Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Famadihana sy fisamborana

Famadihana sy fisamborana

Toko 118

Famadihana sy fisamborana

EFA ela be taorian’ny misasakalina ny fotoana fony i Jodasy nitarika vahoaka maro be nisy miaramila, lohan’ny mpisorona, Fariseo, ary olona hafa hiditra tao amin’ny zaridainan’i Getsemane. Nanaiky handoa sekely volafotsy 30 ho an’i Jodasy ireo mpisorona mba hamadihana an’i Jesosy.

Taloha kokoa, rehefa noroahina avy teo amin’ny sakafon’ny Paska i Jodasy, dia niharihary fa nankany amin’ny lohan’ny mpisorona avy hatrany izy. Ireo dia namory haingana ireo mpanao raharahany manokana, ary koa miaramila iray toko. Nitarika azy ireo ho any amin’ny nankalazan’i Jesosy sy ny apostoliny ny Paska angamba aloha i Jodasy. Rehefa hitany fa efa lasa izy ireo, dia nanaraka an’i Jodasy nivoaka avy tao Jerosalema ka namakivaky ny Lohasaha Kidrona ilay vahoaka maro be nitam-piadiana sy nitondra fanilo ary fanala.

Rehefa nitarika ilay filaharana niakatra ny Tendrombohitra Oliva i Jodasy, dia azony antoka fa fantany ny toerana hahitana an’i Jesosy. Nandritra ny herinandro lasa, rehefa nivezivezy avy teo Betania nankany Jerosalema sy niverina i Jesosy sy ny apostoliny, dia nijanona matetika teo amin’ny sahan’i Getsemane mba hiala sasatra sy hiresadresaka. Izao anefa, noho i Jesosy azo inoana fa takona tao amin’ny maizina teo ambanin’ireo hazo oliva, amin’ny fomba ahoana no hahafantaran’ireo miaramila azy? Nety ho mbola tsy nahita azy mihitsy izy ireo teo aloha. Noho izany, dia nanome famantarana i Jodasy tamin’ny fitenenana hoe: “Izay horohako no izy; sambory izy ary ento ka aza avela ho afaka.”

Nitarika ilay vahoaka maro be hiditra tao amin’ny zaridaina i Jodasy, nahita an’i Jesosy mbamin’ny apostoliny, ary nankany aminy avy hatrany. “Manao ahoana, Raby ô!”, hoy izy sady nanoroka azy tamim-panehoam-pitiavana aoka izany izy.

“Ry sakaiza, noho ny fikendrena inona no ahatongavanao eto?”, hoy ny valintenin’i Jesosy somary henjana. Avy eo, namaly ny fanontanian’ny tenany ihany izy ka nanao hoe: “Ry Jodasy, mamadika ny Zanak’olona amin’ny fanorohana iray ve ianao?” Ampy anefa izay raha ny amin’ilay mpamadika azy! Nandingana ho eo amin’ny fahazavan’ireo fanilo sy fanala nirehitra i Jesosy ary nanontany hoe: “Iza moa no tadiavinareo?”

“I Jesosy avy any Nazareta”, hoy ny valinteny azony.

“Izaho no izy”, hoy ny navalin’i Jesosy, nitsangana tamin-kerim-po teo anoloan’izy rehetra. Taitra tamin’ny fahasahiany sady tsy nahalala izay tokony hampoizina ireo lehilahy ka nianòtra ary lavo tamin’ny tany.

“Efa nolazaiko taminareo fa izaho no izy”, hoy i Jesosy nanohy ny teniny tamim-pahatoniana. “Raha izaho àry no tadiavinareo, dia avelao handeha ireto.” Fotoana fohy talohan’izay, tao amin’ilay efitrano ambony rihana, dia nilaza tamin-dRainy tao amin’ny vavaka i Jesosy fa niaro ireo apostoliny nahatoky izy, ka tsy nisy na dia iray taminy aza very, “afa-tsy ilay zanaky ny fandringanana ihany.” Mba hahatanteraka ny teniny àry, dia nangataka izy mba havela handeha ireo mpanara-dia azy.

