Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fampiomanana ireo apostoly ny amin’ny hiaingany

Fampiomanana ireo apostoly ny amin’ny hiaingany

Toko 116

Fampiomanana ireo apostoly ny amin’ny hiaingany

VITA ny sakafon’ny fahatsiarovana, nefa mbola tao amin’ilay efitrano tao ambony rihana i Jesosy sy ny apostoliny. Na dia ho lasa tsy ho ela aza i Jesosy, dia mbola nanana zavatra maro holazaina. “Aza avela hitebiteby ny fonareo”, hoy izy nampahery azy ireo. “Manehoa finoana an’Andriamanitra.” Nefa nanampy teny izy hoe: “Manehoa finoana ahy koa”.

“Ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro”, hoy i Jesosy nanohy ny teniny. “Handeha aho hanomana fitoerana ho anareo (...) ka izay itoerako no hitoeranareo koa. Ary fantatrareo ny lalana ho any amin’izay halehako.” Tsy takatr’ireo apostoly fa niresaka ny amin’ny handehanany any an-danitra i Jesosy, ka nanontany i Tomasy hoe: “Tompo ô, tsy fantatray izay halehanao. Koa amin’ny fomba ahoana no hahafantaranay ny lalana?”

“Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana”, hoy ny navalin’i Jesosy. Eny, amin’ny fanekena azy sy ny fanahafana ny fomba fiainany ihany no ahafahan’ny olona iray hiditra ao an-tranon’ny Ray any an-danitra, araka ny tenin’i Jesosy hoe: “Tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako.”

“Tompo ô, asehoy anay ny Ray”, hoy ny fangatahan’i Filipo, “dia ampy ho anay izay.” Toa tian’i Filipo ny hanomezan’i Jesosy fampisehoana hita maso an’Andriamanitra, toy ny nomena fahiny an’i Mosesy, i Elia ary i Isaia tao amin’ny fahitana. Nefa, raha ny tena izy, ny apostoly dia nanana zavatra tsara lavitra noho ny fahitana karazan’izany, araka ny nomarihin’i Jesosy toy izao: “Izay ela izay no efa niarahako taminareo, ka mbola tsy nahafantatra ahy ihany ve ianao, ry Filipo? Izay nahita ahy dia nahita ny Ray koa.”

Nanome taratra tanteraka ny maha-izy ny Rainy i Jesosy, hany ka ny fiarahana niaina taminy sy ny fandinihana azy, raha ny marina, dia toy ny tena fahitana ny Ray mihitsy. Kanefa mbola ambony noho ny Zanaka ny Ray, araka ny fieken’i Jesosy hoe: “Ny zavatra lazaiko aminareo, dia tsy teneniko araka ny hevitro manokana.” Nety indrindra fa nomen’i Jesosy ny Rainy any an-danitra mandrakariva ny laza noho ny fampianarana nataony.

Tsy maintsy ho fampaherezana toy inona ho an’ny apostoly moa izao ny fandrenesana an’i Jesosy nilaza taminy hoe: “Izay maneho finoana ahy dia hanao ny asa ataoko koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy”! Tsy te hilaza akory i Jesosy fa haneho hery hanao fahagagana lehibe noho ny nataony ny mpanara-dia azy. Tsia, fa ny tiany holazaina dia hoe hanohy ny fanompoana mandritra ny fotoana lava lavitra, any amin’ny faritra lehibe lavitra, sy any amin’ny mponina maro lavitra, izy ireo.

Tsy handao ny mpianany i Jesosy aorian’ny fiaingany. “Na inona na inona hangatahinareo amin’ny anarako”, hoy ny nampanantenainy, “dia hataoko izany.” Fanampin’izany, dia hoy izy hoe: “Hangataka amin’ny Ray aho, dia hanome anareo mpanampy hafa iray izy mba ho eo aminareo mandrakizay, dia ny fanahin’ny fahamarinana.” Tatỳ aoriana, taorian’ny niakarany ho any an-danitra, dia nandatsaka ny fanahy masina, dia ilay mpanampy hafa, teo amin’ny mpianany izy.

