Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fandaozana ny tranon’i Jairo ary fitsidihana an’i Nazareta indray

Fandaozana ny tranon’i Jairo ary fitsidihana an’i Nazareta indray

Toko 48

Fandaozana ny tranon’i Jairo ary fitsidihana an’i Nazareta indray

BE ZAVATRA natao i Jesosy tamin’iny andro iny — dia an-tsambo avy tany Dekapolisy, fanasitranana ilay vehivavy nitsi-dra, ary fananganana ny zanakavavin’i Jairo tamin’ny maty. Mbola tsy nifarana anefa ilay andro. Niharihary fa, raha nandao ny tranon’i Jairo i Jesosy, dia nisy jamba roa lahy nanaraka azy sady niantsoantso hoe: “Mamindrà fo aminay, ry Zanak’i Davida ô.”

Tamin’ny fiantsoana an’i Jesosy hoe “Zanak’i Davida”, ireo lehilahy ireo dia naneho ny finoany fa i Jesosy dia mpandova ny seza fiandrianan’i Davida, izany hoe ilay Mesia nampanantenaina. Toa tsy niraharaha ny antso vonjy nataon’izy ireo anefa i Jesosy, angamba mba hitsapana ny faharetany. Tsy kivy anefa izy roa lahy. Nanaraka an’i Jesosy hatrany amin’ny trano nipetrahany izy ireo, ary rehefa niditra tao izy, dia nanaraka azy tao koa ireo.

Tao dia nanontany azy i Jesosy hoe: “Mino ve ianareo fa afaka manao izany aho?”

“Eny, Tompo ô”, hoy ny navalin’izy ireo tamim-patokiana.

Nikasika ny masony àry i Jesosy ka nanao hoe: “Araka ny finoanareo, dia aoka ho tonga aminareo izany.” Tampoka teo dia nahita izy ireo! Avy eo dia namepetra azy ireo mafy toy izao i Jesosy: “Tandremo mba tsy ho fantatr’olona izao.” Diboky ny hafaliana anefa izy ireo, ka tsy niraharaha ny baikon’i Jesosy ary niresaka momba azy nanerana ilay toerana.

Raha vao niala teo ireny lehilahy ireny, dia nisy olona nitondra lehilahy iray azon’ny demonia izay tsy namela azy hiteny. Namoaka ilay demonia i Jesosy, ary teo no ho eo ihany dia nanomboka niteny ralehilahy. Talanjona noho ireo fahagagana ireo ny vahoaka, ka nanao hoe: “Na oviana na oviana, mbola tsy nisy zavatra toy izao hita teto amin’ny Isiraely.”

Nisy Fariseo koa teo. Tsy afaka nanda ny fisian’ireo fahagagana izy ireo, nefa noho ny tsy finoany sy ny faharatsiany, dia naveriny ny fiampangana nataony raha ny amin’ny loharano niavian’ireo asa lehibe nataon’i Jesosy tamin’ny filazana hoe: “Ny lohan’ny demonia no amoahany ny demonia.”

Tsy ela taorian’ireo fisehoan-javatra ireo, dia niverina tany Nazareta, tanàna niaviany, i Jesosy, ka narahin’ireo mpianany izy tamin’ity indray mandeha ity. Tokony ho herintaona talohan’io, dia nitsidika ny synagoga tao izy ary nampianatra tao. Na dia talanjona noho ireo teny nahafinaritra nataony aza ny olona tamin’ny voalohany, tatỳ aoriana izy ireo dia tezitra noho ny fampianarany ary nitady ny hamono azy. Izao, tamim-pamindrampo, i Jesosy dia nanandrana indray ny hanampy ireo mpiray tanàna taminy taloha ireo.

Raha nirohotra nankeo amin’i Jesosy ny vahoaka tany an-toeran-kafa, teto kosa dia toa tsy nanao izany izy ireo. Tamin’ny Sabata àry, dia nankany amin’ny synagoga izy hampianatra. Variana ny ankamaroan’izay nahare azy. “Avy taiza re no nahazoan’io lehilahy io izany fahendrena sy asa lehibe izany e?”, hoy ny fanontanian’izy ireo. “Tsy ilay zanaky ny mpandrafitra ve izy io? Tsy Maria ve no anaran’ny reniny, ary tsy i Jakoba sy i Josefa ary i Simona sy i Jodasy ve no rahalahiny? Ary ny anabaviny, moa ve tsy eto amintsika avokoa izy ireo? Koa avy taiza no nahazoan’io lehilahy io izany zavatra rehetra izany?”

‘Olona avy eto an-toerana tahaka antsika ihany i Jesosy’, hoy ny fanjohian-kevitr’izy ireo. ‘Hitantsika nihalehibe izy, ary fantatsika ny fianakaviany. Amin’ny ahoana no hetezany ho ny Mesia?’ Koa, na dia teo aza ny porofo rehetra — ny fahendreny lehibe sy ny fahagagana nataony — dia nanda azy izy ireo. Noho izy ireo nahafantatra azy tsara, na dia ny havany aza dia tafintohina taminy, ka nahatonga an’i Jesosy hanatsoaka hevitra hoe: “Tsy misy mpaminany tsy omem-boninahitra afa-tsy ao amin’ny faritany niaviany ary eo amin’ny havany sy ny ao an-tranony ihany.”

Gaga tokoa i Jesosy noho ny tsy fananan’izy ireo finoana. Tsy nanao fahagagana tao àry izy afa-tsy ny fametrahan-tanana tamin’ny marary vitsivitsy sy ny fanasitranana azy ireo. Matio 9:27-34, MN; Mt 13:54-58, MN; Marka 6:1-6, MN; Isaia 9:6.

▪ Tamin’ny fiantsoana an’i Jesosy hoe “Zanak’i Davida”, inona moa no nasehon’ireo lehilahy jamba fa ninoany?

▪ Fanazavana inona momba ny fahagagana nataon’i Jesosy no noraisin’ireo Fariseo?

▪ Nahoana no naneho famindrampo i Jesosy raha niverina hanampy ireo mponin’i Nazareta?

▪ Fandraisana nanao ahoana no azon’i Jesosy tao Nazareta, ary nahoana?