Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Famaliana ireo mpiampanga azy

Famaliana ireo mpiampanga azy

Toko 30

Famaliana ireo mpiampanga azy

REHEFA niampanga an’i Jesosy ho nandika ny Sabata ireo mpitondra fivavahana jiosy, dia hoy ny navaliny: “Ny Raiko tsy mitsahatra miasa mandraka ankehitriny, ary izaho koa tsy mitsahatra miasa.”

Na dia teo aza ny filazan’ireo Fariseo, ny asan’i Jesosy dia tsy anisan’izay noraran’ny Lalàna ny amin’ny Sabata. Fanendrena azony avy tamin’Andriamanitra ny asa fitoriana sy fanasitranana nataony, ary, ho fanahafana ny ohatr’Andriamanitra, izy dia tsy nitsahatra nanao izany isan’andro. Kanefa, vao mainka nampahatezitra ireo Jiosy bebe kokoa noho ny teo aloha ny valinteniny, ary nitady hamono azy izy. Nahoana?

Satria izao izy ireo dia tsy vitan’ny hoe nino fa nandika ny Sabata i Jesosy, fa nihevitra koa fa fitenenan-dratsy an’Andriamanitra ny filazany ny tenany ho Zanak’Andriamanitra manokana. Kanefa tsy natahotra i Jesosy ary nanohy namaly azy ireo momba ny fifandraisana feno tombontsoa nananany tamin’Andriamanitra. “Ny Ray tia ny Zanaka”, hoy izy, “ka maneho azy ny zavatra rehetra izay ataon’ny tenany”.

“Toy ny Ray manangana ny maty”, hoy i Jesosy nanohy ny teniny, “dia tahaka izany koa no ameloman’ny Zanaka izay tiany.” Tena efa nanangana ny maty tamin’ny heviny ara-panahy tokoa ny Zanaka! “Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka ahy”, hoy i Jesosy, dia “tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana”. Eny, nanohy ny teniny toy izao izy: “Avy ny ora, ary efa ankehitriny izany, izay handrenesan’ny maty ny feon’ny Zanak’Andriamanitra ary izay ho nankatò izany dia ho velona.”

Na dia mbola tsy nisy fitantarana aza hatramin’izay fa nanangana olona tamin’ny heviny ara-bakiteny i Jesosy, dia nilaza tamin’ireo mpiampanga azy izy fa hitranga izany fitsanganan’ny maty ara-bakiteny izany. “Aza gaga amin’izany”, hoy izy, “fa avy ny ora izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasam-pahatsiarovana ny feony dia hivoaka izy.”

Hatramin’io fotoana io, dia miharihary fa mbola tsy nilazalaza ampahibemaso tamin’ny fomba hentitra sy mazava tsara toy izany mihitsy ny anjara asa tena lehibe raisiny ao amin’ny fikasan’Andriamanitra i Jesosy. Tsy ny fanambaran’ny tenan’i Jesosy momba izany zavatra izany ihany anefa no nananan’ireo mpiampanga azy. “Ianareo naniraka lehilahy tany amin’i Jaona”, hoy ny fampahatsiahivan’i Jesosy azy ireo, “ary vavolombelona nanambara ny fahamarinana izy io.”

Roa taona katroka talohan’izay, i Jaona Mpanao batisa dia nilaza tamin’ireo filoha ara-pivavahana jiosy ireo ny amin’Ilay ho avy ao aoriany. Nampahatsiahy azy ireo i Jesosy ny amin’ny fiheverana ambony nananany taloha momba an’i Jaona izay nigadra izao, ka nanao hoe: “Nisy fotoana fohy naha-vonona anareo ny hifaly aoka izany tamin’ny fahazavany.” Nampahatsiaro azy ireo izany i Jesosy noho ny fanantenana ny hanampy, eny, ny hamonjy azy. Kanefa, tsy niankina tamin’ny fanambaran’i Jaona izy.

“Ireo asa izay ataoko [anisan’izany ilay fahagagana vao vitany] no vavolombelona manambara momba ahy fa nirahin’ny Ray aho.” Ankoatra izany anefa, dia nanohy ny teniny toy izao i Jesosy: “Ny Ray izay naniraka ahy mihitsy no vavolombelona manambara momba ahy.” Vavolombelona nanambara momba an’i Jesosy Andriamanitra, ohatra, tamin’ny batisany, rehefa nilaza hoe: “Ity no Zanako malalako”.

Tena tsy afa-tsiny mihitsy ireo mpiampanga an’i Jesosy tamin’ny fandavana azy. Ny Soratra masina nolazain’izy ireo fa nodinihiny mihitsy no manao fanambarana manamarina ny aminy! “Raha mba nino an’i Mosesy ianareo, dia hino ahy”, hoy ny famaranan-tenin’i Jesosy, “satria nanoratra momba ahy izy. Fa raha tsy mino izay nosoratany ianareo, hataonareo ahoana no fino ny teniko?” Jaona 5:17-47, MN; Jn 1:19-27; Matio 3:17.

▪ Nahoana moa no tsy fandikana ny Sabata ny asan’i Jesosy?

▪ Ahoana no nilazalazan’i Jesosy ny anjara asa tena lehibe raisiny ao amin’ny fikasan’Andriamanitra?

▪ Mba hanaporofoana fa Zanak’Andriamanitra izy, vavolombelona iza avy no notondroin’i Jesosy?