Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fiaraha-nisakafo tamin’ny Fariseo iray

Fiaraha-nisakafo tamin’ny Fariseo iray

Toko 76

Fiaraha-nisakafo tamin’ny Fariseo iray

REHEFA avy namaly ireo mpanakiana azy izay nanontany ny amin’ny loharanon’ny heriny nanasitranany lehilahy iray tsy afa-niteny i Jesosy, dia nanasa azy hiara-misakafo taminy ny Fariseo iray. Talohan’ny hihinanany, dia nanaraka ny fombafomba fanasana tanana hatreo amin’ny kiho ireo Fariseo. Nanao izany taloha sy taoriana ary nandritra ny sakafo koa aza izy ireo. Na dia tsy nandika ny lalàn’Andriamanitra voasoratra aza io lovantsofina io, dia nihoatra noho izay notakin’Andriamanitra momba ny fahadiovana teo amin’ny fombafomba ara-pivavahana.

Rehefa tsy nanaraka io lovantsofina io i Jesosy, dia gaga ilay nanasa azy. Na dia nety ho tsy nasehony tamin’ny teny aza ny fahagagany, dia tsapan’i Jesosy ka hoy izy hoe: “Ankehitriny, ianareo Fariseo dia manadio ny ivelan’ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatinareo dia feno rombaka sy faharatsiana. Ry adala! Ilay nanao ny ivelany dia nanao ny ao anatiny koa, sa tsy izany?”

Nanala sarona araka izany ny fihatsarambelatsihin’ireo Fariseo izay nanasa tanana ho fanarahana fombafomba nefa tsy nanasa ny fony tamin’ny faharatsiana i Jesosy. Nanome izao torohevitra izao izy: “Omeo ho fanomezana fanehoana famindrampo ireo zavatra ao anatiny, dia, indro! ho madio ny zavatra hafa rehetra eo aminareo.” Tokony ho voatosiky ny fo feno fitiavana ny fanomezana nataony, fa tsy ny fitadiavana hanaitra ny hafa amin’ny fisehoana ho marina ivelany.

“Lozanareo Fariseo”, hoy i Jesosy nanohy ny teniny, “satria manome ny ampahafolon’ny solila sy ny rota ary izay anana famboly hafa rehetra ianareo, nefa lalovanareo ny rariny sy ny fitiavan’Andriamanitra! Ireto zavatra ireto dia tsy maintsy ataonareo, fa iretsy zavatra hafa iretsy koa tsy tokony havela.” Ny Lalàn’Andriamanitra ho an’ny Isiraely dia nitaky ny handoavana ny ampahafolon’ireo vokatry ny tany. Zavamaniry na zava-manitra madinika nampiasaina mba hanomezana tsirony ny sakafo ny solila sy ny rota. Nandoa tamim-pitandremana na dia ny ampahafolon’ireny zava-manitra tsy nisy vidiny ireny aza ireo Fariseo, nefa nanameloka azy ireo i Jesosy noho ny tsy niraharahany ny tokony hampisehoana fitiavana, hanehoana hatsaram-po ary hiheveran-tena ho araka ny tena izy, izay zavatra notakina lehibe kokoa.

Nanohy nanameloka azy ireo i Jesosy ka nanao hoe: “Lozanareo Fariseo, satria tia fatratra ny fipetrahana eo aloha any amin’ny synagoga sy ny fiarahabana any an-tsena ianareo! Lozanareo, satria ianareo dia tahaka ny fasam-pahatsiarovana tsy tazana, ka hitsahin’ny olona ary tsy fantany akory!” Tsy hita ny fahalotoan’izy ireo. Fampisehoana ivelany ny fivavahan’ireo Fariseo fa tsy nanana vidiny anatiny! Nifototra tamin’ny fihatsarambelatsihy izy io.

Nihaino izany fanamelohana izany ny mpahay lalàna iray, dia iray tamin’ireo nahay ny momba ny Lalàn’Andriamanitra, ka nitaraina hoe: “Mpampianatra ô, raha miteny izany ianao, dia manompa anay koa.”

Nihevitra ireo nanam-pahaizana manokana momba ny Lalàna ireo ho tompon’andraikitra koa i Jesosy, ka nanao hoe: “Lozanareo izay mahay ny momba ny Lalàna koa, satria nampitondra ny olona entana sarotra entina ianareo, nefa ianareo tsy mikasika izany entana izany akory, na dia amin’ny rantsantanana iray aza! Lozanareo, satria manorina ny fasam-pahatsiarovan’ireo mpaminany ianareo, nefa ny razanareo no namono azy!”

Ny entana notononin’i Jesosy dia ireo lovantsofina am-bava, nefa ireo mpahay lalàna ireo dia tsy vonona akory ny hanala na dia fitsipika kely iray monja aza mba hanamaivanana ny vahoaka. Nampiharihary i Jesosy fa nanaiky ny hamonoana ireo mpaminany mihitsy aza izy ireo, ka nampitandrina azy toy izao: “ ‘Hotakina amin’ity taranaka ity ny ran’ny mpaminany rehetra nalatsaka hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao, dia hatramin’ny ran’i Abela ka hatramin’ny ran’i Zakaria, izay novonoina teo anelanelan’ny alitara sy ny trano’. Eny, lazaiko aminareo: hotakina amin’ity taranaka ity izany.”

Nanomboka tamin’ny nahaterahan’ireo zanak’i Adama sy i Eva izao tontolo izaon’ny taranak’olombelona azo avotana; araka izany, i Abela dia niaina tamin’ny “fanorenana izao tontolo izao”. Taorian’ny famonoana an’i Zakaria tamin-kabibiana, dia nandroba tanteraka ny tanin’ny Joda ny tafika syriana iray. I Jesosy anefa dia nilaza mialoha ny fandrobana ratsy kokoa hihatra amin’ny taranaka nisy azy noho ny faharatsiana lehibe kokoa teo aminy. Nitranga 38 taona taorian’izay, tamin’ny 70 am.fan.ir., izany fandrobana tanteraka izany.

Nanohy ny fanamelohany toy izao i Jesosy: “Lozanareo mahay ny momba ny Lalàna, satria nalainareo ny fanalahidin’ny fahalalana; ianareo tsy niditra, ary izay hiditra nosakananareo!” Nanana adidy hanazava ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny olona ireo nanam-pahaizana manokana momba ny Lalàna, ka hampahafantatra tamin’izany ny hevitr’izy io. Tsy nanao izany anefa izy ireo ary naka tamin’ny olona mihitsy aza ny fahafahana hahatakatra azy io.

Romotra tamin’i Jesosy ireo Fariseo sy nanam-pahaizana momba ny lalàna noho ny nanalany sarona azy ireo. Rehefa nandao ilay trano izy, dia nanomboka nanohitra azy tamin-kasiahana izy ireo sady nanototra fanontaniana azy. Nanandrana ny hamandrika azy mba hitenenany zavatra izay hahafahany hisambotra azy izy ireo. Lioka 11:37-54, MN; Deoteronomia 14:22; Mika 6:8, MN; 2 Tantara 24:20-25.

▪ Nahoana i Jesosy no nanameloka ireo Fariseo sy nanam-pahaizana manokana momba ny Lalàna?

▪ Entana inona no napetrak’ireo mpahay lalàna teo amin’ny olona?

▪ Oviana no “nanorenana izao tontolo izao”?