Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fampianarana tamin’ny alalan’ny fanoharana

Fampianarana tamin’ny alalan’ny fanoharana

Toko 43

Fampianarana tamin’ny alalan’ny fanoharana

TOA tany Kapernaomy i Jesosy fony izy niteny mafy ireo Fariseo. Tatỳ aoriana, tamin’io andro io ihany, dia nivoaka avy tao an-trano izy ka nankany amin’ny Ranomasin’i Galilia teo akaiky teo, izay nisy vahoaka maro be tafangona. Teo izy dia niakatra tao amin’ny sambo iray, nihataka kely ary nanomboka nampianatra momba ny Fanjakan’ny lanitra tamin’ny olona nijanona teo amoron-dranomasina. Nanao izany izy tamin’ny alalan’ny ohatra fanazavana, na fanoharana, nifampitohitohy, izay samy nasehony tao anatin’ny tarehin-javatra fantatr’ireo olona tsara.

Voalohany indrindra, dia niresaka momba ny mpamafy iray namafy voa i Jesosy. Nisy voafafy teny amoron-dalana ary nohanin’ny vorona. Ny hafa voafafy teny amin’ny tany nisy vatolampy tao ambaniny. Koa satria tsy lasa lalina ny fakany, dia matin’ny masoandro nigaingaina izay vao naniry. Ary ny hafa koa dia voafafy teny amin’ny tsilo, izay nangeja ny nitsiry rehetra. Ary farany, dia nisy voafafy teny amin’ny tany tsara ka namokatra avo zato heny ny sasany taminy, avo enimpolo heny ny sasany ary avo telopolo heny ny hafa.

Tao amin’ny fanoharana hafa iray, i Jesosy dia nampitaha ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ny lehilahy iray izay namafy voa. Raha nandeha ny fotoana, ka natory sy nifoha ilay lehilahy, dia nitombo ilay voa nafafy. Tsy fantany hoe tamin’ny fomba ahoana. Nitombo ho azy ilay izy ary namokatra. Rehefa masaka ilay voa, dia nojinjain’ilay lehilahy.

Nilaza fanoharana fahatelo i Jesosy momba ny lehilahy iray izay namafy ny karazam-boa tsara, nefa “raha natory ny olona”, dia nisy fahavalo tonga namafy voan’ahidratsy teo amin’ny varimbazaha. Nanontany azy ireo mpanompon’io lehilahy io raha tokony hongotany ny ahidratsy. Hoy anefa ny navaliny: ‘Tsia, satria hanongotra ny sasany amin’ny varimbazaha ianareo raha manao izany. Avelao hiara-maniry izy ireo mandra-pahatongan’ny fotoam-pijinjana. Amin’izay aho dia hilaza amin’ny mpijinja mba hanokana ny ahidratsy, handoro azy sy hampiditra ny varimbazaha any an-tsompitra’.

Nanohy ny lahateny nataony ho an’ny vahoaka teo amoron-dranomasina i Jesosy tamin’ny fanomezana fanoharana roa hafa. Nanazava izy fa “ny fanjakan’ny lanitra” dia tahaka ny voan-tsinapy nafafin’ny lehilahy iray. Na dia ny madinika indrindra amin’ny voa afafy rehetra aza izy io, hoy izy, dia tonga ny lehibe indrindra tamin’ny anambazaha rehetra. Tonga hazo falehan’ny vorona mba hialofany tao amin’ireo rantsany izy io.

Misy manohitra amin’izao andro izao fa misy voa afafy madinika kokoa noho ny an’ny voan-tsinapy. Tsy nanome lesona momba ny zavamaniry anefa i Jesosy teto. Tamin’ireo voa fantatra tsara teo amin’ny Galiliana tamin’ny androny, dia tena ny madinika indrindra tokoa ny voan-tsinapy. Takatr’izy ireo tsara àry ny resaka momba ilay fitomboana goavana tao amin’ny fanoharan’i Jesosy.

Farany, i Jesosy dia nampitaha “ny fanjakan’ny lanitra” tamin’ny masirasira nalain’ny vehivavy iray ka nafangarony tamin’ny koba intelon’ny famarana. Tatỳ aoriana, hoy izy, dia nahazo ny koba manontolo ilay masirasira.

