Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fiandohan’ny andro fanapahan-javatra iray

Fiandohan’ny andro fanapahan-javatra iray

Toko 105

Fiandohan’ny andro fanapahan-javatra iray

REHEFA nandao an’i Jerosalema i Jesosy ny harivan’ny alatsinainy, dia niverina nankany Betania, teo amin’ny ilany atsinanan’ny tendrombohitra Oliva. Tapitra ny roa andro nanaovany ny fanompoany farany tany Jerosalema. Tsy isalasalana fa nandany ny alina niaraka tamin’i Lazarosy sakaizany indray i Jesosy. Hatramin’ny nahatongavany avy tany Jeriko ny zoma, dia io no alina fahefatra nolaniny tao Betania.

Talata maraina be, 11 Nisana izao, ary teny an-dalana indray izy sy ny mpianany. Nanjary andro fanapahan-javatra, ny andro feno zavatra natao indrindra, teo amin’ny fanompoan’i Jesosy io andro io. Io no andro farany nisehoan’i Jesosy tao amin’ny tempoly. Io koa no andro hanaovany fanompoana ampahibemaso farany alohan’ny hitsarana sy hamonoana azy.

Nandeha tamin’ilay lalana teo amin’ny tendrombohitra Oliva nankany Jerosalema ihany i Jesosy sy ny mpianany. Teo amin’izany lalana avy tany Betania izany, dia nahamarika ilay hazo nozonin’i Jesosy ny omaly marainan’iny i Petera. “Raby ô, jereo!”, hoy izy, “nalazo ilay aviavy nozoninao.”

Fa nahoana no novonoin’i Jesosy ilay hazo? Nasehony ny antony rehefa nanohy ny teniny toy izao izy: “Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manam-pinoana fotsiny ianareo ka tsy misalasala, dia tsy vitan’ny hoe hahavita izao nataoko tamin’ilay aviavy izao fotsiny, fa raha hiteny amin’ity tendrombohitra ity [ny tendrombohitra Oliva izay nijoroan’izy ireo] koa ianareo ka hanao hoe: ‘Miaingà ianao, ka mianjerà any an-dranomasina’, dia ho tonga izany. Ary na inona na inona angatahinareo amin’ny fivavahana, raha manam-pinoana ianareo, dia ho azonareo.”

Tamin’ny fanaovana izay hampalazo ilay hazo àry i Jesosy dia nanome ho an’ireo mpianany fianarana avy tamin’ny zava-nitranga ny amin’ny ilàn’izy ireo hanana finoana an’Andriamanitra. Nanambara izany toy izao izy: “Na inona na inona ivavahanareo sy angatahinareo, dia manàna finoana fa hoe efa nandray izany tokoa ianareo, dia ho azonareo izany.” Fianarana lehibe toy inona moa izany ho azy ireo, indrindra nanoloana ireo fitsapana nahatahotra izay efa antomotra! Mbola nisy fifandraisany hafa koa anefa teo amin’ilay aviavy nalazo sy io toetra tsara io, dia ny finoana.

Nanana endrika namitaka, toy io aviavy io, ny firenen’ny Isiraely. Na dia nanao fifanekena tamin’Andriamanitra aza ilay firenena ary nety ho niseho teo ivelany ho nitandrina ny fitsipiny, dia hita fa tsy nanam-pinoana sady tsy namoa voa tsara. Noho ny tsy fananany finoana, dia ho tonga hatramin’ny fandavana ny Zanak’Andriamanitra mihitsy aza izy io! Noho izany, tamin’ny fanaovana izay hampalazo ilay aviavy tsy namoa, i Jesosy dia nampiseho an-tsary izay hanjo an’io firenena tsy namokatra sady tsy nanam-pinoana io amin’ny farany.

Tsy ela dia niditra tao Jerosalema i Jesosy sy ny mpianany, ary toy ny fanaon’izy ireo, dia nankao amin’ny tempoly izy, ary nanomboka nampianatra tao i Jesosy. Ny lohan’ny mpisorona sy ny loholona, izay tsy isalasalana fa nahatadidy tao an-tsaina izay nataon’i Jesosy tamin’ireo mpanakalo vola ny omalin’io, dia nihaika azy toy izao: “Fahefana inona no anaovanao ireo zavatra ireo? Ary iza no nanome Anao izao fahefana izao?”

Ho valin’izany, dia hoy i Jesosy: “Izaho koa hanontany anareo zavatra iray. Raha lazainareo amiko izany, izaho koa dia hilaza aminareo izay fahefana anaovako ireo zavatra ireo: Ny batisan’i Jaona, avy taiza moa no niaviany? Avy tany an-danitra, sa avy tamin’ny olona?”

Niara-nandinika ny fomba hamaliana izany ny mpisorona sy ny loholona. “Raha hilaza isika hoe: ‘Avy tany an-danitra’, dia hilaza amintsika izy hoe: ‘Koa nahoana ianareo no tsy nino azy?’ Raha hilaza kosa isika hoe: ‘Avy tamin’ny olona’, dia matahotra ny vahoaka isika, satria ataon’izy rehetra ho mpaminany i Jaona.”

Tsy fantatr’ireo filoha ireo izay tokony havaly. Koa namaly an’i Jesosy àry izy hoe: “Tsy fantatray.”

Nilaza kosa àry i Jesosy hoe: “Izaho koa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izany zavatra izany.” Matio 21:19-27, MN; Marka 11:19-33, MN; Lioka 20:1-8, MN.

▪ Inona no nampiavaka ny talata 11 Nisana?

▪ Fianarana inona avy no nomen’i Jesosy fony izy nanao izay hampalazo ilay aviavy?

▪ Ahoana no navalin’i Jesosy an’ireo izay nanontany azy ny amin’ny fahefana anaovany zavatra?