Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fadiranovana mafy tao amin’ny zaridaina

Fadiranovana mafy tao amin’ny zaridaina

Toko 117

Fadiranovana mafy tao amin’ny zaridaina

REHEFA vita ny vavaka nataon’i Jesosy, dia nihira fiderana ho an’i Jehovah izy sy ireo apostoliny nahatoky 11. Avy eo izy ireo dia nidina avy tao amin’ilay efitrano ambony rihana ka nivoaka ho ao amin’ny alina mangatsiatsiaka, ary niverina namakivaky ny Lohasaha Kidrona ho any Betania. Teny an-dalana anefa izy ireo dia nijanona teo amin’ny toerana iray tiany indrindra, dia ny zaridainan’i Getsemane. Teo amin’ny Tendrombohitra Oliva na teo akaikiny no nisy azy io. Nihaona tamin’ny mpianany matetika teto teo amin’ireo hazo oliva i Jesosy.

Namela ny valo tamin’ireo apostoly — angamba teo amin’ny fidiran’ilay zaridaina — izy ary nanome izao toromarika izao azy ireo: “Mipetraha eto, fa hankarỳ aho mba hivavaka.” Avy eo dia nitondra ireo telo ambiny — i Petera sy i Jakoba ary i Jaona — izy, ary niditra tao amin’ilay zaridaina. Nanjary nalahelo sy nitebiteby mafy i Jesosy. “Malahelo aoka izany ny fanahiko [âme], toy ny efa ho faty mihitsy”, hoy izy tamin’izy ireo. “Mijanòna eto, ka miaraha miambina amiko.”

Nandroso kelikely i Jesosy ary nianjera tamin’ny tany ka niankohoka sady nanomboka nivavaka tamin-kafanam-po lehibe hoe: “Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity. Kanefa, aoka tsy ho araka izay tiako, fa ho araka izay tianao.” Inona no tiany holazaina tamin’izany? Nahoana izy no “nalahelo aoka izany, toy ny efa ho faty mihitsy”? Moa ve izy tamin’izany nivadika tamin’ny fanapahan-keviny ny ho faty ka hanome avotra?

Tsy izany velively! Tsy nitalaho mba hanesorana ny fahafatesana taminy akory i Jesosy. Na dia ny fieritreretana ny handositra ny fahafatesana ho sorona, nanoroan’i Petera hevitra azy indray mandeha, aza dia naharikoriko azy. Fadiranovana mafy kosa izy satria natahotra sao hanome tsiny ny anaran-dRainy ny fomba hahafatesany tsy ho ela — toy ny mpanao heloka bevava tsy mendrika. Tsapany izao fa rehefa afaka ora vitsivitsy dia hohomboana eo amin’ny hazo toy ny karazan’olona ratsy indrindra — mpiteny ratsy an’Andriamanitra — izy! Izany no tena nampitebiteby azy mafy.

Rehefa avy nivavaka lava i Jesosy dia niverina ka nahita fa natory ireo apostoly telo mirahalahy. Niresaka tamin’i Petera izy ary nanao hoe: “Tsy afaka niara-niambina tamiko adiny iray akory ve ianareo? Aza mitsahatra ny miambina ary mivavaha hatrany, mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy.” Niaiky anefa izy fa niharan’ny fahaterena mafy izy ireo sady efa nandroso ny ora ka hoy izy hoe: “Mazava ho azy fa maniry mafy ny fanahy [esprit], fa ny nofo no malemy.”

Avy eo dia niala teo fanindroany i Jesosy ary nangataka ny hanesoran’Andriamanitra taminy “ity kapoaka ity”, izany hoe ny anjara asa nanendren’i Jehovah azy hataony, na ny sitrapony momba azy. Rehefa niverina izy, dia nahita azy telo mirahalahy natory indray tamin’ny fotoana tokony ho nivavahany mba tsy hidirany amin’ny fakam-panahy. Rehefa niresaka taminy i Jesosy, dia tsy hitan’izy ireo izay havaly azy.

Farany, fanintelony, dia nihataka tokony ho indray mitora-bato i Jesosy, ka nandohalika ary nivavaka tamin’ny fitarainana mafy sy ranomaso nanao hoe: “Ray ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity.” Nahatsapa fanaintainana mafy i Jesosy noho ny tsiny hoentin’ny fahafatesany toy ny mpanao heloka bevava amin’ny anaran-dRainy. Eny, nila ho mafy loatra ka tsy ho zaka izany hoe nampangaina ho mpiteny ratsy an’Andriamanitra, ho manozona azy!

Na dia izany aza anefa, dia nanohy nivavaka toy izao i Jesosy: “Aoka tsy izay tiako, fa izay tianao.” Nanaiky tamim-pankatoavana ny sitrapon’Andriamanitra i Jesosy. Tamin’izay, dia nisy anjely avy tany an-danitra niseho ka nampahery azy tamin’ny alalan’ny teny feno fampirisihana. Azo inoana fa nolazain’ilay anjely tamin’i Jesosy fa nahazo ny tsikim-pankasitrahan-dRainy izy.

Kanefa, enta-mavesatra re izany teo amin’ny sorok’i Jesosy izany! Ny fiainana mandrakizay ho an’ny tenany sy ho an’ny taranak’olombelona manontolo no mbola tsy azo antoka. Goavana ilay fanerena ara-pihetseham-po. Nanohy nivavaka tamin-kafanam-po lehibe kokoa ihany àry i Jesosy, ary ny hatsembohany, teo am-pianjerana tamin’ny tany, dia nanjary tahaka ny ra. “Na dia zava-mitranga mahalana dia mahalana aza izany”, hoy ny fanamarihan’ny The Journal of the American Medical Association (Ny Gazetin’ny Fikambanan’ny mpitsabo amerikana), “ny hatsembohana ra (. . .) dia mety hiseho ao anatin’ny fihetseham-po mafy dia mafy.”

Taorian’izay, i Jesosy dia niverina fanintelony teo amin’ireo apostoliny, ary teo indray koa dia nahita azy ireo natory izy. Reraky ny alahelo tsotra izao izy ireo. “Amin’ny fotoana toy izao ianareo dia matory sady miala sasatra!”, hoy ny fihiakany. “Aoka izay! Efa tonga ny ora! Indro! Nisy namadika ny Zanak’olona ho eo an-tanan’ny mpanota. Mitsangàna, andao handeha. Indro! Efa akaiky ilay mpamadika ahy.”

Raha mbola niteny izany izy, dia nanatona i Jodasy Iskariota, niaraka tamina vahoaka maro be nitondra fanilo sy fanala ary fiadiana. Matio 26:30, 36-47, MN; Mt 16:21-23; Marka 14:26, 32-43, MN; Lioka 22:39-47, MN; Jaona 18:1-3, MN; Hebreo 5:7, MN.

▪ Rehefa avy nandao ilay efitrano ambony rihana izy, dia nitondra ireo apostoliny taiza i Jesosy, ary inona no nataony tany?

▪ Nandritra ny fotoana nivavahan’i Jesosy, dia inona no nataon’ireo apostoly?

▪ Nahoana i Jesosy no fadiranovana mafy, ary fangatahana inona no nataony tamin’Andriamanitra?

▪ Inona no nasehon’ny hatsembohan’i Jesosy nanjary tahaka ny ra?