Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fandosirana ny tanan’ny mpanapaka jadona iray

Fandosirana ny tanan’ny mpanapaka jadona iray

Toko 8

Fandosirana ny tanan’ny mpanapaka jadona iray

NAMOHA an’i Maria i Josefa mba hilaza vaovao maika dia maika taminy. Vao avy niseho taminy ny anjelin’i Jehovah nanao hoe: “Mifohaza ianao, ka ento ny zazakely sy ny reniny, dia mandosira any Egypta, ary mitoera any ambara-pilazako aminao; fa Heroda efa hitady ny zazakely hovonoiny.”

Haingana dia haingana, dia nandositra izy telo mianaka. Ary tena ara-potoana tsara izany satria ren’i Heroda izao fa namitaka azy ireo mpanandro ka efa nandao ilay tany. Tadidio fa tokony ho niverina nampahafantatra azy izy ireo rehefa ho nahita an’i Jesosy. Nisafoaky ny hatezerana i Heroda. Koa mba hamonoana an’i Jesosy, dia nandidy ny hamonoana ny zazalahy rehetra roa taona no ho midina tao Betlehema sy teny amin’ny nanodidina azy izy. Araka ny fanazavana azony teo aloha avy tamin’ireo mpanandro tonga avy tany Atsinanana no namerany izany fanamarinan-taona izany.

Nahatsiravina ny nahita ny fandripahana ireo zazalahy kely! Niditra an-keriny tao amin’ireo trano tsirairay ny miaramilan’i Heroda. Ary rehefa nahita zazalahy kely izy dia nandrombaka azy teny an-trotroan-dreniny. Tsy fantatsika ny isan’ireo zazakely novonoiny, fa ny fitomaniana sy fidradradradran’ireo reny dia nahatanteraka faminaniana iray ao amin’ny Baiboly nosoratan’i Jeremia mpaminanin’Andriamanitra.

Nandritra izany fotoana izany, i Josefa sy ny fianakaviany dia tonga soa aman-tsara tany Egypta, ary nonina tany izy ireo izao. Indray alina anefa dia niseho tamin’i Josefa tao amin’ny nofy indray ny anjelin’Andriamanitra. “Mifohaza ianao, ka ento ny zazakely sy ny reniny”, hoy ilay anjely, “dia mankanesa any amin’ny tanin’ny Isiraely, fa efa maty izay nitady ny fanahin’ny zazakely.” Ho fanatanterahana ny faminaniana hafa iray ao amin’ny Baiboly, izay nilaza fa hantsoina avy any Egypta ny zanak’Andriamanitra, àry, dia niverina tany amin’ny tany niaviany ilay fianakaviana.

Toa nikasa ny hanorim-ponenana tao Jodia i Josefa, tao amin’ny tanànan’i Betlehema izay nonenany talohan’ny nandosirany nankany Egypta. Reny anefa fa i Arkelaosy, zanaka ratsy fanahin’i Heroda no tonga mpanjakan’i Jodia, ary, tamin’ny nofy hafa iray, dia nampitandreman’i Jehovah ny amin’ilay loza izy. Nandeha nianavaratra àry i Josefa sy ny ankohonany ka nanorim-ponenana tao amin’ny tanànan’i Nazareta any Galilia. Teo anivon’ireo mponina tao, lavitra ny foiben’ny fiainana ara-pivavahana jiosy, i Jesosy no nihabe. Matio 2:13-23, MN; Jeremia 31:15; Hosea 11:1, MN.

▪ Rehefa tsy niverina tany aminy ireo mpanandro, dia zavatra nahatsiravina inona no nataon’i Heroda mpanjaka, kanefa tamin’ny fomba ahoana no niarovana an’i Jesosy?

▪ Rehefa tafaverina avy tany Egypta izy, nahoana i Josefa no tsy nipetraka indray tao Betlehema?

▪ Faminaniana ao amin’ny Baiboly inona avy no tanteraka nandritra io vanim-potoana io?