Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fianarana avy amin’ireo fakam-panahy nahazo an’i Jesosy

Fianarana avy amin’ireo fakam-panahy nahazo an’i Jesosy

Toko 13

Fianarana avy amin’ireo fakam-panahy nahazo an’i Jesosy

RAHA vao avy natao batisa i Jesosy dia nentin’ny fanahin’Andriamanitra tany an’efitr’i Jodia. Nanan-javatra be dia be hoeritreretina izy, satria tamin’ny batisany, dia “nisokatra ny lanitra” mba hahafahany hahita ireo zavatra tany an-danitra. Be dia be tokoa ireo zavatra hosaintsaininy!

Nandany 40 andro sy 40 alina tany an’efitra i Jesosy ary tsy nihinana na inona na inona izy nandritra izany fotoana izany. Avy eo, rehefa noana mafy izy, dia nanatona azy ny Devoly mba haka fanahy azy, ka nanao hoe: “Raha zanak’Andriamanitra ianao, dia teneno ho tonga mofo ireto vato ireto.” Fantatr’i Jesosy anefa fa tsy mety ny mampiasa ny fahefany hanao fahagagana mba hanomezana fahafahampo ny fanirian’ny tenany manokana. Tsy nanaiky halaim-panahy àry izy.

Tsy kivy anefa ny Devoly, fa nanandrana zavatra hafa. Nihaika an’i Jesosy izy tamin’ny fangatahana azy mba hitsambikina avy teny ambonin’ny mandan’ny tempoly mba hamonjen’ireo anjelin’Andriamanitra azy. Tsy resin’ny fakam-panahy hanao fampisehoana manaitra toy izany anefa i Jesosy. Nanonona ny Soratra masina izy ka nampiseho fa tsy mety ny maka fanahy an’Andriamanitra amin’izany fomba izany.

Tao amin’ny fakam-panahy fahatelo, dia nasehon’ny Devoly an’i Jesosy tamin’ny fahagagana ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao, ka hoy izy taminy: “Izao rehetra izao dia homeko anao, raha miankohaka ianao ka manolotra fanompoam-pivavahana iray eto anatrehako.” Teo indray koa anefa i Jesosy dia tsy nanaiky ho resin’ny fakam-panahy hanao ratsy, fa nifidy ny hitoetra ho mahatoky teo anatrehan’Andriamanitra.

Afaka manatsoaka fianarana avy amin’ireo fakam-panahy nahazo an’i Jesosy ireo isika. Mampiseho izy ireo, ohatra, fa ny Devoly dia tsy ny toetry ny faharatsiana fotsiny, toy ny ambaran’ny olona sasany, fa tena persona tokoa saingy tsy hita maso. Ny nakana fanahy an’i Jesosy koa dia mampiseho fa ny fitondram-panjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao dia fananan’ny Devoly. Raha tsy izany, ahoana no naha-tena fakam-panahy ny fanoloran’ny Devoly azy ireo an’i Kristy raha tsy tena azy izy ireo?

Eritrereto koa izao manaraka izao: Nilaza ny Devoly fa vonona ny hamaly soa an’i Jesosy izy ho valin’ny fanolorana fanompoam-pivavahana iray, ka hanome azy ireo fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao mihitsy aza. Azon’ny Devoly atao tsara ny manandrana haka fanahy antsika amin’ny fomba mitovy amin’izany, angamba amin’ny fampilendalendana antsika amin’ny fahafahana hahazo harena, fahefana, na toerana ambony eo amin’izao tontolo izao. Endrey anefa ny fahendrena hasehontsika, amin’ny fitoerana ho mahatoky eo anatrehan’Andriamanitra na inona na inona fakam-panahy mety hiseho! Matio 3:16, MN; Mt 4:1-11, MN; Marka 1:12, 13; Lioka 4:1-13, MN.

▪ Inona avy ireo zavatra izay toa nosaintsainin’i Jesosy nandritra ireo efapolo andro nolaniny tany an’efitra?

▪ Ahoana no nanandraman’ny Devoly haka fanahy an’i Jesosy?

▪ Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo fakam-panahy nahazo an’i Jesosy?