Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fianarana momba ny famelan-keloka

Fianarana momba ny famelan-keloka

Toko 64

Fianarana momba ny famelan-keloka

TOA mbola tao amin’ilay trano tao Kapernaomy niaraka tamin’ny mpianany i Jesosy. Niara-niresaka tamin’izy ireo ny amin’ny fomba handaminana zava-tsarotra teo amin’ny mpirahalahy izy, koa nanontany àry i Petera hoe: “Tompo ô, impiry moa no hanotan’ny rahalahiko amiko ka hamelako azy?” Koa satria ny fanoloran-kevitr’ireo mpampianatra teo amin’ny fivavahana jiosy dia ny hanekena ny hamela heloka intelo, dia azo inoana fa nihevitra i Petera fa fampisehoana fahalalahan-tanana lehibe ny nanipy hevitra hoe “hatramin’ny impito ve?”

Ny hevitra manontolo ny amin’ny fihazonana fanisana toy izany mihitsy anefa no diso. Nanitsy an’i Petera toy izao i Jesosy: “Milaza aminao aho hoe: Tsy hatramin’ny impito, fa hatramin’ny impito amby fitopolo.” Nampiseho tamin’izany izy fa tsy tokony hasiana fetrany ny isan’ny hamelan’i Petera ny rahalahiny.

Mba hanasoritana tao an-tsain’ny mpianany ny adidin’izy ireo hamela heloka, dia nilaza taminy fanoharana iray i Jesosy. Momba ny mpanjaka iray naniry handamina ny toe-bolany tamin’ireo mpanompony izy io. Nentina teo aminy ny mpanompo iray nananany trosa be dia be, denaria 60 000 000. Tsy nisy hahafahan’izy io handoa izany mihitsy. Nandidy àry ilay mpanjaka, hoy ny fanazavan’i Jesosy, mba hamidy izy sy ny vady aman-janany ho fandoavana ny trosany.

Tamin’izay ilay mpanompo dia nianjera teo an-tongotry ny tompony ka niangavy azy hoe: “Mahareta amiko fa haloako aminao avokoa izy rehetra.”

Onena azy ny tompony ka nanafoana tamim-pamindrampo ny trosa be nananany tamin’ilay mpanompony. Raha vantany vao nahavita izany anefa izy, hoy i Jesosy nanohy ny teniny, dia lasa io mpanompony io ka nitady ny iray tamin’ireo mpanompo namany izay nananany denaria 100 monja. Naka ilay mpanompo namany teo amin’ny tendany ilay lehilahy ka nanomboka nanakenda azy ary nilaza hoe: “Aloavy izay rehetra ananako aminao.”

Tsy nanana io vola io anefa ilay mpanompo namany. Nianjera teo an-tongotr’ilay mpanompo nanana trosa taminy àry izy, ka niangavy azy hoe: “Mahareta amiko fa haloako aminao izany.” Tsy tahaka ny tompony ilay mpanompo fa tsy namindra fo, ary nasainy nampidirina an-tranomaizina ilay mpanompo namany.

Ireo mpanompo hafa, izay nahita ilay zava-nitranga, hoy i Jesosy nanohy ny teniny, dia lasa nilaza izany tamin’ny tompony. Tezitra io ka nampiantso ilay mpanompo. “Ry mpanompo ratsy fanahy”, hoy izy, “nofoanako ny trosanao rehetra tamiko, rehefa niangavy tamiko fatratra ianao. Tsy tokony mba ho nampiseho famindrampo tamin’ny mpanompo namanao kosa ve ianao, toy ny nanehoako famindrampo taminao?” Natosiky ny hatezerana ilay tompony ka nanolotra ilay mpanompo tsy namindra fo ho amin’ny mpiambina tranomaizina mandra-pandoany izay rehetra nananany taminy.

Avy eo, i Jesosy dia namarana ny teniny toy izao: “Tahaka izany koa no hataon’ny Raiko izay an-danitra aminareo raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin’ny fonareo avy ianareo.”

Endrey ny hatsaran’izany lesona momba ny famelan-keloka izany! Raha ampitahaina amin’ny trosa lehibe navelan’Andriamanitra tamintsika noho ny otantsika, na inona na inona fahotana nety ho nataon’ny rahalahy kristiana iray tamintsika, dia kely tokoa. Fanampin’izany, i Jehovah Andriamanitra dia namela antsika inarivony maro. Matetika dia tsy fantatsika akory ny fahotana ataontsika aminy. Noho izany, tsy azontsika atao ve ny mamela ireo fahotana vitsivitsy nataon’ny rahalahintsika tamintsika, na dia manana antony ara-dalàna itarainana ny aminy aza isika? Tadidio fa, araka ny nampianarin’i Jesosy tao amin’ny Toriteniny teo an-tendrombohitra, Andriamanitra dia ‘hamela ny trosantsika, toy ny namelantsika ireo ananantsika trosa koa’. Matio 18:21-35, MN; Mt 6:12, MN; Kolosiana 3:13, MN.

▪ Inona no nanosika an’i Petera hanontany momba ny hamelana ny rahalahiny, ary nahoana no nety ho nihevitra izy fa fampisehoana fahalalahan-tanana ny fanipazan-kevitra mba hamela olona iray impito?

▪ Inona no naha-hafa ny fihetsik’ilay mpanjaka teo anoloan’ny fitalahoan’ny mpanompony famindrampo tamin’ny fihetsik’io mpanompo io teo anoloan’ny fitalahoana nataon’ny mpanompo namany iray?

▪ Inona no ianarantsika avy amin’io fanoharana nataon’i Jesosy io?