Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fadiranovana mafy teo amin’ny hazo fijaliana

Fadiranovana mafy teo amin’ny hazo fijaliana

Toko 125

Fadiranovana mafy teo amin’ny hazo fijaliana

NIARAKA tamin’i Jesosy, dia nisy jiolahy roa nentina hovonoina. Tsy lavitra ny tanàna, ilay filaharana dia nijanona teo amin’ny tany nantsoina hoe Golgota, na Ikarandoha.

Nesorina ny fitafian’ireo mpigadra. Avy eo dia nomena divay niharo miora izy ireo. Toa namboarin’ireo vehivavy tao Jerosalema izy io, ary tsy nandrara an’io ranon-javatra tsy nampandre fanaintainana io ho an’ireo nohomboana ny Romana. Tsy nety nisotro azy io anefa i Jesosy rehefa avy nanandrana azy. Nahoana? Niharihary fa naniry ny ho tompon’ny tenany tanteraka izy nandritra io fitsapana tampony ny finoany io.

Nampandriana nitsotra teo amin’ilay hazo i Jesosy izao, ny tanany natao teo ambonimbony kokoa noho ny lohany. Avy eo, dia nikapoka fantsika ngezabe hilentika tao amin’ny tanany sy ny tongony ireo miaramila. Niolanolana tamim-panaintainana izy arakaraka ny nitrobahan’ireo fantsika tamin’ny nofony sy ny hozany. Rehefa natsangana ilay hazo, dia tsy nisy toy izany ny fanaintainana, satria nandrovitra ny ratra teo amin’ny nisy ny fantsika ny lanjan’ny vatany. Kanefa, tsy nandrahona i Jesosy fa nivavaka ho an’ireo miaramila romana kosa hoe: “Ray ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony.”

Nametaka soratra teo amin’ilay hazo i Pilato nanao hoe: “Jesosy avy any Nazareta, Mpanjakan’ny Jiosy.” Toa nanoratra izany izy tsy hoe satria fotsiny nanaja an’i Jesosy, fa satria izy nankahala ireo mpisorona jiosy izay nanery azy mba hahazoana ny fanamelohana an’i Jesosy ho faty. Koa mba hahafahan’ny rehetra hamaky ilay soratra, dia nampanoratra azy io tamin’ny fiteny telo i Pilato: tamin’ny fiteny hebreo sy tamin’ny fiteny latina ôfisialy ary tamin’ny fiteny grika niombonana.

Kivy ratsy ny lohan’ny mpisorona, anisan’izany i Kaiafa sy i Anasy. Nanimba ny fifaliam-pandresena azon’izy ireo io fanambarana tsara momba an’i Jesosy io. Noho izany, dia nanohitra toy izao izy ireo: “Aza soratana hoe: ‘Mpanjakan’ny Jiosy’, fa hoe nilaza izy hoe: ‘Mpanjakan’ny Jiosy aho’.” Nampiseho ny tsy faharetany noho izy nampiasain’ireo mpisorona toy ny kilalao i Pilato ka namaly tamim-panamavoana hentitra hoe: “Izay voasoratro dia voasoratro.”

Nitangorona teo amin’ilay toeram-pamonoana niaraka tamin’ny vahoaka maro be izao ireo mpisorona, ary nanandrana nandiso ilay fanambarana teo amin’ilay soratra. Namerina indray ilay fanambarana lainga natao teo aloha teo anatrehan’ny fitsaran’ny Synedriona izy ireo. Noho izany dia tsy nahagaga raha nanomboka niteny ratsy azy sady nihifikifi-doha tamim-panarabiana ny mpandalo ka nanao hoe: “Ry ilay mpandrava ny tempoly sy mpanangana azy ao anatin’ny hateloana, vonjeo ny tenanao! Raha Zanak’Andriamanitra ianao, midìna hiala amin’ny hazo fijaliana.”