Antomotra ny fiaingan’i Jesosy, araka ny nolazainy hoe: “Vetivety foana dia tsy hahatazana ahy intsony izao tontolo izao.” Ho zavaboary ara-panahy, izay tsy ho hitan’ny olombelona na iza na iza i Jesosy. Teo indray koa anefa, dia nampanantena ireo apostoliny nahatoky i Jesosy hoe: “Ianareo no hahatazana ahy; satria velona aho ary ho velona koa ianareo.” Eny, tsy hoe hiseho amin’izy ireo amin’ny endrik’olombelona fotsiny i Jesosy aorian’ny fitsanganany amin’ny maty, fa amin’ny fotoana mety, dia hanangana azy ireo amin’ny maty izy mba hiara-miaina aminy any an-danitra amin’ny maha-zavaboary ara-panahy.

Izao i Jesosy dia nanonona ity fitsipika tsotra ity: “Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia ahy. Ary izay tia ahy kosa dia ho tian’ny Raiko, ary izaho ho tia azy ka hiseho aminy mazava.”

Tamin’izay, i Jodasy apostoly, ilay nantsoina koa hoe Tadeo, dia nanapaka ny teniny ka nanao hoe: “Tompo ô, inona no nitranga no mikasa ny hiseho aminay mazava ianao fa tsy amin’izao tontolo izao?”

“Na iza na iza tia ahy”, hoy ny navalin’i Jesosy, “dia hitandrina ny teniko, ary ny Raiko ho tia azy (...) Izay tsy tia ahy dia tsy mitandrina ny teniko.” Tsy tahaka ireo mpanara-dia azy mpankatò izao tontolo izao, fa minia tsy mahalala ny fampianaran’i Kristy. Noho izany dia tsy nampiharihary ny tenany tamin’izy ireo izy.

Nandritra ny fanompoany teto an-tany, dia nampianatra zavatra maro be ny apostoliny i Jesosy. Ahoana no hahatadidiavan’izy ireo izany rehetra izany, ary indrindra fa satria, na hatramin’izao aza, dia be dia be no tsy takany ny heviny? Soa ihany fa nampanantena toy izao i Jesosy: “Ny mpanampy, dia ny fanahy masina, izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako, izany no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hamerina ao an-tsainareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo.”

Nampahery azy ireo indray i Jesosy ka nilaza hoe: “Mamela fiadanana ho anareo aho, omeko anareo ny fiadanako. (...) Aza avela hitebiteby ny fonareo.” Marina fa hiainga i Jesosy, nefa nanazava toy izao izy: “Raha tia ahy ianareo, dia hifaly fa handeha ho any amin’ny Ray aho, satria ny Ray dia lehibe noho Izaho.”

Fohy ny fotoana tavela hiarahan’i Jesosy tamin’izy ireo. “Tsy hilaza zavatra maro aminareo intsony aho”, hoy izy, “fa avy ny mpanapak’izao tontolo izao. Ary tsy mahazona ahy izy.” I Satana Devoly, ilay afaka niditra tao amin’i Jodasy ka nihazona azy, no ilay mpanapak’izao tontolo izao. Tao amin’i Jesosy anefa dia tsy nisy fahalemena avy amin’ny ota izay azon’i Satana nampiasaina mba hampialana azy tamin’ny fanompoana an’Andriamanitra.

Fankafizana fifandraisana akaiky

Nanaraka ny sakafon’ny fahatsiarovana, dia nampahery ny apostoliny tamin’ny resaka tamim-pahatsorana nataony teo no ho eo i Jesosy. Nety ho taorian’ny misasakalina izao. Nampirisika àry i Jesosy hoe: “Mitsangàna, andao isika hiala eto.” Nefa, talohan’ny nialan’izy ireo teo, i Jesosy, izay nohetsehin’ny fitiavany azy ireo, dia nanohy niresaka ary nanome fanoharana iray nanosika azy ireo hanao zavatra.

