Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fampianarana vehivavy samaritana iray

Fampianarana vehivavy samaritana iray

Toko 19

Fampianarana vehivavy samaritana iray

TENY an-dalana avy tany Jodia ho any Galilia, i Jesosy sy ny mpianany dia namakivaky ny distrikan’i Samaria. Reraka tamin’ilay dia izy ka nijanona niala sasatra teo anilan’ny fantsakana iray teo akaikin’ny tanànan’i Sykara teo amin’ny mitataovovonana teo ho eo. Io fantsakana io dia nolavahan’i Jakoba taonjato maro talohan’izay, ary mbola eo ihany hatramin’izao, any akaikin’ny tanànan’i Naplouse amin’izao andro izao.

Raha niala sasatra teo i Jesosy, ny mpianany kosa dia lasa nankany an-tanàna mba hividy hanina. Rehefa nisy vehivavy samaritana iray tonga hantsaka rano, dia nangataka taminy i Jesosy hoe: “Omeo aho hosotroiko.”

Tsy nifampiraharaha ny Jiosy sy ny Samaritana tamin’ny ankapobeny noho ny fitsarana an-tendrony lalim-paka. Nanontany tamim-pahagagana àry ilay vehivavy hoe: “Nahoana ianao izay Jiosy no mangataka amiko hosotroina nefa aho vehivavy samaritana?”

“Raha fantatrao”, hoy ny navalin’i Jesosy, “izay miteny aminao hoe: ‘Omeo aho hosotroiko’, dia ianao no ho nangataka taminy, ka ho nomeny rano velona.”

“Tsy manana fanovozana ianao, Tompoko”, hoy izy namaly, “sady lalina ny fantsakana. Koa avy aiza no ahazoanao izany rano velona izany? Ianao ve lehibe noho i Jakoba razanay izay nanome anay ity fantsakana ity, sady izy sy ny zanany mbamin’ny biby fiompiny no nisotro teto?”

“Izay rehetra misotro ity rano ity dia mbola hangetaheta indray”, hoy ny nomarihin’i Jesosy. “Fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay, fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay.”

“Omeo izany rano izany aho, Tompoko, mba tsy hangetaheta na hanketo hantsaka intsony”, hoy ny navalin’ilay vehivavy.

Izao dia hoy i Jesosy taminy: “Andeha àry antsoy ny vadinao, ka mankanesa atỳ.”

“Tsy manam-bady aho”, hoy ny navaliny.

Nanamarina ny teniny i Jesosy. “Marina izay nolazainao hoe: ‘Tsy manam-bady aho.’ Fa efa nanam-bady indimy ianao, ary tsy vadinao ilay lehilahy itoeranao ankehitriny.”

“Hitako fa mpaminany ianao, Tompoko”, hoy ilay vehivavy talanjona. Nampiharihary ny fahalianany amin’ny zavatra ara-panahy izy tamin’ny fanamarihana fa ny Samaritana dia “nivavaka teto amin’ity tendrombohitra ity [Gerizima, izay teo akaiky teo]; fa ianareo [Jiosy] kosa milaza fa any Jerosalema no tokony hivavahana.”

Kanefa, tsy ny toerana ivavahana no zava-dehibe, hoy ny nosoritan’i Jesosy. “Avy ny andro”, hoy izy, “rehefa hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana ny mpivavaka marina, fa ny Ray dia mitady tokoa ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. Andriamanitra dia Fanahy, ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana.”

Nanohina mafy ny fo sy ny sain’ilay vehivavy izany. “Fantatro fa avy ny Mesia, ilay atao hoe Kristy”, hoy izy. “Rehefa tonga izy, dia hambarany amintsika an-karihary ny zavatra rehetra.”

“Izaho izay miresaka aminao no izy”, hoy ny nambaran’i Jesosy. Eritrereto ange! Io vehivavy izay tonga tamin’ny mitataovovonana io mba hantsaka rano, angamba mba tsy hifankahitana tamin’ireo vehivavy tao an-tanàna izay nety ho nanamavo azy noho ny fomba fiainany, dia nomen’i Jesosy tombontsoa nahatalanjona. Nolazainy tamin’ny fomba tsy nisy azo nisalasalana mihitsy izay mbola tsy nambarany an-karihary na tamin’iza na tamin’iza. Inona no vokany?

Samaritana maro be no nino

Raha niverina avy tany Sykara nitondra hanina ny mpianatra dia nahita an’i Jesosy teo amin’ilay fantsakan’i Jakoba nandaozany azy, ary niresaka tamin’ny vehivavy samaritana iray. Rehefa tonga ireo mpianatra, dia lasa izy ka namela teo ny sininy ary nankany an-tanàna.

