Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanoharana ny amin’ny fanasana amin’ny fampakaram-bady

Fanoharana ny amin’ny fanasana amin’ny fampakaram-bady

Toko 107

Fanoharana ny amin’ny fanasana amin’ny fampakaram-bady

NANALA sarona ireo mpanora-dalàna sy lohan’ny mpisorona tamin’ny alalan’ny fanoharana roa i Jesosy, hany ka naniry hamono azy izy ireo. Mbola tsy tapitra anefa ny tian’i Jesosy holazaina tamin’izy ireo. Nanohy ny teniny izy tamin’ny filazana fanoharana hafa iray koa tamin’izy ireo ka nanao hoe:

“Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy iray, mpanjaka iray, izay nanao fanasana amin’ny fampakaram-bady ho an’ny zanany lahy. Ary naniraka ny mpanompony hiantso ireo izay nasaina ho amin’ny fampakaram-bady izy, fa tsy nety ho avy ireo.”

I Jehovah Andriamanitra no ilay Mpanjaka nanomana fanasana amin’ny fampakaram-bady ho an’ny Zanany, i Jesosy Kristy. Amin’ny farany, dia ho tafaray amin’i Jesosy any an-danitra ny ampakariny, izay voaforon’ireo mpanara-dia azy voahosotra 144 000. Ny vahoakan’ilay Mpanjaka dia ny olon’ny Isiraely, izay, rehefa nampidirina tao amin’ny faneken’ny Lalàna tamin’ny 1513 al.fan.ir., dia nahazo ny fahafahana ho tonga “fanjaka-mpisorona”. Tamin’izany fotoana izany àry no natolotra azy ireo tany am-boalohany ny fanasana ho amin’ny fampakaram-bady.

Ny fiantsoana voalohany natao tamin’ireo izay nasaina, anefa, dia tsy nalefa raha tsy tamin’ny fararanon’ny taona 29 am.fan.ir., rehefa nanomboka ny asa fitoriana ilay Fanjakana i Jesosy sy ny mpianany (ireo mpanompon’ny mpanjaka). Tsy nety tonga anefa ireo Isiraelita ara-nofo izay nandray io fiantsoana nalefan’ny mpanompo io, nanomboka tamin’ny taona 29 am.fan.ir. ka hatramin’ny taona 33 am.fan.ir. Nanome fahafahana vaovao ho an’ilay firenen’ireo olona nasaina indray àry Andriamanitra, araka ny notantarain’i Jesosy toy izao:

“Naniraka mpanompo hafa indray izy tamin’ny filazana hoe: ‘Lazao amin’ireo izay nasaina hoe: “Indro! Efa voavoatrako ny sakafoko, efa voavono ny ombiko sy ny biby nafahiko, ary efa vonona avokoa ny zavatra rehetra. Tongava atỳ amin’ny fampakaram-bady ianareo.” ’ ” Izany fiantsoana faharoa sady farany ireo izay nasaina izany dia nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33 am.fan.ir., rehefa nalatsaka tamin’ireo mpanara-dia an’i Jesosy ny fanahy masina. Nitohy hatramin’ny 36 am.fan.ir. io fiantsoana io.

Nanda tamim-panamavoana izany fiantsoana izany koa anefa ny ankamaroan’ireo Isiraelita. “Tsy niraharaha akory ireo fa samy lasa nandeha”, hoy i Jesosy, “ny iray ho any amin’ny sahany, ny iray hafa ho any amin’ny varony; fa ny sisa nisambotra ireo mpanompony sy nisetrasetra taminy ka namono azy.” “Kanefa tezitra mafy ilay mpanjaka”, hoy i Jesosy nanohy ny teniny, “ka naniraka ny tafiny ary nandringana ireo mpamono olona ireo sady nandoro ny tanànany.” Izany dia nitranga tamin’ny 70 am.fan.ir., rehefa nofoanan’ny Romana tanteraka i Jerosalema ka novonoina ireo mpamono olona ireo.

Avy eo i Jesosy dia nanazava izay nitranga teo anelanelan’izany: “Dia hoy [ny mpanjaka] tamin’ny mpanompony: ‘Efa vonona tokoa ny fanasana amin’ny fampakaram-bady, fa ireo nasaina no tsy mendrika. Noho izany dia mankanesa any amin’ireo lalana mitarika ho any ivelan’ny tanàna, ary na iza na iza hitanareo, dia asao ho amin’ny fampakaram-bady’.” Nanao izany ireo mpanompo, ary dia “feno ireo nandry ilika teo am-pisakafoana ny efitra ho an’ilay fanasana amin’ny fampakaram-bady”.

Nanomboka tamin’ny 36 am.fan.ir. izany asa fanangonana olona hita teny amin’ny lalana ivelan’ny tanànan’ireo olona nasaina izany. Ilay mpanao raharaha tao amin’ny tafika romana natao hoe Kornelio sy ny fianakaviany no voalohany tamin’ireo tsy Jiosy tsy voafora nangonina. Ny fanangonana ireny tsy Jiosy ireny, izay hisolo avokoa ireo izay nanda ilay fiantsoana tany am-boalohany, dia nitohy hatramin’izao taonjato faha-20 izao.

Nandritra ny taonjato faha-20 no feno ilay efitra fanaovana fankalazana fampakaram-bady. Nitantara izay nitranga tamin’izay i Jesosy ka nanao hoe: “Rehefa niditra ny mpanjaka hizaha ireo nasaina, dia nahatazana tao lehilahy iray izay tsy nitafy ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady. Hoy àry izy taminy: ‘Ry sakaiza, ahoana no nidiranao teto nefa ianao tsy manao akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady?’ Tsy nahateny izy. Tamin’izay dia hoy ny mpanjaka tamin’ny mpanompony: ‘Afatory ny tongony aman-tànany, dia ario any amin’ny maizina any ivelany izy. Any no hisy ny fitomaniany sy ny fikitrohany nify’.”

Ilay lehilahy tsy nanao akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady dia mampiseho ireo kristiana sandoka ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Tsy nanaiky azy ireo ho nanana ny famantarana nilaina mba ho Isiraelita ara-panahy na oviana na oviana Andriamanitra. Tsy nanosotra azy ireo tamin’ny fanahy masina mba ho tonga mpandova ilay Fanjakana na oviana na oviana Andriamanitra. Natsipy any ivelany ho any amin’ny maizina, izay haharingana azy, àry izy ireny.

Namarana ny fanoharany tamin’izao teny izao i Jesosy: “Fa maro no antsoina, nefa vitsy no fidina.” Eny, maro be tamin’ny firenen’ny Isiraely ara-nofo no nasaina ho tonga mpikambana amin’ny ampakarin’i Kristy, nefa Isiraelita ara-nofo vitsivitsy monja no voafidy. Ny ankamaroan’ireo nasaina 144 000 izay mandray valisoa any an-danitra dia tsy Isiraelita. Matio 22:1-14, MN; Eksodosy 19:1-6; Apokalypsy 14:1-3.

▪ Iza no nasaina ho amin’ny fampakaram-bady tany am-boalohany, ary oviana izy ireo no notolorana ny fanasana?

▪ Oviana no nalefa voalohany tany amin’ireo nasaina ny fiantsoana, ary iza ireo mpanompo nampiasaina hanao izany?

▪ Oviana no natolotra ny fiantsoana faharoa, ary iza no nasaina taorian’izay?

▪ Iza no asehon’ilay lehilahy tsy nanao akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady?

▪ Iza ireo maro be nantsoina, ary iza ireo vitsy nofidina?