“Izaho no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboly”, hoy izy nanomboka ny teniny. Ilay Mpamboly Lehibe, Jehovah Andriamanitra, dia namboly izany voaloboka ara-panoharana izany rehefa nanosotra an’i Jesosy tamin’ny fanahy masina, tamin’ny batisany tamin’ny fararano 29 am.fan.ir. Nanohy ny teniny anefa i Jesosy ka nampiseho fa tsy izy ihany no nasehon’ilay voaloboka, tamin’ny fanamarihana hoe: “Ny sampany rehetra eo amiko izay tsy mamoa dia esoriny, izay mamoa rehetra kosa dia dioviny mba hamoazany bebe kokoa. (...) Tsy misy hafa amin’ny tsy hahaizan’ny sampany mamoa ho azy, raha tsy miray amin’ny voaloboka izy, dia toy izany koa ianareo, raha tsy mitoetra miray amiko. Izaho no voaloboka, ianareo no sampany.”

Tamin’ny Pentekosta, 51 andro taorian’io, dia tonga sampan’ny voaloboka ireo apostoly sy ny hafa rehefa nilatsaka teo amin’izy ireo ny fanahy masina. Tamin’ny farany, dia nisy olona 144 000 tonga sampan’ilay voaloboka ara-panoharana. Miaraka amin’i Jesosy Kristy, ilay foto-boaloboka, dia mahaforona voaloboka ara-panoharana mamokatra ny voan’ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireo.

Nohazavain’i Jesosy toy izao ny fanalahidin’ny famoazana: “Izay mitoetra miray amiko, ary izaho aminy, dia mamoa be; satria raha misaraka amiko ianareo, dia tsy afaka manao na inona na inona.” Raha toa anefa ny olona iray ka tsy mamoa, hoy i Jesosy, “dia ariana any ivelany tahaka ny sampany izy ka malazo; ary angonin’ny olona izy ireny ka atsipiny ao anaty afo ary dia may.” Tetsy an-daniny kosa, dia nampanantena i Jesosy hoe: “Raha mitoetra miray amiko ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, dia ho tonga aminareo izany.”

Fanampin’izany, dia nilaza toy izao tamin’ny mpianany i Jesosy: “Ankalazaina noho izao ny Raiko, dia raha tsy mitsahatra mamoa be ianareo, ka miseho ho mpianatro.” Ny voa irin’Andriamanitra ho azo avy amin’ireo sampany dia ny fanehoan’izy ireo toetra tsara sahala amin’ny an’i Kristy, indrindra fa ny fitiavana. Ambonin’izany, satria mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra i Kristy, ny voa irina ho azo dia mahafaoka koa ny fanaovan’izy ireo mpianatra toy ny nataony.

“Tomoera amin’ny fitiavako ianareo”, hoy ny fampirisihan’i Jesosy izao. Kanefa, ahoana no hahafahan’ny apostoliny hanao izany? “Raha mitandrina ny didiko ianareo”, hoy izy, “dia hitoetra amin’ny fitiavako.” Nanohy nanazava toy izao i Jesosy: “Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tsy misy hafa amin’ny nitiavako anareo. Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny hanoloran’ny olona iray ny fanahiny [âme] ho an’ny sakaizany.”

Rehefa afaka ora vitsivitsy dia hasehon’i Jesosy izany fitiavana tsy manan-tsahala izany amin’ny fanolorana ny ainy ho an’ny apostoliny, ary koa ny hafa izay haneho finoana azy. Ny ohatra nomeny dia tokony hanosika ireo mpanara-dia azy hifaneho fitiavana feno fahafoizan-tena toy izany. Io fitiavana io no hamantarana azy ireo, araka ny nambaran’i Jesosy taloha kokoa hoe: “Izao no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha misy fifankatiavana eo aminareo.”

Nampahafantatra izay sakaizany i Jesosy tamin’ny filazana hoe: “Ianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo. Tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo, satria ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony. Fa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria izay rehetra reko tamin’ny Raiko dia nampahafantariko anareo avokoa.”