Liana mafy tamin’ireo zavatra nolazain’i Jesosy taminy izy ka nilaza tamin’ireo lehilahy tao an-tanàna hoe: “Andao hizaha lehilahy iray izay nilaza tamiko ny nataoko rehetra.” Avy eo, tamin’ny fomba izay nanaitra ny fahalianan’izy ireo hahafanta-javatra, dia nanontany izy hoe: “Izy angaha no Kristy?” Nahatratra ny zava-nokendreny ilay fanontaniana — lasa nizaha izany mihitsy ireo lehilahy.

Nandritra izany fotoana izany, dia nandodona an’i Jesosy mba hihinana ilay hanina nentiny avy tany an-tanàna ny mpianatra. Namaly anefa izy hoe: “Izaho manan-kanin-kohanina izay tsy fantatrareo.”

“Nisy olona nitondra zavatra hohaniny va re?”, hoy ny mpianatra nifanontany. Nanazava toy izao i Jesosy: “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’izay naniraka ahy sy ny mahavita ny asany. Tsy milaza ve ianareo fa efa-bolana no sisa dia ho tonga ny fijinjana?” Nisarika ny sainy ho amin’ny fijinjana ara-panahy anefa i Jesosy ka nanao hoe: “Atopazy ny masonareo, ka jereo ny eny an-tsaha, fa efa masaka sahady hojinjana izy. Ary izay mijinja dia mandray karama ka mamory vokatra ho amin’ny fiainana mandrakizay, mba hiara-mifaly ny mpamafy sy ny mpijinja.”

Angamba efa azon’i Jesosy an-tsaina sahady ny vokatra lehibe hoentin’ny nifankahitany tamin’ilay vehivavy samaritana — dia olona maro be nino azy noho ny teny fanamarinana nataon-dravehivavy. Nanao fanambarana tamin’ny mponina tao an-tanàna izy ka nilaza hoe: “Nolazainy tamiko avokoa izay rehetra nataoko.” Noho izany, rehefa nanatona azy teo amin’ilay fantsakana ireo lehilahy avy tany Sykara, dia nangataka azy mba hijanona sy hiresaka tamin’izy ireo bebe kokoa. Nanaiky ny fanasany i Jesosy ka nijanona tao roa andro.

Rehefa nihaino an’i Jesosy ireo Samaritana dia maro kokoa ihany ireo izay nino azy. Avy eo, dia hoy izy ireo tamin’ilay vehivavy: “Tsy noho ny filazanao ihany no inoanay, fa ny tenanay no mandre, ka fantatray fa izy tokoa no mpamonjy izao tontolo izao.” Tena nanome ohatra tsara dia tsara tokoa ilay vehivavy samaritana raha ny amin’ny fomba azontsika anaovana fanambarana momba an’i Kristy amin’ny fanairana ny fahalianan’ny mpihaino hahafanta-javatra mba hitadiavany hahafantatra bebe kokoa!

Tsarovy fa efa-bolana talohan’ny fijinjana tamin’izay — miharihary fa ny fijinjana ny vary hordea, izay atao amin’ny lohataona any Palestina. Azo inoana àry fa Novambra na Desambra tamin’izay. Midika izany fa, taorian’ny Paska taona 30 am.fan.ir., i Jesosy sy ny mpianany dia nijanona valo volana teo ho eo tany Jodia nampianatra sy nanao batisa. Nandeha niverina ho any Galilia, faritany niaviany, izy ireo izao. Inona no niandry azy ireo tany? Jaona 4:3-43, MN.

▪ Nahoana ilay vehivavy samaritana no gaga raha niresaka taminy i Jesosy?

▪ Inona no nampianarin’i Jesosy raha ny amin’ny rano velona sy ny toerana tokony hivavahana?

▪ Tamin’ny fomba ahoana no nampihariharian’i Jesosy tamin’ilay vehivavy hoe iza izy, ary nahoana no mahatalanjona izany fanambarana izany?

▪ Fanaovana fanambarana inona no nataon’ilay vehivavy samaritana, ary inona no vokany?

▪ Tamin’ny ahoana no nifandraisan’ny hanin’i Jesosy tamin’ny fijinjana?

▪ Ahoana no azontsika amerana ny faharetan’ny fanompoan’i Jesosy tany Jodia taorian’ny Paska taona 30 am.fan.ir.?