Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanaovana asa soa tamin’ny Sabata

Fanaovana asa soa tamin’ny Sabata

Toko 29

Fanaovana asa soa tamin’ny Sabata

LOHATAONAN’NY taona 31 am.fan.ir. tamin’izay. Volana vitsivitsy no lasa hatramin’ny fotoana niresahan’i Jesosy tamin’ilay vehivavy teo am-pantsakana tany Samaria, teny an-dalana avy tany Jodia nankany Galilia.

Izao, rehefa avy nampianatra be dia be nanerana an’i Galilia i Jesosy dia lasa nankany Jodia indray ary nitory tao amin’ireo synagoga tany. Raha oharina amin’ny habetsahan’ny fiheverana asehon’ny Baiboly ny fanompoany tany Galilia, dia kely ny zavatra tantarain’izy io momba ny fanompoan’i Jesosy tany Jodia nandritra ny fitsidihany tao ary koa nandritra ireo volana nolaniny tao taorian’ilay Paska farany. Miharihary fa tsy noraisina tsara toy ny tany Galilia ny fanompoany tany Jodia.

Tsy ela i Jesosy dia teny an-dalana ho any amin’ny tanàna lehibe indrindra tao Jodia, dia i Jerosalema, mba hankalaza ny Paska taona 31 am.fan.ir. Tao, teo akaikin’ny vavahadin’ondry, dia nisy ilay farihy nantsoina hoe Betesda, izay nahatongavan’ny narary, jamba ary nalemy maro be. Nino izy ireo fa afaka ny ho sitrana tamin’ny fidirana tao anatin’ireo ranon’ilay farihy nisamboaravoara.

Sabata ny andro, ary nahita lehilahy narary hatramin’ny 38 taona i Jesosy teo amin’ilay farihy. Takatr’i Jesosy ny naharetan’ny aretin’ilay lehilahy, ka nanontany izy hoe: “Te ho sitrana ve ianao?”

Namaly an’i Jesosy izy hoe: “Tsy mba misy olona handroboka ahy eto amin’ny farihy, tompoko, rehefa mihetsika ny rano; nefa raha mandeha aho, dia misy olon-kafa misosoka eo alohako.”

Hoy i Jesosy taminy: “Mitsangàna, raiso ny fandrianao, ka mandehana.” Ary avy hatrany dia sitrana ralehilahy, nandray ny fandriany ary nanomboka nandeha!

Rehefa nahita ilay lehilahy ireo Jiosy dia nanao hoe: “Sabata ny andro, ka tsy araka ny lalàna raha mitondra ny fandrianao ianao.”

Namaly azy ireo ilay lehilahy hoe: “Ilay nahasitrana ahy no nanao tamiko hoe: ‘Raiso ny fandrianao ka mandehana’.”

“Iza moa izany lehilahy izany izay nanao taminao hoe: ‘Raiso ka mandehana’?”, hoy ny fanontanian’izy ireo. Efa niala teo i Jesosy noho ilay vahoaka, ary tsy fantatr’ilay olona sitrana ny anarany. Tatỳ aoriana, anefa, dia nifankahita tao amin’ny tempoly izy sy i Jesosy, ka fantany hoe iza ilay nanasitrana azy.

Dia lasa nitady ireo Jiosy izy mba hilaza tamin’izy ireo fa i Jesosy no nanasitrana azy. Raha vao nahare izany ireo Jiosy, dia nankany amin’i Jesosy. Noho ny antony inona? Mba hahafantarana ve hoe ahoana no nahafahany nanao ireo zavatra mahatalanjona ireo? Tsia, fa mba hanakianana azy satria nanao ireo soa ireo tamin’ny Sabata izy. Ary dia nanomboka nanenjika azy mihitsy aza izy ireo! Lioka 4:44; Jaona 5:1-16, MN.

▪ Hafiriana teo ho eo no lasa hatramin’ny nitsidihan’i Jesosy farany an’i Jodia?

▪ Nahoana no tian’ny olona aoka izany ilay farihy nantsoina hoe Betesda?

▪ Inona no fahagagana nataon’i Jesosy teo amin’io farihy io, ary nanao ahoana ny fihetsik’ireo Jiosy?