Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fampianarana fanampiny tamin’ny andro fahafito

Fampianarana fanampiny tamin’ny andro fahafito

Toko 68

Fampianarana fanampiny tamin’ny andro fahafito

MBOLA nandroso ihany ny andro farany tamin’ny Firavoravoana Tabernakely, dia ny andro fahafito izany. Nampianatra tao amin’ny fizarana tao amin’ny tempoly nantsoina hoe “ny fandatsahan-drakitra” i Jesosy. Ny nisy azy io dia toa tao amin’ny faritra nantsoina hoe Kianjan’ireo vehivavy izay nisy ireo vata fanasian’ny olona ny fanomezany.

Isan’alina, nandritra ilay firavoravoana, dia nisy fampisehoana fanazavana manokana teo amin’io faritry ny tempoly io. Nisy fitoeran-jiro goavana efatra, izay samy nanana fitoera-menaka feno efatra avy, najoro teo. Ny fahazavana avy amin’ireo jiro ireo, izay nampiasa ny menaka avy amin’ireo fitoera-menaka lehibe 16, dia ampy mba hanazavana ny nanodidina hatrany amin’ny faritra lavitra be nandritra ny alina. Izay nolazain’i Jesosy izao dia nety ho nampahatsiahy ireo mpihaino azy an’io fampisehoana io. “Izaho no fahazavan’izao tontolo izao”, hoy ny nambaran’i Jesosy. “Izay manaraka ahy dia tsy handeha amin’ny maizina velively, fa hanana ny fahazavan’ny fiainana.”

Nanohitra toy izao ny Fariseo: “Manambara momba ny tenanao ianao; tsy marina ny fanambaranao.”

Ho valin’izany, dia hoy i Jesosy: “Na dia manambara momba ny tenako aza aho, dia marina ny fanambarako, satria fantatro izay niaviako sy izay halehako. Fa ianareo kosa tsy mahafantatra izay niaviako sy izay halehako.” Nanampy teny toy izao izy: “Izaho dia manambara momba ny tenako, ary ny Ray izay naniraka ahy dia manambara momba ahy.”

“Aiza ny Rainao?”, hoy ireo Fariseo ta hahafantatra.

“Samy tsy fantatrareo na izaho na ny Raiko”, hoy ny navalin’i i Jesosy. “Raha nahafantatra ahy tokoa ianareo, dia ho nahafantatra ny Ray koa.” Na dia mbola nitady ny hisambotra an’i Jesosy aza ireo Fariseo, dia tsy nisy nikasika azy.

“Handeha aho”, hoy indray i Jesosy. “Izay halehako tsy azonareo aleha.”

Tamin’izay, dia nanomboka nanontany tena ny Jiosy hoe: “Hamono tena angaha izy, no manao hoe: ‘Izay halehako tsy azonareo aleha’?”

“Ianareo avy atỳ amin’ny faritra ambany”, hoy i Jesosy nanazava. “Izaho avy any amin’ny faritra ambony. Ianareo avy amin’izao tontolo izao; izaho tsy avy amin’izao tontolo izao.” Avy eo dia nanampy teny toy izao izy: “Raha tsy mino ianareo fa izaho no izy, dia ho faty amin’ny fahotanareo ianareo.”

Mazava ho azy fa niresaka ny amin’ny fiainany talohan’ny naha-olombelona azy i Jesosy sy ny amin’ny naha-ilay Mesia, na Kristy, nampanantenaina azy. Na dia izany aza, dia nanontany toy izao ihany izy ireo, tsy isalasalana fa tamim-panamavoana lehibe: “Iza moa ianao?”

Teo anoloan’ny fandavan’izy ireo azy, dia namaly i Jesosy hoe: “Inona akory no antony iresahako aminareo?” Kanefa nanohy ny teniny toy izao izy: “Ilay naniraka ahy dia marina, ary ireo zavatra reko taminy no resahiko amin’izao tontolo izao.” Nanohy ny teniny toy izao i Jesosy: “Rehefa asandratrareo ny Zanak’olona, dia ho fantatrareo fa izaho no izy, ary koa fa tsy manao na inona na inona noho ny fanapahan-kevitro manokana aho; fa izay nampianarin’ny Ray ahy, dia ireny zavatra ireny no resahiko. Ary ilay naniraka ahy dia miaraka amiko; tsy nandao ahy ho irery izy, satria manao izay sitrany foana aho.”

Rehefa nilaza ireo zavatra ireo i Jesosy, dia nisy olona maro nino azy. Hoy izy tamin’izy ireo: “Raha maharitra amin’ny teniko ianareo, dia ho tena mpianatro tokoa, ary ho fantatrareo ny fahamarinana, ary ny fahamarinana hahafaka anareo tsy ho andevo.”

“Taranak’i Abrahama izahay”, hoy ny mpanohitra azy nanapaka ny teniny, “ary na oviana na oviana izahay dia mbola tsy andevon’iza na iza. Koa nahoana ianao no manao hoe: ‘Ho afaka ianareo’?”

Na dia teo ambany fanapahan’ny hafa firenena matetika aza ny Jiosy, dia tsy nanaiky ireo mpampahory azy ho tompony izy ireo. Nanda ny hantsoina hoe andevo izy ireo. Nomarihin’i Jesosy anefa fa tena andevo tokoa izy ireo. Tamin’ny lafiny inona? “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa”, hoy i Jesosy, “izay rehetra manota dia andevon’ny ota.”

Nametraka ireo Jiosy tamin’ny toerana nampidi-doza ny fandavana ny naha-andevon’ny ota ny tenany. “Ny andevo tsy mitoetra ao an-trano mandrakariva”, hoy ny fanazavan’i Jesosy. “Ny zanaka mitoetra mandrakariva.” Koa satria ny andevo tsy nanana zo hitaky ny lova, dia nety ho notandindomin’ny fandroahana na tamin’ny fotoana inona na tamin’ny fotoana inona izy. Tsy misy afa-tsy ny zanaka tena nateraka na natsangana ho anisan’ny ao an-trano ihany no nitoetra “mandrakariva”, izany hoe, raha mbola velona koa izy.

“Noho izany, raha manafaka anareo ny Zanaka”, hoy i Jesosy nanohy ny teniny, “dia ho afaka tokoa ianareo.” Araka izany, ny fahamarinana izay manafaka ny olona dia ny fahamarinana momba ny Zanaka, izany hoe i Jesosy Kristy. Tsy misy afa-tsy amin’ny alalan’ny sorona ny ainy olombelona tanteraka ihany no ahafahan’iza na iza amin’ny ota izay miteraka fahafatesana. Jaona 8:12-36, MN.

▪ Taiza i Jesosy no nampianatra tamin’ny andro fahafito? Inona no niseho tao tamin’ny alina, ary inona no nifandraisan’izany tamin’ny fampianaran’i Jesosy?

▪ Inona no nolazain’i Jesosy momba ny niaviany, ary izany dia tokony hampahafantatra inona ny amin’ny hoe iza izy?

▪ Tamin’ny lafiny inona no naha-andevo ny Jiosy, nefa fahamarinana inona no hahafaka azy ireo?