Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fahitana mialoha ny voninahitry ny Fanjakan’i Kristy

Fahitana mialoha ny voninahitry ny Fanjakan’i Kristy

Toko 60

Fahitana mialoha ny voninahitry ny Fanjakan’i Kristy

TONGA teo amin’ireo faritra nisy an’i Kaisaria Filipo i Jesosy, ary nampianatra vahoaka, anisan’izany ireo apostoliny. Nanao izao fanambarana nanaitra izao taminy izy: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny Zanak’olona tonga ao amin’ny fanjakany.”

‘Inona àry no mety ho tian’i Jesosy holazaina?’, hoy angamba ny mpianatra. Tokony ho herinandro teo ho eo tatỳ aoriana, dia nitondra an’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona niaraka taminy i Jesosy, ary nianika tendrombohitra avo iray izy ireo. Nety ho alina tamin’izay, satria ta hatory ireo mpianatra. Raha teo am-pivavahana i Jesosy, dia niova tarehy teo anatrehany. Nanomboka namirapiratra tahaka ny masoandro ny tarehiny, ary nanjary nanjelajelatra tahaka ny hazavana ny fitafiany.

Avy eo, dia nisy bikan’olona roa, fantatra ho “i Mosesy sy i Elia”, niseho sy nanomboka niresaka tamin’i Jesosy momba ‘ny fiaingany izay hitranga ao Jerosalema’. Izany fiaingana izany dia miharihary fa nanondro ny fahafatesan’i Jesosy sy ny fitsanganany amin’ny maty hanaraka izay. Araka izany, io resaka io dia nanaporofo fa tsy zavatra tokony handosirana akory ny fahafatesana nahafa-baraka niandry an’i Jesosy, araka ny nirin’i Petera.

Nifoha tanteraka izao ireo mpianatra ary talanjona nandinika sy nihaino izany. Na dia fahitana aza io, dia toy ny tena izy mihitsy, hany ka nanomboka nandray anjara tamin’ilay fisehoan-javatra i Petera ka nanao hoe: “Tompo ô, tsara ny maha-eto antsika. Raha tianao, dia hanangana tranolay telo eto aho, iray ho anao, iray ho an’i Mosesy ary iray ho an’i Elia.”

Raha teo am-pitenenana i Petera, dia nisy rahona mazava nanarona azy ireo, ary nisy feo avy tao amin’ilay rahona nanao hoe: “Ity no Zanako malalako, izay sitrako; mihainoa azy.” Raha vao nahare ilay feo ireo mpianatra dia niankohoka tamin’ny tany. Hoy anefa i Jesosy: “Mitsangàna ary aza matahotra.” Rehefa nitsangana izy ireo, dia tsy nahita afa-tsy i Jesosy.

Teo am-pidinana avy teny an-tendrombohitra ny ampitson’iny i Jesosy dia nandidy azy ireo toy izao: “Aza milaza ny amin’ilay fahitana na amin’iza na amin’iza mandra-pitsangan’ny Zanak’olona amin’ny maty.” Nahatonga fanontaniana tao an-tsain’ireo mpianatra ny fisehoan’i Elia tao amin’ilay fahitana. “Nahoana no milaza ireo mpanora-dalàna fa tsy maintsy ho avy aloha i Elia?”, hoy izy ireo nanontany.

“Efa tonga i Elia”, hoy i Jesosy, “fa tsy nahafantatra azy izy ireo.” I Jesosy anefa niresaka momba an’i Jaona Mpanao batisa izay nahatanteraka anjara asa nitovy tamin’ny an’i Elia. Nanomana ny lalana ho an’i Kristy i Jaona, toy ny nataon’i Elia ho an’i Elisa.

Nampahery toy inona moa io fahitana io, ho an’i Jesosy ary koa ho an’ireo mpianatra! Fahitana mialoha ny voninahitry ny Fanjakan’i Kristy ilay fahitana, raha azo atao ny milaza izany. Hitan’ireo mpianatra tokoa “ny Zanak’olona tonga ao amin’ny fanjakany”, araka ny nampanantenain’i Jesosy azy ireo herinandro talohan’izay. Taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, i Petera dia hanoratra momba ny ‘nahatongavan’izy ireo ho vavolombelona nahita maso ny toetra mendrika hoderain’i Kristy raha niaraka taminy teny amin’ny tendrombohitra masina izy ireo’.

Nangataka famantarana iray tamin’i Jesosy ny Fariseo mba hanaporofoana fa izy tokoa ilay nampanantenain’ny Soratra masina fa ho ilay Mpanjaka nofidin’Andriamanitra. Tsy nomena famantarana toy izany izy ireo. Tetsy an-daniny kosa, ireo mpianatr’i Jesosy akaiky azy dia navela hahita ny fiovany tarehy ho fanamafisana ireo faminaniana momba ilay Fanjakana. Araka izany, dia nanoratra toy izao i Petera tatỳ aoriana: “Noho izany dia manana ny teny faminaniana natao azo antoka kokoa isika”. Matio 16:13, Mt 16:28–17:13, MN; Marka 9:1-13, MN; Lioka 9:27-37, MN; 2 Petera 1:16-19, MN.

▪ Talohan’ny hanandraman’ny sasany fahafatesana, ahoana no nahitan’izy ireo an’i Kristy tonga ao amin’ny Fanjakany?

▪ Tao amin’ilay fahitana, inona no noresahin’i Mosesy sy i Elia tamin’i Jesosy?

▪ Nahoana no nitondra fampaherezana aoka izany ho an’ireo mpianatra io fahitana io?