Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fahagagana faharoa tany Kana

Fahagagana faharoa tany Kana

Toko 20

Fahagagana faharoa tany Kana

REHEFA niverina tao amin’ny faritany niaviany i Jesosy, taorian’ny nanalavany ny asa fitoriany manokana tany Jodia, dia tsy fotoana hialana sasatra akory tamin’izay. Tsia, fa nanomboka fanompoana lehibe kokoa kosa aza izy tao Galilia, ilay tany nahabe azy. Ny mpianany anefa tsy nijanona niaraka taminy fa nody tany amin’ny fianakaviany sy ny asa aman-draharahany teo aloha.

Hafatra inona no natombok’i Jesosy ny fitoriana azy? Izao: “Efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra. Mibebaha ianareo, ry olona, ka minoa ny vaovao tsara.” Nanao ahoana ny fihetsiky ny olona teo anoloan’izany? Nandray an’i Jesosy ny Galiliana. Nomen’ny rehetra voninahitra izy. Izany anefa dia tsy noho ny hafatra nentiny loatra, fa satria maro taminy no nanatrika ny fankalazana ny Paska tany Jerosalema, volana maromaro talohan’io ary nahita ireo famantarana niavaka nataony.

Toa nanomboka ny fanompoana lehibe nataony tany Galilia tao Kana i Jesosy. Talohan’izay, raha tsaroanareo, rehefa tafaverina avy tany Jodia izy, dia nanova ny rano ho tonga divay tany amin’ny fanasana amin’ny fampakaram-bady iray natao tao. Tamin’ity indray mandeha ity, dia narary mafy ny zanaky ny tandapan’i Heroda Antipasy mpanjaka. Rehefa ren’io tandapa io fa tonga tao Kana i Jesosy avy tany Jodia, dia nanao ny dia lava avy tany an-tranony tany Kapernaomy izy mba hahita an’i Jesosy. Azon’alahelo mafy ilay lehilahy ka nitalaho tamin’i Jesosy hoe: ‘Tongava faingana re, dieny mbola tsy maty ny zanako’.

Namaly i Jesosy hoe: ‘Mandehana mody, fa sitrana ny zanakao!’ Nino ny teniny ilay tandapan’i Heroda ka nanomboka ilay dia lavitra hody indray. Teny an-dalana izy dia nifanena tamin’ireo mpanompony, izay maika hilaza taminy fa tsy nisy nampanahy intsony — sitrana ny zanany lahy! ‘Oviana izy no nihatsara?’, hoy ny fanontaniany.

‘Omaly tamin’ny iray ora tolakandro’, hoy ny navalin’ireo.

Tsapan’ilay tandapa fa tamin’ilay ora nilazan’i Jesosy hoe: ‘Sitrana ny zanakao!’ indrindra izany. Taorian’izany, dia tonga mpianatr’i Kristy io lehilahy io sy ny ankohonany manontolo.

Tonga tanàna nahazo tombontsoa manokana àry i Kana, satria tao no toerana nanaovan’i Jesosy fahagagana indroa, ho fanamarihana ny fiverenany avy tany Jodia. Mazava ho azy fa tsy ireo ihany akory no fahagagana nataony hatramin’io fotoana io, nefa ireo no nanan-keviny manokana satria nanamarika ny fiverenany tao Galilia.

Handeha hody any Nazareta izao i Jesosy. Inona no niandry azy tany? Jaona 4:43-54, MN; Marka 1:14, 15, MN; Lioka 4:14, 15.

▪ Rehefa niverina tao Galilia i Jesosy, dia inona no nataon’ireo mpianany, ary nanao ahoana ny fandraisan’ny olona azy?

▪ Fahagagana inona no nataon’i Jesosy, ary inona no vokatr’izany teo amin’ireo voakasik’izany?

▪ Ahoana no nanomezan’i Jesosy, araka izany, tombontsoa manokana an’i Kana?