Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanetren-tena tamin’ny Paska farany

Fanetren-tena tamin’ny Paska farany

Toko 113

Fanetren-tena tamin’ny Paska farany

EFA tonga tao Jerosalema i Petera sy i Jaona mba hanao ny fanomanana ny Paska, araka ny toromarika nomen’i Jesosy. I Jesosy, izay toa niaraka tamin’ireo apostoly folo hafa, dia tonga tatỳ aoriana kokoa tamin’ny tolakandro. Nilentika teny amin’ny faravodilanitra ny masoandro rehefa nidina ny tendrombohitra Oliva i Jesosy sy ny namany. Io no farany nahitan’i Jesosy ilay tanàna andro antoandro avy teo amin’io tendrombohitra io mandra-panangana azy tamin’ny maty.

Tsy ela dia tonga tao an-tanàna i Jesosy sy ny namany ary nankany amin’ilay trano hankalazany ny Paska. Niakatra ny tohatra nankao amin’ilay efitrano malalaka ambony rihana izy ireo, ary hitany tao fa vita avokoa ny fiomanana rehetra hankalazany mitokana ny Paska. Niandry tamim-panantenana ny fahatongavan’io fotoana io i Jesosy, araka ny nolazainy hoe: “Naniry mafy dia mafy ny hiara-mihinana ity paska ity aminareo aho alohan’ny hijaliako.”

Araka ny fanao, dia divay efatra kapoaka no nosotroin’ny mpandray anjara tamin’ny Paska. Rehefa avy nanaiky izay niharihary fa ny kapoaka fahatelo, i Jesosy, dia nanolotra fisaorana ary nilaza hoe: “Raiso ity, ka ampandalovy aminareo; fa lazaiko aminareo: Manomboka izao, dia tsy hisotro amin’ny vokatry ny voaloboka intsony aho mandra-pahatongan’ny fanjakan’Andriamanitra.”

Nandritra ny fisakafoana, dia nitsangana i Jesosy, nametraka ny fitafiany ivelany, nandray lamba famaohana, ary nameno rano ny koveta iray. Mazàna ny tompon-trano dia nanao izay hampadio ny tongotry ny vahiny. Nefa, satria tsy nisy tompon-trano teo tamin’io toe-javatra io, dia nikarakara io fanompoana manokana ny hafa io i Jesosy. Na iza na iza tamin’ireo apostoly dia afaka nanararaotra ny tarehin-javatra mba hanao izany; nefa, satria toa mbola nisy fifandrafiana teo amin’izy ireo, dia tsy nisy nanao. Saikatra izy ireo izao rehefa nanomboka nanasa ny tongony i Jesosy.

Rehefa tonga teo aminy i Jesosy, dia nanda toy izao i Petera: “Sanatria raha hanasa ny tongotro ianao.”

“Raha tsy hosasako ianao, dia tsy manana anjara amiko”, hoy i Jesosy.

“Tompo ô”, hoy ny navalin’i Petera, “tsy ny tongotro ihany àry, fa ny tanako sy ny lohako koa.”

“Izay efa nandro”, hoy i Jesosy, “tsy mila hosasana, afa-tsy ny tongony ihany, fa efa madio tanteraka. Ary ianareo dia madio, nefa tsy ny rehetra.” Nilaza izany izy satria fantany fa nanam-pikasana hamadika azy i Jodasy Iskariota.

Rehefa avy nanasa ny tongotr’izy 12 lahy, anisan’izany ny tongotr’i Jodasy, ilay mpamadika azy, i Jesosy, dia nanao ny fitafiany ivelany ary niverina nandry ilika teo am-pisakafoana indray. Avy eo izy dia nanontany hoe: “Fantatrareo ve izay nataoko taminareo teo? Ianareo manao ahy hoe ‘Mpampianatra’ sy ‘Tompo’, ary marina ny filazanareo, fa izany tokoa aho. Noho izany, raha izaho, na dia Tompo sy Mpampianatra aza, dia nanasa ny tongotrareo, ianareo koa dia tokony hifanasa tongotra. Fa nanome môdely ho anareo aho, mba tsy hisy hafa amin’ny nataoko taminareo no tokony hataonareo koa. Milaza aminareo marina dia marina tokoa aho: Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony, na ny irahina noho ny maniraka azy. Raha fantatrareo izany, dia sambatra ianareo, raha manao izany.”

Ohatra tsara dia tsara ny amin’ny fanompoana amim-panetren-tena re izany! Tsy tokony hitady ny ho voalohany ireo apostoly, amin’ny fiheverana fa ambony aoka izany ny tenany ka hoe tokony hanompo azy foana ny hafa. Nila ny nanaraka ny môdely nomen’i Jesosy izy ireo. Tsy môdely ny amin’ny fombafomba fanasana tongotra akory izany. Tsia, fa môdely ny amin’ny fanekena an-tsitrapo hanompo ny hafa tsy misy fizahan-tavan’olona izany, na mety ho ambany na tsy hahafinaritra toy inona aza ilay asa hatao. Matio 26:20, 21, MN; Marka 14:17, 18, MN; Lioka 22:14-18, MN; Lk 7:44; Jaona 13:1-17, MN.

▪ Inona no manokana tamin’ny fahitan’i Jesosy an’i Jerosalema teo am-pidirana an’ilay tanàna mba hankalaza ny Paska?

▪ Nandritra ny Paska, niharihary fa ny kapoaka fahafiry no nampandalovin’i Jesosy tamin’ny apostoly 12 rehefa avy nanonona fisaorana izy?

▪ Fanompoana manokana inona no fanao tamin’ny vahiny fony i Jesosy teto an-tany, ary nahoana izany no tsy natao rehefa nankalaza ny Paska i Jesosy sy ny apostoliny?

▪ Inona no zava-nokendren’i Jesosy tamin’ny nanaovany ilay asa ambany fanasana ny tongotry ny apostoliny?