Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fianarana momba ny famindrampo

Fianarana momba ny famindrampo

Toko 40

Fianarana momba ny famindrampo

NETY ho mbola tany Naina, izay vao avy nananganany ny zanakalahin’ny vehivavy mpitondratena iray tamin’ny maty, i Jesosy, na koa nety ho nitsidika tanàna iray teo akaikiny. Naniry handinika akaiky kokoa ilay nanao ireo asa mahagaga ireo ny Fariseo iray nantsoina hoe Simona. Koa nanasa an’i Jesosy hiara-misakafo taminy àry izy.

Noraisin’i Jesosy ho toy ny fahafahana hitory tamin’ireo ho tonga tao ilay toe-javatra, ka nanaiky ilay fanasana izy, toy ny nanekeny ireo fanasana hiara-misakafo tamin’ireo mpamory hetra sy mpanota. Kanefa, raha vao niditra ny tranon’i Simona i Jesosy dia tsy nampisehoana ny hatsaram-panahy nahazatra fandraisana ny vahiny tamin’ny ankapobeny.

Rehefa avy nanao dia tamin’ny lalana feno vovoka ny tongotra nikapa dia nanjary nafana sy naloto, ary fampisehoana fahaiza-mampiantrano vahiny nahazatra ny fanasana ny tongotr’ireo vahiny tamin’ny rano mangatsiaka. Tsy nisy nanasa anefa ny tongotr’i Jesosy rehefa tonga izy. Sady tsy nisy nanoroka azy ho fiarahabana, araka ny fahalalam-pomba fanaraka. Ankoatra izany koa, dia tsy nohosorana ny menaka nahazatra tamin’ny fahaiza-mampiantrano vahiny ny volony.

Nandritra ny sakafo, raha nandry ilika teo am-pisakafoana ireo vahiny, dia nisy vehivavy iray tsy nasaina, niditra mangingina tao amin’ilay efitrano. Fantatra tao an-tanàna ho naloto fitondrantena izy io. Azo inoana fa nahare ireo fampianaran’i Jesosy izy, anisan’izany ny fanasana nataony ho an’izay ‘navesatra entana rehetra mba hanatona azy ka hahita famelombelomana’. Ary noho izy tohina lalina tamin’izay hitany sy reny, izao izy dia nitady an’i Jesosy.

Nandeha teo ivohon’i Jesosy teo amin’ny latabatra izy, ary nandohalika teo an-tongony. Raha nianjera teo amin’ny tongotr’i Jesosy ny ranomason’ilay vehivavy, dia nofaohany tamin’ny volony. Naka menaka manitra avy tao amin’ny tavoarany koa izy, ary, sady nanoroka ny tongony tamim-panehoam-pitiavana no nandraraka ilay menaka teo ambonin’izy ireo. Nitazana izany i Simona ary tsy nankasitraka. “Raha mpaminany ity lehilahy ity”, hoy ny fanjohian-keviny, “dia ho fantany hoe iza sy karazan’olona manao ahoana io vehivavy io, fa mpanota izy io.”

Namaky ny tao an-tsainy i Jesosy ka nanao hoe: “Ry Simona, manan-kolazaina aminao aho.”

“Lazao àry, Mpampianatra ô!”, hoy ny navaliny.

“Nisy roa lahy nananan’ny mpampisambo-bola iray trosa”, hoy i Jesosy nanomboka ny teniny. “Ny iray nananany denaria dimanjato, ary ny iray kosa dimampolo. Ary raha tsy nanana na inona na inona hamerenana izany izy roa lahy dia samy navelany tamin-kalalahan-tanana. Koa iza moa amin’ireo no ho tia azy kokoa?”

“Ataoko fa ilay nanan-trosa be kokoa ka navelany tamin-kalalahan-tanana”, hoy i Simona, angamba tsy dia niraika loatra satria toa tsy nisy hifandraisany ilay fanontaniana.

“Marina ny hevitrao”, hoy i Jesosy. Avy eo dia nitodika tany amin’ilay vehivavy izy ka nanao tamin’i Simona hoe: “Hitanao ve io vehivavy io? Niditra teto an-tranonao aho; nefa tsy mba nanome ahy rano hanasana ny tongotro ianao. Fa io vehivavy io kosa nahakotsa ny tongotro tamin’ny ranomasony ary namaoka azy ireo tamin’ny volony. Tsy mba nanoroka ahy akory ianao; fa izy, hatrizay nidirako, dia mbola tsy nitsahatra nanoroka ny tongotro tamim-panehoam-pitiavana. Ny lohako tsy mba nohosoranao diloilo akory; fa izy kosa nanoso-menaka manitra ny tongotro.”

Nanome porofon’ny fibebahany tamim-pahatsorana noho ny fahalotoam-pitondrantena narahiny teo aloha io vehivavy io tamin’izany. Koa namarana toy izao àry i Jesosy: “Noho izany, dia lazaiko aminao fa, na dia maro be aza ny fahotany, dia voavela, satria be fitiavana izy; fa izay voavela tamin’ny kely, dia kely fitiavana.”

Tsy manafaka na manala tsiny ny fahalotoam-pitondrantena velively i Jesosy. Tsia, fa io fisehoan-javatra io kosa dia mampiharihary ny fahaizany mahatakatra amim-pangoraham-po ny olona izay nanao fahadisoana teo amin’ny fiainany, nefa avy eo dia nampiseho fa nalahelo noho izany ka nanatona an’i Kristy mba hahazoana fanamaivanana. Nanolotra famelombelomana marina an’io vehivavy io i Jesosy tamin’ny filazana hoe: “Voavela ny helokao. (...) Ny finoanao efa nahavonjy anao; mandehana amim-piadanana.” Lioka 7:36-50, MN; Matio 11:28-30.

▪ Ahoana no nandraisan’i Simona an’i Jesosy rehefa tonga nivahiny tao aminy izy?

▪ Iza no nitady an’i Jesosy, ary nahoana?

▪ Fanoharana inona no nomen’i Jesosy, ary tamin’ny fomba ahoana no nampiharany izany?