Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanandramana hafa koa hamono an’i Jesosy

Fanandramana hafa koa hamono an’i Jesosy

Toko 81

Fanandramana hafa koa hamono an’i Jesosy

KOA satria ririnina ny andro, dia nandeha teo amin’ilay faritra nisy fialofana fantatra tamin’ny anarana hoe alo-baravaran’i Solomona, i Jesosy. Nanaraka ny tempoly izy io. Teo dia nisy Jiosy nihodidina azy ka nanomboka nilaza hoe: “Ambara-pahoviana no hihazonanao ny fanahinay ao anatin’ny fiahanahana? Raha ianao no Kristy, dia lazao aminay tsotra izao.”

“Efa nolazaiko taminareo”, hoy ny navalin’i Jesosy, “ary anefa tsy nino ianareo.” Tsy nilaza taminy nivantana izy fa ny Kristy ny tenany, toy ny nolazainy tamin’ilay vehivavy samaritana teo am-pantsakana. Kanefa, raha ny tena izy, dia efa naharihariny ny hoe iza izy rehefa nanazava tamin’izy ireo izy fa avy tany amin’ny faritra ambony ary efa nisy talohan’i Abrahama ny tenany.

Tian’i Jesosy anefa ny olona ho tonga irery tamin’ny fanatsoahan-kevitra fa izy no Kristy tamin’ny fampitahana ireo asa nataony tamin’izay nolazain’ny Baiboly mialoha fa hotanterahin’ny Kristy. Izany no antony nameperany ny mpianany mafy teo aloha mba tsy hilaza na tamin’iza na tamin’iza fa izy no Kristy. Ary izany koa no antony nanohizany ny teniny izao ka nilazany tamin’ireto Jiosy feno fankahalana ireto hoe: “Ny asa ataoko amin’ny anaran’ny Raiko, dia ireo no manambara ny amiko. Nefa ianareo tsy mino.”

Nahoana no tsy nino izy ireo? Noho ny tsy fahampian’ny porofo ve fa i Jesosy no Kristy? Tsia, fa noho ny antony nomen’i Jesosy rehefa nilaza tamin’izy ireo izy hoe: “Ianareo (...) tsy mba anisan’ny ondriko velively. Ny ondriko mihaino ny feoko, ary izaho mahafantatra azy ary izy manaraka ahy. Ary izaho manome azy fiainana mandrakizay ka tsy ho ringana mandrakizay mihitsy izy, ary tsy hisy handrombaka azy avy eto an-tanako. Izay nomen’ny Raiko ahy dia lehibe kokoa noho ny zavatra hafa rehetra, ary tsy misy afaka mandrombaka azy ireo avy eny an-tanan’ny Ray.”

Avy eo i Jesosy dia nilazalaza ny amin’ny fifandraisana akaiky nananany tamin’ny Rainy, tamin’ny fanazavana hoe: “Izaho sy ny Ray dia iray ihany.” Koa satria i Jesosy teto an-tany, ary ny Rainy tany an-danitra, dia mazava fa tsy nilaza akory izy fa iray amin’ny heviny ara-bakiteny, na ara-batana, izy sy ny Rainy. Te hilaza kosa izy fa iray raha ny amin’ny zava-kendrena, na koa hoe mifanaraka, izy ireo.

Tezitra noho ny tenin’i Jesosy ireo Jiosy ka naka vato mba hamonoana azy, dia toy ny efa nataony taloha, nandritra ny Andro Firavoravoana Tabernakely, na fitoerana amin’ny rantsan-kazo. Niatrika tamin-kerim-po ireo nitady hamono azy i Jesosy ka nanao hoe: “Naneho asa tsara dia tsara maro avy tamin’ny Ray aho. Iza amin’ireny no itorahanareo vato ahy?”

“Tsy mitora-bato anao noho ny asa tsara izahay”, hoy ny navalin’izy ireo, “fa noho ny fitenenan-dratsy an’Andriamanitra, satria, na dia olona aza ianao, dia manao ny tenanao ho andriamanitra.” Koa satria i Jesosy tsy nihambo na oviana na oviana ho andriamanitra, nahoana ireo Jiosy no nilaza izany?

Niharihary fa satria i Jesosy dia nilaza ho nanana hery izay noheverin’izy ireo fa an’Andriamanitra irery ihany. Ohatra, vao avy nilaza ny amin’ireo “ondry” izy hoe: “Izaho manome azy fiainana mandrakizay”, zavatra izay tsy azon’olombelona na iza na iza atao. Ireo Jiosy anefa dia nanadino fa niaiky ho nandray fahefana avy tamin’ny Rainy i Jesosy.

Ny filazan’i Jesosy ny tenany ho ambany noho Andriamanitra dia nasehony nanaraka izany tamin’ny fanontaniana hoe: “Tsy voasoratra ao amin’ny Lalànareo [ao amin’ny Salamo 82:6] ve hoe: ‘Nilaza aho hoe: “Ianareo dia andriamanitra” ’? Raha nantsoiny hoe ‘andriamanitra’ ireo izay nomelohin’ny tenin’Andriamanitra, (...) moa ve aho, izay nohamasinin’ny Ray sy nirahiny ho amin’izao tontolo izao, ataonareo hoe: ‘Miteny ratsy an’Andriamanitra ianao’, satria nilaza hoe: Zanak’Andriamanitra aho?”

Koa satria ny Soratra masina miantso na dia ireo mpitsara olombelona tsy marina aza ho “andriamanitra”, inona no azon’ireo Jiosy ireo nanakianana an’i Jesosy raha nilaza izy hoe: “Zanak’Andriamanitra aho”? Nanampy teny toy izao i Jesosy: “Raha tsy manao ny asan’ny Raiko aho, dia aza mino ahy. Fa raha manao izany kosa aho, na dia tsy mino ahy aza ianareo, dia minoa ny asa, mba hahafantaranareo sy hanohizanareo hahafantatra fa ny Ray dia tafaray amiko ary izaho dia tafaray amin’ny Ray.”

Rehefa nilaza izany i Jesosy, dia nanandrana nisambotra azy ireo Jiosy. Nandositra ny tanan’izy ireo anefa izy, toy ny nataony taloha tamin’ny Andro Firavoravoana Tabernakely. Nandao an’i Jerosalema izy ary nandeha nita ny Onin’i Jordana teo amin’ny toerana nanombohan’i Jaona nanao batisa, efa ho efa-taona izay. Toa tsy lavitra ny moron-tsiraka atsimon’ny Ranomasin’i Galilia io toerana io, lalana tokony ho roa andro avy teo Jerosalema.

Nisy olona maro nanatona an’i Jesosy teo amin’io toerana io ary nanomboka niteny hoe: “I Jaona tsy mba nanao famantarana na dia iray aza, fa izay rehetra nolazain’i Jaona momba io lehilahy io dia marina avokoa.” Araka izany, dia nisy olona maro nino an’i Jesosy teo. Jaona 10:22-42, MN; Jn 4:26; Jn 8:23, 58, MN; Matio 16:20.

▪ Tamin’ny fomba ahoana no tian’i Jesosy hahafantaran’ny olona fa izy no Kristy?

▪ Amin’ny heviny ahoana no maha-iray an’i Jesosy sy ny Rainy?

▪ Noho ny antony niharihary inona no nilazan’ireo Jiosy fa nanao ny tenany ho andriamanitra i Jesosy?

▪ Tamin’ny ahoana ny fanononan’i Jesosy ny Salamo no nampiseho fa tsy nilaza ny tenany ho nitovy tamin’Andriamanitra izy?