Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fampianarana an’i Nikodemosy

Fampianarana an’i Nikodemosy

Toko 17

Fampianarana an’i Nikodemosy

RAHA nanatrika ny Paska taona 30 am.fan.ir. i Jesosy dia nanao famantarana niavaka, na fahagagana, maro. Ho vokatr’izany, dia nisy olona maro nino azy. Nanohina ny fo sy ny sain’i Nikodemosy, mpikambana iray tao amin’ny Synedriona, ny fitsarana ambony jiosy, izany ka naniry ny hahafantatra bebe kokoa izy. Nitsidika an’i Jesosy raha mbola maizina tamin’ny alina iny àry izy, azo inoana fa noho ny fahatahorany hoe ho simba ny laza tsarany teo amin’ireo filoha jiosy hafa raha nisy nahita azy.

“Raby ô”, hoy izy, “fantatray fa mpampianatra avy amin’Andriamanitra ianao; fa tsy misy olona mahay manao izao famantarana ataonao izao, raha tsy Andriamanitra no momba azy.” Ho valiny, dia nilaza tamin’i Nikodemosy i Jesosy fa mba hahazoan’ny olona iray miditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia tsy maintsy ‘ateraka indray’ izy.

Ahoana anefa no hahafahan’ny olona iray hateraka indray? “Mahazo miditra any an-kibon-dreniny indray ve izy ka hateraka?”, hoy ny fanontanian’i Nikodemosy.

Tsia, tsy izany no hevitry ny hoe ateraka indray. “Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny fanahy”, hoy ny fanazavan’i Jesosy, “dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra izy.” Fony i Jesosy natao batisa ka nidina teo aminy ny fanahy masina, dia tamin’izany fomba izany izy no nateraky “ny rano sy ny fanahy”. Tamin’ny alalan’ilay fanambarana avy tany an-danitra niaraka tamin’izay nanao hoe: ‘Ity no Zanako malalako izay sitrako’, Andriamanitra dia nampahafantatra fa niteraka zanaka ara-panahy nanana ny fahatsinjovana ny hiditra ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra izy. Atỳ aoriana, amin’ny Pentekosta taona 33 am.fan.ir., dia hisy mpianatra vita batisa hafa handray ny fanahy masina ka amin’izany fomba izany dia hateraka indray ho zanaka ara-panahin’Andriamanitra koa.

Iankinan’ny aina anefa ny anjara asan’io Zanaka olombelona manokan’Andriamanitra io. “Tahaka ny nanandratan’i Mosesy ny menarana tany an’efitra”, hoy i Jesosy tamin’i Nikodemosy, “no tsy maintsy anandratana ny Zanak’olona, mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino azy.” Eny, toy ny tsy maintsy nibanjinan’ny Isiraelita voakaikitry ny bibilava nisy poizina ilay menarana varahina mba ho voavonjy, ny olombelona rehetra dia tsy maintsy maneho finoana ny Zanak’Andriamanitra mba ho voavonjy amin’ny toe-piainan’izay mety maty misy azy.

Nanantitrantitra ny anjara asa feno fitiavana noraisin’i Jehovah tamin’izany i Jesosy ka nilaza nanaraka izay tamin’i Nikodemosy hoe: “Tia izao tontolo izao aoka izany Andriamanitra, hany ka nomeny ny Zanany lahy tokana, mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy fa hahazo ny fiainana mandrakizay.” Araka izany, teto Jerosalema, enim-bolana monja taorian’ny nanombohany ny fanompoany, dia efa nataon’i Jesosy nazava tsara fa izy no fiasana ampiasain’i Jehovah Andriamanitra mba hamonjena ny taranak’olombelona.

Nanohy nanazava toy izao tamin’i Nikodemosy i Jesosy: “Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanany ho amin’izao tontolo izao hitsara izao tontolo izao”, izany hoe, hampihatra fitsarana aminy, na hanameloka azy, ka hanafay ny taranak’olombelona ho amin’ny fandringanana. Tsia, fa, araka ny nolazain’i Jesosy, dia nirahina kosa izy “mba ho voavonjy amin’ny alalany izao tontolo izao.”

Nanararaotra tamin-tahotra ny haizina i Nikodemosy mba hanatonana an’i Jesosy. Koa mahaliana àry ny namaranan’i Jesosy ny resaka nifanaovany taminy tamin’ny filazana hoe: “Ary izao no fototry ny fanamelohana, dia ny ahatongavan’ny mazava [izay i Jesosy mihitsy no fisehoany velona teo amin’ny fiainany sy ny fampianarany] amin’izao tontolo izao, nefa aleon’ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany. Fa izay manao ratsy dia mankahala ny mazava sady tsy manatona ny mazava, fandrao hotsinina ny asany. Fa izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava, mba haharihary fa natao araka an’Andriamanitra ny asany.” Jaona 2:23–3:21, MN; Matio 3:16, 17; Asan’ny apostoly As 2:1-4; Nomery 21:9.

▪ Inona no nahatonga ny fitsidihan’i Nikodemosy, ary nahoana izy no tonga tamin’ny alina?

▪ Inona no hevitry ny hoe “ateraka indray”?

▪ Ahoana no nanazavan’i Jesosy tamin’ny alalan’ny ohatra ny anjara asa raisiny amin’ny famonjena antsika?

▪ Milaza inona ny hoe: tsy tonga mba hitsara izao tontolo izao i Jesosy?