Rehefa avy nanome ireo fanoharana dimy ireo i Jesosy dia nampody ny vahoaka ary niverina tany amin’ilay trano nipetrahany. Tsy ela dia tonga nankeo aminy ny apostoliny 12 sy ny hafa.

Fandraisana soa avy amin’ireo fanoharana nataon’i Jesosy

Rehefa nankeo amin’i Jesosy ny mpianany taorian’ny lahateny nataony ho an’ny vahoaka teny amin’ny torapasika, dia liana ta hahalala ny amin’io fomba fampianarany vaovao io izy ireo. Marina fa efa reny nampiasa fanoharana izy taloha, fa tsy be dia be toy izany mihitsy. Nanontany azy àry izy ireo hoe: “Nahoana no fanoharana no itenenanao aminy?”

Ny antony iray nanaovany izany dia mba hanatanterahana ireto teny ara-paminaniana ireto: “Hiloa-bava hilaza fanoharana aho, hanambara zavatra izay nafenina hatrizay nanorenana izay.” Nisy antony hafa ankoatra izany anefa. Ny fampiasany fanoharana dia nanampy mba hampiharihariana ny toetry ny fon’ny olona.

Raha ny tena izy, ny ankamaroan’ireo olona dia liana tamin’i Jesosy noho izy mpitantara zavatra nahay sy mpanao fahagagana fotsiny, fa tsy noho izy Tompo tokony hotompoina sy harahina tsy misy fitiavan-tena. Tsy tian’izy ireo ny hohelingelenina teo amin’ny fomba fijeriny zavatra na teo amin’ny fomba fiainany. Tsy tian’izy ireo ho tonga hatramin’izany ilay hafatra.

Noho izany dia hoy i Jesosy: “Ary noho izany dia fanoharana no itenenako aminy, satria mijery izy, fa mijery tsy misy vokany, ary mandre izy, fa mandre tsy misy vokany, na mahatakatra ny hevitr’izany; dia tanteraka aminy ny faminanian’i Isaia, izay manao hoe: ‘(...) Fa efa tonga tsy mora mandray ny fon’ity vahoaka ity’.”

“Nefa”, hoy i Jesosy nanohy ny teniny, “sambatra ny masonareo, fa mahatazana, ary ny sofinareo, fa mandre. Fa lazaiko aminareo marina tokoa: maro ny mpaminany sy ny olona marina naniry hahita izay tazanareo, nefa tsy mba nahita, ary naniry handre izay renareo, nefa tsy mba nandre.”

Eny, nanana fo mora nandray ny apostoly 12 mbamin’ireo niaraka taminy. Noho izany dia hoy i Jesosy taminy: “Ianareo no navela hahalala ny zava-miafina ny amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa ireny kosa tsy mba navela.” Noho ny fanirian’izy ireo hahatakatra ny hevitr’ilay fanoharana momba ilay mpamafy, dia nomen’i Jesosy fanazavana ireo mpianany.

“Ny voa nafafy dia ny tenin’Andriamanitra”, hoy i Jesosy, ary ny tany dia ny fo. Ny amin’ny voa nafafy teny amin’ny tany mafy teny amoron-dalana, dia nanazava toy izao izy: “Avy ny Devoly ka manaisotra ny teny ao am-pony, fandrao hino izy ka hovonjena.”

Tetsy an-daniny kosa, ny voa nafafy teo amin’ny tany nisy vatolampy tao ambaniny dia nanondro ny fon’ireo olona izay nandray ny teny tamim-pifaliana. Kanefa, satria tsy afaka nanam-paka lalina tao amin’ny fo toy izany ny teny, dia niala ireny olona ireny rehefa tonga ny fotoam-pisedrana na ny fanenjehana.

Raha ny amin’ny voa nafafy teo amin’ny tsilo, hoy i Jesosy nanohy ny teniny, izy io dia nanondro ireo olona izay nandre ny teny. Tsy nahatohitra ny fanahiana sy ny harena ary ny fahafinaretan’izao fiainana izao anefa izy ireo, hany ka voageja tanteraka ka tsy nahavanom-boa velively.

