Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanatanterahana ny faminanian’i Isaia

Fanatanterahana ny faminanian’i Isaia

Toko 33

Fanatanterahana ny faminanian’i Isaia

TAORIAN’NY nahafantaran’i Jesosy fa nikasa ny hamono azy ny Fariseo sy ireo Herodiana, dia niala teo ka nankany amin’ny Ranomasin’i Galilia izy sy ny mpianany. Teo dia nirohotra nankeo aminy ny vahoaka maro be avy tany amin’ny faritra rehetra tao Palestina, ary na dia avy tany ambadiky ny sisintany aza. Nanasitrana olona maro izy, hany ka nifanety mba hikasika azy izay rehetra voan’ny aretina mafy.

Noho ireo vahoaka maro be aoka izany, dia nilaza tamin’ny mpianany i Jesosy mba hanomana sambokely iray hampiasainy foana. Tamin’ny fanalavirany ny moron-drano, dia afaka nanakana ny vahoaka tsy hifanety taminy izy. Afaka nampianatra azy ireo avy teny amin’ilay sambokely izy na nankany amin’ny faritra hafa nanaraka ny moron-drano mba hanampiana ny olona tany.

Nanamarika i Matio mpianatra fa ny asan’i Jesosy dia nanatanteraka “izay nampilazaina an’i Isaia mpaminany.” Avy eo dia notononin’i Matio ilay faminaniana notanterahin’i Jesosy nanao hoe:

“Indro! Ny mpanompoko izay nofidiko, ny malalako, izay sitraky ny foko indrindra! Hapetrako ao aminy ny fanahiko, ary ny rariny dia hataony mazava any amin’ireo firenena. Tsy hifanditra, na hiantso mafy izy, ary tsy hisy handre ny feony eny amin’ny lalam-be. Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona, ambara-pamoakany ny rariny amim-pahombiazana. Ary ny anarany tokoa no hantenain’ireo firenena.”

Mazava ho azy fa i Jesosy no ilay mpanompo malala izay sitrak’Andriamanitra. Ary nataon’i Jesosy nazava ny tena rariny marina, izay nohamaizinin’ny lovantsofina ara-pivavahan-diso. Noho ny fampiharan’izy ireo tsy araka ny rariny ny lalàn’Andriamanitra, ny Fariseo dia tsy nety nanampy marary iray akory tamin’ny Sabata! Tamin’ny fanaovana ny rariny araka an’Andriamanitra ho mazava, i Jesosy dia nanafaka ny olona tamin’ny enta-mavesatry ny lovantsofina tsy ara-drariny, ary noho izany, dia nanandrana ny hamono azy ireo mpitondra ara-pivavahana.

Inona no dikan’ny hoe ‘tsy hifanditra izy, na hiteny mafy mba tsy ho re eny amin’ny lalam-be’? Rehefa nanasitrana olona i Jesosy dia ‘nandrara azy mafy mba tsy hanao izay hahafantarana azy.’ Tsy tiany ny hisian’ny fampielezan-kevitra be momba ny tenany teny amin’ny arabe na ny filazana naolana nampitampitain’ny olona tamim-pahataitairana.

Ankoatra izany koa, i Jesosy dia nitondra ny hafany feno fampaherezana ho an’ny olona izay noharina tamin’ny volotara torotoro, niforitra sy voahitsaka tamin’ny tany. Toy ny lahin-jiro nanetona, izay kely sisa dia ho faty ny aina kely farany teo aminy, izy ireo. Tsy nanapaka ny volotara torotoro na namono ny lahin-jiro nanetroka izay nila ho faty i Jesosy. Tamim-pahalemem-panahy sy fitiavana kosa, dia nampitraka ireo nalemy fanahy tamim-pahakingana izy. Marina tokoa fa i Jesosy no ilay azon’ireo firenena antenaina! Matio 12:15-21, MN; Marka 3:7-12; Isaia 42:1-4.

▪ Tamin’ny ahoana no nanaovan’i Jesosy ny rariny nazava, ka tsy nifandirany na nampiakarany ny feony teny amin’ny lalam-be?

▪ Iza no tahaka ny volotara torotoro sy lahin-jiro, ary ahoana no nitondran’i Jesosy azy ireo?