Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fampitsaharana tafiodrivotra nahatahotra iray

Fampitsaharana tafiodrivotra nahatahotra iray

Toko 44

Fampitsaharana tafiodrivotra nahatahotra iray

FENO asa natao iny andro iny ho an’i Jesosy, anisan’izany ny fampianarana ireo vahoaka teo amin’ny torapasika ary taorian’izay, ny fanazavana ireo fanoharana nataony manokana ho an’ireo mpianany. Rehefa hariva ny andro, dia hoy izy: “Andeha isika hita ho erỳ ampita.”

Tany amin’ny moron-tsiraka atsinanan’ny Ranomasin’i Galilia ilay faritra nantsoina hoe Dekapolisy, avy amin’ny teny grika hoe deʹka, midika hoe “folo”, sy ny hoe poʹlis, midika hoe “tanàna”. Ireo tanànan’i Dekapolisy dia foiben’ny kolontsaina grika, na dia tsy isalasalana aza fa toeram-ponenan’ny Jiosy maro koa izy io. Voafetra dia voafetra anefa ny asan’i Jesosy tao amin’io toerana io. Na dia tamin’ity fitsidihany ity aza, araka ny ho hitantsika aoriana, dia voasakana tsy afa-nijanona ela tao izy.

Rehefa nangataka mba handeha ho eny ampita i Jesosy, dia nentin’ny mpianany tamin’ilay sambo. Tsy niafina anefa ny fiaingan’izy ireo. Tsy ela dia nisy olon-kafa koa niondrana tamin’ny sambony mba hanaraka azy ireo. Tsy dia lavitra loatra ny moron-tsiraka ilany izany. Raha ny marina, dia farihy iray lehibe fotsiny ny Ranomasin’i Galilia, tokony ho 21 kilaometatra ny halavany ary 12 kilaometatra raha be indrindra ny sakany.

Tsy mahagaga raha vizana i Jesosy. Tsy ela taorian’ny niaingan’izy ireo àry dia nandeha nitsotra tany aoriana tao anaty sambo izy, nametraka ny lohany teo ambony ondana ary dia resin-tory. Tantsambo za-draharaha ny maromaro tamin’ireo apostoly, satria nanjono imbetsaka tokoa teo amin’ny Ranomasin’i Galilia. Niandraikitra ny fitanana ny familiana àry izy ireo.

Tsy ho mora anefa ity dia iray ity. Noho ny tampon’ilay farihy, izay any amin’ny 210 metatra ambanin’ny ranomasina, mafana kokoa ary ny rivotra avy any amin’ireo tendrombohitra manodidina mangatsiaka kokoa, dia misy rivotra mahery indraindray tonga mifofofofo ka miteraka tafiodrivotra mahery vaika tampoka eo amin’ilay farihy. Izany no nitranga izao. Tsy ela dia niantonta teo amin’ilay sambo sy nitobaka tao anatiny ireo onjan-dranomasina, hany ka kely sisa dia hanafotra azy io. I Jesosy anefa dia mbola nanohy natory!

Niezaka mafy erỳ hamily ilay sambo ireo mpiasa an-dranomasina za-draharaha. Tsy isalasalana fa efa namily sambo tao anatin’ny tafiodrivotra izy ireo teo aloha. Tamin’ity indray mandeha ity anefa, dia lany haika izy ireo. Natahotra ny hamoy ny ainy izy ireo, hany ka namoha an’i Jesosy. ‘Mpampianatra ô, tsy mampaninona anao ve izao? Milentika anie isika e!’, hoy ny fihiakan’izy ireo. ‘Vonjeo izahay, fa madiva ho faty an-drano!’

Nitsangana i Jesosy ka nandidy ny rivotra sy ny ranomasina hoe: “Mangìna! Mitsahara!” Ary dia nijanona ilay rivotra romotra ka nanjary tony ny ranomasina. Nitodika tany amin’ny mpianany izy ka nanontany hoe: ‘Nahoana ianareo no matahotra? Mbola tsy manam-pinoana ihany ve ianareo?

Tamin’izay, dia nisy tahotra tsy nahazatra azy nangeja ireo mpianatra. ‘Iza marina àry ity lehilahy ity?’, hoy izy ireo nifanontany, ‘fa ny rivotra sy ny rano aza baikoiny, ka manaiky azy’.

Hery toy inona moa no nasehon’i Jesosy! Manome toky tokoa ny mahafantatra fa manana hery eo amin’ny natiora ny Mpanjakantsika ary koa fa, rehefa hampitodika ny sainy ho amin’ny tanintsika amin’ny fomba feno izy mandritra ny fanapahan’ny Fanjakany, amin’izay ny olona rehetra dia hiaina ao anatin’ny tsy fananana ahiahy ateraky ny loza lehibe mahatahotra araka ny natiora!

Fotoana fohy taorian’ny nitsaharan’ilay tafiodrivotra, dia tonga soa aman-tsara teny amin’ny moron-tsiraka atsinanana i Jesosy sy ny mpianany. Ireo sambo hafa angamba tsy niharan’ny hamafin’ilay tafiodrivotra ka tody soa aman-tsara. Marka 4:35–5:1, MN; Matio 8:18, 23-27, MN; Lioka 8:22-26, MN.

▪ Inona moa no nantsoina hoe Dekapolisy, ary taiza no nisy azy?

▪ Lafin-javatra araka ny natiora inona avy no mahatonga tafiodrivotra mahery vaika eo amin’ny Ranomasin’i Galilia?

▪ Rehefa tsy nahavonjy azy ireo ny fahaizany namily sambo, dia inona no nataon’ireo mpianatra?