Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanirahana hanao asam-pamindrampo tany Jodia

Fanirahana hanao asam-pamindrampo tany Jodia

Toko 89

Fanirahana hanao asam-pamindrampo tany Jodia

HERINANDRO vitsivitsy talohan’izay, nandritra ny Andro Firavoravoana Fitokanana tany Jerosalema, dia nanandrana ny hamono an’i Jesosy ireo Jiosy. Koa nianavaratra àry izy, miharihary fa ho any amin’ny faritra iray izay tsy lavitra ny Ranomasin’i Galilia.

Vao haingana, dia nianatsimo nankany Jerosalema indray izy, ka nitory teny an-dalana, tany amin’ireo tanàna kelin’i Pere, distrika iray tany atsinanan’ny Onin’i Jordana. Rehefa avy nilaza ilay fanoharana momba ilay mpanankarena sy i Lazarosy izy, dia nanohy nampianatra ny mpianany zavatra izay efa nampianariny taloha fony izy tany Galilia.

Nilaza izy, ohatra, fa hahasoa ny olona iray kokoa “raha anantonana vato fikosoham-bary ny vozony ka atsipy any anaty ranomasina izy”, toy izay hanafintohina ny iray amin’ireo “madinika” izay an’Andriamanitra. Nanasongadina ny nilàna ny hamela heloka koa izy, tamin’ny fanazavana hoe: “Na dia manota aminao impito isan’andro aza [ny rahalahy iray], ka miverina any aminao impito izy ary milaza hoe: ‘Mifona aho’, dia tsy maintsy mamela ny helony ianao.”

Rehefa nangataka ny mpianatra hoe: “Omeo finoana bebe kokoa izahay”, dia namaly toy izao i Jesosy: “Raha nanana finoana nitovy habe tamin’ny an’ny voan-tsinapy ianareo, dia hiteny amin’io voaroihazo io hoe: ‘Miongota ary aoka hambolena ao anaty ranomasina ianao!’, dia hankatò anareo izy.” Koa na dia ny finoana kely aza dia afaka manatanteraka asa lehibe.

Nanaraka izany, i Jesosy dia nitantara tarehin-javatra nifanaraka tamin’ny fiainana andavanandro iray, izay nampiseho ny fihetsika mety, tokony hananan’ny mpanompon’ilay Andriamanitra tsitoha. “Iza aminareo no manana mpanompo miasa tany na miandry ondry”, hoy ny fanamarihan’i Jesosy, “ka hilaza aminy rehefa miverina avy any an-tsaha izy hoe: ‘Avia atỳ dieny izao handry ilika eto am-pisakafoana’? Tsia, fa tsy hiteny aminy kosa ve izy hoe: ‘Manomàna zavatra ho an’ny sakafo harivako, ary manaova aron’akanjo ka manompoa ahy mandra-pihinako sy mandra-pisotroko, ary aorian’izay ianao vao afaka mihinana sy misotro’? Tsy hahatsapa fankasitrahana an’ilay mpanompo izy satria nanao ireo zavatra nanendrena azy hataony izy io, sa tsy izany? Ianareo koa, rehefa avy nanao ireo zavatra rehetra nanendrena anareo hatao ianareo, dia mitenena hoe: ‘Mpanompo tsinontsinona izahay. Ny nataonay dia izay tokony ho nataonay ihany’.” Araka izany, ireo mpanompon’Andriamanitra dia tsy tokony hihevitra na oviana na oviana fa manisy soa an’Andriamanitra izy ireo amin’ny fanompoana azy. Tokony hotadidiny hatrany kosa aza ny tombontsoany manolotra fanompoam-pivavahana ho azy amin’ny maha-mpikambana azo itokiana ao amin’ny ankohonany.

Toa tsy ela taorian’ny nanomezan’i Jesosy io fanoharana io dia nisy mpitondra hafatra tonga. Nirahin’i Maria sy i Marta, anabavin’i Lazarosy, nonina tany Betania any Jodia, izy io. “Tompo ô, jereo! marary ilay iraiketan’ny fonao”, hoy ny notantarain’ilay mpitondra hafatra.

Namaly i Jesosy hoe: “Tsy ho fahafatesana no anton’izany aretina izany, fa ho fankalazana an’Andriamanitra, mba hahafahana mankalaza ny Zanak’Andriamanitra amin’ny alalany.” Rehefa avy nitoetra roa andro teo amin’ny nisy azy i Jesosy dia niteny tamin’ny mpianany hoe: “Andao ho any Jodia indray.” Nampahatsiahy azy toy izao anefa izy ireo: “Raby ô, vao haingana izay dia nitady hitora-bato anao ny Jodiana, ka hankany indray ve ianao?”

“Misy roa ambin’ny folo ora ny hazavan’ny andro, sa tsy izany?”, hoy ny fanontanian’i Jesosy namaly izany. “Na iza na iza mandeha amin’ny hazavan’ny andro, dia tsy hidona na amin’inona na amin’inona izy, satria mahita ny fahazavan’izao tontolo izao. Fa na iza na iza kosa mandeha amin’ny alina, dia hidona amin-javatra izy, satria tsy ao aminy ny fahazavana.”

Ny toa tian’i Jesosy holazaina dia hoe mbola tsy tapitra ireo ‘ora misy hazavan’ny andro’, na ny fotoana nomen’Andriamanitra ho an’ny fanompoan’i Jesosy teto an-tany, ka mandra-pahatongan’izany, dia tsy nisy afaka hanisy ratsy azy. Nila ny nampiasa tamin’ny fomba feno ny fotoana fohy tamin’ny “hazavan’ny andro” sisa tavela ho azy izy, satria aorian’izay dia ho tonga ny “alina” rehefa avy namono azy ny fahavalony.

Nanampy teny toy izao i Jesosy: “Miala sasatra i Lazarosy sakaizantsika, fa hanao dia ho any aho mba hamoha azy amin’ny torimasony.”

Niharihary fa nieritreritra ireo mpianatra fa natory niala sasatra i Lazarosy ka hoe famantarana nampahery izany fa ho sitrana izy, rehefa namaly toy izao izy ireo: “Tompo ô, raha nandeha niala sasatra izy, dia hihatsara indray.”

Tamin’izay i Jesosy dia nilaza tsotra izao tamin’izy ireo hoe: “Maty i Lazarosy, ary mifaly noho ianareo aho fa tsy tany, mba hinoanareo. Fa andao ho any aminy.”

Tsapan’i Tomasy fa nety hovonoina i Jesosy tany Jodia, kanefa naniry ny hanohana azy izy ka nampirisika ireo mpianatra hafa toy izao: “Andao koa isika ho any, mba hiara-maty aminy.” Koa nanao vivery ny ainy àry ireo mpianatra ka nanaraka an’i Jesosy tamin’io fanirahana hanao asam-pamindrampo tany Jodia io. Lioka 13:22, MN; 17:1-10, MN; Jaona 10:22, 31, 40-42, MN; Jn 11:1-16, MN.

▪ Taiza no nitorian’i Jesosy vao haingana?

▪ Fampianarana inona avy no naverin’i Jesosy, tarehin-javatra nifanaraka tamin’ny fiainana andavanandro inona no nolazalazainy, ary inona no tiany haseho tamin’izany?

▪ Vaovao inona no voarain’i Jesosy, ary inona no tiany holazaina tamin’ny hoe “hazavan’ny andro” sy ny hoe “alina”?

▪ Inona no tian’i Tomasy holazaina rehefa nilaza izy hoe: ‘Andao isika ho any mba hiara-maty aminy’?