hazavana be nanelatrelatra tampoka nanodidina azy ary lavo tamin’ny tany izy.

“Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika ahy?”, hoy ny feo iray avy tany amin’ny faritra tsy hitany maso. “Iza moa ianao, Tompo ô?”, hoy i Saoly nanontany.

“Izaho no Jesosy izay enjehinao”, hoy ny valiny azony.

Nasain’i Jesosy hiditra tany Damaskosy sy hiandry toromarika tany i Saoly, izay nanjary jamba noho ilay hazavana niseho tamin’ny alalan’ny fahagagana. Avy eo i Jesosy dia niseho tamin’i Ananiasy, iray tamin’ireo mpianany, tamin’ny fahitana. Momba an’i Saoly, dia hoy i Jesosy tamin’i Ananiasy: “Fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo anatrehan’ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny zanak’Isiraely.”

Noho ny fanohanan’i Jesosy, dia nahazo vokatra tsara nahatalanjona teo amin’ny asa fitoriana sy fampianarana nataony tokoa i Saoly (fantatra amin’ny anarana hoe Paoly izao) sy ireo mpitory ny filazantsara hafa. Raha ny marina, 25 taona teo ho eo taorian’ny nisehoan’i Jesosy taminy teny amin’ny lalana nankany Damaskosy, i Paoly dia nanoratra fa ny “vaovao tsara” dia efa “notorina tamin’ny zavatra noforonina rehetra ambanin’ny lanitra.”

Rehefa afaka taona maromaro kokoa, dia nanome fahitana nifampitohitohy an’i Jaona, ilay apostoly malalany, i Jesosy. Tamin’ny alalan’ireny fahitana ireny, izay nolazalazain’i Jaona ao amin’ny Apokalypsy, boky ao amin’ny Baiboly, raha ny marina, izy dia niaina mba hahita ny fiverenan’i Jesosy nahazo ny fahefana ao amin’ilay Fanjakana. Nilaza i Jaona fa “nahazo tsindrimandry” ny tenany ka nentina hiroso ho amin’ny fotoana nisy “ny andron’ny Tompo”. Inona izany “andro” izany?

Ny fianarana amim-pitandremana ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly, anisan’izany ny faminaniana nomen’ny tenan’i Jesosy momba ny andro farany, dia mampiharihary fa nanomboka tamin’ny 1914, taona nanan-tantara, ny “andron’ny Tompo”! Tamin’ny 1914 àry i Jesosy no niverina tsy hita maso, tsy nisy fitsofana mozika be ampahibemaso ary tsy nisy afa-tsy ireo mpanompony mahatoky nahafantatra mazava ny amin’ny fiverenany. Tamin’io taona io i Jehovah dia nanome an’i Jesosy ilay baiko handeha hanapaka eo afovoan’ireo fahavalony!

Nankatò ny didin’ny Rainy i Jesosy, ka nanadio ny lanitra tamin’ny fisian’i Satana sy ireo demoniany tamin’ny fanipazana azy ireo ho etỳ an-tany. Rehefa avy nahita ny fitrangan’izany tamin’ny fahitana i Jaona dia nahare feo avy tany an-danitra nanambara hoe: “Ankehitriny dia tonga ny famonjena sy ny hery sy ny fanjakan’Andriamanitsika, ary ny fahefan’ny Kristiny!” Eny, tamin’ny 1914 i Kristy dia nanomboka nanapaka tamin’ny naha-Mpanjaka!

Vaovao tsara toy inona moa izany ho an’ireo mpanompon’i Jehovah any an-danitra! Nampirisihina toy izao izy ireo: “Mifalia, ry lanitra sy ianareo izay monina ao aminy!” Hanao ahoana anefa ny toe-piainana ho an’ireo izay eto an-tany? “Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina”, hoy ny nanampin’ilay feo avy any an-danitra, “fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa vanim-potoana fohy sisa ny androny.”

Ao anatin’izany vanim-potoana fohy izany isika amin’izao andro izao. Asehon’ny olona ankehitriny raha mahafeno fepetra hiditra ao amin’ny fandehan-javatra vaovaon’Andriamanitra izy ireo na hiharan’ny fandringanana. Ny marina dia hoe tapahina amin’izao fotoana izao ny hoavinao manokana arakaraka ny fihetsikao eo anoloan’ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra izay torina maneran-tany eo ambany fitarihan’i Kristy.

Hiasa amin’ny maha-irak’Andriamanitra azy i Jesosy Kristy aorian’izay, ka hanala avy eto an-tany ny fandehan-javatr’i Satana manontolo sy izay rehetra manohana azy io. Hanatanteraka io fanesorana ny faharatsiana rehetra io i Jesosy ao amin’ilay ady antsoin’ny Baiboly hoe Hara-magedona, na Armagedona. Aorian’izany, i Jesosy, ilay Persona miavaka indrindra eo amin’izao rehetra izao manarakaraka an’i Jehovah Andriamanitra avy hatrany, dia hisambotra an’i Satana sy ireo demoniany ary hamatotra azy ireo mandritra ny arivo taona ao amin’ny “lavaka tsy hita noanoa” iray, izany hoe ao amin’ny tsy fahafahana manao zavatra toy ny amin’ny fahafatesana. Asan’ny apostoly As 7:55-60, MN; As 8:1-3, MN; As 9:1-19, MN; As 16:6-10, MN; Salamo 110:1, 2, MN; Hebreo 10:12, 13; 1 Petera 3:22; Lioka 22:28-30; Kolosiana 1:13, 23, MN; Apokalypsy 1:1, 10, MN; Ap 12:7-12, MN; Ap 16:14-16; Ap 20:1-3; Matio 24:14, MN.

▪ Rehefa avy niakatra ho any an-danitra i Jesosy, dia taiza no nisy azy, ary inona no nandrasany?

▪ Teo amin’iza i Jesosy no nanapaka taorian’ny niakarany ho any an-danitra, ary ahoana no nihariharian’ny fanapahany?

▪ Oviana no nanomboka “ny andron’ny Tompo”, ary inona no nitranga teo am-piandohany?

▪ Inona no fiantraikan’ny asa fitoriana atao amin’izao andro izao eo amin’ny tsirairay avy amintsika?

▪ Rehefa vita io asa fitoriana io, dia zava-miseho inona avy no hanaraka azy?