Fifandraisana sarobidy toy inona moa izany hoe sakaiza akaikin’i Jesosy! Kanefa mba hanohizana hanana izany fifandraisana izany dia ‘tsy tokony hitsahatra ny hamoa’ ireo mpanara-dia azy. Raha manao izany izy ireo, hoy i Jesosy, “na inona na inona hangatahinareo amin’ny Ray amin’ny anarako dia homeny anareo avokoa.” Valisoa lehibe tokoa izany ho an’ireo izay mamoa ny voan’ilay Fanjakana. Rehefa avy nampirisika indray ny apostoliny mba ‘hifankatia’ i Jesosy, dia nanazava fa hankahala azy ireo izao tontolo izao. Kanefa nampahery azy ireo toy izao izy: “Raha mankahala anareo izao tontolo izao, dia fantatrareo fa efa nankahala ahy talohan’ny nankahalany anareo izy.” Nanaraka izany, i Jesosy dia nanambara toy izao ny antony ankahalan’izao tontolo izao ireo mpanara-dia azy: “Satria tsy anisan’izao tontolo izao ianareo, fa izaho efa nifidy anareo tamin’izao tontolo izao, noho izany dia halan’izao tontolo izao ianareo.”

Nanazava misimisy kokoa ny anton’ny fankahalan’izao tontolo izao i Jesosy ary nanohy ny teniny toy izao: “Hanao izany rehetra izany hamelezana anareo noho ny anarako izy, satria tsy mahalala ilay [Jehovah Andriamanitra] naniraka ahy.” Ny fahagagana nataon’i Jesosy, raha ny marina, dia nanameloka ireo izay nankahala azy, araka ny nomarihiny hoe: “Raha tsy nanao teo aminy ireo asa tsy nataon’iza na iza ankoatra ny tenako aho, dia tsy ho nanan-keloka izy ireo; fa ankehitriny dia sady nahita no nankahala ahy sy ny Raiko koa izy.” Araka izany, hoy i Jesosy, dia tanteraka ny Soratra masina manao hoe: “Nankahala ahy tsy amin’ny antony izy ireo.”

Toy ny nataony teo aloha, dia nampahery azy ireo indray i Jesosy tamin’ny fampanantenana handefa ny mpanampy, dia ny fanahy masina, izay ny hery miasan’Andriamanitra. “Izy io no hanambara ahy; ary ianareo kosa dia tsy maintsy manao fanambarana koa.”

Fananarana fanampiny talohan’ny hiaingana

Vonona ny hiala tao amin’ilay efitrano ambony rihana i Jesosy sy ny apostoliny. “Niteny izany zavatra izany taminareo aho, mba tsy ho tafintohina ianareo”, hoy izy nanohy ny teniny. Avy eo izy dia nanome izao fampiomanana lehibe izao: “Hisy olona handroaka anareo avy ao amin’ny synagoga. Raha ny marina, dia ho avy ny andro izay hiheveran’izay rehetra mamono anareo fa manolotra fanompoana masina ho an’Andriamanitra izy.”

Niharihary fa velom-panahiana lalina ireo apostoly noho izany fampiomanana izany. Na dia efa nilaza aza i Jesosy teo aloha fa hankahala azy ireo izao tontolo izao, dia tsy naharihariny nivantana toy izao fa hovonoina izy ireo. “Tsy nilaza [izany] taminareo aho tamin’ny voalohany”, hoy i Jesosy nanazava, “satria teo aminareo.” Kanefa, tsara tokoa ny nampiomanana azy ireo mialoha tamin’izany fampahafantarana izany, talohan’ny hiaingany!

“Fa ankehitriny”, hoy i Jesosy nanohy ny teniny, “mankany amin’ilay naniraka ahy aho, ary anefa tsy misy aminareo manontany ahy hoe: ‘Hankaiza ianao?’ ” Teo aloha kokoa, tamin’io takariva io, dia nanontany ny amin’izay halehany izy ireo, nefa izao dia nihorohoro aoka izany izy ireo noho izay nolazainy taminy hany ka hadinony ny nanontany misimisy kokoa momba izany. Nilaza izany toy izao i Jesosy: “Satria niteny izany zavatra izany taminareo aho, dia vonton’alahelo ny fonareo.” Nalahelo ireo apostoly, tsy noho izy nahafantatra fotsiny fa hiharan’ny fanenjehana mahatsiravina sy hovonoina ny tenany, fa satria koa hilaozan’ny Tompony izy.

