Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fampisehoana fangoraham-po tamin’ny boka iray

Fampisehoana fangoraham-po tamin’ny boka iray

Toko 25

Fampisehoana fangoraham-po tamin’ny boka iray

TEO am-pitsidihan’i Jesosy sy ny mpianany efatra ireo tanàna tany Galilia, dia niely ny vaovao ny amin’ireo zavatra nahatalanjona nataony nanerana ny distrika manontolo. Tonga hatrany amin’ny tanàna iray nisy lehilahy voan’ny habokana ny teny momba ny zava-bitany. Nolazalazain’i Lioka mpitsabo ho toy ny “heniky ny habokana” izy io. Rehefa lasa lavitra io aretina mahatsiravina io dia manimba endrika tsikelikely ny faritra samihafa amin’ny tena. Nampahonena àry ny toerana nisy io boka io.

Rehefa tonga tao amin’io tanàna io i Jesosy, dia nanatona azy ilay boka. Araka ny Lalàn’Andriamanitra, ny boka iray dia tsy maintsy niantsoantso toy izao ho fampitandremana: “Maloto e, maloto e!” mba hiarovana ny hafa tsy hanakaiky azy loatra ka hety ho voa koa. Niankohoka tamin’ny tany izao ilay boka ary nitalaho mafy tamin’i Jesosy nanao hoe: “Tompo ô, raha mba mety fotsiny ianao, dia afaka manadio ahy.”

Endrey ny finoana an’i Jesosy nananan’io lehilahy io! Kanefa, tsy maintsy ho nampahonena aoka izany ny fijery azy noho ny aretiny! Inona no hataon’i Jesosy? Inona no ho nataonao? Voatosiky ny fangoraham-po i Jesosy ka naninjitra ny tanany ary nikasika ilay lehilahy tamin’ny filazana hoe: “Mety aho. Madiova ianao.” Ary niala taminy niaraka tamin’izay ny habokany.

Ho tianao ve ny hanana olona mangora-po toy izany ho mpanjakanao? Ny fihetsik’i Jesosy teo anoloan’io boka io dia manome toky antsika fa, mandritra ny fanapahany ao amin’ilay Fanjakana, dia ho tanteraka izao faminaniana ao amin’ny Baiboly izao: “Hiantra ny reraka sy ny malahelo izy, ary hamonjy ny fanahin’ny malahelo.” Eny, amin’izay dia hotanterahin’i Jesosy ny fanirian’ny fony hanampy ny ory rehetra.

Na dia talohan’ny nanasitranany io boka io aza, dia efa niteraka fahataitairana be teo amin’ny olona ny fanompoan’i Jesosy. Ho fahatanterahan’ny faminanian’i Isaia, izao i Jesosy dia nandidy ilay lehilahy nositraniny hoe: “Tandremo tsara mba tsy hisy holazainao na amin’iza na amin’iza”. Avy eo izy dia nanome azy izao baiko izao: “Mandehana, misehoa amin’ny mpisorona, ka manaova fanatitra izay nandidian’i Mosesy, noho ny fanadiovana anao, ho vavolombelona amin’ireo.”

Faly aoka izany anefa ralehilahy ka tsy afaka ny hihazona io fahagagana io ho an’ny tenany. Lasa izy ary nanomboka nampiely ilay vaovao hatraiza hatraiza, ka toa niteraka fahalianana sy faniriana hahafanta-javatra aoka izany teo amin’ny olona, hany ka tsy afaka niditra an-karihary tao an-tanàna i Jesosy. Noho izany, dia nijanona tamin’ny toerana nitokana tsy nisy mponina i Jesosy, ary tonga nanatona azy avy tany amin’ny faritra rehetra ny olona mba hihaino azy sy hositranina tamin’ny aretiny. Lioka 5:12-16, MN; Marka 1:40-45, MN; Matio 8:2-4, MN; Levitikosy 13:45; 14:10-13; Salamo 72:13; Isaia 42:1, 2.

▪ Vokatra manao ahoana no mety hateraky ny habokana, ary fampitandremana inona no tsy maintsy nomen’ny boka iray?

▪ Ahoana no fitalahoana nataon’ny boka iray tamin’i Jesosy, ary inona no azontsika ianarana avy amin’ny fihetsik’i Jesosy teo anoloan’izany?

▪ Tamin’ny ahoana io lehilahy vao nositranina io no tsy nankatò an’i Jesosy, ary inona avy no vokatr’izany?