Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanasitranana lehilahy iray teraka jamba

Fanasitranana lehilahy iray teraka jamba

Toko 70

Fanasitranana lehilahy iray teraka jamba

REHEFA nanandrana ny hitora-bato an’i Jesosy ireo Jiosy, dia tsy nandao an’i Jerosalema izy. Tatỳ aoriana, tamin’ny Sabata, rehefa nandeha tao an-tanàna izy sy ny mpianany dia nahita lehilahy iray jamba hatramin’ny nahaterahany. Nanontany an’i Jesosy ny mpianany hoe: “Raby ô, iza moa no nanota, io lehilahy io sa ny ray aman-dreniny, no teraka jamba izy?”

Nino angamba ireo mpianatra, toy ny raby sasany, fa afaka nanota ny olona iray raha mbola tao an-kibon-dreniny. Namaly toy izao anefa i Jesosy: “Tsy io lehilahy io no nanota na ny ray aman-dreniny, fa izany dia mba hampiharihariana ny asan’Andriamanitra eo aminy.” Tsy vokatry ny fahadisoana na fahotana iray voafaritra tsara nataony na nataon’ny ray aman-dreniny ny fahajamban’io lehilahy io. Ny fahotan’i Adama, ilay lehilahy voalohany, dia niteraka ny tsy fahatanterahan’ny olombelona rehetra, ka avy amin’izany ny fetezany ho kilemaina mora foana, toy ny teraka jamba. Io kilema teo amin’ilay lehilahy io izao dia nanome fahafahana an’i Jesosy mba hampiharihary ny asan’Andriamanitra.

Nanamafy ny nilàna hanaovana ireo asa ireo maika i Jesosy. “Tsy maintsy manao ny asan’ilay naniraka ahy isika raha mbola antoandro”, hoy izy. “Ho avy ny alina izay tsy ahafahan’ny olona miasa. Raha mbola eto amin’izao tontolo izao aho, dia fahazavan’izao tontolo izao.” Tsy ho ela dia handatsaka an’i Jesosy ho ao amin’ny fahamaizinan’ny fasana, izay tsy hahafahany hanao na inona na inona intsony, ny fahafatesany. Mandra-pahatongavan’izany, izy dia loharanon’ny fanazavana izao tontolo izao.

Rehefa avy nilaza ireo zavatra ireo i Jesosy, dia nandrora tamin’ny tany ka nanao feta tamin’ilay rora. Nametaka izany tamin’ny mason’ilay jamba izy ka nanao hoe: “Mandehana misasa any amin’ny farihin’i Siloama.” Nankatò ilay lehilahy. Ary rehefa nanao izany izy, dia nahita! Toy inona moa ny fifaliany tamin’ny fiverenany avy tany, rehefa afaka nahita vao voalohany teo amin’ny fiainany izy!

Talanjona ny nanodidina sy ny hafa izay nahalala azy. “Io ilay lehilahy nipetraka sy nangataka, sa tsy izany?”, hoy ny fanontanian’izy ireo. “Izy io”, hoy ny navalin’ny sasany. Tsy nety nino anefa ny hafa: “Tsy izany velively, fa olona tahaka azy fotsiny io.” Hoy anefa ilay lehilahy hoe: “Izaho no izy.”

“Ahoana àry no nahiratan’ny masonao?”, hoy ny olona ta hahafantatra.

“Ilay lehilahy atao hoe Jesosy dia nanao feta ka nanosotra izany teo amin’ny masoko ary nanao tamiko hoe: ‘Mandehana any Siloama ka misasà’. Koa nandeha aho, dia nisasa ary nahiratra.”

“Aiza izany lehilahy izany?”, hoy izy ireo nanontany.

“Tsy fantatro”, hoy ny navaliny.

Nitondra io jamba taloha io ho any amin’ny filohan’izy ireo ara-pivavahana, dia ireo Fariseo, izao ny olona. Nanomboka nanontany azy ny amin’ny fomba nahiratany koa ireo. “Nametaka feta teo amin’ny masoko izy, ary nisasa aho dia nahiratra”, hoy ny fanazavan’ilay lehilahy.

Azo antoka fa tokony ho niara-nifaly tamin’ilay mpangataka sitrana ireo Fariseo! Tsy izany anefa no nitranga fa nanameloka an’i Jesosy an-karihary kosa izy ireo. “Tsy avy amin’Andriamanitra izany lehilahy izany”, hoy ny nambarany. Nahoana izy ireo no nilaza izany? “Satria tsy mitandrina ny Sabata izy.” Nanontany tena anefa ny Fariseo hafa hoe: “Ahoana no ahafahan’ny lehilahy mpanota iray manao famantarana toy izany?” Nisy fisarahana àry teo amin’izy ireo.

Noho izany, dia nanontany ilay lehilahy izy hoe: “Inona no lazainao momba azy, noho ny fahitanao fa nampahiratra ny masonao izy?”

“Mpaminany izy”, hoy ny navaliny.

Nanda ny hino izany ireo Fariseo. Nino mafy izy ireo fa tsy maintsy nisy fifanarahana nangingina teo amin’i Jesosy sy io lehilahy io mba hamitahana ny olona. Mba handaminana ilay raharaha àry, dia niantso ny ray aman-drenin’ilay mpangataka izy mba hanontaniana azy ireo. Jaona 8:59; Jn 9:1-18, MN.

▪ Inona no nahatonga ny fahajamban’ilay lehilahy, ary tsy inona kosa no nahatonga izany?

▪ Inona ilay alina tsy ahafahan’ny olona miasa?

▪ Rehefa sitrana ilay lehilahy, nanao ahoana ny fihetsik’ireo izay nahafantatra azy?

▪ Tamin’ny ahoana no nisian’ny fisarahana teo amin’ireo Fariseo momba ny nahasitranan’ilay lehilahy?