Koa nanazava àry i Jesosy hoe: “Ny mba hahasoa anareo no handehanako. Fa raha tsy mandeha aho, dia tsy ho avy atỳ aminareo velively ny mpanampy; fa raha mandeha kosa aho, dia halefako ho atỳ aminareo izy.” Fony izy olombelona, dia tsy afaka ny ho eo amin’ny toerana roa amin’ny fotoana iray ihany i Jesosy, nefa rehefa any an-danitra izy, dia afaka mandefa ny mpanampy, dia ny fanahy masin’Andriamanitra, ho amin’ireo mpanara-dia azy na aiza na aiza mety hisy azy ireo eto an-tany. Hahasoa àry ny fandehanan’i Jesosy.

Ny fanahy masina, hoy i Jesosy, “dia hanome an’izao tontolo izao porofo mampiaiky momba ny fahotana sy ny fahamarinana ary ny fitsarana.” Ny fahotan’izao tontolo izao, ny tsy fanehoany finoana ny Zanak’Andriamanitra, dia halana sarona. Fanampin’izany, ny porofo mampiaiky momba ny fahamarinan’i Jesosy dia haseho amin’ny fiakarany ho any amin’ny Ray. Ary ny tsy nahavitan’i Satana sy ny tontolony ratsy hanapaka ny tsy fivadihan’i Jesosy dia porofo mampiaiky fa nomelohina ny mpanapak’izao tontolo izao.

“Mbola manana zavatra maro holazaina aminareo aho,” hoy i Jesosy nanohy ny teniny, “nefa tsy zakanareo izany ankehitriny.” Noho izany, dia nampanantena i Jesosy fa rehefa mandatsaka ny fanahy masina, izay hery miasan’Andriamanitra, izy, izany dia hitarika azy ireo hahatakatra izany zavatra izany mifanaraka amin’ny fahafahan’izy ireo mahataka-javatra.

Ny tena tsy azon’ireo apostoly dia ny hoe ho faty i Jesosy ary avy eo dia hiseho amin’izy ireo rehefa ho tafatsangana. Nifampanontany àry izy ireo hoe: “Inona no dikan’ilay nolazainy tamintsika nanao hoe: ‘Vetivety foana dia tsy hahita ahy ianareo, ary vetivety foana indray dia hahita ahy ianareo’, ary ny hoe: ‘satria ho any amin’ny Ray aho’?”

Takatr’i Jesosy fa ta hanontany azy izy ireo, ka nanazava izy hoe: “Milaza aminareo marina dia marina tokoa aho: Hitomany sy hitoloko ianareo, fa izao tontolo izao kosa hifaly; halahelo ianareo, nefa ny alahelonareo hody fifaliana.” Tatỳ aoriana kokoa, tamin’io andro io, ny tolakandro, rehefa novonoina i Jesosy, dia nifaly ireo filoha ara-pivavahana teo amin’izao tontolo izao, nefa ireo mpianatra nalahelo. Niova ho fifaliana anefa ny alahelon’izy ireo rehefa tafatsangana tamin’ny maty i Jesosy! Ary nitohy ny fifalian’izy ireo rehefa nanome hery azy ireo izy tamin’ny Pentekosta mba ho vavolombelony, tamin’ny fandatsahana ny fanahy masin’Andriamanitra teo amin’izy ireo!

Nampitaha ny tarehin-javatra nisy ireo apostoly tamin’ny an’ny vehivavy iray mihetsi-jaza i Jesosy ka nanao hoe: “Manam-pahoriana ny vehivavy eo am-piterahana, satria tonga ny fotoany.” Kanefa nanamarika i Jesosy fa tsy tadidiny intsony ny fahoriany raha vao teraka ny zanany, ka nampahery ny apostoliny izy tamin’ny filazana hoe: “Ianareo koa, noho izany, ankehitriny dia manana alahelo tokoa; nefa hahita anareo indray aho [rehefa hatsangana amin’ny maty] ary dia hifaly ny fonareo, ka tsy misy olona hanaisotra ny fifalianareo aminareo.”

Hatramin’io fotoana io ireo apostoly dia tsy nanao fangatahana tamin’ny anaran’i Jesosy mihitsy. Niteny anefa izy izao hoe: “Raha mangataka zavatra na inona na inona amin’ny Ray ianareo dia hanome izany anareo amin’ny anarako izy. (...) Fa ny Ray dia tia anareo satria tia ahy ianareo sady nino fa nivoaka tamin’ny naha-solontenan’ny Ray aho. Nivoaka avy tamin’ny Ray aho ka tonga amin’izao tontolo izao. Fanampin’izany, dia handao an’izao tontolo izao aho ka handeha ho any amin’ny Ray.”