“Namonjy ny hafa izy, fa tsy afaka mamonjy ny tenany!”, hoy ny lohan’ny mpisorona sy ireo sakaizany ara-pivavahana nanamafy izany. “Mpanjakan’ny Isiraely izy; aoka hidina hiala amin’ny hazo fijaliana izy ankehitriny, dia hino azy izahay. Natoky an’Andriamanitra izy, aoka Izy hamonjy azy ankehitriny, raha maniry azy, satria hoy izy: ‘Zanak’Andriamanitra aho’.”

Voatarik’izany toe-tsaina izany koa ireo miaramila ka nanao an’i Jesosy ho fihomehezana koa. Nanome azy vinaingitra tamim-panarabiana izy ireo, angamba tamin’ny fihazonana azy io teo akaikin’ny molony maina mihitsy. “Raha mpanjakan’ny Jiosy ianao”, hoy ny fanakianana feno eso nataon’izy ireo, “dia vonjeo ny tenanao”. Na dia ireo jiolahy aza — ny iray nohomboana teo amin’ny havanan’i Jesosy, ary ny iray teo amin’ny haviany — dia nanaraby azy. Eritrereto ange! Ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany, eny, ilay nandray anjara niaraka tamin’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny famoronana ny zava-drehetra, dia niaritra tamim-pahatapahan-kevitra ireo fitondrana ratsy rehetra ireo!

Naka ny akanjony ivelany ireo miaramila ka nizara izany ho tapany efatra. Nanao filokana izy ireo mba hahitana hoe ho lasan’iza izany. Ny akanjony anatiny anefa, dia tsy nisy vitrana, ary ambony vidy kokoa. Nifampiresaka toy izao àry ireo miaramila: “Aoka tsy hotriarintsika izy io, fa aoka hilokantsika ho an’izay hahazo azy”. Araka izany, tsy fantatr’izy ireo akory fa nanatanteraka ilay teny ao amin’ny Soratra masina manao hoe: “Nozarainy ny akanjoko ivelany, ary nilokany ny fitafiako”, izy ireo.

Tamin’ny farany, dia nanjary nahatakatra ny iray tamin’ireo jiolahy fa tsy maintsy ho mpanjaka marina tokoa i Jesosy. Noho izany, dia niteny mafy ilay namany izy ka nanao hoe: “Tsy matahotra an’Andriamanitra mihitsy ve ianao, na dia izao ianao iharan’ny fanamelohana izao koa aza? Ary marina ny anamelohana antsika, satria mandray amin’ny fomba feno ny valin’ny nataontsika isika; fa io lehilahy io kosa tsy mbola nanao zavatra tsy mety na dia kely akory aza.” Avy eo, dia nitodika tany amin’i Jesosy izy ka nitalaho taminy hoe: “Tsarovy aho, rehefa tafiditra ao amin’ny fanjakanao ianao.”

“Lazaiko aminao marina tokoa anio”, hoy ny navalin’i Jesosy, “Hiaraka amiko ao amin’ny Paradisa ianao.” Ho tanteraka io faminaniana io rehefa hanapaka amin’ny maha-Mpanjaka any an-danitra i Jesosy ka hanangana io mpanao ratsy nibebaka io ho amin’ny fiainana eto an-tany, ao amin’ilay Paradisa izay ho tombontsoan’ireo ho tafita velona amin’ny Haramagedona sy ireo namany ny hamboly azy. Matio 27:33-44, MN; Marka 15:22-32, MN; Lioka 23:27, 32-43, MN; Jaona 19:17-24, MN.

▪ Nahoana i Jesosy no tsy nety nisotro ilay divay niharo miora?

▪ Inona no toa antony nametahana soratra teo amin’ny hazo fijalian’i Jesosy, ary nitarika fifamaliana inona teo amin’i Pilato sy ny lohan’ny mpisorona izany?

▪ Fitondrana ratsy fanampiny inona no nampiharina tamin’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana, ary inona no niharihary fa niteraka azy io?

▪ Ahoana no nahatanterahan’ny faminaniana tamin’izay natao tamin’ny fitafian’i Jesosy?

▪ Fiovana inona no nataon’ny iray tamin’ireo jiolahy, ary ahoana no hanatanterahan’i Jesosy ny fangatahany?