Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fananarana ho an’i Marta sy toromarika momba ny vavaka

Fananarana ho an’i Marta sy toromarika momba ny vavaka

Toko 74

Fananarana ho an’i Marta sy toromarika momba ny vavaka

INDRAY mandeha, nandritra ny fanompoany tany Jodia, i Jesosy dia niditra ny tanàna kelin’i Betania. Tao no nonenan’i Marta sy i Maria ary i Lazarosy anadahiny. Angamba nifankahita tamin’izy telo mianadahy teo aloha kokoa teo amin’ny fanompoany i Jesosy ka efa mpinamana akaiky izy ireo. Na ahoana na ahoana, dia nankany amin’ny tranon’i Marta izy izao ka noraisiny tsara.

May ny hanome an’i Jesosy ny tsara indrindra teo aminy i Marta. Voninahitra lehibe tokoa izany hoe notsidihin’ilay Mesia nampanantenaina tao an-tranon’ny tena izany! Nanjary nisahirana nanomana sakafo be kojakojany sy nikarakara tsipirian-javatra hafa maro àry i Marta mba hahatonga ny fivahinian’i Jesosy hahafinaritra sy hampiadana kokoa.

Tetsy an-daniny kosa, i Maria rahavavin’i Marta dia nipetraka teo an-tongotr’i Jesosy ary nihaino azy. Rehefa afaka kelikely, dia nanatona i Marta ka niteny tamin’i Jesosy hoe: “Tompo ô, tsy mampaninona anao ve raha namela ahy hanao ireo raharaha irery ny rahavaviko? Koa mba ilazao àry izy hanampy ahy.”

Tsy nanaiky hiteny na inona na inona tamin’i Maria anefa i Jesosy. Nananatra an’i Marta kosa izy noho izy io niahy be loatra ny amin’ny zavatra ara-nofo. “Marta, Marta”, hoy izy niteny azy tamin-katsaram-panahy, “maro ahina sy maro herehina ianao. Zavatra vitsivitsy ihany anefa no ilaina, na iray monja.” Nilaza i Jesosy teto fa tsy nilaina ny nandany fotoana betsaka hanomanana zavatra maro ho an’ny sakafo iray. Zavatra vitsivitsy ihany, na iray monja aza, dia ampy.

Tsara ny fikasan’i Marta; naniry ny hahay mampiantrano vahiny izy. Kanefa, tamin’ny fampisehoana fiheverana feno fanahiana ny zavatra ara-nofo, dia namoy ny fahafahana handray fampianarana manokana avy tamin’ny tenan’ny Zanak’Andriamanitra izy! Namarana ny teniny toy izao àry i Jesosy: “Raha ny amin’i Maria, dia nifidy ny anjara tsara izy, ary tsy halaina aminy izany.”

Tatỳ aoriana, tamin’ny toe-javatra hafa, dia nisy mpianatra nanontany an’i Jesosy hoe: “Tompo ô, mampianara anay hivavaka, toy ny nampianaran’i Jaona ny mpianany koa.” Tsy teo angamba io mpianatra io tokony ho herintaona sy tapany talohan’izay, rehefa nanome ilay vavaka fakan-tahaka tao amin’ny Toriteniny teo an-tendrombohitra i Jesosy. Namerina ireo fampianarany indray àry i Jesosy, nefa nanohy ny teniny izy tamin’ny fanomezana fanoharana iray mba hampisongadinana ny ilàna faharetana amin’ny vavaka.

“Iza aminareo”, hoy i Jesosy nanomboka ny teniny, “no manana sakaiza izay hankeo aminy amin’ny misasakalina ka hanao aminy hoe: ‘Ry sakaiza, ampisambory mofo telo aho, fa vao tonga ao amiko ny sakaizako iray manao dia, ka tsy manan-karoso ho azy aho’? Ary ilay ao an-trano mamaly ka manao hoe: ‘Aza manahirana ahy intsony. Efa mihidy lakile ny varavarana, sady efa eto am-pandriana miaraka amiko ny zanako kely; tsy afaka mitsangana hanome anao na inona na inona aho’. Lazaiko aminareo fa, na dia tsy hitsangana hanome azy na inona na inona noho ny maha-sakaizany azy aza izy, dia azo antoka fa, noho ny faharetany feno fahasahiana, dia hiarina izy ka hanome azy izay zavatra ilainy.”

Tamin’izany fampitahana izany, dia tsy te hilaza akory i Jesosy fa tsy vonona ny hamaly fangatahana i Jehovah Andriamanitra, toy ilay sakaiza ao amin’ilay tantara. Tsia, fa nampiseho tamin’izany kosa izy fa, raha hamaly ny fangatahana feno faharetana ny sakaiza iray tsy vonon-kanao zavatra, mainka fa ny Raintsika any an-danitra be fitiavana! Nanohy ny teniny toy izao àry i Jesosy: “Araka izany, dia milaza aminareo aho hoe: Aza mitsahatra mangataka, dia homena ianareo; aza mitsahatra mitady, dia hahita ianareo; aza mitsahatra mandondòna, dia hovohana ianareo.”

Avy eo dia nanisy firesahana momba ny ray olombelona tsy tanteraka sady mpanota i Jesosy ka nanao hoe: “Ray iza tokoa eo aminareo, raha mangataka hazandrano ny zanany, no hanome azy menarana, ohatra, ho solon’ny hazandrano? Na koa, raha mangataka atody koa izy, ka hanolotra azy maingoka? Noho izany, raha ianareo, na dia ratsy aza, mahay manome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, mainka fa ny Ray izay any an-danitra no hanome fanahy masina ho an’ireo izay mangataka aminy!” Endrey izany fampirisihana manosika hanao zavatra nomen’i Jesosy ny amin’ny tokony haharetana amin’ny vavaka. Lioka 10:38 ka hatramin’ny 11:13, MN.

▪ Nahoana i Marta no nanao fanomanana be dia be aoka izany ho an’i Jesosy?

▪ Inona no nataon’i Maria, ary nahoana i Jesosy no nanao teny fiderana azy fa tsy an’i Marta?

▪ Inona no nanosika an’i Jesosy hamerina ireo fampianarany momba ny vavaka?

▪ Ahoana no nampisehoan’i Jesosy tamin’ny alalan’ny fanoharana ny ilàna haharitra amin’ny vavaka?