Fampaherezana lehibe ho an’ny apostoliny ireo tenin’i Jesosy. “Izany no inoanay fa nivoaka avy tamin’Andriamanitra ianao”, hoy izy ireo. “Mino ve ianareo ankehitriny?”, hoy i Jesosy nanontany. “Indro! Ho avy ny ora, eny, efa tonga izany, izay hielezanareo samy ho any an-tranony avy ka hamelanareo ahy ho irery.” Na dia toa sarotra ninoana aza izany, dia nitranga raha mbola tsy nifarana akory ny alina!

“Nilaza izany zavatra izany taminareo aho mba hanananareo fiadanana amin’ny alalako.” Namarana ny teniny toy izao i Jesosy: “Eto amin’izao tontolo izao ianareo dia mahita fahoriana, nefa mahereza! Izaho efa naharesy izao tontolo izao.” Naharesy izao tontolo izao i Jesosy tamin’ny fanatanterahana tamim-pahatokiana ny sitrapon’Andriamanitra, na dia teo aza ny zavatra rehetra nandraman’i Satana sy ny tontolony natao mba hanapahana ny tsy fivadihany.

Vavaka famaranana tao amin’ny efitrano ambony

Nohetsehin’ny fitiavana lalina ireo apostoliny i Jesosy, ka nanomana azy ireo ho amin’ny fiaingany efa antomotra. Izao, rehefa avy nananatra sy nampahery azy ireo naharitra i Jesosy, dia niandrandra ny lanitra ary nangataka toy izao tamin’ny Rainy: “Mankalazà ny zanakao, mba hankalazan’ny zanaka anao, araka ny nanomezanao azy fahefana amin’ny nofo rehetra, mba hanomezany fiainana mandrakizay ho an’ireo rehetra nomenao azy.”

Foto-kevitra mampihetsi-po toy inona moa no nampidirin’i Jesosy — fiainana mandrakizay! Noho izy nomena “fahefana amin’ny nofo rehetra”, dia afaka mizara ny soa avy amin’ny sorom-panavotany ho an’ny olombelona mety maty rehetra i Jesosy. Kanefa, tsy manome “fiainana mandrakizay” afa-tsy ho an’ireo izay ankasitrahan’ny Ray ihany izy. Tamin’ny fiorenana tamin’io foto-kevitra ny amin’ny fiainana mandrakizay io, dia nanohy ny vavaka nataony toy izao i Jesosy:

“Izao no fiainana mandrakizay, dia ny fandraisany fahalalana anao, ilay hany Andriamanitra marina, sy ilay nirahinao, i Jesosy Kristy.” Eny, miankina amin’ny fandraisana fahalalana an’Andriamanitra sy ny Zanany ny famonjena. Kanefa mbola misy zavatra ilaina ankoatra ny fahalalana ao an-tsaina fotsiny.

Ny olona iray dia tsy maintsy mahalala azy ireo akaiky, amin’ny fampitomboana fisakaizana misy fifankahazoana aminy. Tsy maintsy manana fomba fihevitra momba ny raharaha iray tahaka ny fomba fihevitr’izy ireo ny olona iray, ary mijery zavatra araka ny fomba fijerin’izy ireo. Ary ambonin’ny zavatra rehetra, ny olona iray dia tsy maintsy miezaka mafy mba hanahaka ny toetra tsara tsy manan-tsahala ananan’izy ireo eo amin’ny fifandraisana amin’ny hafa.

Nanaraka izany, dia nivavaka toy izao i Jesosy: “Nankalaza Anao tetỳ ambonin’ny tany aho, fa nahavita ny asa nomenao ahy hataoko.” Noho izy nahatanteraka araka izany ny asa nanendrena azy hataony hatreo, ary noho izy natoky ny fahombiazany amin’ny ho avy, dia nangataka hoe: “Ray ô, mankalazà ahy miaraka aminao, dia amin’ny voninahitra niarahako nanana taminao, fony tsy mbola ary izao tontolo izao.” Eny, izao izy dia nangataka ny haverina indray amin’ny voninahitra nananany taloha tany an-danitra, amin’ny alalan’ny fananganana amin’ny maty.