Farany, momba ilay voa nafafy teny amin’ny tany tsara, dia nilaza i Jesosy fa izany dia ireo izay, rehefa avy nandre ny teny noho ny fo tsara dia tsara, dia nitana izany ary namoa tamim-piaretana.

Endrey ny fitahiana azon’ireo mpianatra ireo izay nitady an’i Jesosy mba hahazo fanazavana ny amin’ny zavatra nampianariny! Ny notadiavin’i Jesosy dia ny hahatakaran’ny hafa ny fanoharana nataony mba hizarana ny fahamarinana aminy. “Tsy entina mba hatao ao ambany vata famarana, na ambany fandriana, ny jiro, sa tsy izany?”, hoy izy nanontany. Tsia, fa “entina mba hatao eo amin’ny fanaovan-jiro izy”. Noho izany, dia nanampy teny toy izao i Jesosy: “Koa tandremo àry ny fomba fihainoanareo.”

Notahina tamin’ny alalan’ny fampianarana fanampiny

Rehefa avy nahazo ny fanazavana nomen’i Jesosy momba ilay mpamafy voa ireo mpianatra dia naniry hahafantatra bebe kokoa. “Hazavao aminay”, hoy ny fangatahan’izy ireo, “ilay fanoharana momba ny ahidratsy tany an-tsaha.”

Endrey ny fahasamihafan’ny fihetsik’ireo mpianatra sy ny an’ny sisa tamin’ilay vahoaka teny amin’ny torapasika! Tsy nanana faniriana tamim-pahatsorana ny hahafantatra ny hevitr’ireo fanoharana ireny olona ireny, fa afa-po tamin’ny filazana tamin’ny ambangovangony ireo zavatra nambara tao amin’izy ireny fotsiny. Nampifanohitra ireo mpihaino teny amoron-drano ireo tamin’ireo mpianany liana ta hahafanta-javatra ka nanatona azy tao an-trano i Jesosy dia nilaza hoe:

“Araka ny fatra amaranareo, no hamarana anareo koa, eny, homena mihoatra aza ianareo.” Namatra fahalianana tamin’i Jesosy sy fihainoana azy tamim-pahatsorana ireo mpianatra, ary dia notahina tamin’ny alalan’ny fampianarana fanampiny. Araka izany, ho valin’ny fanontanian’ireo mpianany, dia nanazava toy izao i Jesosy:

“Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak’olona; ny saha dia izao tontolo izao; ny voa tsara dia ny zanaky ny fanjakana; fa ny ahidratsy kosa dia ny zanak’ilay ratsy, ary ny fahavalo izay namafy izany dia ny Devoly. Ny fotoam-pijinjana dia ny fifaranan’ny fandehan-javatra iray, ary ny mpijinja dia anjely.”

Rehefa avy nampahafantatra ny lafiny tsirairay tamin’io fanoharana nataony io i Jesosy dia nilazalaza ny fiafarany. Amin’ny fifaranan’ny fandehan-javatra, hoy izy, ireo mpijinja, na anjely, dia hanavaka ny kristiana anarana, izay oharina amin’ny ahidratsy, amin’ireo tena “zanaky ny fanjakana” marina. Avy eo, ireo “zanak’ilay ratsy” dia homarihina ho amin’ny fandringanana, fa ireo zanaky ny Fanjakan’Andriamanitra, “ireo marina”, kosa, dia hamirapiratra ao amin’ny Fanjakan’ny Rainy.

Nanaraka izany, i Jesosy dia mbola nitahy ireo mpianany liana ta hahafanta-javatra tamin’ny fanomezana azy fanoharana telo fanampiny. Voalohany, dia hoy izy: “Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harena nafenina tany an-tsaha, izay hitan’ny olona iray ka dia nafeniny; ary noho ny hafaliany dia lasa nandeha izy ka nivarotra ny fananany rehetra, dia nividy izany saha izany.”

“Ary koa”, hoy izy nanohy ny teniny, “ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpandranto iray mitady voahangy tsara tarehy. Ary rehefa nahita voahangy iray lafo vidy izy, dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy.”

