Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fampisehoana fangoraham-po tamin’ireo ory

Fampisehoana fangoraham-po tamin’ireo ory

Toko 57

Fampisehoana fangoraham-po tamin’ireo ory

REHEFA avy nanameloka an-karihary ny Fariseo noho ireo lovantsofiny tsy nahafapo afa-tsy ny fitiavan-tenan’izy ireo i Jesosy dia lasa nandeha niaraka tamin’ny mpianany. Taloha kelin’izay, raha tsaroanao, dia voasakana ny fanandramany hihataka niaraka tamin’izy ireo mba hiala sasatra kely, rehefa hitan’ny vahoaka ny nisy azy. Izao, niaraka tamin’ny mpianany, dia nandeha ho any amin’ny faritr’i Tyro sy i Sidona izy, tany amin’ny kilaometatra maro tany avaratra. Toa izany no hany dia niarahan’i Jesosy nanao tamin’ny mpianany tany ivelan’ny sisin-tanin’ny Isiraely.

Rehefa avy nahita trano hipetrahana izy ireo, dia nampahafantarin’i Jesosy fa tsy tiany ho fantatry ny olona na iza na iza ny nisy azy. Kanefa, na dia teo amin’io faritany tsy isiraelita io aza, dia tsy afa-niafina izy. Nisy vehivavy grika, teraka tao Fenisia any Syria, nahita azy ary nanomboka nitalaho taminy hoe: “Mamindrà fo amiko, Tompo, Zanak’i Davida ô. Ampahorin’ny demonia loatra ny zanako vavy.” Tsy niloa-bava hamaly azy akory anefa i Jesosy.

Tamin’ny farany dia hoy ny mpianany tamin’i Jesosy: “Roahy izy, fa tsy mitsahatra miantso mafy ato aoriantsika.” Nanazava ny antony niniavany tsy hahafantatra ilay vehivavy i Jesosy tamin’ny filazana hoe: “Tsy nirahina afa-tsy ho any amin’ny ondry very amin’ny tranon’ny Isiraely aho.”

Kanefa, tsy kivy ilay vehivavy. Nanatona an’i Jesosy izy ary niankohoka teo anoloany. Niangavy azy izy hoe: “Tompo ô, ampio aho!”

Tsy maintsy ho nampihetsi-po an’i Jesosy aoka izany ny fiangaviana tamim-pahatsoran’ilay vehivavy! Kanefa, nanondro indray ny andraikiny voalohany izy, dia ny hanompo ny Isiraely vahoakan’Andriamanitra. Ary, toa mba hitsapana ny finoan’ilay vehivavy koa, dia nilaza toy izao izy, tamin’ny fampiasana ny fomba fihevitra feno fitsarana an-tendron’ny Jiosy momba ireo hafa firenena: “Tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an’ny alika kely.”

Tamin’ny toetry ny feony sy ny endriny feno fangoraham-po i Jesosy dia azo antoka fa nampiharihary ny fihetseham-pony feno fanehoam-pitiavana ho an’ny tsy Jiosy. Nohalefahiny aza ny fampitahana ny Jentilisa tamin’ny alika tamin’ny fampiasana ny hoe “alika kely”. Tsy tafintohina ilay vehivavy fa nandray indray io firesahan’i Jesosy momba ny fitsarana an-tendrony teo amin’ny Jiosy io ka nanao izao fanamarihana nampiseho fanetren-tena izao: “Marina izany, Tompo ô; kanefa, raha ny tena izy, ny alika kely dia mihinana izay sombintsombiny latsaka avy amin’ny latabatry ny tompony.”

“Ravehivavy ô, lehibe ny finoanao”, hoy ny navalin’i Jesosy. “Aoka ho tonga aminao izay irinao.” Ary dia nitranga tokoa izany! Rehefa tafaverina tany an-tranony izy, dia nahita ny zanany vavy teo am-pandriana, sitrana tanteraka.

Avy teo amin’ny moron-tsirak’i Sidona, i Jesosy sy ny mpianany dia namakivaky ny tany mba ho any amin’ireo faritra niavian’ny onin’i Jordana. Toa nita ny ranon’i Jordana teo ambonin’ny Ranomasin’i Galilia izy ireo ary niditra ny faritr’i Dekapolisy tany atsinanan’ny ranomasina. Teo izy ireo dia niakatra tendrombohitra iray, nefa hitan’ny vahoaka ary nentin’ireo teo amin’i Jesosy ny nandringa, ny nalemy, ny jamba sy ny moana ary ny narary na kilemaina hafa maro. Natsipiny tsotra izao teo an-tongotr’i Jesosy izy ireo, ary dia nositraniny. Talanjona ny olona, rehefa nahita ny moana niteny, ny nandringa nandeha ary ny jamba nahita; ary dia nankalaza ny Andriamanitry ny Isiraely izy ireo.

Nampifantoka manokana ny sainy tamin’ny lehilahy iray izay sady narenina no zara raha afa-niteny i Jesosy. Mora mahatsiaro ho sakodiavatra ny marenina matetika, indrindra fa eo anivon’ny vahoaka. Nety ho nahamarika i Jesosy fa hendratrendratra tokoa io lehilahy io. Nentin’i Jesosy mangingina niala teo amin’ny vahoaka tamim-pangoraham-po àry izy. Rehefa irery izy ireo, dia nasehon’i Jesosy azy izay hataony ho azy. Nampidiriny tao amin’ny sofin’ilay lehilahy ny rantsantanany ary, rehefa avy nandrora izy, dia nikasika ny lelany. Avy eo, dia niandrandra ny lanitra i Jesosy, nisento mafy ary nanao hoe: “Maladia.” Niaraka tamin’izay, dia niverina ny fandrenesany, ka afaka niteny ara-dalàna izy.

Rehefa nahavita ireo fanasitranana maro ireo i Jesosy, dia nanana fihetsika feno fankasitrahana ireo vahoaka. Hoy izy ireo hoe: “Nataony tsara avokoa ny zavatra rehetra. Nampahalady ny marenina sy nampiteny ny tsy afa-niteny mihitsy aza izy.” Matio 15:21-31, MN; Marka 7:24-37, MN.

▪ Nahoana i Jesosy no tsy nanasitrana avy hatrany ny zanak’ilay vehivavy grika?

▪ Taorian’izay, dia taiza no nitondran’i Jesosy ny mpianany?

▪ Tamin’ny ahoana no nampisehoan’i Jesosy fangoraham-po tamin’ilay lehilahy narenina izay zara raha afa-niteny?