Namintina ny asa lehibe indrindra nataony tetỳ an-tany i Jesosy ka nanao hoe: “Naharihariko ny anaranao tamin’ny olona izay nomenao ahy avy tamin’izao tontolo izao. Anao izy ireny, ka nomenao ahy, ary dia nitandrina ny teninao.” Nampiasa ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah i Jesosy teo amin’ny fanompoany ary nampiseho ny fanononana azy io marina, nefa mihoatra noho izany no nataony tamin’ny fampiharihariana ny anaran’Andriamanitra tamin’ireo apostoliny. Nanitatra ny fahalalana sy ny fankasitrahan’izy ireo an’i Jehovah sy ny maha-izy azy ary ny fikasany, koa izy.

Tamin’ny fanekena an’i Jehovah ho Lehibeny, Ilay eo ambany fahefany no nanompoany, dia niaiky tamim-panetren-tena toy izao i Jesosy: “Ny teny izay nomenao ahy dia nomeko azy kosa, ary noraisiny, ka nanjary fantany marina tokoa fa nivoaka tamin’ny naha-solontenanao aho, ary nino izy fa ianao no naniraka ahy.”

Tamin’ny fanavahana ny mpanara-dia azy tamin’ny sisa amin’ny taranak’olombelona i Jesosy, nanaraka izany, dia nivavaka toy izao: “Mangataka aho, tsy ho an’izao tontolo izao, fa ho an’ireo izay nomenao ahy (...) Fony aho niaraka taminy, dia niambina azy (...), ary niaro azy aho, ka tsy misy na dia iray aminy aza ringana, afa-tsy ilay zanaky ny fandringanana ihany”, izany hoe i Jodasy Iskariota. Tamin’izay fotoana izay indrindra i Jodasy dia teo am-panaovana ny asa tsy mendrika hamadika an’i Jesosy. Tsy fantatr’i Jodasy akory àry fa nanatanteraka ny Soratra masina izy.

“Nankahala azy ireo izao tontolo izao”, hoy i Jesosy nanohy ny vavaka nataony. “Mangataka aminao aho, tsy mba hampiala azy amin’izao tontolo izao, fa mba hiambina azy kosa noho ilay ratsy. Tsy anisan’izao tontolo izao izy ireo, tahaka ahy tsy anisan’izao tontolo izao.” Ireo mpanara-dia an’i Jesosy dia teo amin’izao tontolo izao, ilay fitambaran’olona voalamina tapahin’i Satana, nefa tafasaraka ary tsy maintsy mitoetra ho tafasaraka mandrakariva aminy sy amin’ny faharatsiany izy ireo.

“Manamasìna azy amin’ny alalan’ny fahamarinana”, hoy i Jesosy nanohy ny teniny, “ny teninao no fahamarinana.” Teto i Jesosy dia niantso ny Soratra hebreo azo tamin’ny tsindrimandry hoe “fahamarinana”, soratra izay nakany teny mandrakariva. Kanefa izay nampianariny ny mpianany sy izay nosoratan’izy ireo tatỳ aoriana teo ambany tsindrimandry ka fantatra amin’ny hoe ny Soratra grika kristiana, dia “ny fahamarinana” toy izany koa. Izany fahamarinana izany dia afaka manamasina olona iray, manova tanteraka ny fiainany, ary mahatonga azy ho olona iray tafasaraka amin’izao tontolo izao.

Nivavaka izao i Jesosy ‘tsy ho azy ireo ihany, fa ho an’izay mino [azy] koa amin’ny teniny.’ Koa nivavaka ho an’ireo mpanara-dia azy voahosotra sy ho an’ireo mpianatra hafa amin’ny ho avy, izay mbola hangonina ho ao amin’ny “andiany iray”, àry i Jesosy. Inona no nangatahiny ho azy rehetra ireo?