Ny tenan’i Jesosy mihitsy dia tahaka ilay lehilahy nahita harena nafenina sy tahaka ilay mpandranto nahita voahangy iray lafo vidy. Nivarotra ny zavatra rehetra izy, raha azo atao ny milaza izany, rehefa namela ny toeram-boninahitra nananany tany an-danitra mba ho tonga olombelona ambany. Avy eo, fony izy olona teto an-tany, dia niaritra fanalam-baraka sy fanenjehana feno fankahalana, ka nanaporofo fa mendrika ny ho Mpanapaka ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.

Mipetraka eo anoloan’ny mpanara-dia an’i Jesosy koa io zava-tsarotra tsy maintsy resena io, dia ny tokony hivarotany ny zavatra rehetra mba hahazoana ilay valisoa lehibe, dia ny ho mpiara-manapaka amin’i Kristy, na ho iray amin’ny vahoakan’ilay Fanjakana eto an-tany. Hihevitra ve isika fa ny fananana anjara ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra dia sarobidy kokoa noho ny zavatra hafa rehetra eo amin’ny fiainana, toy ny harena tsy hay tombanana ny vidiny, na toy ny voahangy sarobidy iray?

Farany, i Jesosy dia nampitaha “ny fanjakan’ny lanitra” tamin’ny harato tarihina, izay nahasarika ny karazana hazandrano rehetra. Rehefa navahana ireo hazandrano, dia hariana ny ratsy fa ny tsara kosa hohazonina. Ho toy izany, hoy i Jesosy, amin’ny fifaranan’ny fandehan-javatra; hanavaka ny ratsy fanahy amin’ny marina ireo anjely, ka hanokana ny ratsy fanahy ho amin’ny fanafoanana.

Nanomboka io asa fanjonoana io ny tenan’i Jesosy mihitsy, tamin’ny fiantsoana ireo mpianany voalohany mba ho “mpanjono olona”. Teo ambany fanaraha-mason’ireo anjely, dia nitohy nandritra ireo taonjato ka hatramin’izao io fanjonoana io. Rehefa ela ny ela, dia tonga ny fotoana hitarihana ilay “harato tarihina”, izay mampiseho ireo fandaminana eto an-tany mihambo ho kristiana rehetra, anisan’izany ny kongregasionan’ireo kristiana voahosotra.

Na dia hatsipy any amin’ny fandringanana aza ny hazandrano ratsy, dia velom-pankasitrahana ireo ‘hazandrano tsara’ fa hohazonina. Amin’ny fanehoana faniriana amim-pahatsorana, toy ny nataon’ireo mpianatr’i Jesosy, mba hahazo fahalalana sy fahatakarana fanampiny, dia hotahina isika, tsy amin’ny fampianarana fanampiny fotsiny, fa amin’ny fiainana mandrakizay, izay fitahiana avy amin’Andriamanitra. Matio 13:1-52, MN; Marka 4:1-34, MN; Lioka 8:4-18, MN; Salamo 78:2; Isaia 6:9, 10.

▪ Oviana ary taiza i Jesosy no niresaka tamin’ny vahoaka tamin’ny alalan’ny fanoharana?

▪ Fanoharana dimy inona avy izao no nolazain’i Jesosy tamin’ny vahoaka?

▪ Nahoana i Jesosy no nilaza fa ny voan-tsinapy no ny kely indrindra tamin’ny voa rehetra?

▪ Nahoana i Jesosy no niteny tamin’ny alalan’ny fanoharana?

▪ Tamin’ny ahoana no nisehoan’ireo mpianatr’i Jesosy ho hafa noho ireo vahoaka?

▪ Fanazavana inona no nomen’i Jesosy momba ilay fanoharana ny amin’ny mpamafy voa?

▪ Tamin’ny ahoana ireo mpianatr’i Jesosy no hafa noho ilay vahoaka teny amin’ny torapasika?

▪ Iza na inona no nasehon’ilay mpamafy voa, ilay saha, ilay voa tsara, ilay fahavalo, ny fotoam-pijinjana ary ireo mpijinja?

▪ Fanoharana telo hafa inona koa no nomen’i Jesosy, ary inona no azontsika ianarana avy amin’izy ireo?