Rehefa tony indray ireo miaramila, ka nitsangana sy nanomboka namatotra an’i Jesosy, dia fantatr’ireo apostoly izay nadiva hitranga. “Tompo ô, hamely amin’ny sabatra ve izahay?”, hoy izy ireo nanontany. Talohan’ny namalian’i Jesosy, i Petera dia efa nandray ny iray tamin’ireo sabatra roa nentin’ny apostoly ka namely an’i Malko, mpanompon’ny mpisoronabe. Tsy nahavoa ny lohan’ilay mpanompo ny famelezan’i Petera fa nahafaka ny sofiny havanana kosa.

“Aoka hijanona hatreo izany”, hoy i Jesosy nanelanelana. Nokasihiny ny sofin’i Malko ka nositraniny ilay ratra. Avy eo izy dia nanome fianarana lehibe ka nanome baiko an’i Petera hoe: “Avereno amin’ny tranony ny sabatrao, fa izay rehetra mandray sabatra dia hovonoina amin’ny sabatra. Sa ataonao fa tsy afaka mangataka amin’ny Raiko aho mba hanome ahy amin’izao fotoana izao anjely maherin’ny roa ambin’ny folo legiona?”

Nanaiky an-tsitrapo ny hosamborina i Jesosy, satria nanazava izy hoe: “Hatao ahoana no hahatanteraka ny Soratra Masina, izay milaza fa tsy maintsy hiseho toy izao indrindra izany?” Ary nanampy teny izy hoe: “Ny kapoaka nomen’ny Raiko ho ahy, tsy tokony hisotro azy io tokoa ve aho?” Nifanaraka tanteraka tamin’ny sitrapon’Andriamanitra momba azy izy!

Avy eo i Jesosy dia niteny tamin’ilay vahoaka. “Nivoaka nitondra sabatra sy langilangy hisambotra ahy toy ny hisambotra jiolahy ve ianareo?”, hoy izy nanontany. “Isan’andro dia nipetraka nampianatra teo amin’ny tempoly aho, nefa tsy nisambotra ahy ianareo. Fa niseho izany rehetra izany mba hahatanteraka izay voasoratry ny mpaminany.”

Tamin’izay ny miaramila iray toko sy ny lehiben’ireo miaramila ary ireo mpanao raharaha teo amin’ny Jiosy dia naka an’i Jesosy an-keriny ka namatotra azy. Raha vao nahita izany ireo apostoly dia nandao an’i Jesosy ka nandositra. Kanefa, nisy zatovolahy iray — angamba ilay mpianatra natao hoe Marka — nijanona niaraka tamin’ny vahoaka teo. Nety ho tao amin’ilay trano nankalazan’i Jesosy ny Paska izy ary taorian’izay dia nanaraka ny vahoaka avy tany. Izao anefa dia fantatra izy, ary nisy fanandramana natao haka azy an-keriny. Nefa navelany teo ny fitafiany rongony fotsy madinika ka lasa nandositra izy. Matio 26:47-56, MN; Marka 14:43-52, MN; Lioka 22:47-53, MN; Jaona 17:12, MN; 18:3-12, MN.

▪ Nahoana no azon’i Jodasy antoka fa hahita an’i Jesosy tao amin’ny zaridainan’i Getsemane izy?

▪ Ahoana no nanehoan’i Jesosy fiahiana ireo apostoliny?

▪ Inona no nataon’i Petera mba hiarovana an’i Jesosy, nefa ahoana hoy i Jesosy taminy momba izany?

▪ Tamin’ny fomba ahoana no nahariharin’i Jesosy fa nifanaraka tanteraka tamin’ny sitrapon’Andriamanitra momba azy izy?

▪ Rehefa nandao an’i Jesosy ireo apostoly, iza no nijanona teo, ary inona no nitranga taminy?