“Mba ho iray ihany izy rehetra, tsy misy hafa aminao Ray miray amiko, ary izaho aminao, (...) mba ho iray izy, tsy misy hafa amin’ny maha-iray antsika.” Tsy persona iray ara-bakiteny akory i Jesosy sy ny Rainy, fa mifanaraka amin’ny zavatra rehetra kosa izy ireo. Nivavaka i Jesosy mba hanana firaisana mitovy amin’izany koa ireo mpanara-dia azy mba “ho fantatr’izao tontolo izao fa naniraka ahy ianao sady tia azy ireo tsy misy hafa amin’ny nitiavanao ahy.”

Ho an’ireo izay ho mpanara-dia azy voahosotra, dia nanao fangatahana tamin’ny Rainy any an-danitra izao i Jesosy. Inona izany? “Mba ho any amin’izay misy ahy koa ireo izay nomenao ahy, mba hahita ny voninahitro izay nomenao ahy izy, satria tia ahy ianao, talohan’ny nanorenana izao tontolo izao”, izany hoe talohan’ny notorontoronina ny taranany voalohany i Adama sy i Eva. Ela be talohan’izay, Andriamanitra dia efa tia ny Zanany lahy tokana, izay tonga Jesosy Kristy.

Namarana ny vavaka nataony i Jesosy tamin’ny fanasongadinana toy izao indray: “Nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany, mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao ahy, ary izaho koa hiray aminy.” Ho an’ireo apostoly, ny fahafantarana ny anaran’Andriamanitra dia nahafaoka ny nanjary nahalalany manokana ny fitiavan’Andriamanitra. Jaona 14:1 ka hatramin’ny 17:26, MN; Jn 13:27, 35, 36, MN; Lioka 22:3, 4, MN; Eksodosy 24:10; 1 Mpanjaka 19:9-13; Isaia 6:1-5; Galatiana 6:16; Salamo 35:19; 69:4; Ohabolana 8:22, 30.

▪ Ho aiza i Jesosy, ary inona no valinteny azon’i Tomasy momba ny lalana mankany?

▪ Tamin’ny fangatahany, inona no toa tian’i Filipo homen’i Jesosy?

▪ Nahoana ny olona iray nahita an’i Jesosy no nahita ny Rainy koa?

▪ Amin’ny ahoana no hanaovan’ny mpanara-dia an’i Jesosy asa lehibe noho ny nataony?

▪ Tamin’ny heviny ahoana i Satana no tsy nahazona an’i Jesosy?

▪ Oviana i Jehovah no namboly ny voaloboka ara-panoharana, ary oviana sy ahoana no ahatongavan’ny hafa ho anisan’ilay voaloboka?

▪ Sampany firy, amin’ny farany, no ananan’ilay voaloboka ara-panoharana?

▪ Voa manao ahoana no irin’Andriamanitra avy amin’ireo sampana?

▪ Ahoana no ahafahantsika ho sakaizan’i Jesosy?

▪ Nahoana izao tontolo izao no mankahala ireo mpanara-dia an’i Jesosy?

▪ Fampiomanana inona nolazain’i Jesosy no nanelingelina ny apostoliny?

▪ Nahoana ny apostoly no tsy nanontany an’i Jesosy ny amin’izay halehany?

▪ Inona indrindra moa no tena tsy azon’ireo apostoly?

▪ Tamin’ny ahoana no nampisehoan’i Jesosy tamin’ny alalan’ny sary fa hiova ho fifaliana ny alahelo nisy ireo apostoly?

▪ Inona no nolazain’i Jesosy fa hataon’ireo apostoly tsy ho ela?

▪ Tamin’ny ahoana no naharesen’i Jesosy izao tontolo izao?

▪ Tamin’ny heviny ahoana i Jesosy no nomena “fahefana amin’ny nofo rehetra”?

▪ Inona no dikan’ny hoe mandray fahalalana an’Andriamanitra sy ny Zanany?

▪ Tamin’ny fomba ahoana avy no nampihariharian’i Jesosy ny anaran’Andriamanitra?

▪ Inona moa “ny fahamarinana”, ary ahoana no ‘hanamasinan’izy io’ ny kristiana iray?

▪ Ahoana no maha-iray an’Andriamanitra sy ny Zanany ary ireo mpanaraka ny fanompoam-pivavahana marina rehetra?

▪ Oviana no “nanorenana izao tontolo izao”?