Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fampiomanana mba hiatrika fanenjehana

Fampiomanana mba hiatrika fanenjehana

Toko 50

Fampiomanana mba hiatrika fanenjehana

REHEFA avy nanome toromarika ny apostoliny ny amin’ireo fomba hanatanterahana ny asa fitoriana i Jesosy dia nampitandrina azy ireo ny amin’ny mpanohitra. Hoy izy: “Indro! Izaho maniraka anareo ho tahaka ny ondry eo ampovoan’ny amboadia (...) Mitandrema ianareo noho ny amin’ny olona; fa hatolony ho amin’ny fitsarana eo an-toerana sy hokapohiny ao amin’ny synagogany ianareo. Ary hotarihina eo anatrehan’ny mpanapaka sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko”.

Na dia teo aza ny fanenjehana mafy niandry ireo mpanara-dia azy, dia nanome izao fampanantenana feno toky izao i Jesosy: “Raha manolotra anareo izy, dia aza manahy ny amin’izay fomba hitenenanareo, na izay holazainareo; fa homena anareo amin’izany ora izany izay holazainareo; fa tsy ianareo no miteny, fa ny fanahin’ny Rainareo no miteny amin’ny alalanareo.”

“Fanampin’izany”, hoy i Jesosy nanohy ny teniny, “ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny mba ho faty, ary ny ray hanolotra ny zanany, ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny rainy sy ny reniny ka hahafaty azy.” Nanampy teny toy izao izy: “Ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny anarako; fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena.”

Lehibe dia lehibe aoka izany ny fitoriana. Noho izany antony izany, dia nanasongadina ny hilàna fahamalinana mba hihazonana ny fahalalahana hahafahana hanatanteraka ilay asa i Jesosy. “Raha manenjika anareo amin’ny tanàna iray ny olona, dia mandosira ho any amin’ny hafa”, hoy izy, “fa milaza aminareo marina tokoa aho: tsy hahatapitra velively ny fitetezana ny tanànan’ny Isiraely ianareo mandra-pahatongan’ny Zanak’olona.”

Marina fa nanome izany toromarika sy fampitandremana ary fampaherezana izany ho an’ny apostoliny 12 i Jesosy, nefa natao ho an’ireo izay handray anjara amin’ny fitoriana maneran-tany aorian’ny hahafatesany sy hitsanganany amin’ny maty koa izany. Izany dia nasehon’ny filazany fa ny mpianany dia “ho halan’ny olona rehetra”, fa tsy ny Isiraelita izay nanirahana ny apostoly mba hitoriany ihany akory. Fanampin’izany, ny apostoly dia niharihary fa tsy notarihina teo anatrehan’ny mpanapaka sy ny mpanjaka rehefa nandefa azy ireo hanao io asa fitoriana manokana fohy io i Jesosy. Ambonin’izany, dia tsy natolotry ny tao amin’ny fianakaviany ho faty ireo mpino tamin’izay.

Koa, rehefa nilaza àry i Jesosy fa tsy hahatapitra ny fitoriana nitetezana ireo tanàna “mandra-pahatongan’ny Zanak’olona” ny mpianany, dia nilaza tamintsika ara-paminaniana izy fa tsy hahatapitra ny fitetezana ny tany onenana manontolo amin’ny alalan’ny fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra tafaorina ny mpianany, alohan’ny hahatongavan’ilay Mpanjaka nomem-boninahitra, i Jesosy Kristy, amin’ny maha-mpanao raharaha hanatanteraka ny baikon’i Jehovah ao Aramagedona azy.

Nanohy nanome toromarika momba ny fitoriana i Jesosy ka nanao hoe: “Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra azy, na ny mpanompo noho ny tompony.” Ireo mpanara-dia an’i Jesosy àry dia tsy maintsy nanampo ny hiharan’ireo fitondrana ratsy sy fanenjehana nihatra taminy noho ny fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra. Kanefa nanome izao fananarana izao izy: “Aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy afaka mamono ny fanahy; fa matahora kosa izay afaka mandringana ny fanahy sy ny tena ao amin’ny Gehena.”

Nanome ohatra tamin’izany lafiny izany i Jesosy tatỳ aoriana. Niaritra ny fahafatesana tsy tamin-tahotra izy fa tsy nampanaiky lembenana ny fahatokiany teo anatrehan’Ilay nitana ny hery rehetra, dia i Jehovah Andriamanitra. Eny, i Jehovah no afaka mandringana ny ‘fanahin’ny’ olona iray (izay midika eto amin’ity ohatra ity ho ny fahatsinjovan’ny olona iray hoavy amin’ny maha-fanahy (âme) velona azy), na afaka manangana ny olona iray amin’ny maty kosa mba hahazoany fiainana mandrakizay. Ray any an-danitra be fitiavana sy fangoraham-po tokoa i Jehovah!

Nanaraka izany i Jesosy dia nampahery ny mpianany tamin’ny alalan’ny fanoharana iray izay nampisongadina ny fiahiana tamim-pitiavana nasehon’i Jehovah azy ireo. “Tsy vola vy ambany vidy ihany ve no vidin’ny tsintsina roa?”, hoy izy nanontany. “Nefa tsy misy na dia iray akory aza amin’ireny ho latsaka amin’ny tany, ka tsy ho fantatry ny Rainareo. Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Noho izany dia aza matahotra: mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo.”

Ny hafatra momba ilay Fanjakana nasain’i Jesosy nambaran’ny mpianany dia hampisaraka ankohonana, satria hisy mpianakavy sasany hanaiky izany fa ny hafa kosa handa izany. “Aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana ambonin’ny tany aho”, hoy ny fanazavany. “Tsy tonga hitondra fiadanana aho, fa sabatra.” Araka izany, dia mitaky herim-po ho an’ny mpikambana iray ao amin’ny fianakaviana ny fanarahana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. “Izay manana firaiketam-po amin’ny rainy na ny reniny mihoatra noho ny amiko dia tsy mendrika ahy”, hoy ny nomarihin’i Jesosy, “ary izay manana firaiketam-po amin’ny zanany lahy na ny zanany vavy mihoatra noho ny amiko dia tsy mendrika ahy.”

Namarana ireo toromarika nomeny i Jesosy tamin’ny fanazavana fa ireo izay nandray ny mpianany dia nandray azy koa. “Na iza na iza manome rano mangatsiaka na dia eran’ny kapoaka ihany aza hosotroin’ny iray amin’ireo madinika ireo, satria mpianatra izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa: tsy ho very ny valisoany.” Matio 10:16-42, MN.

▪ Fampitandremana inona avy no nomen’i Jesosy ny mpianany?

▪ Fampaherezana sy fampiononana inona no nomeny azy ireo?

▪ Nahoana ireo toromarika nomen’i Jesosy no mihatra amin’ny kristiana amin’izao andro izao koa?

▪ Amin’ny heviny ahoana ny mpianatr’i Jesosy iray no tsy mihoatra noho ny mpampianatra azy?