Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fianarana momba ny fisaraham-panambadiana sy ny fitiavana ankizy

Fianarana momba ny fisaraham-panambadiana sy ny fitiavana ankizy

Toko 95

Fianarana momba ny fisaraham-panambadiana sy ny fitiavana ankizy

TENY an-dalana ho any Jerosalema mba hanatrika ny Paska taona 33 am.fan.ir. i Jesosy sy ny mpianany. Nita ny Onin’i Jordana izy ireo ary nanaraka ny lalana namakivaky ny distrikan’i Pere. Efa tany Pere i Jesosy herinandro vitsivitsy talohan’izao, nefa niangaviana izy tamin’izay mba hankany Jodia satria narary i Lazarosy sakaizany. Fony tany Pere izy dia niresaka tamin’ireo Fariseo momba ny fisaraham-panambadiana, ary izao izy ireo dia nampitranga io foto-dresaka io indray.

Nisy fomba fisainana samy hafa momba ny fisaraham-panambadiana teo amin’ireo Fariseo. Nilaza i Mosesy fa azon’ny lehilahy iray atao ny misaraka amin’ny vadiny noho ny “fahalotoana eo aminy”. Nisy nieritreritra fa izany dia nanondro ny tsy fahadiovany teo amin’ny fitondrantena ihany. Nihevitra anefa ny hafa fa io “fahalotoana” io dia nahafaoka fahadisoana tena madinika koa. Noho izany, mba hitsapana an’i Jesosy, dia nanontany azy toy izao ny Fariseo: “Araka ny lalàna ve raha misaotra ny vadiny noho ny karazan’antony rehetra ny lehilahy iray?” Natoky izy ireo fa na inona na inona holazain’i Jesosy dia hiteraka olana teo aminy sy ireo Fariseo izay tsy nitovy hevitra taminy.

Namaly ilay fanontaniana tamim-pahakingana aoka izany i Jesosy, tsy tamin’ny fakana ny fihevitr’olombelona ho fototry fanapahan-keviny, fa tamin’ny fitodihana tany amin’izay nolazaina tany am-boalohany fa ho zava-kendren’ny fanambadiana. “Tsy novakinareo ve”, hoy izy nanontany, “fa ilay nahary azy tamin’ny voalohany dia nahary azy ho lahy sy vavy, ka nanao hoe: ‘Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hifikitra amin’ny vadiny, ary dia ho nofo iray ihany izy roa’? Tsy ho roa intsony àry izy, fa ho nofo iray ihany. Koa amin’izany, izay nampiraisin’Andriamanitra ho eo ambany zioga iray, dia aoka tsy hampisarahin’olona.”

Ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany, hoy ny nasehon’i Jesosy, dia ny hifikiran’ny mpivady amin’izy samy izy fa tsy ny hisarahany. Raha izany no izy, hoy ny navalin’ireo Fariseo, “nahoana àry i Mosesy no nandidy ny hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotra azy?”

“Navelan’i Mosesy hisaotra ny vadinareo ianareo, noho ny hamafin’ny fonareo”, hoy i Jesosy namaly, “fa tsy mba toy izany no izy tamin’ny voalohany.” Eny, fony Andriamanitra nametra ny tena fitsipika marina ho an’ny fanambadiana tao amin’ny zaridainan’i Edena, dia tsy nanao fandaharana ho an’ny fisaraham-panambadiana izy.

Nanohy ny teniny i Jesosy tamin’ny filazana tamin’ireo Fariseo hoe: “Lazaiko aminareo fa na iza na iza misaotra ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana [avy amin’ny grika hoe por·neiʹa], ihany ka mampakatra ny hafa, dia manitsakitsa-bady.” Nasehony tamin’izany fa ny por·neiʹa, fitondrantena maloto eo amin’ny maha-lahy sy maha-vavy lehibe dia lehibe, no hany antony eken’Andriamanitra ho an’ny fisaraham-panambadiana.

Rehefa takatry ny mpianatra fa tokony ho firaisana maharitra ny fanambadiana, ka io no hany antony ho an’ny fisaraham-panambadiana, dia voatosika hiteny toy izao izy ireo: “Raha izany no toerana misy ny lehilahy amin’ny vadiny, dia aleo tsy manambady.” Tsy misy isalasalana mihitsy fa tokony hieritreritra tsara ny amin’ny faharetan’ny fatoram-panambadiana ny olona iray mikasa hanambady!

Nanohy ny teniny i Jesosy ka niresaka ny amin’ny fijanonana ho mpitovo. Nanazava izy fa misy zazalahy teraka ho ionoka, ka tsy afaka manambady satria tsy nitombo ara-dalàna ny faritra maha-lahy azy. Ny hafa dia nataon’olona ho ionoka, rehefa avy natao kilemaina tamin’ny fomba tsy nifaditrovana teo amin’ny faritra maha-lahy azy. Farany, ny sasany dia nifehy ny faniriany hanambady sy hanana firaisana mba hanokanan-tena amin’ny fomba feno kokoa ho an’ny raharaha mifandray amin’ny Fanjakan’ny lanitra. “Aoka izay afaka manana fahafahana ho an’[ny fijanonana ho mpitovo] hanao izay hisian’ny fahafahana ho an’izany”, hoy i Jesosy namarana ny teniny.

Nanomboka nitondra ireo zanany kely teo aminy izao ny olona. Nibedy sady nitady handroaka ireo ankizy anefa ny mpianatra, tsy isalasalana fa noho ny faniriany hiaro an’i Jesosy tsy hiharan’ny fihenjanana tsy nilaina. Nilaza anefa i Jesosy hoe: “Avelao ny ankizy kely hanatona ahy; aza mitady ny hisakana azy ireo, fa an’ny toa azy ny fanjakan’Andriamanitra. Lazaiko aminareo marina tokoa: Na iza na iza tsy handray ny fanjakan’Andriamanitra tahaka ny ankizy kely dia tsy ho tafiditra ao amin’izy io velively.”

Endrey izany fianarana tsara dia tsara nomen’i Jesosy teto! Mba handraisana ny Fanjakan’Andriamanitra, dia tokony haneho fanetren-tena sy fahavononana hianatra sahala amin’ny ankizy kely isika. Ny ohatr’i Jesosy koa anefa dia nampiseho ny maha-zava-dehibe, indrindra ho an’ny ray aman-dreny, ny handaniana fotoana miaraka amin’ireo zanany. Nasehon’i Jesosy izao ny fitiavany ny ankizy madinika tamin’ny fitrotroana sy fitsofan-drano azy ireo. Matio 19:1-15, MN; Deoteronomia 24:1; Lioka 16:18, MN; Marka 10:1-16, MN; Lioka 18:15-17.

▪ Fomba fijery samy hafa inona avy mikasika ny fisaraham-panambadiana moa no nananan’ireo Fariseo, koa ahoana no nitsapany an’i Jesosy?

▪ Ahoana no namalian’i Jesosy ny fiezahan’ireo Fariseo hitsapa azy, ary inona no hany antony ho an’ny fisaraham-panambadiana nomeny?

▪ Nahoana moa ireo mpianatr’i Jesosy no nilaza fa aleo tsy manambady, ary torohevitra inona no nomen’i Jesosy?

▪ Inona no nampianarin’i Jesosy antsika tamin’ny fifandraisany tamin’ireo ankizy kely?